2010–2019
Tsy misy hafa amin’izay nataony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Tsy misy hafa amin’izay nataony

Rehefa mikatsaka ny hanompo tsy misy hafa amin’izay nataony isika, dia hahazo fahafahana hanadinoana ny tena sy hanampiana ny hafa.

18 volana lasa teo ho eo izay, tamin’ny fararano tamin’ny 2017 dia nilaza tamiko i Mike rahalahiko, 64 taona, fa nahitana homamiadan’ny sarak’aty izy. Nolazainy tamiko koa fa efa nahazo tsodranon’ny fisoronana tamin’ny mpampianatra isan-tokantranony izy, ary efa nihaona tamin’ny evekany. Taty aoriana dia nalefany tamin’ny hafatra an-telefaonina taty amiko ny sarin’ny Tempolin’i Oakland, Californie, izay nalaina avy teo amin’ny hôpitaly izay nitsaboina azy, ka nisy soratra hoe “Jereo ny zavatra tazako avy eto amin’ny efitrano misy ahy ato amin’ny hôpitaly.”1

Nanaitra ahy tahaka ilay hoe homamiadana koa ireo teniny momba ireo mpampianatra isan-tokantrano sy ny tsodranon’ny fisoronana, sy ny eveka ary ny tempoly. Hitanareo, i Mike izay mpisorona ao amin’ny fisoronana Aharôna dia tsy mba niangona efa ho 50 taona izay.

Ho anay mianakavy moa dia saika nitovy ny fahaliananay tamin’ny fivoarany ara-panahy sy tamin’ny fivoarany teo amin’ny ady tamin’ny homamiadana, indrindra noho ireo fanontaniany izay lasa matetitetika, mahakasika ny Bokin’i Môrmôna, ny fahefan’ny famehezana, ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Rehefa nandeha ireo volana ka nihanaka ilay homamiadana, dia nilaina ny fitsaboana fanampiny sy matihanina kokoa izay nahatonga an’i Mike ho any Utah any amin’ny Toby Fitsaboana Homamiadana Hunstman tamin’ny farany.

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Mike dia namangy azy i John Holbrook, mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ilay paroasy izay niandraikitra ny faritra nisy ilay toeram-pitsaboana izay nisy an’i Mike tamin’izay fotoana izay. Nilaza i John hoe “niharihary tamiko fa zanak’ Andriamanitra i Mike” ary vetivety foana dia lasa nifandray be sy lasa mpinamana izy ireo, ka nahatonga an’i John lasa ho azy ho rahalahy mpanompon’i Mike. Nisy avy hatrany ny fanasana handray ireo misiônera, izay nolavin-drahalahiko tamim-pahalalam-pomba. Saingy iray volana taorian’ny naha-mpinamana azy ireo dia nanontany indray i John, ka nanazava tamin’i Mike hoe “Mihevitra aho fa ho tianao ny haheno ny hafatry ny filazantsara.”2 Tamin’ity indray mitoraka ity dia nekeny ny fanasana, ka nahatonga azy hihaona tamin’ireo misiônera, ary koa tamin’ny Eveka Jon Sharp. Ny fifampiresahana tamin’io eveka io no nahafahan’i Mike taty aoriana handray ny tsodranon’ny patriarika, 57 taona taorian’ny batisany.

Tamin’ny voalohandohan’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa, taorian’ny volana maro nitsaboana, dia nanapa-kevitra i Mike hanatsahatra ny fitsaboana atao amin’ilay homamiadana, izay niteraka voka-dratsy lalina, ka hanaiky izay ho fizotrany eo. Nolazain’ireo dokotera anay fa nanana teo amin’ny telo volana teo ho eo sisa i Mike hiainana. Nandritra izany dia nitohy ireo fanontaniana mikasika ny filazantsara, ary koa ireo famangiana sy fanohanana avy amin’ireo mpitarika tao amin’ny fisoronana teo an-toerana. Nandritra ireo fihaonanay tamin’i Mike dia natetika izahay no nahita Bokin’i Môrmôna mivelatra eo amin’ny latabatra kely eo an-doham-pandriana rehefa niresaka momba ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara, ireo fanalahidin’ny fisoronana, ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ny maha-mandrakizay ny olombelona.

