2010–2019
Be fitahiana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Be fitahiana

Ny ankamaroan’ireo fitahiana izay irin’ Andriamanitra omena antsika dia mitaky ny hanaovantsika zavatra, zavatra atao mifototra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, te hitahy antsika tsirairay avy ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy.1 Ny momba ny fomba ahazoana ireo fitahiana ireo no lohahevitry ny ady hevitr’ireo mpikaroka momba ny fivavahana sy ny fifanakalozan-kevitra nandritra ny taonjato maro.2 Ny sasany dia milaza fa ny fitahiana dia loka tokony ho azo tanteraka, amin’ny alalan’ny asa ataontsika ihany no ahazoantsika azy. Ny sasany indray dia mandresy lahatra fa efa nofidin’ Andriamanitra izay hotahiany sy ny fomba hanaovany izany, ary izany fanapahan-kevitra izany dia tsy azo ovaina. Samy diso ireo fomba fihevitra ireo. Ny fitahiana avy any an-danitra dia sady tsy azo avy amin’ny fanangonana be ireo medalim-pankasitrahana noho ny fanaovan-tsoa, no tsy avy amin’ny fiandrasandrasana eny raha toa ka hahazo anjara amin’ny fitahiana. Tsia, tsy izany no marina fa mifanaraka kosa amin’ny fifandraisana eo amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy ireo izay tokony ho mpadovany, dia isika. Manambara ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny fa ny fitahiana dia tsy loka omena na oviana na oviana, fa ny asa entanim-pinoana avy amintsika no tena ilaina, na izany vao miantomboka na efa atao.3

Sary
Antontan-kazo

Eo am-pandinihantsika ny fomba fandraisana ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra dia andao ampitahaintsika amina hazo mifanongoa be ireo fitahian’ Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina hoe misy hazo kely fampirehetana ao anivony izay voahodidina tapa-kazo madinika. Tsora-kazo avy eo ny manaraka izany, avy eo dia vata-kazo madinika, ary vata-kazo lehibe no farany. Io antontan-kazo io dia misy solika betsaka, ka afaka mamoaka hazavana sy hafanana mandritra ny andro maro. Eritrereto hoe misy afokasoka iray eo akaikin’ilay antontan-kazo, ilay karazany misy phosphore eo amin’ny sisiny ireny.4

Sary
Antontan-kazo miaraka amin’ny afokasoka

Mba hampivoaka ny angovo ao anatin’ilay antontan-kazo dia tsy maintsy akasoka amin-javatra ilay afokasoka ary ny hazo kely fampirehetana mila mirehitra. Vetivety dia handray afo ny hazo fampirehetana ka hahatonga ireo hazo lehibebe kokoa hirehitra. Raha vantany vao manomboka ireo afo voalohany ireo dia mitohy foana izany mandra-pirehitr’ireo hazo rehetra na mandrapahatonga ilay afo tsy mahazo ôksizenina intsony.

Sary
Antontan-kazo mirehitra

Ny fanakasohana ilay afokasoka amin-javatra sy ny fampirehetana ilay hazo kely fampirehetana dia zavatra kely izay mahatonga ny angovo ananan’ilay hazo hivoaka.5 Mandrapikasohana ilay afokasoka amin-javatra dia tsy misy na inona na inona mitranga, na manao ahoana na manao ahoana haben’ilay antontan-kazo. Raha toa ka akasoka amin-javatra ilay afokasoka nefa tsy apetaka amin’ilay hazo kely fampirehetana dia tsy ampy raha ny hazavana sy ny hafanana avoakan’ilay afokasoka fotsiny ary tsy hivoaka ny angovo ao amin’ilay antontan-kazo. Raha misy fotoana izany tsy asiana ny ôksizenina dia mijanona ny firehitry ny afo.

