2010–2019
Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany manana ny fahefana sy voairaka hanatanteraka ireo fanomanana ilaina ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Hankalaza ny Paska isika afaka roa herinandro. Ny Fitsanganana amin’ny maty dia manamafy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny fisian’ Andriamanitra Ray. Mieritreritra ny Mpamonjy isika, ary misaintsaina “Ny fiainany tsy manam-paharoa sy ny zava-tsoa tsy misy fetran’ny sorompanavotany lehibe.”1 Manantena aho fa isika koa dia mieritreritra ny fiaviany ho avy rehefa “Hanapaka amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy hanjaka amin’ny maha-Tompon’ny tompo Azy Izy.”2

Fotoana maro lasa izay tany Buenos Aires, Argentine, dia nandray anjara tamin’ny fivoriambe iray aho niaraka tamin’ny mpitarika avy amin’ny karazan’antokom-pivavahana maro. Hita niharihary ny fitiavan’izy ireo ny mpiara-belona aminy. Nanolo-tena izy ireo ny hanamaivana ny fijaliana sy hanampy ny olona handresy ny fanaovana tsindrio fa lavo ary ny fahantrana. Nieritreritra momba ireo tetikasa maro fanampiana olona nataon’ity Fiangonana ity aho, anisan’izany ireo tetikasa niarahana niasa tamin’ny vondron’antokom-pivavahana maro izay voasolo tena tao amin’ilay fivoriambe. Nahatsapa fankasitrahana lalina aho ho an’ireo mpikambana ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay nahatonga ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy toy izany ho tanteraka.

Tamin’izay fotoana izay dia nilaza zavatra roa tamiko ny Fanahy Masina. Ny voalohany dia hoe ny asa fanompoana hanomezana ireo zavatra ilaina ara-nofo dia tena manan-danja ary tokony hotohizana. Ny faharoa dia tsy nampoiziko, kanefa sady nahery vaika no nazava. Izao ilay izy: ankoatra ny asa fanompoana tsy misy tambiny dia faran’izay manan-danja ny manomana izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany.

Rehefa tonga Izy dia tsy vitan’ny hoe hihena fotsiny ny tsindrio fa lavo sy ny tsy rariny fa hitsahatra:

“Ny amboadia koa hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry ary ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy ary ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy miaraka; ary zazakely no hiroaka azy. …

“Sady tsy handratra no tsy hanimba eran’ny tendrombohitro masina ireo, satria ho henika ny fahalalana ny Tompo ny tany, dia tahaka ny rano mahahenika ny ranomasina.”3

Tsy vitan’ny hoe hihena fotsiny ny herin’ny fahantrana sy ny fijaliana fa tsy hisy intsony izany:

“Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.

“Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry antsika ka hitondra antsika ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”4

Na ny fanaintainana sy ny alahelo noho ny fahafatesana aza dia tsy hisy intsony:

“Amin’ izay andro izay, dia tsy ho faty ny zaza raha tsy efa antitra; ary ny androm-piainany dia ho tahaka ny taonan’ny hazo;

“Ary rehefa maty izy dia tsy hatory, izany hoe ao ambanin’ny tany, fa hovaina ao amin’ny indray mipi-maso sy hakarina hiakatra, ary ny fitsaharany dia ho be voninahitra.”5

Ka noho izany dia eny, andao isika hanao izay azontsika atao rehetra mba hanamaivana ny fijaliana sy ny alahelo amin’izao fotoana izao, ary andeha isika hanolo-tena amim-pahazotoana kokoa amin’ireo fanomanana ilaina ho an’ilay andro izay hiarahan’ny fanaintainana sy ny faharatsiana mitsahatra, rehefa “i Kristy tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany; fa hohavaozina ny tany ka handray ny voninahitry ny paradisany.”6 Ho andron’ny fanavotana sy ny fitsarana izany. Ny Eveka Anglikana avy tao Durham teo aloha, ny Dr. N. T. Wright, dia namariparitra tsara araka ny tokony ho izy ny halehiben’ny Sorompanavotan’i Kristy, ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary ny Fitsarany mba handresena ny tsy rariny sy hametrahana ny zavatra rehetra amin’ny tokony ho izy.