Tamin’ny tapatapaky ny desambra, rehefa teny am-pelatanan’i Mike ny tsodranon’ny patriarikany, dia toa nahazo hery indray izy, ary azo noheverina ny hahavelomany mandritra ny telo volana fanampiny indray raha kely indrindra. Namolavola drafitra mihitsy aza izahay ny hiarahany aminay amin’ny Krismasy, sy ny taom-baovao, ary aorian’izany. Tamin’ny 16 Desambra dia naharay antso tsy nampoizina avy tamin’ny Eveka Sharp aho, izay nampahafantatra ahy fa nanao dinidinika tamin’i Mike izy sy ny filohan’ny tsatòka, ka nahita fa mendrika ny handray ny fisoronana Melkizedeka izy, ary nanontany aho hoe rahoviana aho no afaka handray anjara amin’izany. Ny zoma 21 desambra no tapaka fa hanatanterahina ilay ordônansy.

Rehefa tonga ilay andro, dia tonga tao amin’ilay toeram-pitsaboana izaho sy i Carol vadiko ary notsenaina avy hatrany teo an-dalantsara teo akaikin’ny efitranony, ary nolazaina fa tsy re intsony ny fitempon’ny fon’i Mike. Niditra ilay efitrano izahay ka nahita ny patriarika sy ny evekany ary ny filohan’ny tsatòkany efa niandry teo; ary dia naniratra ny masony i Mike. Fantany aho ary nasehony hoe afaka mandre ahy izy ka vonona handray ny fisoronana. Dimampolo taona taorian’ny nanendrena an’i Mike ho mpisorona tao amin’ny Fisoronana Aharôna, dia nanana fahafahana aho, niaraka tamin’ireo mpitarika azy teo an-toerana, nanolotra ny Fisoronana Melkizedeka tamin’ny rahalahiko ary nanendry azy tao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona. Adiny dimy taty aoriana, dia nodimandry i Mike, niampita ny voaly mba hihaona amin’ireo ray aman-dreninay, ary efa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.

Herintaona katroka lasa izay no nanaovan’ny Filoha Russell M. Nelson antso avo tamintsika tsirairay, hikarakara ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny fomba “ambony sy masina kokoa.”3 Raha niresaka momba ny Mpamonjy ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe: “koa satria Fiangonany ity, dia isika, amin’ny maha-mpanompony antsika, no hanompo ny tsirairay tsy misy hafa amin’izay nataony. Hanompo amin’ny anarany isika, miaraka amin’ny heriny sy ny fahefany, ary ilay hatsaram-panahiny feno fitiavana.”4

Ho setrin’izany fanasana nataon’ny mpaminanin’ Andriamanitra iray izany, dia hita maneran-tany ny ezaka miavaka hanompo ny olona tsirairay, na ezaka iaraha-miasa voarindra izany, rehefa manatanteraka amim-pahatokiana ireo asa fanompoana nampandraiketina azy ireo mpikambana, na ilay antsoiko hoe fanompoana “mandeha ho azy,” noho ireo maro izay maneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy rehefa misy ny fahafahana manompo tsy nampoizina. Hitanay maso mivantana io karazana fanompoana io teo amin’ny fianakavianay.

I John, izay sady naman’i Mike no rahalahy mpiara-manompo aminy ary efa avy filohan’ny misiôna, dia mpiteny tamin’ireo misiônerany hoe “raha misy olona iray ao anatina lisitra hoe -tsy liana,- dia aza milavo lefona. Fa afaka miova ny olona.” Hoy izy taminay avy eo hoe “Mahery vaika ny fiovan’i Mike.”5 Namana aloha i John, izay nanolotra fankaherezana sy fanampiana matetika, saingy tsy nionona tamin’ny famangiana ataon’ny namana fotsiny ny fanompoana nataony. Fantatr’i John fa ny mpanompo dia mihoatra noho ny namana, ary dia mivelatra io finamanana io rehefa manompo isika.

