2010–2019
I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina

Raha toa ianareo mahatsapa fa miha-mitsilopilopy ny fanilon’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ka manatona ny haizina, dia manàna herim-po. Tandrovy ireo fampanantenana nataonareo tamin’ Andriamanitra.

Mahatazana tsara dia tsara ny Tempolin’ i Salt Lake ao amin’ny birao misy ahy ao amin’ny tranon’ny Fikambanana Ifanampiana. Isaky ny alina, tena tsy diso lera mihitsy, dia mirehitra ireo jiro ivelan’ny tempoly rehefa mody masoandro iny. Ny tempoly dia fanilo miredareda tsy tapaka iray eo ivelan’ny varavarankeliko eo mihitsy.

Sary
Ny Tempolin’i Salt Lake rehefa maizina ny andro

Indray alina tamin’iny febroary lasa iny dia nitoetra ho maizina ny biraoko rehefa nilentika ny masoandro. Raha nitazana teo am-baravarankely aho dia nanjavozavo ny tempoly. Tsy nirehitra ireo jiro. Tampoka teo dia nahatsapa fahamaizinana bebe kokoa aho. Tsy afaka nahatazana ireo lefon’ny tempoly izay tazako isaky ny hariva nandritry ny taona maro aho.

Sary
Ny Tempolin’i Salt Lake rehefa tsy mirehitra ireo tilikambony

Ny fahitana haizina teo amin’ny toerana izay nanantenako hahitana fahazavana dia nampahatsiahy ahy fa iray amin’ireo zavatra fototra ilaintsika ananana indrindra mba hitomboana dia ny mifandray amin’i Jesoa Kristy—ilay loharanon’ny fahazavantsika. Izay no loharanon’ny herintsika, ilay Fahazavana sy Fiainan’ izao tontolo izao. Raha tsy misy fifandraisana mafy Aminy dia manomboka maty ara-panahy isika. Amin’ny fahafantarana izany, i Satana dia miezaka mampiasa ireo faneriterena eo amin’izao tontolo izao izay atrehantsika rehetra. Miezaka ny hampanjavozavo ny fahazavantsika izy, hanapaka ilay fifandraisana, hanapaka ny vatsin-kerinaratra, ka hamela antsika irery ao anatin’ny haizina. Zavatra iainana mahazatra ireo fanerena ireo eto an-tany, kanefa i Satana dia miezaka ny hampitoka-monina antsika sy milaza amintsika fa isika irery ihany no miaina izany.

Ny sasany amintsika dia tsy afa-mihetsika noho ny fahoriana

Rehefa mianjady amintsika ny loza, rehefa marary mafy ny aina ka tsy afa-miaina isika, rehefa voakapoka tahaka ilay lehilahy teo amin’ny lalana nankany Jeriko isika ka navela ho faty, dia manatona i Jesoa ka mandraraka diloilo ao amin’ny ferintsika, mankahery malefaka antsika, mampiakanjo antsika, mampiditra antsika ao amin’ny tranom-bahiny, mikarakaraka antsika.1 Ho antsika izay ory dia milaza Izy hoe: “hohamaivaniko … ny enta-mavesatra izay apetraka eo an-tsorokareo, ka tsy hahatsapa izany ny lamosinareo, … mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ ny fahoriany.”2 Manasitrana fery i Kristy.

Ny sasany amintsika dia tena reraka

Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland fa: “Tsy takiana ny hihazakazahantsika haingana kokoa noho izay tratrin’ny herintsika. … Kanefa [na eo aza izany] dia fantatro fa … maro aminareo no mihazakazaka [mafy,] tena mafy, ary [ilay] vatsin-kery sy fihetseham-po dia hita fa saika ho foana.”3 Rehefa maro loatra ireo zavatra andrasana ho vitantsika dia afaka miato kely isika sy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra haneho izay azo ajanona amin’izany. Anisan’ny traikefa eto amin’ny fiainantsika ny mianatra izay tsy tokony hatao. Na eo aza anefa izany, dia mety hahatofoka ny fiainana indraindray. Manome toky antsika i Jesoa hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.”4

Vonona ny hiaraka hizioga amintsika ary hanosika mba hanamaivana ny enta-mavesatsika i Kristy. I Kristy dia fitsaharana.

Ny sasany amintsika dia mahatsapa ho tsy tafiditra ao anatin’ny lasitra mahazatra.

Noho ny antony maro samihafa dia mahatsapa ho tsy eken’ny hafa isika na tsy ampy ny fepetra hanekena antsika. Mampiseho ireo ezaka lehibe nataon’i Jesoa mba hanampiana ny karazan’olona rehetra ny Testamenta Vaovao: ny boka, ny mpamory hetra, any ankizy, ny Galileana, ny mpivaro-tena, ny vehivavy, ny Fariseo, ny mpanota, ny Samaritana, ny mpitondra tena, ny Romana, ny miaramila, ny mpijangajanga, ny maloto noho ny fomba amam-panao. Saika ao anatin’ny tantara tsirairay dia manampy olona izay tsy neken’ny fiarahamonina Izy.

