2010–2019
Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina

Ho avy ireo fitahiana mitondra valisoa rehefa miezaka ny hanatanteraka ny andraikitsika tsirairay isika hianatra sy hitia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny.

Ireo fandaharan’asa sy hetsika an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia lasa manome sehatra kokoa ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, araka ny hita amin’ireo fanatsarana mifanesy tamin’ireo fihaonambe maneran-tany vao tsy ela. Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mbola betsaka ny ho avy. … Mihinàna otrikaina. Matoria tsara. Fa mampientanentana izy ity.”1

Mivavaka sy manasa ny fanampian’ny Fanahy Masina aho eo am-pandinihantsika miaraka ireo zavatra fototra azontsika tsoahina avy amin’ireo fanatsarana mitohy ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo tafaverina amin’ny laoniny.

Fianarana ny filazantsara izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana

Vao tsy ela ny Loholona Craig C. Christensen no niaraka tamiko tamin’ny fihaonamben’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana iray ary nampiasa fanontaniana tsotra anankiroa izy hanazavana ny fitsipiky ny hoe mahazo sehatra ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Nanoro hevitra izy fa tokony ho mandritra ireo fivoriam-piangonana isika no manontany hoe: “Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany tamin’ity herinandro ity tany an-tokantranonao?” fa tsy hoe rehefa miverina any an-trano aorian’ireo fivoriam-piangonana isika no hanontany hoe: “Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany androany tany am-piangonana?” Ny fanajana tsara ny Andro Sabata sy ilay fandaharam-pianarana vaovao ary ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana izay nasiam-panitsiana dia samy manampy antsika avokoa hianatra ny filazantsara any an-tokantranontsika sy any am-piangonana.

Ny mpikambana tsirairay ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia samy manana ny andraikitra ny hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Tompo sy handray amin’ny alalan’ny fahefana tena izy ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fanavotana. Tsy tokony ho raisintsika ho toy ny fikambanana iray natao hampianatra antsika sy hilaza amintsika ny zavatra rehetra ilaintsika fantarina sy atao mba ho tonga mpianatra mahatoky sy haharitra amim-pahavitrihana hatramin’ny farany ny Fiangonana.2 Fa andraikitsika manokana kosa ny mianatra ny zavatra tokony hianarantsika, sy ny miaina araka izay fantatsika fa tokony hiainantsika, ary ny ho lasa ilay tian’ilay Mpampianatra hahatongavantsika. Ary ny tokantranontsika no toerana voalohany indrindra ahafahantsika mianatra sy miaina ary miova.

Mbola zaza i Joseph Smith dia nianatra momba an’ Andriamanitra avy tamin’ny fianakaviany. Ny ezaka nataony hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra ho azy dia nahatonga an’i Joseph hikaroka ny fahamarinana teo amin’ireo fivavahana Kristiana isan-karazany, sy hisaintsaina amim-pahazotoana ny soratra masina, ary hivavaka amin-kitsim-po amin’ Andriamanitra. Rehefa niverina tany an-tranony i Joseph Smith tovolahy avy tao amin’ilay ala kely masina taoriana kelin’ny nisehoan’ny Ray sy ny Zanaka dia niresaka tamin-dreniny aloha izy. “Ary raha niankina teo anjorom-patana [izy], dia nanontany izay nanjo [azy ny reniny]. [Dia novalian’i Joseph] hoe: –Aza manahy, tsy misy na inona na inona—salama tsara aho.– Dia hoy [izy tamin-dreniny]: –Ny tenako manokana dia nianatra.–”3 Ny zavatra niainan’i Joseph dia manome fomba fianarana mahery vaika izay tokony harahintsika tsirairay avy. Mila mianatra amin’ny tenantsika manokana koa isika.