Hoy izy hoe: “Andriamanitra dia nanendry andro izay hitsarany an’izao tontolo izao amin’ny fomba marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray izay notendreny, ary nanome toky ny rehetra ny amin’izany Izy tamin’ny alalan’ny fananganana io lehilahy io tamin’ny maty. Ny fahamarinana momba an’i Jesoa avy ao Nazareta, ary indrindra fa mikasika ny fitsanganany tamin’ny maty, no fototry ny fahazoana antoka fa tsy hoe tsy misy dikany izao tontolo izao. Tsy ho fikorontanana tanteraka no hisy amin’ny farany. Tsy hoe raha miezaka mampanjaka ny rariny isika amin’izao fotoana izao dia ho fotoana very maina fotsiny, na toy ny miezaka manohana trano be iray izay hianjera amin’ny farany, na toy ny manamboatra fiara izay tsy handeha intsony avy eo raha ny marina. Rehefa nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty Andriamanitra, dia izany no trangan-javatra kely indrindra maneho ny toe-javatra iray manontolo izay nirakitra tanteraka ny fitsarana, izay zavatra tena lehibe tao anatin’ny trangan-javatra iray, dia ilay asa nanomboka ilay dingana izay mahatonga antsika hanana ny fanantenana lehibe indrindra. Andriamanitra dia nanambara tamin’ny fomba faran’izay mahery vaika azontsika eritreretina, fa i Jesoa avy any Nazareta marina no ilay Mesia. … Ny zavatra lehibe indrindra izay toa mifanipaka tao anatin’ny tantara, dia i [Jesoa] Izy tenany mihitsy izay niharan’ny fitsarana feno habibiana sy tsy rariny, no nandeha tamin’ny toerana iray izay tandindona naneho sy nampivondrona ny habibian-toetra sy ny tsy rariny tsy voatanisa teo amin’ny tantara, mba hitondra izany korontana, izany haizina, izany habibian-toetra, izany tsy rariny izany teo Aminy, ary hamotika ny heriny.”7

Nandritra ny nanatrehako ilay fivoriambe tao Buenos Aires izay nolazaiko teo aloha, dia nohazavain’ny Fanahy tamiko fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany manana ny fahefana sy voairaka hanatanteraka ireo fanomanana ilaina ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Azo antoka fa naverina tamin’ny laoniny noho izany tanjona izany ny Fiangonana. Moa ve ianareo afaka mahita any amin’ny toeran-kafa vahoaka iray izay manaiky an’izao vanim-potoana izao ho ilay “fitantanana ny fotoam-pahafenoana” nambara tamin’ny faminaniana izay fotoana kasain’ Andriamanitra “[hanangonana] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”?8 Raha tsy hitanareo ato ny fiarahamonina manolo-tena ny hanatanteraka ny zavatra ilaina tanterahina ho an’ny velona sy ny maty mba hiomanana ho amin’izany andro izany, raha tsy hitanareo ato ny rafitra iray vonona ny hanokana fotoana sy vola be dia be ho an’ny fanangonana sy ny fanomanana vahoakan’ny fanekempihavanana iray ho vonona handray ny Tompo, dia tsy hahita izany na aiza na aiza ianareo.

Raha niresaka tamin’ny Fiangonana ny Tompo tamin’ny 1831 dia nanambara hoe:

“Ankinina amin’ny olona eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ary hatreo dia hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo. …

“Antsoy ny Tompo mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ny andro ho avy izay hidinan’ny Zanak’Olona mbamin’ny lanitra, mitafy ny famirapiratan’ny voninahiny ka hitsena ny fanjakana Andriamanitra, izay voaorina eto an-tany.”9

Inona no azontsika atao mba hiomanana dieny izao ho amin’izany andro izany? Afaka manomana ny tenantsika amin-ny maha-vahoaka antsika isika. Afaka manangona ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo isika. Ary afaka mitondra fanampiana isika mba hahatanteraka ilay fampanantenana famonjena “natao tamin’ny ray,” dia ny razambentsika.10 Izany rehetra izany dia tsy maintsy mitranga haingana tokoa alohan’ny hiverenan’ny Tompo indray.

