2010–2019
Ny Kôlejy: toerana ahatsapana ho isan’ireo mpikambana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Ny Kôlejy: toerana ahatsapana ho isan’ireo mpikambana

Tian’ny Tompo ny hanorenanareo kôlejy matanjaka. Eo am-panangonan’ny Tompo ireo zanany, dia mila toerana izay tsapany fa tena handraisana azy tsara sy hivoarany izy ireo.

Tamin’ny taona 2010, i Andre Sebako dia zatovolahy iray teo am-pikatsahana ny fahamarinana. Na dia tsy mbola nanolotra vavaka tena avy ao am-po mihitsy aza izy teo aloha dia nanapa-kevitra ny hanandrana izy. Tsy ela taorian’izay dia nifanena tamin’ireo misiônera izy. Nomen’izy ireo karatra fizara iray misy ny sarin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Nahatsapa zavatra i Andre ka nanontany raha toa ka afaka mivarotra ilay boky aminy ny misiônera. Nilaza izy ireo fa afaka mahazo maimaim-poana ilay boky izy raha toa izy ka ho tonga any am-piangonana.1

Nandeha irery nanatrika ny Sampana Mochudi tao Botswana, ao Afrika, izay vao niforona vao haingana tamin’izany fotoana izany i Andre. Saingy ilay sampana dia vondron’olona tena nifandray be sy be fitiavana izay nahitana mpikambana teo amin’ny 40 teo ho eo.2 Noraisin’izy ireo an-tanan-droa i Andre. Nampianarina ireo leson’ny misiônera izy ary dia natao batisa. Tena nahafinaritra izany!

Fa inona anefa no nitranga taorian’izay? Ahoana no fomba hijanonan’i Andre ho mazoto? Iza no hanampy azy handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Valin-teny iray ho an’izany fanontaniana izany ny kôlejin’ny fisoronany!3

Ny mpihazona ny fisoronana tsirairay, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toe-javatra misy azy, dia mahazo tombontsoa avy amin’ny kôlejy matanjaka iray. Ry tanora rahalahiko izay mihazona ny Fisoronana Aharôna, tian’ny Tompo ny hanorenanareo kôlejy matanjaka, toerana iray izay hahatsapan’ny zatovolahy tsirairay fa isan’ny mpikambana ao izy ireo, toerana iray izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo, toerana iray izay handraisana tsara sy hanomezan-danja ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôlejy. Eo am-panangonan’nyTompo ireo zanany, dia mila toerana izay tsapany fa tena handraisana azy tsara sy hivoarany izy ireo.

Mitari-dalana ny tsirairay avy aminareo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy rehefa mikatsaka aigam-panahy ianareo4 ary mampivelatra ny fitiavana sy ny firahalahina eo anivon’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôlejy. Mijery manokana ireo mpikambana vaovao na ireo malaindaina sy ireo manana filàna manokana ianareo.5 Amin’ny herin’ny fisoronana no hanorenanareo kôlejy matanjaka.6 Ary ny kôlejy matanjaka sy miray hina iray dia mitondra fiantraikany mahery vaika eo amin’ny fiainan’ny zatovolahy iray.

Rehefa nanao ilay filazana mikasika ilay zavatra vaovao hifantohana izay manome sehatra ny fianarana ny filazantsara any an-tokantrano ny Fiangonana,7 dia nisy ireo izay nieritreritra ny mpikambana toa an’i Andre ary nanontany hoe: “Dia ahoana ny amin’ireo tanora izay avy amin’ny fianakaviana izay tsy mianatra ny filazantsara sy tsy ahitana tontolo ahafahana miantra sy miaina ny filazantsara? Hoadinoina any ve izy ireo?”

Tsia! Tsy misy na iza na iza hoadinoina izany mihitsy! Tian’ny Tompo ny zatovolahy sy ny zatovovavy tsirairay. Isika dia tanan’ny Tompo amin’ny maha mpihazona ny fisoronana antsika. Isika no fanohanana avy amin’ny Fiangonana amin’ny ezaka atao mba hanome sehatra ny fianarana any an-tokantrano. Rehefa voafetra ny fanohanana ao an-tokantrano dia manara-maso sy manohana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana araka izay ilaina ny kôlejin’ny fisoronana sy ireo mpitarika hafa ary namana.

Efa hitako ny fahombiazan’izany. Efa niainako izany. Fony aho enin-taona dia nisaraka ny ray aman-dreniko ary dia nandao ny reniko sy zanaka dimy mbola kely ny raiko. Nanomboka niasa ny reniko mba hamelomana anay. Nisy fotoana nilany nanao asa iray faharoa, sy fianarana fanampiny ihany koa. Kely ny fotoana nananany mba hitaizana. Kanefa ireo ray amandrenibe, ireo dadatoa sy nenitoa, ireo eveka ary ireo mpampianatra isan-tokantrano dia niditra an-tsehatra nanampy ilay reniko tena mahafinaritra.

