2010–2019
Ny boky mirakitra ny tetik’adinareo ao amin’ny fisoronana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Ny boky mirakitra ny tetik’adinareo ao amin’ny fisoronana

Mamoròna boky mirakitra tetik’ady anareo manokana mikasika ny fomba hanaporofoanareo fa mpianatr’i Kristy ianareo.

Tamin’ny volana desambra lasa teo ny Fiadidiana Voalohany dia namoaka fanambarana izay nilaza fa ireo ankizilahy 11 taona dia “hanomboka hanatrika … ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna … manomboka ny volana janoary ao anatin’ilay taona haha-feno 12 taona azy ireo.”1

Vokatr’izany, nandritra ny tapany voalohany tamin’ity taona ity dia nisy ankizy 11 taona vitsivitsy tsy nanampo izay nihevitra fa hijanona tao amin’ny Kilonga izy ireo mandra-pahatongan’ny tsingerin-taonany manaraka, saingy amin’izao fotoana izao dia mizara ny fanasan’ny Tompo isaky ny alahady amin’ny maha-diakona vao notendrena azy ireo ato amin’ny Fiangonana.

Manontany tena aho hoe iza no voatampoka indrindra tamin’ilay fanovana: ireo diakona ve sa ireo ray aman-dreniny. Maro amin’ireo diakona vaovao efa ho 80.000 ireo no miaraka amintsika eto anio hariva eto amin’ity Ivon-toeran’ny Fihaomben’ny Fiangonana lehibe ity na mandray anjara amin’izany amin’ny alalan’ny teknôlôjia. Tonga soa eto amin’ny firahalahiana mahafinaritry ny fisoronana!

Io fanovana io dia mahatonga ity fivoriana ity ho manan-tantara, izany hoe inty no azo antoka fa vondron’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna ahitana olona betsaka indrindra hatramin’izay nanatrika ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Noho ity fotoana miavaka ity, dia avantako indrindra indrindra amin’ireo zatovolahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna ny lahateniko.

Lesona nianarana avy amin’ny fanatanjahan-tena

Ankoatra ny maha-mpianatra anareo, dia maro aminareo no mampitombo ihany koa ny talenta sy ny zava-mahaliana ary ny fialambolinareo amin’ny alalan’ireo zavatra atao any an-tsekoly na any amin’ny fianarana manokana ankoatra ny fandaharam-pampianarana tsy maintsy atao, ireo ekipa, ary ireo vondrona ivelan’ny sekoly, ka anisan’izany ny fanatanjahan-tena.

Noho izaho nankafy fanatanjahan-tena nandritra ny androm-piainako dia nampitolagaga ahy foana ireo olona mampitombo ny fahaiza-manaony ara-panatanjahan-tena ka nahatonga azy ireo handray anjara amin’ny sehatra efa avo lenta. Mba hahatonga ny olona iray ho mahay be amin’ny zavatra iray na inona izany na inona dia mitaky fifehezan-tena tsara, fahafoizan-tena ary ora maro tsy voaisa eo amin’ny fiofanana sy fanazaran-tena izany ankoatra ny talenta voajanahary. Ny atleta toy izany dia matetika no mahare ireo fanakianana henjana tsindraindray avy amin’ireo mpanazatra ka manajanona an-tsitrapo ny zavatra tian’izy ireo ho azo amin’izao mba hahazoana zavatra tsaratsara kokoa amin’ny ho avy.

Isika dia mahafantatra mpikamban’ny Fiangonana sy mpihazona ny fisoronana izay nahita fahombiazana teo amin’ny sehatra avo lenta an’ireo atleta matihanina. Misy ohatra tsara maro, saingy vitsy ihany no azoko tanisaina eto satria voafetra ny fotoana. Mety fantatrareo angamba ny sasany amin’ireto atleta ireto: Jeremy Guthrie sy Bryce Harper eo amin’ny baseball; Jabari Parker sy Jimmer Fredette eo amin’ny basketball; Ricardo Rojas eo amin’ny baolina kitra; William Hopoate ao amin’ny ligin’ny baolina lavalava; ary Taysom Hill sy Daniel Sorensen eo amin’ny football amerikana. Samy nitondra anjara biriky lehibe tamin’ny fanatanjahan-tena nataony ny tsirairay avy amin’izy ireo.