Tsy voatery ho iharan’ny aretina mety haningotra ny aina toy ny rahalahiko ny olona iray, vao hoe ilaina anaovana asa fanompoana. Miseho amin’ny endriny sy ny halehibeny samihafa ary ao anatina toe-javatra samihafa ireo filana ireo. Ray na reny tokan-tena, mpivady malaindaina, zatovo be olana, reny tototry ny fahasahiranana, finoana mandalo fisedrana, olana ara-bola, na ara-pahasalamana, na ara-panambadiana. Saika tsy misy fiafarana ny lisitra. Saingy, tahaka an’i Mike rahalahiko, tsy misy olona lasa lavitra loatra izany, ary tsy misy hoe diso aoriana loatra izany ka tsy ho takatry ny fitiavan’ny Mpamonjy intsony.

Ampianarina antsika ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana mikasika ny Fanompoana ny hoe: “na dia maro aza ny tanjon’ny fanompoana, dia ny faniriana hanampy ny hafa hiaina fiovam-po lalina kokoa sy ho lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy no tokony hanentana ny ezaka ataontsika.”6 Tahaka izao no nilazan’ny Loholona Neil L. Andersen izany:

“Ny olona iray manam-pitiavana dia afaka manampy olona hanamboatra kodiarana, mitondra namana mpiray efitra amin’ny tena mankany amin’ny mpitsabo, miara-misakafo amin’ny olona malahelo, na mitsiky dia miarahaba mba hampamiratra ny andron’ny olona iray.

“Saingy ny olona iray mpanaraka ilay didy voalohany dia hanao zavatra hafa hanampiana ireo asa maneho fanompoana manan-danja ireo.”7

Rehefa ampitoviantsika amin’ny an’i Jesoa Kristy ny fomba hanompoantsika dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny ezaka nataony mba hitia, sy hampahery, sy hanompo, ary hitahy dia nisy tanjona lehibe kokoa noho ny fanomezana fotsiny ihany ny zavatra nilaina teo no eo. Fantany nazava tsara ny zavatra nilain’izy ireo isan’andro ary nangoraka teo anatrehan’ny fahoriana niainan’izy ireo Izy, raha nanasitrana sy namahana, sy namela heloka ary nampianatra. Saingy te hanao mihoatra noho ny manome ny zavatra nilaina teo no eo fotsiny Izy. Tiany ireo rehetra nanodidina Azy hanaraka Azy, sy hahafantatra Azy ary hahatratra ilay hery masina anaty ananan’izy ireo.8

Rehefa mikatsaka ny hanompo tsy misy hafa amin’izay nataony isika,9 dia hahazo fahafahana hanadinoana ny tena sy hanampiana ny hafa. Mety tsy dia mampahazo aina loatra ireo fahafahana manompo ireo indraindray ary mitsapa ny faniriantsika marina hitovy kokoa amin’ilay Mpampianatra, izay ny asa fanompoana lehibe indrindra vitany, ilay Sorompanavotany tsy manam-petra, dia tena tsy nampahazo aina Azy mihitsy. Ao amin’ny Matio toko faha-25 dia ampahatsiahivina antsika ny zavatra tsapan’ny Tompo momba antsika, rehefa tsapatsika, tahaka ny ahatsapany Azy koa, ireo ady sy sedra ary fanamby atrehan’ny olona maro dia maro saingy mazàna tsy tsikaritra akory:

“Avia hianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;

“Fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo … .

“Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?

“Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay…?

“Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”10

Na manompo amin’ny maha-rahalahy na rahavavy mpanompo isika, na koa mahatsikaritra fotsiny olona sahirana, dia amporisihana isika hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy, ary avy eo hanao asa. Mety hanontany tena isika hoe ahoana no fomba tsara indrindra hanompoana, saingy ny Tompo dia mahafantatra, ary hahazo fitarihana isika eo amin’ny ezaka ataontsika, amin’ny alalan’ny Fanahiny. Tahaka an’i Nefia, izay “notarihan’ny Fanahy…, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hatao[ny],”11isika koa dia hotarihin’ny Fanahy rehefa miezaka ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo hitahiana ireo zanany. Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy isika ka mahatoky ny Tompo, dia hapetraka amin’ny toerana sy toe-javatra izay hahafahantsika mandray andraikitra sy mitahy, na amin’ny teny hafa hoe, manompo.

Mety misy fotoana hafa izay ahitantsika filana fanampiana iray saingy mahatsapa ho tsy afaka manao na inona na inona isika, noho ny fieritreretana fa tsy ampy ny zavatra azontsika atolotra. Ny fanaovana “tsy misy hafa amin’izay nataony”12 anefa dia ny manompo amin’ny fanolorana izay azontsika omena ary matoky fa ny Tompo dia hanitatra ny ezaka ataontsika hitahiana ireo “mpiara-belona amintsika eto amin’ity fiainana ity.”13 Ho an’ny sasany izany dia mety hoe hanolotra fotoana sy talenta; ho an’ny hafa mety ho teny mamy na fanampiana ara-batana. Na dia mety mahatsapa aza isika hoe tsy sahaza tsara ny ezaka ataontsika, dia nizara fitsipika manan-danja ny Filoha Dallin H. Oaks mahakasika ny hoe “zava-madinika sy tsotra.” Nampianatra izy fa ny fihetsika bitika sy tsotra dia mahery vaika satria manasa “ny Fanahy Masina ho namana,”14 namana izay mitahy na ilay mpanome na ilay mpandray.

Rehefa nahafantatra i Mike rahalahiko fa ho faty tsy ho ela izy dia nilaza izy hoe, “Mahagaga ny mahatonga ny homamiadan’ny sarak’aty hahatonga anao hifantoka amin’ny zavatra manan-danja indrindra.”15 Noho ireo lehilahy sy vehivavy nahafinaritra izay nahita ny filana fanampiana, sy tsy mba nitsaratsara, ary nanompo tahaka ny Mpamonjy, dia tsy mbola tara loatra ny momba an’i Mike. Ho an’ny sasany dia mety ho tonga aloha kokoa ny fiovana, ho an’ny hafa kosa angamba mety any ambadiky ny voaly. Na izany aza dia tsy maintsy mahatsiaro isika fa tsy misy izany tara loatra izany, ary tsy mbola nisy hoe niala lavitra loatra ilay lalana ka tsy ho takatr’ilay Sorompanavotana tsy misy fetran’i Jesoa Kristy, izay tsy voafetra ny faharetany sy ny fiantefany.

Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra farany teo dia nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund fa “na ela toy ny ahoana aza ny fotoana nialantsika tamin’ilay lalana … , amin’ny fotoana izay hahatapa-kevitra antsika hiova dia manampy antsika hiverina Andriamanitra.”16 Izany fanapahan-kevitra hiova izany anefa dia mazàna vokatry ny fanasana toy ny hoe “Mihevitra aho fa ho tianao ny haheno ny hafatry ny filazantsara.” Tsy misy hafa amin’ny tsy hisian’izany hoe tara loatra izany ho an’ny Mpamonjy, no tsy hisian’izany hoe fanasana aloha loatra izany mihitsy.

Ity vanim-potoan’ny Paska ity dia hitondra indray fahafahana tena tsara ho antsika handinihana ilay sorona fanavotana lehibe nataon’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika, sy ny zavatra nataony ho antsika tsirairay tamin’ny sarany lehibe tokoa, sarany izay Izy mihitsy no nanambara fa “nahatonga [Azy], ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana.” “Kanefa,” hoy Izy, “nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona .”17

Mijoro ho vavolombelona aho fa noho Izy “namita” izany, dia tsy hitsahatra mihitsy ny fanantenana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.