Ary izaho dia nanana kôlejy iray nanohana ahy. Tena feno fankasitrahana aho noho ireo namako—ireo rahalahiko—izay nitia sy nanohana ahy. Tena toerana nahatsapana ho isan’reo mpikambana ny kôlejiko. Ny olona sasany dia mety ho nihevitra ahy ho tsinontsinona sy tsy afaka ny hahomby noho ireo toe-javatra iainan’ny fianakaviako. Mety ho toy izay tokoa aho. Saingy novain’ny kôlejin’ny fisoronana izany fahafahako mba hahomby izany. Nanohana ahy ny kôlejiko ary nitahy ny fiainako izaitsizy tokoa.

Misy olona izay tsinontsinoavina sy heverina ho tsy hahita fahombiazana manodidina antsika. Mety ho toa izany koa angamba isika amin’ny lafiny isan-karazany. Saingy ny tsirairay amintsika etoana dia manana kôlejy, toerana izay sady hahafahana mandray hery no hahafahana manome hery. Ny kôlejy dia “miray hina sy mifanohana.”8 Izany dia toerana izay hifampianarantsika, sy hifanompoantsika ary hanorenana firaisan-kina sy firahalahiana eo am-panompoantsika an’ Andriamanitra.9 Toerana hitrangan’ny fahagagana izany.

Tiako ny hitantara aminareo ireo fahagagana sasantsany izay nitranga tao amin’ny kôlejin’i Andre tao Mochudi. Eto am-pizarako ity ohatra ity aho dia jereo ireo fitsipika izay manamafy orina ny kôlejin’ny fisoronana tsirairay avy izay mampihatra izany.

Taorian’ny batisan’i Andre dia niaraka tamin’ny misiônera izy raha nandeha nampianatra zatovolahy miisa efatra izy ireo, izay vita batisa ihany koa. Nisy zatovolahy dimy izany no tao tamin’izay. Nanomboka nifankahery izy ireo ary nanamafy orina ilay sampana.

Nisy zatovolahy faha-enina ihany koa natao batisa, dia i Thuso izany. I Thuso dia nizara ny filazantsara tamin’ny telo tamin’ireo namany, ary vetivety teo dia lasa nisy mpikambana sivy tao.

Toy izany matetika no nanangonana ireo mpianatr’i Jesoa Kristy—nandeha tsikelikely, rehefa nasain’ireo namany. Fahiny, rehefa nahita ny Mpamonjy i Andrea, dia nandeha faingana tany amin’i Simeôna rahalahiny izy ary “nitondra azy ho any amin’i Jesosy.”10 Torak’izany koa, fotoana fohy taorian’ny naha lasa mpanara-dia an’i Kristy an’i Filipo dia nanasa an’i Natanaela namany izy mba “andeha hizaha.”11

Nisy zatovolahy faha-folo niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Mochudi. Ireo misiônera no nahita ny fahiraika ambin’ny folo. Ary ny zatovolahy faha-roa ambin’ny folo dia natao batisa rehefa nahita ny fiantraikan’ny filazantsara teo amin’ireo namany.

Tena faly izaitsizy tokoa ireo mpikambana tao amin’ny Sampana Mochudi. Ireo zatovolahy ireo dia “niova fo ho an’ny Tompo … sy tafatambatra tamin’ny fiangonan[a].”12

Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiovam-pon’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna.13 Tadidin’i Thuso hoe: “Nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna aho … isak’izay nanana fotoana malalaka, tao an-trano, tany an-tsekoly, sy teny rehetra teny.”14

Noho ny ohatra izay nasehon’ireo namany dia liana tamin’ny filazantsara i Oratile. Manazava izy hoe: “Toa ohatra an’ny hoe niova tao anatin’ny indray mipi-maso izy ireo. … Hoy aho anakam-po hoe nisy … fifandraisany tamin’ilay … boky kely izay nanomboka nentin’izy ireo teny rehetra teny tany … an-tsekoly izany. Hitako fa lasa lehilahy tsara izy ireo. … [Naniry] ny hiova ihany koa aho.”15

Sary
Sampana Mochudi

Ireo zatovolahy 12 ireo dia nifanangona sy vita batisa avokoa tao anatin’ny roa taona. Ny tsirairay tamin’izy ireo no mba hany mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny fianakavian’izy ireo. Saingy izy ireo dia notohanan’ny fianakavian’izy ireo ao am-piangonana, tao anatin’izany ny Filoha Rakwela,16 izay filohan’ny sampan’izy ireo, Elder sy Sister Taylor,17 mpivady misiônera zokiolona, ary ny mpikambana hafa tao amin’ny sampana.