Na dia tena mahita fahombiazana tokoa aza izy ireo amin’ny fanatanjahan-tena ataony, dia ireo atleta ireo no ho olona voalohany hiaiky fa tsy atleta tonga lafatra izy ireo na olombelona tonga lafatra. Miasa mafy mba ho mendrika indrindra amin’ny fanatanjahan-tena ataony, sy hiaina ny filazantsara izy ireo. Miarina izy ireo raha lavo ary miezaka ny haharitra hatramin’ny farany.

Halalino ilay boky mirakitra ny tetik’ady

Ao anatin’ny ekipa mpanao fanatanjahan-tena dia misy tetik’ady volavolaina ho an’ny toe-javatra iainana ao anatin’ny lalao iray ary atambatra ho lasa boky mirakitra ny tetik’ady izany. Mianatra ny anjara asany sy ny zavatra voafaritra tsara asaina ataony isaky ny tetik’ady ireo atleta. Mandalina amin’ny antsipiriany an’ilay boky mirakitra ny tetik’ady ireo mpilalao mahomby ka rehefa misy tetik’ady iray tononina, dia fantatr’izy ireo tsara, efa saika mandeha ho azy aza, hoe aiza no haleha dia inona no hatao.

Sary
Mpanazatra mitazona boky mirakitra tetik’ady

Sary nalain’i Dave Kaup/REUTERS/stock.adobe.com

Sary
Boky mirakitra tetik’ady

Mitovy amin’izany ihany, isika mpihazona ny fisoronana dia manana ekipa ihany koa (kôlejy iray) ary manana boky mirakitra tetik’ady (ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina).

Mampatanjaka ireo mpiray ekipa aminareo ve ianareo?

Hatraiza no nandalinanareo ny boky mirakitra ny tetik’adinareo?

Takatrareo tsara ve ny andraikitra ampanaoviana anareo?

Sary
Kôlejin’ny fisoronana

Miatrika ny fanoherana

Raha hitarina kokoa ilay fanoharana, dia hitantsika fa ireo mpanazatra tena mahay dia mahafantatra ny tanjaka sy ny fahalemen’ny ekipany ary koa ny an’ireo mpifanandrina aminy. Mamorona paikady hahazoana isa izy ireo izay hanome azy ireo ny fahafahana tsara indrindra mba handresena. Ary ianareo?

Fantatrareo ny fakam-panahy mora mahazo indrindra anareo, ary ianareo dia afaka mamantatra mialoha ny fomba hiezahan’ny fahavalo manakana na manakivy anareo. Efa namorona paikady sy boky mirakitra ny tetik’ady an’ny tena manokana ve ianareo mba hahafantaranareo ny fomba hiatrehana izany rehefa tojo fanoherana?

Rehefa mifanehitra amin’ny fakam-panahy ara-pitondrantena isan-karazany ianareo, na rehefa miaraka amin’ny namanareo na rehefa irery mibanjina efijery iray, dia fantatrareo ny paikadinareo. Raha misy namana iray mandroso hevitra aminareo hisotro toaka na hanandrana zava-mahadomelina, dia fantatrareo ny tetik’ady. Efa nanao fanazarana ianareo ary mahafantatra ny fomba hiatrehana izany mialoha.

Rehefa manana paikady sy boky mirakitra tetik’ady ary fanoloran-tena tsy voahozongozona ny hanatontosana ny anjara asanareo ianareo, dia ho hitanareo fa tsy manana hery hifehezana anareo ny fakam-panahy. Ho efa nandray ny fanapahan-kevitrareo mikasika izay ho fihetsika hasetrinareo sy ny zavatra hataonareo ianareo. Tsy hila handray fanapahan-kevitra ianareo isak’izay mifanehitra amin’ny fakam-panahy.

