2010–2019
Ireo valim-bavaka
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Ireo valim-bavaka

Mahafantatra antsika ny Ray, mahafantatra ny zavatra ilaintsika, ary hanampy tsara antsika tokoa.

Fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manan-danja sy mampahery ny hoe ny Raintsika any An-danitra dia tia ny zanany amin’ny fitiavana tanteraka. Noho izany fitiavana tanteraka izany, dia mitahy antsika Izy ary tsy araka ny faniriantsika sy ny zavatra ilaintsika fotsiny fa araka ny fahendreny tsy manam-petra ihany koa. Araka ny nanambaran’i Nefia mpaminany izany tamin’ny fomba tsotra hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany [Andriamanitra].”1

Fomba iray hisehoan’izany fitiavana tanteraka izany ny firotsahan’ny Raintsika any An-danitra an-tsehatra amin’ireo antsipirian-javatra eo amin’ny fiainantsika, eny fa na dia rehefa tsy tsikaritsika na tsy takatsika akory aza izany. Mikatsaka ny fitarihana sy ny fanampiana masina avy amin’ny Ray isika amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po sy amim-pahamatorana. Rehefa miaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataontsika isika ary miezaka ny hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjintsika, dia ho mendrika ny hahazo loharanon’ny fitarihan’ Andriamanitra tsy tapaka2 amin’ny alalan’ny fitaomana sy ny fanentanan’ny Fanahy Masina.

Mampianatra antsika ny soratra masina hoe: “Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza hianareo,”3 ary Izy “Ilay mahalala ny zava-drehetra, satria ny zava-drehetra dia eo anoloan’ny maso[ny].”4

Ohatra iray amin’izany ny mpaminany Môrmôna. Tsy afaka nahita ny vokatry ny asany tamin’ny fahavelomany izy. Takany anefa fa nitarika azy tsara ny Tompo. Rehefa nahatsapa fitaomam-panahy i Môrmôna ny hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia tao amin’ny raki-tsorany, dia nanoratra toy izao izy hoe: “Ary ataoko izany noho ny fikasana hendry; fa toy izany no ibitsibitsihany ahy araka ny fiasan’ny Fanahin’ny Tompo izay ato amiko. Ary ankehitriny, tsy mahalala ny zava-drehetra aho; fa ny Tompo kosa no mahalala ny zavatra rehetra izay ho avy; koa miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony.”5 Na dia tsy nahalala mikasika ny fahaverezan’ireo sora-tanana 116 takila any aoriana any aza i Môrmôna, ny Tompo kosa dia nahalala ary nanomana lalana handresena izany sakana izany mialoha be ny hitrangan’izany.

Mahafantatra antsika ny Ray, mahafantatra ny zavatra ilaintsika, ary hanampy tsara antsika tokoa. Indraindray izany fanampiana izany dia omena eo no ho eo na farafahakeliny vetivety aorian’ny hangatahantsika ny fanampian’ Andriamanitra. Indraindray ireo faniriantsika tena avy amin’ny fo sy mendrika indrindra dia tsy valiana araka izay hanantenantsika izany, kanefa hitantsika fa mitahiry fitahiana lehibe kokoa homena antsika amin’ny ho avy Andriamanitra. Ary indraindray dia tsy omena eto amin’ity fiainana ity ireo faniriana tsara ananantsika. Hasehoko amin’ny alalan’ny tantara telo samihafa ny fomba mety hamalian’ny Raintsika any An-danitra ny vavaka ataontsika Aminy amin-kitsimpo.

Voantso ho misiônera tao amin’ny Misiônan’i France Paris ny zanakay faralahy. Nandritra ny fiomanana hanompo, dia niara-nandeha taminy izahay mba hividy ireo zavatra nilaina toy ny lobaka, palitao sy pataloha, karavato, bà kiraro, ary palitao lava mafana. Indrisy anefa, fa ilay palitao lava mafana tiany dia tsy nisy tamin’ny halehibeny izay nilainy. Nilaza anefa ilay mpivarotra fa hisy afaka herinandro vitsivitsy ilay palitao lava mafana ary dia haterina any amin’ny ivon-toerana fanofanana misiônera ao Provo alohan’ny handehanan’ny zanakay lahy any France. Nalohanay ny saran’ilay palitao lava mafana dia tsy nieritreritra an’ilay izy intsony izahay avy eo.

