2010–2019
Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana

Amin’ny alalan’ny fanangananareo ny tananareo dia manao fampanantenana amin’ Andriamanitra ianareo, izay tsy iza fa mpanompony ireo, fa ianareo dia hanohana azy ireo.

Efa imbetsaka aho no naheno mpitarika ao amin’ny fisoronana nanolotra fisaorana noho ny fanohanana entanim-pinoana an’ireo izay tompoin’izy ireo. Ny fihetseham-po ao amin’ny feon’izy ireo dia hahafantaranao fa lalina sy tena avy amin’ny fony fankasitrahan’izy ireo. Ny tanjoko anio dia ny hampita aminareo ny fankasitrahan’ny Tompo noho ny fanohananareo ireo mpanompony ao amin’ny Fiangonany. Tanjoko ihany koa ny handrisika anareo mba hampiasa sy hitombo ao amin’izany hery entina hanohanana ny hafa izany amin’ny alalan’ny finoanareo.

Talohan’ny nahaterahanareo dia efa nampiseho izany hery izany ianareo. Tsarovy ny zavatra fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fiainana an-tany. Nanolotra drafitra ho an’ireo zanany ny Raintsika any An-danitra. Nanatrika teo isika. I Losifera, ilay rahalahintsika ara-panahy dia nanohitra ilay drafitra izay hahafahantsika hanana ny fahafahana misafidy. I Jehovah, ilay Zanakalahy Malalan’ny Ray any An-danitra dia nanohana ilay drafitra. Nitarika fikomiana i Losifera. Nandresy ny fanohanan’i Jehovah ary dia nanolo-tena Izy mba ho Mpamonjy antsika.

Noho ianareo tonga eto amin’ny fiainana an-tany dia manana antoka antsika fa nanohana ny Ray sy ny Mpamonjy ianareo. Nitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny fanohanana ilay drafitry ny fahasambarana sy ny toeran’i Jesoa Kristy ao anatin’izany kanefa bitika ihany no mba fantatrareo ny amin’ny olana izay ho atrehanareo ao amin’ny fiainana an-tany.

Ny finoanareo hanohana ireo mpanompon’ Andriamanitra no fototry ny fifalianareo eto amin’ity fiainana ity ihany koa. Rehefa nanaiky ny fanamby napetraky ny mpitory ny filazantsara iray ianareo hivavaka mba hahafantarana fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra, dia nanana ny finoana entina hanohanana ny mpanompon’ny Tompo iray. Rehefa nanaiky ny fanasana mba hatao batisa ianareo, dia nanohana ny mpanompon’ Andriamanitra iray izay manetry tena.

Ianareo rehefa namela olona iray hametra-tanana eo ambony lohanareo sy hiteny hoe: “Raiso ny Fanahy Masina,” dia nanohana azy ianareo amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka azy.

Nanomboka tamin’io andro io, ianareo, amin’ny alalan’ny fanompoana amim-pahatokiana, dia nanohana ny olona tsirairay izay nanome ny fisoronana taminareo sy ny tsirairay izay nanendry anareo ho amin’ny anjara fanompoana iray tao amin’izany fisoronana izany.

Tany am-boalohany tao amin’ny traikefanareo ao amin’ny fisoronana, ny fanohanana tsirairay dia tranga tsotsotra maneho fahatokisana ny mpanompon’ Andriamanitra iray. Ankehitriny, maro aminareo no efa tonga amina toerana izay hoe mitaky misimisy kokoa noho izany ny fanohanana.

Misafidy ianareo raha toa hanohana ireo rehetra izay antsoin’ny Tompo—amin’izay rehetra niantsoan’ny Tompo Azy ireo. Mitranga izany safidy izany amin’ireo fihaonambe manerana izao tontolo izao. Nitranga izany tamin’ity indray mandeha ity. Amin’ny fivoriana toy izany, dia vakiana ny anaran-dehilahy sy vehivavy—mpanompon’ Andriamanitra—ary dia asaina ianareo hanangana ny tananareo mba hanohana. Azonareo atao ny na mandà tsy hanohana, na mampanantena ny fanohananareo entanim-pinoana. Manao fampanantenana ianareo amin’ny alalan’ny fanangananareo ny tananareo mba hanohana. Ianareo dia manao fampanantenana amin’ Andriamanitra, izay tsy iza fa mpanompony ireo, fa ianareo dia hanohana azy ireo.