Ny tena tanjona lehiben’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ny hahatongavan’ireo zanany ho tahaka Azy. Araka izany dia nanome fahafahana lehibe ho antsika izy mba hitombo sy hivoatra. Ny fanolorantenantsika hianatra sy hiaina araka ny fahamarinana dia mihamanan-danja hatrany ao amin’ny tontolo izay “ao anaty korontana”4 sy mihamisavorovoro sy miharatsy hatrany. Tsy tokony hanantena isika hoe hanatrika ireo fivoriam-piangonana sy handray anjara amin’ireo fandaharana fotsiny dia handray ireo fanabeazana sy fiarovana ara-panahy izay hahatonga antsika “hanohitra amin’ny andro mahory.”5

“Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.”6 Ireo mpitarika sy ireo mpampianatra ary ireo hetsika nentanim-panahy ao amin’ny Fiangonana dia manampy ny ezaka ataon’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana hitombo ara-panahy. Ary na dia mila fanampiana aza isika handrosoana eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana, ny tena andraikitra hampivoatra ny hery sy ny faharetana ara-panahy dia iantsorohantsika.

Tsarovy i Nefia, zanakalahin’ny mpaminany Lehia, izay naniry ny hahita sy hahare ary hahafantatra tamin’ny tenany manokana tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo zavatra nianaran-drainy tao anatin’ilay fahitana ny hazon’aina. Mazava fa nilain’i Nefia ary azony tamin’ny fahatanorany ireo ohatra sy ny fampianaran’ireo “ray aman-dren[iny] tsongoin’olom-bolo.”7 Tahaka an’i Joseph Smith dia naniry mafy ny hianatra sy hahafantatra amin’ny tenany manokana koa izy.

Raha ny zavatra rehetra fantatro sy fantatrareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny no ampianarina na ambaran’olona amintsika, dia miorina eo ambony fasika izany ny fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy sy ny asany be voninahitra amin’ny andro farany.8 Tsy afaka hiankina tanteraka na hindrana fahazavana sy fahalalana ny filazantsara avy amin’olona hafa isika, eny fa na ireo izay tiantsika sy atokisantsika aza.

Tsara ho marihina fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay dia mila mahatakatra amin’ny tenany manokana “ny zava-kinendry sy ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fahatongavantsika eto amin’izao tontolo izao.”9

“Na dia azontsika vakina sy takarina avokoa aza izay voasoratra rehetra nanomboka tamin’ny andron’i Adama, momba ny fifandraisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra sy ny fisian’ny anjely amin’ny ho avy, dia tena ho kely ny zava-pantatsika momba izany. Ny famakiana ny zavatra niainan’ny hafa, na ny fanambarana nomena azy ireo, dia tsy ho afaka ny hanome antsika na oviana na oviana fahatakarana ny amin’ny toe-javatra misy antsika sy ny tena fifandraisantsika amin’ Andriamanitra. Ny fahalalana ireo zavatra ireo dia tsy azo raha tsy niainana amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ Andriamanitra natao ho an’izany tanjona izany.10

Ny fanatanterahana io tanjona ara-panahy lehibe io ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia iray amin’ireo antony lehibe mahatonga ireo fandaharan’asa sy hetsika an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany lasa manome sehatra kokoa ny any an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana amin’izao vanim-potoan’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana izao.

Fampiharana ny fianarana izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana

Mamelà ahy ianareo hamintina fampiharana vitsivitsy ny fianarana ny filazantsara izay lasa mihamifantoka amin’ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana.

Ny tokantranontsika no tena ivon-toerana fanofanana misiônera. Ireo ivon-toerana fanofanana misiônera faharoa dia hita ao Provo, Manila, Mexico City ary amin’ny toeran-kafa. Ny kilasin’ny Sekoly Alahady tena mitondra fampianarana indrindra ho antsika dia tokony ho ny fandalinantsika isam-batan’olona sy ny fianakaviana any amin’ny toeram-ponenantsika. Ireo kilasin’ny Sekoly Alahady izay manampy saingy fanampiny dia tanterahina any amin’ireo trano fivoriantsika.

Ny ivon-toeran’ny tantaram-pianakaviana izao dia any an-tokantranontsika. Misy fanohanana fanampiny ho an’ny asa fikarohana ny tantaram-pianakaviantsika ihany koa any amin’ireo trano fivoriantsika.