Vao haingana ny iray amin’ny Roambinifololahy no nizara tantara iray maneho io fitsipika io. Fony izy mpisorona tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia nandeha niaraka tamin’ny namany izy. Rehefa avy nividy zavatra hohanina izy ireo dia nandehandeha tamin’ny fiara ary tamin’izay no nisy olona iray nandroso hevitra ny handehanan’izy ireo hijery horonan-tsary iray. Ny olana dia fantany fa horonan-tsary tsy tokony hojereny ilay izy. Na dia nahatsapa tsindry sy tahotra avy hatrany aza izy mahakasika ilay toe-javatra nisy, dia efa niomana tamin’izany izy. Toe-javatra efa voaomana manokana tao amin’ny boky mirakitra ny tetik’adiny ao amin’ny fisoronana izany.

Nampitony ny tenany sy nanangona ny herim-pony izy dia niteny hoe: “Tsy mahaliana ahy izany horonan-tsary izany. Atero any an-tranonay fotsiny aho,” dia nataon’izy ireo izany. Tetik’ady tsotra nitondra ho amin’ny fandresena! Taona maro taty aoriana, dia nitantara ny fomba naha-tanjaka lehibe ho azy an’io ohatra nasehony io ny iray tamin’ireo namany niaraka taminy tamin’io takariva io, izay nahafahan’ilay namany niatrika tamin-kerimpo ny toe-javatra nitranga mitovy amin’izany teo amin’ny fiainany.

Ireo pejy ao amin’ilay boky mirakitra tetik’ady

Mba hamoronana ny boky mirakitra ny tetik’adinareo dia nangataka tamin’ny vitsivitsy tamin’ireo Rahalahy aho mba handroso paikady azonareo ampidirina ao. Ireto ny sasantsasany amin’ny sosokevitra avy amin’ny fitaomam-panahy nomen’izy ireo:

  • Mivavaha isan’andro mba hahazo fahazavana bebe kokoa sy fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

  • Henoy tsara ny fampianaran’ireo ray aman-dreninareo sy ny evekanareo ary ireo mpitarika anareo ao amin’ny Zatovolahy sy ny kôlejy.

  • Aza mijery pôrnôgrafia sy votoatin-javatra mamoafady ao amin’ny tambazotran-tserasera.

  • Tadidio ireo fampanantenana nomenareo an’ Andriamanitra ary manaova ezaka mba hitandremana izany.

  • Halalino ireo tantara ao amin’ny soratra masina momba ireo mpaminany lehibe dia alaivo tahaka ny toetra tsara ananan’izy ireo.

  • Tahio amin’ny alalan’ny fanompoana ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

  • Mitadiava namana tsara mba hanampy anareo ho lasa ilay olona tianareo hahatongavana.

  • Miezaha mba ho lasa manam-pahaizana amin’ny fampiasana ny application FamilySearch dia manaova fikarohana momba ny tantaram-pianakavianareo.

  • Manomana toeram-piarovana izay hahafahanareo mitsoaka an’ireo fitaoman-dratsy.

  • Tiavo sy hatanjaho ireo mpikambana hafa ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana misy anareo.

Izaho dia nifandray ihany koa tamin’ireo atleta izay vao hitantsika teo ny sariny. Mahavariana fa tsy mamaritra ny tenany amin’ny alalan’ny zavatra ataony fotsiny izy ireo amin’ny maha-atleta matihanina azy, fa mamaritra ny tenany ihany koa amin’ny alalan’ny maha-izy azy ireo amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra sy mpihazona ny fisoronan’ Andriamanitra azy ireo.

Handeha isika hihaino ny zavatra niainan’izy ireo:

  • I Jimmer Fredette, izay fony izy diakona eto, dia milaza hoe: “Niantehitra tanteraka tamin’ny fahalalako sy ny finoako ny fahamarinan’ny filazantsara aho. Nitarika ahy izany mba ho … mpihazona ny fisoronana mendrika ary indrindra fa mba ho ohatra tsara.”