Ny voalohany, sady tena manan-danja ho an’ny fiverenan’ny Tompo, dia ny fisian’ny vahoaka iray eto ambonin’ny tany vonona ny handray Azy amin’ny Fiaviany. Nilaza Izy fa ireo izay mitoetra eto ambonin’ny tany amin’izany andro izany “hatramin’ny kely indrindra [ka] hatramin’ny lehibe indrindra, … [dia] ho henika ny fahalalana ny Tompo ary hahita mifanatri-maso sy hanandratra ny feony ary hihira amin’ny fampiaraham-peo ity hira vaovao ity, manao hoe: Efa nampody an’ i Ziona ny Tompo. … Efa nanangona ny zavatra rehetra ho iray ny Tompo. Efa nampidina an’ i Ziona avy any ambony ny Tompo. Efa nampiakatra an’ i Ziona avy any ambany ny Tompo.11

Fahiny dia nalain’ Andriamanitra ho any Aminy ny tanànan’i Ziona izay marina.12 Mifanohitra amin’izany, amin’izao andro farany izao dia hisy Ziona vaovao handray ny Tompo amin’ny fiverenany.13 I Ziona dia ny madio am-po, vahoaka iray fo sy iray saina izay miaina amim-pahamarinana ka tsy misy mahantra eo anivony.14 Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tokony ho tanjontsika lehibe indrindra ny fanorenana an’i Ziona.”15 Manorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, ny paroasintsika, ny sampana misy antsika, ary ireo tsatòka amin’ny alalan’ny firaisan-kina, ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ary ny fiantrana.16

Tsy maintsy miaiky isika fa ny fananganana an’i Ziona dia mitranga ao anatin’ny fotoana feno korontana, “andron’ny fisafoahana, ny andron’ny fandoroana, ny andron’ny faharavana, ny an’ny fitomaniana, ny an’ny fidradradradrana, ny an’ny fitarainana; ary toy ny tadio no hahatongavan’ izany eran’ny tany manontolo, hoy ny Tompo.”17 Noho izany ny fiarahana mivondrona ho lasa tsatòka dia “ho fiarovana sy ho fialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany.”18

Toy ny tamin’ny andro fahiny mihitsy, isika dia “[m]ihaona miaraka matetika mba hifady hanina sy hivavaka ary hifampiresaka [amintsika] samy [isika] ny momba ny fiadanan’ny fanahin[tsika]. Ary … [h]andray ny mofo sy ny [rano] ho fahatsiarovana an’ i Jesoa Tompo.”19 Tahaka ny nohazavain’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra farany teo hoe: “Ny tanjon’ny Fiangonana hatrizay dia ny hanampy ireo mpikambana rehetra mba hampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Sorompanavotany, sy mba hanampy azy ireo hanao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, ary mba hanamafy orina sy hamehy ny fianakavian’izy ireo.”20 Noho izany dia nohamafisiny ny lanjan’ny fanekempihavanan’ny tempoly, ny fanamasinana ny Sabata, ary ny fivokisana isan’andro amin’ny filazantsara, izay mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny fandaharam-pampianarana fandalinana mifandray amin’izany ao am-piangonana. Te hahalala ny amin’ny Tompo isika, ary te hahalala ny Tompo.21

Ny tanjona fototra indrindra amin’ny fananganana an’i Ziona dia ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay niely patrana efa ela.22 “Mino isika fa hangonina ara-bakiteny ny Isiraely ary hampodiana indray ny Foko Folo.”23 Ireo rehetra izay mibebaka, mino an’i Kristy ary hatao batisa no vahoakan’ny fanekempihavanany.24 Ny Tompo mihitsy no naminany fa mialoha ny fiverenany, ny filazantsara dia hotoriana manerana izao tontolo izao25 “mba hanavotra ny olo[ny] izay avy amin’ny mpianakavin’ i Isiraely,”26 ”ary rehefa izany dia ho avy ny farany.”27 Efa eo am-pahatanterahana ny faminanian’i Jeremia:

“Koa indro avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaova[ny] intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

“Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, izay nitondra ny zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy.”28

Ny Filoha Nelson dia namerimberina nanamafy fa ny “fanangonana [an’i Isiraely] no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao … dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao.”29 Ny Olomasin’ny Andro Farany dia efa vahoaka mpitory ny filazantsara hatrizay. An’hetsiny maro no namaly ireo antso hitory ny filazantsara hatramin’ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary an’aliny no manompo amin’izao fotoana izao. Ary araka izay vao nampianarin’ny Loholona Quentin L. Cook teo, isika rehetra dia afaka mandray anjara amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy, amim-pitiavana, manasa ny hafa hiara-hivavaka amintsika ao am-piangonana, ho avy ao an-tokantranontsika, ho lasa isan’ny namantsika. Ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna no famantarana fa nanomboka ny fanangonana.30 Ny Bokin’i Môrmôna mihitsy no fitaovana fototra fanangonana sy fanovana fo.