Isaky ny alahady tolakandro i rahalahy Junior,18 izay mpitarika ao amina kôlejy iray dia nanasa ireo zatovolahy ho any an-tranony ary dia nanofana azy ireo. Niaraka nandalina ny soratra masina ireo zatovolahy ary nanao ny takarivan’ny mpianakavy foana.

Sary
Mamangy mpikambana

Nentin-drahalahy Junior namangy mpikambana izy ireo, sy olona izay nampianarin’ny misiônera ary ny olona hafa izay nila fitsidihana. Nifatratra tao aoriana tao anatin’ny fiaran-drahalahy Junior avokoa ireo zatovolahy 12. Nateriny tany amin’ireo tokantrano izy ireo ka nampiarahany tsiroaroa na tsitelotelo, ary dia nalainy avy eo.

Na dia mbola vao nianatra mikasika ny filazantsara aza ireo zatovolahy ary tsy mbola nahatsapa hoe nahafantatra zavatra betsaka, dia nangataka azy ireo i Rahalahy Junior mba hizara zavatra iray na roa izay fantatr’izy ireo amin’ny olona izay novangiany. Ireo mpihazona ny fisoronana mbola tanora ireo dia nampianatra, nivavaka, ary nanampy amin’ny fitandremana ny Fiangonana.19 Nanatontosa ny andraikitr’izy ireo tao amin’ny fisoronana izy ireo ary nahatsapa ny fifaliana azo avy amin’ny fanompoana.

Sary
Tariky ny mpirahalahy

Hoy i Andre: “Niara-nilalao izahay, niara-nihomehy, niara-nitomany ary dia lasa mpirahalahy.”20 Raha ny marina dia miantso ny tenan’izy ireo ho ny “Tariky ny Mpirahalahy” izy ireo.

Niara-nametraka tanjona izy ireo fa hanao asa fitoriana ny filazantsara. Satria moa izy ireo no mba hany mpikambana tao amin’ny fianakaviany, dia nandalo sakantsakana maro izy ireo izay tsy maintsy noreseny, saingy nifanampy izy ireo nisedra izany.

Nifandimby nandray ny antson’izy ireo hitory ny filazantsara ireo zatovolahy ireo. Ireo izay efa nandeha voalohany dia nanoratra taratasy ho an’ireo izay mbola niomana, nizara traikefa ary namporisika azy ireo mba hanompo. Iraika ambin’ny folo tamin’ireo zatovolahy no nanao asa fitoriana.

Ireo zatovolahy ireo dia nizara ny filazantsara tamin’ny fianakavian’izy ireo. Ny reny, anabavy, rahalahy, namana sy ireo olona izay nampianarin’izy ireo nandritry ny asa fitoriana ny filazantsara nataon’izy ireo dia niova fo ary natao batisa. Niseho ny fahagagana ary fiainana marobe no voatahy.

Azoko sary an-tsaina ny sasany aminareo izay mihevitra fa angamba ny fahagagana toy izany dia tsy mitranga raha tsy any amin’ny toerana toa an’i Afrika ihany, tany feno olona vonona handray ny filazantsara, izay hihazakazahan’ny fanangonana an’i Isiraely. Na dia izany aza, mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fitsipika nampiharina tany amin’ny Sampana Mochudi dia azo ampiharina na aiza na aiza. Na aiza na aiza misy anao, ny kôlejinao dia afaka ny hitombo amin’ny alalan’ny asa fampahavitrihana sy ny fizarana ny filazantsara. Na dia mpianatra iray ihany aza no manampy namana iray, ny iray dia afaka ny ho lasa roa. Ny roa dia afaka ny ho lasa efatra. Ny efatra dia afaka ny ho lasa valo. Ary ny valo dia afaka ny ho lasa roa ambin’ny folo. Ny sampana dia afaka ho lasa paroasy.

Sary
Paroasy Mochudi

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Na aiza na aiza no iarahan’ny roa na telo [na mihoatra izany] miangona amin’ny anarako … dia indro, ho eo afovoany Aho”21 Ny Ray any an-danitra dia manomana ny saina sy ny fon’ireo olona manodidina antsika. Afaka manaraka ny bitsika isika, mandray ho namana, mizara ny fahamarinana, manasa ny hafa mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna, ary mitia sy manohana azy ireo eo am-pahafantaran’izy ireo ny Mpamonjintsika.