    Sary
    I Jimmer Fredette fony izy diakona
  • I Bryce Harper, izay amin’ny maha-vady azy eto, dia manoratra hoe: “Noheveriko fa hahatonga ahy ho faly ny laza, ny harena, ary ny fahazoana loka ho an’ny mpilalao mendrika indrindra. Nisy zavatra tsy ampy tao. Ka dia niomana ny [hiditra] ny tempoly aho. Ankehitriny aho dia eo amin’ny lalana [hiverenana] mankany amin’ny Ray any An-danitra ary manana fianakaviana mandrakizay, ary izany no fifaliana lehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao!”

    Sary
    I Bryce Harper miaraka amin’ny vadiny
  • I Daniel Sorensen, izay misiônera eto, dia milaza hoe: “Ny boky mirakitra tetik’ady tsara dia drafitra izay mampiasa ny talenta sy ny tanjaky ny mpikambana tsirairay ao anatin’ny ekipa. … Rehefa mandalina sy mampihatra ny fampianarana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho dia afaka mahafantatra ny fomba hampiasako ny tanjako mba hanompoana ao amin’ny fisoronana.”

    Sary
    I Daniel Sorensen fony izy misiônera
  • I Jeremy Guthrie, izay filohan’ny misiôna amperin’asa eto dia nizara hoe: “Tamin’izaho diakona 12 taona … dia [nahatsapa] ny Fanahy aho izay nampahafantatra ahy [fa] -izao fiainana izao no fotoana … hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra.-2 Ny paikady dia ny finoana an’ Andriamanitra mitarika hanao asa [sy] fibebahana amin’ny alalan’ny Mpamonjy. … Hita ao anaty soratra masina sy azo amin’ny alalan’ireo mpaminany velona ilay boky mirakitra tetik’ady.”

    Sary
    I Jeremy Guthrie fony izy filohan’ny misiôna
  • I Jabari Parker, izay tamin’ny fanendrena azy ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny loholona teto, dia milaza hoe: “Tsy vitako ny maka sary an-tsaina ny karazan’olona mety ho niafarako raha tsy nandray ilay fanapahan-kevitra mba hatao batisa aho fony aho mbola kely. … Feno fankasitrahana aho fa manana an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainako mba hitarika ahy isan’andro.”

    Sary
    I Jabari Parker tamin’ny fanendrena azy ho ao amin’ny fisoronana
  • I Ricardo Rojas, izay filohan’ny sampana amperin’asa eto dia niteny hoe: “Amin’ny alalan’ny fisoronan’ [Andriamanitra] dia afaka manampy amin’ny Asany [isika]. Nantsoina isika mba -[ho mahery sy matanjaka]-3 amin’ny fiarovana ny fahamarinana.” Nanampy azy nahita fahombiazana teo am-panipazana ny baolina tamin’ny lalao baseball izany sy teo amin’ny fihazonany ny fisoronana.

    Sary
    I Ricardo Rojas fony izy filohan’ny sampana
  • I Taysom Hill, izay misiônera eto, dia mahatsapa fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia boky mirakitra tetik’ady ho azy eo amin’ny fiainany. Hoy izy hoe: “Ny finoana ny drafitr’ [Andriamanitra] sy ny fanaovako izay tsara indrindra vitako mba hanatanteraka ny anjara asako ao anatin’izany dia nanome ahy fahatsapana fiadanana sy fifaliana izay nanenika ahy teo amin’ny fiainako, ary fantatro fa faly tamin’ny ezaka nataoko Andriamanitra.”

    Sary
    I Taysom Hill fony izy misiônera
  • I William Hopoate, izay manatrika ny fitsofan-drano ny zanaky ny zanany lahy izay tafiditra ao anatin’ny taranaka mifandimby miisa efatra, dia milaza fa ny filazantsara dia manampy azy “hamantatra ny paikadin’ny fahavalo ary manolotra ny fahombiazana ara-panahy mba handresena ireo zana-tsipìka mirehitra sy hanompo ny hafa amin’ny fomba tsaratsara kokoa.”