Tena manan-danja ihany koa amin’ny fanomanana ny Fiaviana Fanindroany ny ezaka fanavotana lehibe atao ho an’ireo razambentsika. Nampanantena ny haniraka an’i Elia mpaminany ny Tompo mialoha ny Fiaviana Fanindroany, “ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra,”31 mba “hanamba[ra] … ny Fisoronana” sy “hambo[ly] ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin’ny ray.”32 Tonga araka ny nampanantenaina i Elia. Ny fotoana nitrangan’izany dia ny 3 aprily 1836, ary ny toerana dia ny Tempolin’i Kirtland. Tao amin’io toerana io ary tamin’izay fotoana izay no nanomezany ny fisoronana izay nampanantenaina, ny fanalahidy ho an’ny fanavotana ny maty sy ny fampiraisana ny mpivady, ary ny fianakaviana manerana ireo taranaka fara aman-dimby hatramin’izay ka ho mandrakizay.33 Raha tsy nisy izany dia tsy ho tanteraka ny tanjon’ny fahariana, ary raha izay no niseho, dia horinganina na “hofongorana tanateraka” ny tany.34

Tamin’ilay fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo natao talohan’ny fanokanana ny tempolin’i Rome Italie, dia nasehon’ireo zatovolahy sy zatovovavy an-jatony nanatrika tao an’ny Filoha Nelson ireo karatra efa nomaniny izay ahitana ny anaran’ireo razambeny. Vonona ny hiditra ny tempoly izy ireo mba hanatanteraka batisa isoloana tena ho an’ireo razambeny raha vantany vao misokatra izany. Fotoana iray tena nahafinaritra izany, kanefa ohatra iray ihany amin’ny asa fanafainganana mba hanangana an’i Ziona ho an’ireo taranaka nifandimby efa nodimandry.

Rehefa miezaka ny hazoto isika amin’ny fananganana an’i Ziona, tafiditra ao anatin’izany ny anjara andraikitsika amin’ny fanangonana an’ireo nofinidin’ny Tompo sy ny fanavotana ny maty, dia tokony hiato kely isika mba hahatsiaro fa asan’ny Tompo izany ary Izy no manao izany. Izy no Tompon’ny tanim-boaloboka ary isika no mpanompony. Mangataka antsika Izy hiasa ao amin’ny tanim-boaloboka amin’ny herintsika amin’ity “fotoana farany” ity ary Izy dia miara-miasa amintsika.35 Marina kokoa angamba raha izao no hilazana azy hoe mamela antsika hiara-hiasa Aminy Izy. Araka ny nolazain’i Paoly hoe: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.”36 Izy no manafaingana ny asany amin’ny fotoana tokony hanaovana izany.37 Rehefa mampiasa ny ezaka ataontsika izay ekentsika fa tsy tonga lafatra isika, dia ny “zava-madi[nitsika]” izany, dia manatanteraka zava-dehibe ny Tompo.38

Ity fotoampitantanana lehibe sady farany ity dia mihazakazaka manatratra ny tanjony faratampony, dia i Ziona eto an-tany, izay hohatevenin’i Ziona avy any ambony amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy amim-boninahitra. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia irahina hanomana, ary manomana, an’izao tontolo izao ho amin’izany andro izany. Ka noho izany, amin’ity Paska ity, dia andeha isika hankalaza marina ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny zavatra rehetra fonosin’izany ho an’ny hoavintsika: ny fiverenany mba hanjaka mandritra ny arivo taonan’ny fiadanana, fitsarana marina sy fampanjakana ny rariny amin’ny fomba lavorary ho an’ny rehetra, ny tsy fahafatesan’ny olona rehetra izay niaina teto ambonin’ity tany ity, ary ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay. Ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty no fanomezan-toky lehibe indrindra fa hatao araka ny tokony ho tena izy ny zavatra rehetra. Andeha isika hiasa mba hanorenana an’i Ziona mba hanafainganana ny fahatongavan’izany andro izany. Amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.