2013
Ahoana no Fomba Hanompoana ao amin’ireo Antso ao amin’ny Fisoronana
Aprily 2013


Ahoana no Fomba Hanompoana ao amin’ireo Antso ao amin’ny Fisoronana

Avy amin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 1987.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Moa ve ianao efa mba nihevitra ny hasarobidin’ny fanahin’olombelona iray? Moa ve ianao efa nanontany tena mikasika ny hery anaty izay mitoetra ao anatintsika tsirairay?

Indray mandeha izay aho nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray ka tamin’izay dia nanokatra ny tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18 ny filohan’ny tsatòkako teo aloha Paul C. Child ary nanomboka namaky hoe: “Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’Andriamanitra” (andininy faha 10).

Avy teo ny Filoha Child dia nanontany hoe: “Manao ahoana ny hasarobidin’ny fanahin’olombelona?” Nataony izay tsy hangatahana valiny avy amin’ny eveka iray, na ny filohan’ny tsatòka iray na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo. Fa nisafidy filohan’ny kôlejin’ny loholona iray kosa izy.

Nitoetra nangina teo nandritra ny fotoana toa naharitra mandrakizay ilay olona voatendry tampoka, ary avy teo dia nanambara hoe: “Ny maha sarobidy ny fanahin’olona iray dia ny fahafahany ho tonga tahaka an’Andriamanitra.”

Samy nandinika io valinteny io avokoa ireo rehetra izay nanatrika teo. Nanohy ny hafatra tiany nampitaina ny Filoha Child, saingy nanohy nandinika io valinteny nentanim-panahy io aho.

Asa goavana izany hoe manolo-tanana, sy mampianatra, ary mikasika ireo fanahy sarobidy izay nomanin’ny Raintsika handray ny hafany. Mahalana ny hoe tsotra ny fahitana fahombiazana. Matetika izany dia ialohavan’ny ranomaso, fitsapana, fitokisana ary fijoroana ho vavolombelona.

Mahazo fampaherezana ireo Mpanompon’Andriamanitra ao amin’ilay fanomezan-toky avy any amin’ilay Mpampianatra manao hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Manohana anareo rahalahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna io fampanantenana lehibe io, ianareo izay voantso amin’ny toeran’ny mpitarika ao amin’ireo kôlejn’ny diakona sy mpampianatra ary mpisorona. Mankahery anareo izany eo amin’ny fiomananareo hanompo ao amin’ny sahan’ny misiona. Mankahery anareo izany mandritra ireo fotoana mahakivy, izay tonga amin’ny rehetra.

“Koa, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa,” hoy ny Tompo, “fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe.

Indro, mitaky ny fo sy ny saina marisika ny Tompo” (F&F 64:33–34). Finoana maharitra, sy fahatokiana tsy miovaova, ary faniriana mivaivay no mampiavaka hatrany ireo izay manompo ny Tompo amin’ny fony manontolo.

Raha misy rahalahy maheno ny feoko ka mahatsiaro tena ho tsy vonona, na koa aza tsy mahavita mihitsy, hamaly ny antso mba hanompo sy hahafoy tena ary hitahy ny fiainan’ny hafa, dia tsarovy ilay fahamarinana hoe: “Izay antsoin’Andriamanitra, dia Andriamanitra no mahatonga azy ho mendrika.”

Sary

Sary nentina hanaingoana, nalain’i Cody Bell © IRI