    Sary
    I William Hopoate manatrika fitsofan-drano zazakely

Ary ianareo? Mahatsapa ny maha-izy anareo izay manan-danja kokoa sy masina kokoa ve ianareo amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anareo, ary mpihazona ny fisoronany masina anareo? Eo am-pieritreretanareo io maha-izy anareo mandrakizay io, dia mamoròna paikady anareo manokana sy boky mirakitra ny tetik’adinareo ao amin’ny fisoronana izay hitarika anareo mandritra ireo fotoana hisian’ny fakam-panahy sy fahoriana. Mieritrereta paikady fanafihana sy fiarovan-tena.

Ny paikady fanafihana dia mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ary mampitombo ny fahavononana hijanona eo amin’ny lalana ety sy tery. Isan’ny ohatra amin’izany ny vavaka tsy tapaka, ny fandalinana soratra masina, ny fandehanana any am-piangonana sy any amin’ny tempoly, ny fandoavana fahafolonkarena, ary ny fanarahana ny torohevitra hita ao amin’ny kiboky Ry Tanora, Mahereza.

Ny paikady fiarovan-tena dia ahitana ny fanomanana mialoha ny fomba hiatrehanareo ny fakam-panahy. Rehefa alaim-panahy ianareo mba hampihen-danja ny fitsipika arahanareo dia fantatrareo mialoha ny zavatra handeha hataonareo.

Mila boky mirakitra tetik’ady ho an’izany ianareo.

Ary raha kamo mivavaka ianareo androany? Fotoana izao hanatanterahanareo ny paikady efa nomaninareo.

Tsapanareo ho mihamihena ve ny fijoroana ho vavolombelona anananareo? Manana paikady hiatrehana izany ianareo. Fantatrareo ny tokony hatao.

Mpandray anjara miavaka sy mahay araka ny fijerin’ Andriamanitra

Mpitondra ny fisoronana masin’ Andriamanitra ianareo. Ny fanolorantenanareo hifikitra mafy amin’ny anja-by dia hanova anareo ho lasa olona mandrakizay izay tanjona nahariana anareo mba hahatongavanareo.

Mahafantatra sy tia anao Izy. Ary hitahy anareo sy hitarika ny asa ataonareo Izy.

Mety hieritreritra ianareo fa tsy olona miavaka, fa ianareo dia tsy mahafeno ny fepetra mba ho mpandray anjara tena miavaka sy mahay. Saingy tsy marina izany. Tsy fantatrareo ve fa Andriamanitra dia nanambara hoe: “Ny zava-malemy amin’ izao tontolo izao dia handroso sy handavo ireo zava-mahery sy matanjaka”?4

Koa mahatsapa ho malemy ary ve ianareo? Na tsy misy dikany? Arahabaina ianareo, voafidy ho isan’ny mpilalao eny ambony kianja ianareo!

Mahatsapa ho tsy manan-danja ve ianareo? Na ho ambany? Mety ho ianareo mihitsy no ilain’ Andriamanitra.

Sary
I Davida sy i Goliata

Inona no ohatra lehibe kokoa amin’izany mihoatra an’i Davida izay nidina teny amin’ny sahan’ady mba hanohitra mpifanandrina nampatahotra iray, dia i Goliata izany? Rehefa niantehitra tamin’ny Tompo niaraka tamin’ny paikady i Davida dia tsy vitan’ny hoe nanavotra ny tenany ihany fa ny miaramilan’i Isiraely koa!5 Fantaro fa hiaraka aminareo ny Tompo rehefa manangona ny herim-ponareo mba ho eo anilany ianareo. “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”6

Afaka manokatra varavarana maro Izy ary manampy antsika hahazo ny tanjaka sy ny fahaizana manao zavatra izay tsy mbola fantatsika hatrizay hoe ananantsika.7

Henoy ireo mpanazatra anareo: ny ray aman-dreninareo, ny eveka, ary ireo mpitarika ao amin’ny Zatovolahy. Ianaro ilay boky mirakitra tetik’ady. Vakio ny soratra masina. Halalino ny tenin’ireo mpaminany amin’izao vaninandro maoderina izao. Mamoròna boky mirakitra tetik’ady anareo manokana mikasika ny fomba hanaporofoanareo fa mpianatr’i Kristy ianareo.