Efa ho folo taona izay no nanombohan’ny Tariky ny Mpirahalahy tao amin’ny Sampana Mochudi ny dian’izy ireo miaraka, ary dia mbola tariky ny mpirahalahy foana izy ireo.

Hoy i Katlego hoe: “Mety hosarahan’ny elanelan-tany izahay, saingy mbola mifampitsinjo foana izahay.”22

Manantena aho fa hanaiky ny fanasan’ny Tompo isika ny mba hiray hina Aminy ao amin’ny kôlejin’ny fisoronantsika mba hahafahan’ny kôlejy tsirairay ho lasa toerana hahatsapana ho isan’ireo mpikambana, toerana fanangonana, toerana izay mitombo.

Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy, ary asany ity. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Mark and Shirley Taylor, comp., The Band of Brothers (Mochudi Branch conversion stories and testimonies, 2012–13), 4, Church History Library, Salt Lake City.

  2. Personal correspondence, Letanang Andre Sebako, Band of Brothers resource files, 2011–19, Church History Library, Salt Lake City.

  3. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Rehefa mihazona ny fisoronana ny lehilahy iray, dia mpikambana ao amina zavatra lehibe kokoa noho ny tenany manokana izy. Izany dia zavatra ivelan’ny tenany manokana izay azony hanaovana fanoloran-tena feno” (“The Circle of Sisters,” Ensign, Nov. 1980, 109–10).

  4. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava ny fomba hikatsahana fanambarana ary avy eo dia nilaza hoe: “Rehefa mamerimberina izany dingana izany ianareo isan’andro, isam-bolana, ary isan-taona, dia ‘hitombo ny fahaizanareo mampihatra ny fitsipiky ny fanambarana’” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95; jereo ihany koa Enseignements des présidents: Joseph Smith [2007], 132).

  5. Jereo ny Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana (2010), 8.3.2.

  6. Ny hafa ihany koa dia manampy, anisan’izany ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà sy ireo mpanolotsaina. Ny Loholona Ronald A. Rasband dia nilaza fa iray amin’ireo tombontsoa azo avy amin’ny fanovana ny endriky ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka izay nambara tamin’ny 31 martsa 2018, dia ny “hamela ny eveka hizara andraikitra bebe kokoa amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hahafahan’ny eveka sy ireo mpanolotsaina azy mifantoka amin’ireo adidin’izy ireo voalohany, indrindra ny fiahiana ny zatovovavy, sy ny zatovolahy izay mihazona ny Fisoronana Aharôna (“Endrey! Ny tafiky ny Mpanjaka,” Liahona, mey 2018, 58). Hanampy ihany koa ny anjely. Ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1jereo ihany koa Dale G. Renlund sy Ruth Lybbert Renlund, The Melchizedek Priesthood [2018], 26). Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Matetika [ny anjely mpanompo] dia tsy hita. Indraindray hita. Fa na hita na tsy hita dia eo akaiky eo foana izy ireo. Indraindray ny iraka ampanaovina azy dia misy lanjany lehibe ho an’izao tontolo izao manontolo. Indraindray izany ho an’ny olona iray manokana. Indraindray ny iraka nampanaovina an’ireo anjely dia ny hampitandrina. Fa amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny hanohana, hiahy amin’ny alalan’ny famindrampo ary hitarika amin’ny fotoana sarotra” (“Ny anjara fanompoan’ny anjely,” Liahona, Nôv. 2008, 29). Raha maniry ny fanampiana toy izany ianao, dia afaka “mangataha, dia hahazo hianareo” (Jaona 16:24).

  7. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7–8.

  8. Jereo Alexandre Dumas, The Three Musketeers (1844).

  9. Jereo ny Boky Torolalana 2, 8.1.2.

  10. Jereo ny Jaona 1:40–42.

  11. Jereo ny Jaona 1:43–46.

  12. 3 Nefia 28:23.

  13. Jereo ny D. Todd Christofferson, “The Power of the Book of Mormon” (2017 Seminar for New Mission Presidents, June 27, 2017).

  14. Thuso Molefe, in Taylor, The Band of Brothers, 22.

  15. Oratile Molosankwa, in Taylor, The Band of Brothers, 31–32.

  16. Lucas Rakwela, Mochudi, Botswana.

  17. Mark sy Shirley Taylor, Idaho, USA.

  18. Cilvester Junior Kgosiemang, Mochudi, Botswana.

  19. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–47, 53–54

  20. Personal correspondence, Letanang Andre Sebako, Band of Brothers resource files.

  21. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:32.

  22. Katlego Mongole, in “Band of Brothers 2nd Generation” (unpublished compilation), 21.