Olombelona tsy tonga lafatra izy ireo, tahaka anareo ihany. Ny fitandremana izany fampanantenana izany dia hitaky finoana tsy voahozongozona fa ny Tompo no niantso azy ireo. Hitondra fiadanana mandrakizay ihany koa ny fitandremana ireo fampanantenana ireo. Hitondra alahelo aminareo sy ireo izay tianareo ny tsy fitandremana izany—ary fahaverezana mihoatra noho izay azonareo heverina.

Mety efa nanontaniana ianareo, na mbola hanontaniana, raha toa ka manohana ny evekanareo, ny filohan’ny Tsatoka, ireo Manampahefana Ambony sy ireo mpiandraikitra ambony ato am-piangonana. Mety hitranga izany rehefa asaina ianareo hanohana ireo mpiandraikitra sy mpitarika mandritra ny fihaonambe iray. Indraindray dia hitranga izany mandritry ny dinidinika iarahana amin’ny eveka na filohan’ny tsatoka.

Ny torohevitro dia ny hametrahanareo ireo fanontaniana ireo amin’ny tenanareo aloha, omban’ny fisaintsainana am-pitandremana sy arahim-bavaka. Rehefa manao izany ianareo, dia mety hanao jery todika ianareo ny amin’ny eritreritrareo, sy ny teninareo ary ireo zavatra nataonareo tato ho ato. Ezaho tadidiana ary omano ireo valin-teny izay homenareo rehefa hataon’ny Tompo dinidinika ianareo, miaraka amin’ny fahalalana fa indray andro any dia hanao izany Izy. Afaka miomana ianareo amin’ny alalan’ny fametraha fanontaniana amin’ny tenanareo toa ireto manaraka ireto:

  1. Efa nihevitra na niteny momban’ny fahalemena araka ny maha-olombelona nananan’ireo olona izay efa nanaovako fianianana fa ho tohanako ve aho?

  2. Efa nikatsaka porofo ve aho fa ny Tompo dia mitarika azy ireo?

  3. Efa nanaraka tamin-tsitrapo sy tamim-pahatokiana ny fitarihan’izy ireo ve aho?

  4. Efa niteny mikasika ny porofo izay hitako ny amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy ireo ve aho?

  5. Moa ve aho mivavaka tsy tapaka ho azy ireo manonona ny anarany sy amim-pitiavana?

Ho an’ny ankabetsahany amintsika, ireo fanontaniana ireo dia hitarika tsy fahazoan’aina sy filana hibebaka. Nodidian’ Andriamanitra isika tsy hitsara ny hafa tsy amim-pahamarinana, saingy eo amin’ny fampiharana dia sarotra amintsika ny fialana amin’izany. Saika ny zava-drehetra izay ataontsika amin’ny fiaraha-miasa amin’ny hafa dia mitarika antsika hanombatombana azy ireo. Ary saika amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika dia mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika. Mety hanao izany noho ny antony maro isika, ny sasany amin’izany dia rariny, saingy matetika izany no mitarika antsika ho be tsikera.

Ny Filoha George Q. Canon dia nanome fampitandremana izay hampitaiko aminareo toy ny avy aty amiko koa. Minoa aho fa niteny ny marina izy: “Andriamanitra dia nifidy ireo mpanompony. Noraisiny ho Azy manokana ny fahafahana manameloka azy ireo raha toa ka mila fanamelohana izy ireo. Tsy nomeny antsika tsirairay ny hitsikera sy hanameloka azy ireo. Tsy misy olona, na dia matanjaka toa ny ahoana aza ny finoany, na dia ambony manao ahoana aza ao amin’ny Fisoronana, ka afaka hiteny ratsy ny voahosotry ny Tompo sy hitady fahadisoana amin’ny fahefan’ Andriamanitra eto an-tany ka tsy hiharan’ny hatezerany. Ny Fanahy Masina dia hisitaka amin’ny olona toy izany, ka dia handeha anaty haizina izy. Araka izany, tsy hitanareo ve ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandremantsika?”1

Izaho mahita fa amin’ny ankapobeny ny mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao dia mifaneho fahatokiana ary mahatoky amin’ireo izay miahy azy ireo. Kanefa na dia izany aza dia misy fanatsarana izay azontsika atao ary tsy maintsy ataontsika. Afaka miakatra ambonimbony kokoa isika ao amin’ny herintsika entina hifanohanana. Hitaky finoana sy ezaka izany. Indreto misy sosokevitra efatra ataoko ho antsika mba hampiharina amin’ity fihaonambe ity.

  1. Afaka mijery asa atao manokana izay amporisihan’ireo mpandaha-teny isika ary manomboka manao izany anio. Rehefa manao izany isika dia hitombo ny hery ananantsika hanohanana azy ireo.