Niditra tao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera ny zanakay lahy ny volana Jona, ary naterina tany andro vitsy monja mialoha ny fotoana voatondro mba handehanany ny volana aogositra ilay palitao lava mafana. Tsy nandramany ilay palitao fa avy hatrany dia nampidiriny tao anaty entany niaraka tamin’ny fitafiany sy ireo zavatra hafa.

Rehefa nanakaiky ny ririnina tao Paris, izay toerana nanompoan’ny zanakay, dia nanoratra ho anay izy fa navoakany ilay palitao lava mafana, dia nandramany, saingy hitany fa tery loatra taminy. Noho izany dia tsy maintsy nametraka vatsim-bola fanampiny tao amin’ny kaontin’ny bankiny izahay mba hahafahany mividy palitao lava hafa tany Paris, dia nividy tokoa izy. Nanoratra ho azy tamim-pahatezerana kely aho dia niteny azy mba hanome an’ilay palitao lava voalohany ho an’olon-kafa satria tsy afaka nanao izany akory izy.

Naharay ity email ity avy aminy izahay taty aoriana: “Faran’izay mangatsiaka aty. … Ohatra an’ireny manatrobaka anay ireny ny rivotra, na dia tsara sy matevina be aza ny palitao lava mafanako. Nomeko an’ny [misiônera iray hafa miray trano aminay] ilay ahy taloha, ary nilaza izy fa efa nivavaka foana izy mba hahitany fomba hahazoana palitao lava tsara kokoa. Olona niova fo efa an-taonany maromaro izy, ary tsy manana afa-tsy ny reniny … sy ilay misiônera nanao batisa azy izay manohana azy amin’ny asa fitoriany, ka noho izany ilay palitao lava dia valim-bavaka, dia tena nahafaly ahy tokoa izany.”6

Fantatry ny Ray any An-danitra fa io misiônera io izay nanompo tany France tany amin’ny 10.000 kilômetatra niala ny taniny dia hila maika palitao lava mafana vaovao hiatrehana ririnina mamirifiry tany Paris, saingy tsy hanana vola hividianana izany io misiônera io. Fantatry ny Ray any An-danitra fa ilay zanakay lahy dia haharay palitao lava mafana izay ho tery loatra aminy avy amin’ilay fivarotana fitafiana tao Provo. Fantany fa ireo misiônera roa ireo dia hiara-hanompo tany Paris ary ilay palitao lava dia ho valin’ny vavaka tamim-panetren-tena sy tamin-kitsim-po nataon’ny misiônera iray izay nanana filàna maika.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe:

“Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.

“Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

“Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.”7

Amin’ny toe-java-misy hafa, rehefa tsy nomena araka ny fomba nanantenantsika azy ireo faniriana tsara nananantsika, dia mety ho an’ny tombontsoa lehibe ho antsika raha ny marina no nahatonga izany. Ohatra, i Josefa zanak’i Jakoba dia nialonana sy nankahalain’ireo rahalahiny tokoa ka dia namolavola teti-dratsy hamono an’i Josefa izy ireo. Naleon’izy ireo anefa nivarotra azy ho andevo hoentina tany Egypta.8 Raha nisy ny olona mety ho nahatsapa fa tsy novaliana araka izay nantenainy ny vavaka nataony, dia mety ho i Josefa izany. Raha ny tena marina, ny vokatr’ilay fahoriany hita niharihary dia fitahiana lehibe ho azy ary nahavonjy ny fianakaviany tamin’ny mosary. Taty aoriana, rehefa lasa mpitarika nitokisana tao Egypta izy, dia nilaza tamin’ireo rahalahiny tamim-pinoana sy fahendrena lehibe hoe:

“Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo aty.

“Fa roa taona izao no efa nisian’ny mosary teto amin’ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

“Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.

“Ary amin’izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra.”9

Fony mbola tao amin’ny oniversite ny zanakay lahy matoa, dia voaray mba hanao asa tapa-kandro tena tsara natao ho an’ny mpianatra izy izay afaka nitondra azy ho amin’ny asa raikitra tena tsara taorian’ny fahavitany ny fianarany. Niasa mafy tamin’io asa ho an’ny mpianatra io izy nandritra ny efa-taona, lasa mpiasa tena mahay, ary nohajain’ny mpiara-miasa taminy sy ny lehibeny tsara. Rehefa tapitra ny kilasy famaranana nataony, dia toy ireny hoe efa nalamin’ Andriamanitra ireny (araka ny fomba fijerin’ny zanakay lahy azy), fa ilay asa raikitra dia nisokatra ary izy no mpifaninana tsara indrindra, izay nahafeno ny fepetra rehetra sy nanana fanantenana fa ho azony tokoa ilay asa.