Ny kilasy tena manan-danja ho fiomanana ho any amin’ny tempoly dia mitranga any an-tokantranontsika. Misy kilasy fiomanana ho any amin’ny tempoly manan-danja ihany koa saingy fanampiny mety hotarihina matetika any amin’ireo trano fivoriantsika.

Ny fanaovana ny tokantranontsika ho toerana azo antoka sy masina izay ahafahantsika “hijoro eo amin’ireo toerana masina”11 dia tena ilaina amin’izao andro farany izao. Ary araka ny maha-zava-dehibe ny fianarana izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana no vao mainka maha-tena ilaina izany amin’ny ho avy.

Fianarana izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana sy ny fiomanana ho any amin’ny tempoly

Eritrereto ny fomba ampiharana ny fitsipiky ny “fanomezana sehatra ny any an-tokantrano sy hamafisin’ny Fiangonana” amin’ny fiomanantsika sy ny fahamendrehantsika manokana handray ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina any amin’ny tranon’ny Tompo.

Mazava ho azy fa mahomby kokoa ny fiomanana ho any amin’ny tempoly any an-tokantranontsika. Saingy maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no tsy mahazo antoka hoe inona marina no mety sy tsy mety resahina momba ny zavatra iainana any amin’ny tempoly rehefa ivelan’ny tempoly.

Nanazava ny antom-pisian’io fisalasalana io ny Filoha Ezra Taft Benson:

“Ny tempoly dia toerana masina ary ireo ôrdônansy ao amin’ny tempoly dia masina. Noho io fahamasinany io dia matetika isika miahotrahotra ny hilaza zavatra momba ny tempoly amin’ireo zanantsika sy zafikelintsika.

“Vokatr’izany dia maro no tsy manam-paniriana marina handeha ho any amin’ny tempoly, na rehefa mandeha any izy ireo dia manao izany ao anatin’ny tsy fahampian’ny fahalalana hanomanana azy ireo amin’ireo zavatra atao sy ireo fanekempihavanana ataon’izy ireo.

“Mino aho fa ny fahatakarana na fahalalana ilaina dia hanampy betsaka amin’ny fanomanana ireo tanorantsika ho amin’ny tempoly … [ary] hiteraka faniriana ao anatin’izy ireo hikatsaka ireo fitahian’ny fisoronany tahaka ny nikatsahan’i Abrahama ny azy.”12

Misy torolalana fototra anankiroa afaka manampy antsika hahatratra ilay fahatakarana nohazavain’ny Filoha Benson.

Torolalana 1. Satria tiantsika ny Tompo dia tokony hiresaka amim-panajana momba ny tranony masina foana isika. Tsy tokony haboratsika na ampahafantarintsika ireo famantarana manokana mifanaraka amin’ireo fanekempihavanana raisintsika mandritra ireo fombafomba masina ataontsika any amin’ny tempoly. Ary tsy tokony horesahantsika ihany koa ny fampahalalana masina izay nampanantenaintsika manokana tao amin’ny tempoly fa tsy hambarantsika.

Torolalana 2. Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Ny zavatra rehetra ao amin’ny tempoly dia manondro antsika mankany amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Azontsika resahina ireo tanjona fototra sy ny fotopampianarana sy fitsipika mifandraika amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.

Nanoro hevitra ny Filoha Howard W. Hunter hoe: “Aoka isika mba hizara amin’ny zanatsika ireo fahatsapana ara-panahy azontsika ao anatin’ny tempoly. Ary aoka isika hampianatra azy ireo amim-pahamatorana sy amim-pilaminana kokoa momba ireo zavatra izay azontsika lazaina mikasika ny tanjon’ny tranon’ny Tompo.”13

Nandritra ireo taranaka nifandimby nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ka hatramin’ny Filoha Russell M. Nelson, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nampianatra tamin’ny antsipiriany ny tanjona ara-potopampianaran’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.14 Misy ny loharanom-pitaovana lehibe vita printy, amin’ny horonampeo sy horonantsary ary amin’ny endriny hafa mba hanampiana antsika hianatra momba ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny fanambadiana ary ny famehezana.15 Misy ihany koa ny fampahalalana momba ny fanarahana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandraisana sy fanajana ireo fanekempihavanana mba hitandremana ny lalàn’ny fankatoavana, ny lalàn’ny fahafoizana na fanaovan-tsorona, ny lalàn’ny filazantsara, ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ary ny lalàn’ny fanokanana.16 Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra dia tokony ho zatra ireo fitaovana tsara misy ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
temples.churchofjesuschrist.org