  2. Afaka mivavaka ho azy ireo isika rehefa mandray fitenenana izy ireo mba ho entin’ny Fanahy Masina any am-pon’ny olona manokana izay tiantsika ny tenin’izy ireo. Hitombo ny hery ananantsika entina hanohanana ireo mpitarika ireo rehefa mahafantatra isika aty aoriana fa voavaly ny vavaka izay nataontsika.

  3. Afaka mivavaka isika mba ho voatahy ny mpandaha-teny manokana sasantsasany mba hihatsara rehefa manome ny hafatr’izy ireo. Rehefa hitantsika fa nihatsara izy ireo, dia hitombo ny finoantsika entina hanohanana azy ireo, ary dia haharitra izany.

  4. Isika dia afaka mihaino hafatra avy amin’ireo mpandaha-teny izay tonga toy ny valim-bavaka ho an’ny vavaka nataontsika hahazoana fanampiana. Rehefa ho tonga ireo valiny, ary ho tonga tokoa, dia hitombo ny finoantsika entina hanohanana ireo mpanompon’ny Tompo rehetra.

Ankoatra ny fanatsarana ny fanohanana ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana, dia hianatra isika fa misy toerana hafa izay hahafahantsika mitombo amin’izany hery izany. Amin’izany toerana izany dia mbola afaka hitondra fitahiana lehibe kokoa ho antsika izany. Izany dia ao an-tokantrano sy ao amin’ny fianakaviana.

Miresaka amin’ireo mpihazona ny fisoronana mbola tanora aho izay mipetraka ao amin’ny tokantrano miaraka amin’ny rainy. Mamelà ahy hiteny anareo avy amin’ny traikefako manokana ny lanjan’izany hoe mahatsapa ny fanohanana entanim-pinoana ho an’ny ray anankiray. Mety ho toa matoky tena izy araka ny fahitanareo azy. Saingy miatrika fanamby betsaka kokoa noho izay heverinareo izy. Indraindray dia tsy hitany ny lalana hivoahana amin’ireo olana atrehany.

Hanampy azy ny fanehoanareo fa midera azy ianareo. Ny fitiavanareo azy dia mbola vao mainka hanampy kokoa. Fa ny zavatra izay tena hanampy indrindra dia ny teny amin-kitsim-po toy ireto: “Dada, nivavaka ho anao aho, ary efa nahatsapa aho fa hanampy anao ny Tompo. Hilamina ny zava-drehetra. Fantatro fa hilamina tokoa.”

Ny teny toy izany koa dia manana hery raha mifamadika ny toerana, dia avy amin’ny ray mankany amin’ny zanakalahy. Rehefa nanao hadisoana goavana ny zanakalahy iray, angamba mety zavatra ara-panahy mihitsy, dia mety hahatsapa izy hoe tsy nahomby. Amin’ny maha rainy anao, amin’izany fotoana izany, dia mety ho gaga ianao rehefa avy nivavaka mba hahafantarana ny tokony hatao, raha apetraky ny Fanahy Masina ao am-bavanao ireto teny ireto: “Ry zanako lahy, manohana anao na ahoana na ahoana. Tia anao ny Tompo. Noho ny fanampiany dia afaka ny hiverina any Aminy indray ianao. Fantatro fa afaka hiverina ianao ary ho tafaverina. Tiako ianao.”

Ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana sy ao amin’ny fianakaviana, ny finoana lehibe kokoa entina hifanohana no fomba hanorenantsika ilay Ziona izay tian’ny Tompo ho aorintsika. Miaraka amin’ny fanampiany dia afaka hahavita izany isika, ary hahavita tokoa. Hila fianarana ny mitia ny Tompo amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjatsika rehetra sy ny mifankatia tahaka ny hitiavantsika ny tenantsika.

Rehefa mitombo ao amin’izany fitiavana madion’i Kristy izany isika, dia hihamalefaka ny fontsika. Izany fitiavana izany dia hampanetry tena antsika sy hitarika antsika hibebaka. Hitombo ny fatokisan-tenantsika ao amin’ny Tompo sy eo amintsika samy isika. Ary amin’izany dia hivoatra ho lasa iray isika, araka ny nampanantenain’ny Tompo fa ho vitantsika.2

Mijoro ho vavolombelona aho fa mahafantatra anareo ny Ray any An-danitra ary tia anareo. Jesoa no ilay Kristy velona. Fiangonany ity. Mihazona ny fisoronany isika. Homeny voninahitra ny ezaka ataontsika mba hitomboana eo amin’ny hery entintsika hampiasana izany ary mba hifanohanana. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.