Tokony ho fantatrareo mialoha ny paikady hampiasainareo mba hampatanjahana ny fanahinareo sy hialana amin’ny fakam-panahy mamitaky ny fahavalo.

Ataovy izany dia hampiasa anareo Andriamanitra.

Izao anefa, ao ireo izay manala ny tenany amin’ny filazantsara dia mania. Ny sasany kosa dia mipetraka mijery fotsiny avy lavitra ny fizotran’ny lalao. Ny sasany dia misafidy ny tsy handray anjara na dia niezaka nandefa azy ireo handray anjara aza ny mpanazatra. Manasa anareo aho mba hanavotra, hanolo-tanana ary hitia azy ireny amin’ny maha ekipa azy ireny!

Ny sasany dia te handray anjara, dia manao tokoa. Ny tena zava-dehibe indrindra dia tsy ny halehiben’ny talenta ananan’izy ireo fa ny halehiben’ny fahavononany handray anjara eny an-kianja. Tsy miandry ny laharan’izy ireo ho voantso izy ireo satria hainy ilay soratra masina milaza hoe: “Raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa.”8

Afaka mirotsaka ny handray anjara ianareo.

Manao izany ianareo eo am-pandalinanareo sy am-panatanterahanareo ny boky mirakitra ny tetik’adinareo ao amin’ny fisoronana.

Eny an-dalana eny dia mety hanao fahadisoana sy ho lavo ianareo, ary angamba ho imbetsaka tokoa. Tsy tonga lafatra ianareo. Ny tsy fahombiazana dia tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fanatsarana izay mamela anareo hanatsara ny toetranareo sy hanompo amin’ny fomba tsaratsara kokoa sy feno fangorahana kokoa. Manolotra fomba handresena ny fahadisoantsika amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsimpo amin’ny Alalany sy amin’ny Sorompanavotany tsy manam-petra ny Tompo.

Ny atleta tena mahay dia mandany ora an-jatony maro mba handavorariana ampahan-javatra kely iray ao anatin’ny lalao ataony. Amin’ny maha mpihazona fisoronana anareo dia mila manana toe-tsaina tahaka izany koa ianareo. Raha toa solafaka ianareo dia mibebaha ary mianarà avy amin’izany. Manazara tena mba hahavita tsaratsara hatrany ianareo amin’ny manaraka. Raha fintinina dia miankina aminareo ilay izy. Handalina ilay boky mirakitra tetik’ady ve ianareo?

Mamporisika anareo aho: Matokisa ny Tompo. Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra,9 dia mandraisa anjara.

Tsy betsaka ny olona mpanao fanatanjahan-tena matihanina amin’ny sehatra faran’izay avo lenta, saingy rehefa ny maha-mpianatra no resahina, dia maro be ny ohatra amin’izany.

Raha ny marina dia izany no iraka nampanaovina anareo eto amin’ity fiainana ity, dia ny hianatra ireo fomban’ny Tompo, hiditra eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra, ary hiezaka hiaina mifanaraka amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Hitantana sy hitahy anareo Andriamanitra rehefa mitodika any Aminy ianareo. Vitanareo izany satria samy mamiratra avokoa ianareo eo Imasony.

Mivavaka aho mba hanaovanareo fanolorantena hiaina ho mendrika ny fisoronana masina izay entinareo sy hiezaka hanatanteraka ny anjara asa masinareo isan’andro. Mitsodrano anareo aho mba hanana ny fahaizana sy ny faniriana hanao izany. Ary mbola mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny herin’ny fisoronana izay hazoninareo, ny amin’ireo mpaminany velona, ary ny amin’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.