Toy izany koa, ny ankamaroan’ireo fitahiana izay irin’ Andriamanitra omena antsika dia mitaky ny hanaovantsika zavatra, zavatra atao mifototra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Ny finoana ny Mpamonjy dia fitsipiky ny asa sy hery.6 Manao asa amim-pinoana aloha isika voalohany indrindra, avy eo dia tonga ny hery, arakaraka ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny fotoany. Tena zava-dehibe io filaharany io.7 Raha ny zavatra takina atao aloha dia kely foana raha ampitahaina amin’ireo fitahiana izay horaisintsika amin’ny farany.8

Eritrereto ny zavatra nitranga rehefa tonga teo anivon’ireo Isiraelita fahiny ny menaran’afo manidina raha teny amin’ny lalany nankany amin’ny tany nampanantenaina izy ireo. Nahafaty ny kaikitry ny bibilava misy poizina. Saingy ny olona voakaikitra anefa dia afaka ny ho sitrana rehefa mijery bibilava varahina iray namboarin’i Mosesy sy napetrany teo amin’ny tsato-kazo iray.9 Hery toy ny ahoana no lany rehefa mijery zavatra iray? Ireo rehetra izay nijery dia nahazo ny herin’ny lanitra ka sitrana. Ny Isiraelita sasany izay voakaikitra dia tsy nijery ilay menarana varahina ary dia maty. Tsy nanam-pinoana hijery angamba izy ireo.10 Tsy nino angamba izy ireo hoe zavatra kely toy izany dia hiteraka ilay fahasitranana nampanantenaina. Na mety ninia nanamafy ny fony izy ireo ary nandà ny torohevitry ny mpaminanin’ Andriamanitra.11

Maharitra mandrakizay ny fitsipiky ny fahazoana ireo fitahiana izay mirotsaka avy amin’ Andriamanitra. Tahaka ireo Isiraelita fahiny, isika koa dia mila manao asa araka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy mba ho voatahy. Nanambara Andriamanitra fa “misy lalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ny fitahiana rehetra—ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany.”12 Kanefa dia tsy loka ho anao ny fitahiana, diso izany fotokevitra izany, fa mila mendrika izany ianao. Noho ny fahatsarana sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ihany no ahazoantsika famonjena.13 Ny halehiben’ny sorompanavotana nataony dia midika fa tsy misy fetra ilay antontan-kazo, ny zavatra kely izay ataontsika dia tena bitika raha oharina aminy. Saingy tsy hoe zava-poana izany, ary tsy hoe tsy misy dikany izany, ao anatin’ny haizina ny afokasoka mirehitra dia hita na avy lavitra aza. Raha ny marina dia hita avy any an-danitra izany satria asa kely atao am-pinoana no ilaina mba hahazoana ireo fampanantenan’ Andriamanitra.14

Mba hahazoana fitahiana iray nirina avy amin’ Andriamanitra dia manaova asa am-pinoana, izay mampirehitra ilay afokasoka sariohatra izay iankinan’ilay fitahian’ny lanitra. Ohatra, iray amin’ireo tanjon’ny vavaka dia ny hahazo fitahiana izay tian’ Andriamanitra homena, saingy miankina amin’ny fomba fangatahantsika azy no hahazoantsika izany.15 Nitalaho fangorahana i Almà dia novahana ny fanaintainany, tsy norotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotany intsony izy. Rakotry ny fifaliany ny fanaintainany, izany rehetra izany no izy satria nitalaho tamim-pinoana tamin’i Jesoa Kristy izy.16 Ny hery fanairana ilaina ho antsika dia ny manana finoana ampy an’i Kristy mba hangataka amin-kitsimpo am-bavaka amin’ Andriamanitra ary hanaiky ny sitrapony sy ny fotoany amin’ny valiny.

Matetika ny hery fanairana ilaina ho an’ireo fitahiana dia mitaky zavatra mihoatra ny mijery na mangataka fotsiny. Ny fanaovana zavatra mitohy sy miverimberina ary feno finoana no ilaina. Teo anivon’ny taonjato faha-19 i Brigham Young dia naniraka vondrona Olomasin’ny Andro Farany mba hijery sy hipetraka tao Arizona, faritra karankaina iray ao Amerika Avaratra. Rehefa nihazo tao Arizona io vondrona io dia lany vatsin-drano ary nanahy ny ho faty. Nitalaho tamin’ Andriamanitra izy ireo mba hahazo fanampiana. Tsy ela dia nirotsaka ny orana sy ny oram-panala, izay nahafahan’izy ireo nameno rano ny barikany sy nanome ny biby fiompony. Sady feno fankasitrahana izy ireo no velon’aina niverina taty Salt Lake City tao anatin’ny fahatsaran’ Andriamanitra. Rehefa niverina izy ireo dia nitantara tamin’i Brigham Young ny antsipirian’ny dia nataon’izy ireo ary nilaza ny fehin-teniny fa hoe tsy azo onenana i Arizona.

