2013
Milà hevitra amin’ny Tompo
Aprily 2013


Milà hevitra amin’ny Tompo

Eduardo Oliveira, Ceará, Brésil

Fony aho 15 taona dia nisy ankizy vavy iray nahafinaritra ahy izay niray kilasy tamiko tany an-tsekoly ary naniry hampiaraka taminy aho. Nanintona be izy saingy nanontany tena aho raha toa ka tokony hangataka azy hiaraka amiko alohan’ny hahafeno 16 taona ahy. Tsaroako ny Almà 37:37, izay milaza hoe: “Milà hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ny tsara ianao.” Ka dia izay no nataoko. Nivavaka aho ary niandry ny valintenin’ny Tompo tao anatin’ny andro maromaro alohan’ny handraisana fanapaha-kevitra.

Indray andro tany am-piangonana dia nampandroso ahy ho ao amin’ny efitra iray ny evekako ary nanasa ahy hitondra lahateny ny Alahady taorian’io. Inona ary no lohahevitra? Aza mampiaraka raha tsy efa feno 16 taona ianao farafahakeliny. Nahatsapa aho fa izany no valintenin’ny Tompo ho ahy, ary tsia no valiny. Ahoana no ahafahako mampianatra zavatra iray tsy nampihariko?

Satria aho nila hevitra tamin’ny Tompo, dia nahavita nianatra ny sitrapon’ny Tompo mikasika ny fiainako ary nahavita ihany koa nandositra ny fakam-panahy. Fantatro fa raha mila hevitra amin’ny Tompo isika dia hampahafantatra amintsika ny sitrapony Izy, ary dia ho voatahy tokoa isika.