Tsy voaray anefa izy. Tsy nisy taminay no nahatakatra ny anton’izany. Niomana tsara izy, nahavita tsara ny dinidinika nataony, izy no mpifaninana mendrika indrindra, ary nivavaka tamin’ny fanantenana lehibe sy tamin’ny fiandrandrana izany fatratra! Nalahelo sy kivy izy, ary tsy nisy nahatakatra ny antony tsy nahazoany ilay asa izahay. Fa nahoana Andriamanitra no tsy namaly ny faniriana tsara nananany?

Tsy lasa nazava tsara ny valiny raha tsy taona maromaro taty aoriana. Raha nahazo ilay asa nofinofisiny taorian’ny fahavitan’ny fianarany izy, dia ho tsy nahazo ilay fahafahana nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainany, izay voaporofo ankehitriny fa natao ho an’ny tombontsoany sy ny fitahiana ho azy mandrakizay. Fantatr’ Andriamanitra hatrany am-boalohany ny farany (ary efa toy izany foana Izy), ary tamin’ity tranga iray ity, dia tsia no valin’ny vavaka maro natao tamim-pahamarinana, mba hahazoana vokatra tsara lavitra.

Ary indraindray ny valin’ny vavaka izay nokatsahintsika tamim-pahamarinana sy tamim-panantenana ary tamin-kintsim-po tokoa dia tsy omena eto amin’ity fiainana ity.

Nahita tsara ny mason-dRahavavy Patricia Parkinson tamin’ny nahaterahany, saingy rehefa feno fito taona izy dia lasa nihajamba. Fony izy sivy taona, dia nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly tao Utah natao ho an’ny marenina sy ny jamba tao Ogden Utah i Pat, izay teo ho eo amin’ny 145 km niala ny tranony, ka nahatonga azy tsy maintsy nanao kilasy mandry tao amin’ilay sekoly, ary tafiditra tao anatin’izany ny faniriana te hody rehetra izay mety ho tsapan’ny ankizy iray sivy taona.

Rehefa feno 11 taona izy dia lasa jamba tanteraka. Niverina nody tanteraka tany an-trano i Pat fony izy 15 taona mba hianatra tao amin’ny lisea tao an-toerana. Nanohy fianarana tany amin’ny oniversité izy ary nahazo diplaoma license momba ny fananana olana amin’ny fitenenana sy momba ny fomba fisaina sy fihetseham-po, ary rehefa avy niady tamin-kerim-po mba hiatrehana ireo tompon’andraikitry ny fandraisana mpianatra feno fisalasalana tao amin’ny oniversite izy, dia niditra tao amin’ny ambaratonga faharoa amin’ny fianarana ambaratonga ambony izy ka nahazo maîtrise momba ny haifanitsiampiteny. Amin’izao i Pat dia mampianatra mpianatra 53 ao amin’ny ambaratonga fototra ary manara-maso manampahaizana manokana momba ny haifanitsiampiteny miisa efatra ao amin’ny distrikan’ny sekoly misy azy. Manana ny tranony sy ny fiarany manokana izy, izay entin’ny namany sy ny olona ao amin’ny fianakaviany rehefa mila fitaterana i Pat.

Sary
Rahavavy Patricia Parkinson

Tamin’ny faha-10 taonany, dia nandaminana fotoana i Pat mba hanaraka dingana iray hafa ara-pitsaboana indray mba hamahana ilay fihenan’ny fahafahany mahita. Nilaza taminy tsara foana ny zavatra hitranga mikasika ny fitsaboana azy ireo ray aman-dreniny, saingy noho ny antony manokana dia tsy nolazain’izy ireo azy ity dingana iray manokana ity. Rehefa nolazain’ny ray aman-dreniny azy fa efa voalamina ny fotoana hanaovana ilay dingana dia “tezitra” i Pat, araka ny filazan-dreniny azy. Nihazakazaka tany amin’ilay efitra hafa i Pat, saingy niverina avy eo dia niteny tamin’ireo ray aman-dreniny tamin-katezerana hoe: “Misy zavatra holazaiko anareo. Fantatro, fantatr’ Andriamanitra, ary mety ho fantatrareo ihany koa. Ho jamba mandritra ny androm-piainako aho!”