Sary
Brigham Young

Rehefa avy nihaino ilay fitantarana i Brigham Young dia nanontany lehilahy iray tao amin’ilay efitrano ny amin’izay eritreriny momba ilay dia sy ilay fahagagana. Namaly avy hatrany ilay lehilahy, i Daniel W. Jones, hoe: “Raha izaho dia nofenoiko, sy notohizako ny dia ary nivavaka indray.” Napetraky ny Rahalahy Brigham teo amin’i Jones ny tanany dia hoy izy: “Ity no lehilahy tokony handray an-tanana ny dia manaraka mankany Arizona.”17

Sary
Daniel W. Jones

Isika rehetra dia samy afaka mahatsiaro fotoana izay nirosoana hatrany sy nivavahana indray, ka niteraka fitahiana. Ireo zavatra niainan’i Michael sy i Marian Holmes dia maneho ireo fitsipika ireo. Samy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izaho sy i Michael. Nientanentana foana aho isaky ny nantsoina hivavaka izy ao amin’ireo fivorianay satria dia hita soritra eny aminy ny toe-panahy lehibe ananany. Fantany ny fomba firesahana amin’ Andriamanitra. Tiako ny nihaino azy nivavaka. Tsy nivavaka na tsy nandeha am-piangonana anefa i Michael sy Marian tany am-piandohan’ny fanambadian’izy ireo. Tery ny fotoan’izy ireo niaraka tamin-janaka kely anankitelo sy orinasa mpanao asa fanorenana izay nandeha tsara. Tsy nahatsapa tena ho mpivavaka i Michael. Indray takariva dia tonga tao an-tranony ny evekan’izy ireo ary nankahery azy ireo mba hanomboka hivavaka.

Rehefa lasa ilay eveka dia nanapa-kevitra i Michael sy i Marian fa tokony hiezaka hivavaka izy ireo. Mialoha ny handehanana am-pandriana dia nandohalika teo an-tongom-pandriany izy ireo ary tsy nahazo aina i Michael raha nanomboka. Rehefa avy nanonona teny vitsivitsy tamim-pahasahiranana dia nijanona tampoka i Michael sady niteny hoe: “Marian, tsy vitako ity.” Rehefa nitsangana sy nanomboka niala teo izy dia norambasin’i Marian ny tanany, nosintoniny hiverina handohalika, dia hoy izy hoe: “Mike, vitanao io. Andramo indray ange!” Rehefa namporisihina toy izany i Michael dia nahavita vavaka fohy iray.

Dia nanomboka nivavaka tsy tapaka ry Holmes mianakavy. Nanaiky ny fanasan’ny mpifanolobodirindrina taminy izy ireo ho any am-piangonana. Rehefa niditra tao amin’ny efitrano fivoriana sy nahare ny hira fanokafana izy ireo dia nibitsika taminy ny Fanahy hoe: “Marina ity.” Avy eo i Michael, sady tsy nirahina no tsy tazana akory, dia nanala fako tao amin’ilay trano fivoriana. Rehefa nanao izany izy dia nanana fahatsapana mafonja hoe: “Tranoko ity.”

Sary
I Michael sy i Marian Holmes mbola tanora

Nanaiky ny antso tato amin’ny Fiangonana i Michael sy i Marian ary nanompo tao amin’ny paroasy sy tsatòka nisy azy. Nofehezina izy ireo ary nofehezina tamin’ireo zanany telo. Mbola nanan-janaka fanampiny izy ireo ka nitotaly 12 ny zanany. Efa indroa ry Holmes no filohan’ny misiôna sy mpiara-manompo.

Sary
I Michael sy i Marian Holmes ankehitriny

Fohy ilay vavaka tsy nampahazo aina saingy asa natao feno finoana izany izay nitondra ireo fitahian’ny lanitra. Nitana ny finoany ho mafy foana ry Holmes mianakavy tamin’ny fandehanana tany am-piangonana sy tamin’ny fanompoana. Ny fanolorantenan’izy ireo amin’ny maha-mpianatra azy ireo nandritra izay taona maro izay dia nitondra afom-pinoana sy fitahiana miredareda izay manome aingam-panahy amin’izao andro izao.