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanantitrantitra ny fampifandanjana lehibe eo amin’ny fahamasinan’ireo fombafomba atao any amin’ny tempoly sy ny fampahalalana sarobidy momba ny tempoly avoakan’ny Fiangonana izay marina sy mety ary azon’ny besinimaro jerena. Nanazava izy hoe: “Mamporisika ireo mpikambana … aho mba hamaky ireo fanazavana fohy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina momba ny hoe –Manosotra,– –Fanekempihavanana,– –Sorona,– ary –Tempoly.– Mety misy te-hamaky ihany koa ny Eksodosy toko 26–29 sy ny Levitikosy toko 8. Ny Testamenta Taloha ary koa ny bokin’i Mosesy sy Abrahama ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy dia manamafy ny efa maha-tranainy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ilay toetra maharitry ny ôrdônansiny.”17

Sary
Horonantsary momba ny fitafian’ny tempoly masina

Koa alaivo sary an-tsaina ary hoe ny zanakao manontany hoe: “Nisy olona iray tao am-pianarana nilaza tamiko fa fitafy hafahafa hono no anaovana ao amin’ny tempoly. Marina ve izany?” Misy horonan-tsary fohy hita ao amin’ny temples.ChurchofJesusChrist.org izay mitondra ny lohateny hoe “Sacred Temple Clothing” (Fitafiana masina ao amin’ny tempoly). Io loharano tsara io dia manazava ny naneken’ireo lehilahy sy vehivavy hatry ny fahagola ny mozika masina, vavaka amin’ny endriny samihafa, fitafy ara-pivavahana misy famantarana, fihetsika, ary fombafomba fanao mba hanehoana ny fanolorantena lalina ananan’izy ireo ho an’ Andriamanitra. Noho izany ny Fiangonana dia manohana ny fiomanana mifototra ao an-tokantrano ho amin’ireo fitahiana be voninahitry ny tempoly amin’ny alalan’ny fampahalalana fototra sy loharano mahafinaritra toy io horonantsary io. Maro ireo fampahalalana ilaina azonao jerena.18

Eo am-piezahantsika mandeha amin’ny fahalemem-panahin’ny Tompo19 dia ho voatahy isika ka hahatakatra sy hahatratra ao an-tokantranontsika ny fampifandanjana ilaina eo amin’izay azo resahina sy izay tsy azo resahina momba ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny tempoly.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ahiako hanontany tena ny sasany aminareo raha toa ka afaka mahazo sehatra any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana tokoa ny fianaranareo ny filazantsara. Mety ho ianao irery angamba no hany mpikamban’ny Fiangonana ao an-tokantranonao, na manana vady tsy manohana ianao, na ray na reny tokan-tena na Olomasin’ny Andro Farany mipetra-drery na nisara-panambadiana, ka mety manana fanontaniana momba ny fomba hampiharana ireo fitsipika ireo aminao. Mety ho mpivady mifampijery izao ianareo ka manontany hoe: “Vitantsika ve izany?”

Eny, vitanareo izany! Mampanantena aho fa hirotsaka tsy tapaka ireo fitahiana manome hery ary ho hita eo amin’ny fiainanareo. Hisokatra ny varavarana. Hamiratra ny hazavana. Hitombo ny fahaizanareo mba hiaritra amim-pahazotoana sy amim-paharetana.

Mijoro ho vavolombelona amin-kafaliana aho fa ho avy ireo fitahiana mitondra valisoa rehefa miezaka ny hanatanteraka ny andraikitsika tsirairay isika hianatra sy hitia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny. Tena afaka “miomana mba hahazo ny zavatra rehetra ilaina”20 isika. Izany no ampanantenaiko sy ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.