Taona maro lasa izay dia nandeha tany Californie i Pat mba hitsidika ireo havany nipetraka tany. Rehefa niara-nivoaka tamin’ny zanakalahin’ny anadahiny izay telo taona izy, dia hoy ilay zanak’anadahiny taminy hoe: “Nenitoa Pat, nahoana ianao no tsy mangataka amin’ny Ray any An-danitra fotsiny mba hanome anao maso vaovao? Satria raha mangataka amin’ny Ray any An-danitra ianao, dia homeny anao izay rehetra tianao. Mila mangataka Aminy fotsiny ianao.”

Nilaza i Pat fa tsy nampoiziny ilay fanontaniana, saingy hoy izy namaly hoe: “Indraindray dia tsy toy izany no fomba fiasan’ny Ray any An-danitra. Indraindray dia tiany hianatra zavatra ianao, ka noho izany dia tsy omeny anao izay rehetra tianao. Mila miandry ianao indraindray. Ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy no mahafantatra indrindra izay mahasoa antsika sy izay ilaintsika. Ka noho izany dia tsy hanome anao izay rehetra tianao amin’ny fotoana tianao hahazoana izany Izy ireo.”

Efa an-taonany maro no nahafantarako an’i Pat ary vao haingana aho no nilaza taminy fa tena mahavariana ahy ilay izy manana eritreritra tsara sy faly foana. Hoy izy namaly hoe: “Tsy niaraka tamiko tany an-trano ianao, sa tsy izany? Misy fotoana hananako olana. Efa nisedra tamin’ny fomba henjana hareraham-panahy aman-tsaina aho, ary matetika no mitomany.” Kanefa, hoy izy nanohy: “Nanomboka tamin’ny fotoana nanombohako niha-tsy nahita, dia hafahafa ilay izy, saingy fantatro fa niaraka tamiko sy tamin’ny fianakaviako ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Natrehanay araka izay azonay natao izany, ary raha ny hevitro, dia nety tsara ny fomba niatrehanay izany. Lasa olona nahomby tokoa aho, ary amin’ny ankapobeny dia olona faly aho. Tadidiko ny fiasan’ny tanany tamin’ny zavatra rehetra. Ho an’ireo izay manontany ahy raha tezitra aho satria jamba, dia valiako hoe: -Iza moa no hitezerako? Miaraka amiko ao anatin’izao toe-javatra izao ny Ray any An-danitra. Tsy irery aho. Miaraka amiko foana Izy.-”

Tamin’ity tranga iray ity, ny fanirian’i Pat hiverina hahita indray dia tsy hotanterahina eto amin’ity fiainana ity. Saingy ny teny filamatra ampiasainy, izay nianarany avy amin’ny rainy dia hoe: “Mbola hisinda ihany koa izao.”10

Hoy ny Filoha Henry B.Eyring hoe: “Ny Ray amin’izao fotoana izao dia mahafantatra ny aminao, sy ny fahatsapanao, ary ny zavatra ilain’ny olona tsirairay manodidina anao ara-panahy sy ara-nofo.”11 Io fahamarinana lehibe sy mampahery io dia afaka ny ho hita ao amin’ireo zavatra niainana miisa telo notantaraiko.

Ry rahalahy sy anabavy, indraindray ny vavaka ataontsika dia valiana haingana amin’ny fanomezana ny zavatra izay antenaintsika. Indraindray, ny vavaka ataontsika dia tsy valiana araka izay anantenantsika izany, kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia fantatsika fa Andriamanitra dia manana fitahiana lehibe kokoa nomaniny ho antsika izay mihoatra izay nandrasantsika tany am-boalohany. Ary indraindray dia tsy hovaliana eto amin’ity fiainana ity ireo vavaka amim-pahamarinana ataontsika amin’ Andriamanitra.12 Hoy ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Tafiditra ao anatin’ny finoana ihany koa ny fatokiana ny fotoan’ Andriamanitra.”13

Matoky isika fa amin’ny fombany sy amin’ny fotoany, ny Ray any An-danitra dia hitahy antsika ary hamaha ny olantsika, sy handresy ny tsy rariny, ary hanaisotra ny fahadisoam-panantenana rehetra.

Hoy i Benjamîna Mpanjaka hoe: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’ izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana. Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.”14

Fantatro fa mandre ny vavaka ataontsika Andriamanitra.15 Fantatro fa amin’ny maha-Ray mahalala ny zavatra rehetra sy be fitiavana Azy, dia mamaly tsara tokoa ny vavaka ataontsika Izy, araka ny fahendreny tsy manam-petra, ary amin’ny fomba izay hitondra tombontsoa sy fitahiana faran’izay lehibe ho antsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.