Sary
Ny fianakaviana Holmes efa mivelatra

Ny afo anefa dia tsy maintsy mahazo ôksizenina tsy tapaka mba hahatonga ny hazo hamoaka ny heriny feno. Tahaka ny nasehon’i Michael sy i Marian dia mila asa mitohy ny finoana an’i Kristy mba hampitohy ny firedaredan’ny afo. Ireo asa kely ataontsika no manosika ny fahafahantsika mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy mitarika amin’ireo fitahiana lehibe indrindra izay azon’ Andriamanitra omena. Saingy rehefa mitozo mandroso hatrany isika izay vao mandeha ny ôksizenina. Indraindray isika dia mila manamboatra ny tsipìka sy ny zana-tsipìka aloha, izay vao tonga ny fanambarana momba ny toerana hihazantsika sakafo.18 Indraindray isika dia mila manamboatra ireo fitaovana mialoha ny fahatongavan’ny fanambarana momba ny fomba hanamboarana sambo.19 Indraindray isika, araka ny toromariky ny mpaminany, dia mila manao mofo kely amin’ny diloilo sy koba kely izay ananantsika mba hahazoana tavoaran-diloilo sy barikan-koba tsy mety lany.20 Ary indraindray isika dia mila mitony sy mahafantatra fa Andriamanitra no Andriamanitra.21

Rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra ianao dia azonao tsoahiana avy amin’izany fa nankatò lalàna mandrakizay iray izay miantoka amin’ny fandraisana izany fitahiana izany ianao.22 Saingy tsarovy fa ilay lalàna “tsy azo novana” dia tsy manaraka ny fotoantsika, izany hoe ireo fitahiana dia tonga araka ny fotoan’ Andriamanitra. Na ireo mpaminany fahiny izay nikatsaka ny fonenany any an-danitra aza dia23 “maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny … ka ravoravo niarahaba azy.”24 Raha toa mbola tsy azo ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra izay nirina, dia tsy mila manahy isika, ka hieritreritra hoe inona no mbola mila atao. Fa araho kosa ny torohevitr’i Joseph Smith mba “hazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia … hahajoro … omban’ ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny … fampisehoana ny sandrin[‘ Andriamanitra].”25 Ny fitahiana sasany dia natao horaisina aty aoriana, na dia ho an’ireo zanak’ Andriamanitra mavitrika indrindra aza.26

Enim-bolana lasa izay dia nampahafantarina ny drafitra iray izay mifototra ao an-tokantrano sady tohanan’ny Fiangonana entina hianarana ny fotopampianarana sy hanamafisana orina ny finoana ary hankaherezana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson fa ireo fiovana ireo dia afaka manampy antsika ho velona ara-panahy sy hampivoatra ny fifaliantsika amin’ny filazantsara ary hampalalina ny fiovam-pontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.27 Saingy anjarantsika ny handray na tsia ireo fitahiana ireo. Samy tompon’andraikitra isika hanokatra sy handalina ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, miaraka amin’ny soratra masina sy ireo fitaovana Avia, hanaraka Ahy hafa.28 Mila miresaka momba azy ireny isika miaraka amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika ary handamina ny andro sabatantsika hampirehitra afo lehibe miredareda. Na azontsika avela mivangongo ao an-tranontsika ireo loharanom-pitaovana ireo miaraka amin’ny hery ananany hijanona ao anatiny ao.

Manasa anao aho mba hampihetsika ny herin’ny lanitra mba handraisana ireo fitahiana manokana avy amin’ Andriamanitra. Ampiasao ny finoana mba hampikasohana ny afokasoka sy hampirehitra ny afo. Omeo ny ôksizenina ilaina eo am-piandrasanao amim-paharetana ny Tompo. Miaraka amin’ireo fanasana ireo aho dia mivavaka ny mba hitarihan’ny Fanahy Masina anareo mba hahatonga anareo ho tahaka ilay “olona mahatoky” voalaza ao amin’ny Ohabolana ka “ho be fitahiana.”29 Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Rainareo any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany Malala. Miahiahy ny amin’ny mahasoa anareo Izy ireo ary faly mitahy anareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.