Ny Lioka 19 dia milaza momba ny tantaran’ilay lehiben’ny mpamory hetra tao Jeriko izay nantsoina hoe Zakaiosy. Nihanika hazo izy mba hahitana an’i Jesoa nandalo. I Zakaiosy dia nampiasain’ny governemanta romana ary noraisina ho mpanao kolikoly sy mpanota. Hitan’i Jesoa teny ambonin’ilay hazo izy ka nantsoiny, nanao hoe: “Ry Zakaiosy, midina faingana; fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao aho.”5 Ary rehefa hitan’i Jesoa ny hatsaram-pon’i Zakaiosy sy ireo zavatra nataony ho an’ny hafa, dia nekeny ny fanatitra nataony, nanao hoe: “Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama.”6

Niteny malefaka tamin’ny Nefita i Kristy hoe: “Efa nandidy anareo Aho mba tsy hisy aminareo handeha hiala.”7 Nanana ilay epifania nahery vaika i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 rehefa nanambara izy hoe: “Izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.”8 Fitakiana tsy miovaova ho an’ireo mpanaradia Kristiana sy Olomasin’ny Andro Farany ny mifampiseho tena fitiavana.9 Manolotra izany karazana fanasana izay nataony tamin’i Zakaiosy izany ho antsika i Jesoa: “Indro, efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao ami[nareo] Aho ka hiara-misakafo ami[nareo], ary [ianareo] amiko.10 Mahita antsika eo amin’ny hazontsika i Kristy.

Ny sasany amintsika dia mizarazara noho ny fanontaniana maro

Taona vao vitsy lasa izay dia novesarana fanontaniana tsy nahitako valiny ka nahasorena ahy aho. Indray sabotsy maraina dia nanofy kely aho. Nahita fialofana iray aho tao anatin’ilay nofy, ary takatro fa tokony handeha hijoro ao amin’izany aho. Nisy andohalambo dimy nanodidina izany, saingy vita tamin’ny vato ireo varavarankely. Nimonimonina aho aho tao anatin’ilay nofy, tsy te hiditra tao satria teritery mahasempotra izany. Dia tonga tao an-tsaiko ny eritreritra hoe nandrendrika ny vato ho lasa fitaratra mangarahara tamim-paharetana ny rahalahin’i Jareda. Ny fitaratra dia vato izay nandalo fanovana. Rehefa nokasihan’ny Tompo ho an’ny rahalahin’i Jareda ireo vato dia namirapiratra tao anatin’ireo sambo maizina izy ireny.11 Tampoka teo aho dia heniky ny faniriana mba hiditra tao amin’ilay fialofana noho ny ho ao amin’ny toerana hafa. Izany mihitsy ilay toerana—ilay hany toerana—mba hahafahako “mahita.” Tsy niala ireo fanontaniana nanelingelina ahy, kanefa niredareda kokoa tao an-tsaiko ny fanontaniana nananako rehefa nifoha aho: “Amin’ny fomba ahoana no hampitomboanao ny finoanao, tahaka ny rahalahin’i Jareda, mba hivadika ho fahazavana ireo vatonao?”12

Ny saintsika eto ambonin’ny tany dia natao mba hikatsaka fahatakarana sy hevitra anatin’ny amboaran-javatra milamina. Tsy haiko ny antony rehetra mahatonga ny voaly manarona ny fiainana an-tany ho matevina be. Tsy dingana eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay izay hahazoantsika ny valin-teny rehetra ity. Ity no dingana hampitomboantsika ny tokintsika (na fanantenantsika indraindray) ny amin’ny porofon’ireo zavatra tsy hita maso. Ny toky dia tonga amin’ny fomba izay tsy mora fakafakana hatrany, saingy misy fahazavana ao anatin’ny haizina misy antsika. Nilaza i Jesoa hoe: “Izaho no fahazavana sy ny fiainana ary ny fahamarinan’ izao tontolo izao.”13 Ho an’ireo izay mikatsaka fahamarinana, mety ho toa sarotra amin’ny voalohany ilay hoe matahotra ireo varavarankely vita amin’ny vato. Kanefa miaraka amin’ny faharetana sy ireo fanontaniana mahatoky dia afaka manova ireo varavarankelintsika vita amin’ny vato ho lasa fitaratra sy fahazavana i Jesoa.. I Kristy ho fahazavana jerena.

Ny sasany amintsika dia mahatsapa ho tsy afaka ny ho ampy fahatsarana na oviana na oviana

Ny fandokoana volon’ondry ao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy nidorehitra fotsiny ny loko fa niraikitra koa, izay midika hoe nijanona teo amin’ny volon’ondry ilay loko midorehitra ka tsy niha-mavoka izany na sasana impiry aza.14 Mampiasa io fihevitra io i Satana: ny volon’ondry fotsy nolokoina jaky mena dia tsy hiverina ho fotsy intsony na oviana na oviana. Nanambara anefa i Jesoa Kristy hoe: “Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo,”15 ary fahagagan’ny famindram-pony dia hoe rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika, dia hampiverina antsika amin’ny fahadiovana ny rany jaky mena. Tsy lojika izany, kanefa marina.

Sary
Volon’ondry noloikoina jaky

Sary avy tamin’ny iStock.com/iinwibisono

“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala. Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.”16 Niteny ny tamin’ny fitserana ny Tompo hoe: izay lehilahy na vehivavy “efa nibebaka tamin’ny fahotany dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”17 Raha hazavaina dia hoe: Avia, handeha isika hiresaka.18 Nanao fahadisoana ianao; solafaka avokoa ny rehetra.19 Manatona ahy ary mibebaha.20 Tsy hahatsiaro ilay fahotana intsony aho.21 Afaka ny ho sitrana indray ianao.22 Manana asa hampanaovina anao aho.23 I Kristy mahafotsy ny volon’ondry.

Inona anefa ireo dingana atao? Inona no fanalahidin’ny fiverenana mifandray amin’ny herin’i Jesoa Kristy indray rehefa mitsilopilopy isika? Nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny fomba tena tsotra izany: “Ny fanalahidy dia ny manao sy mitandrina fanekempihavanana masina. … Tsy fomba sarotra izany.”24 Ataovy ho ivon’ny fiainanareo i Kristy.25

Raha toa ianareo mahatsapa fa miha-mitsilopilopy ny fanilon’ny fijoroana ho vavolombelona ananareo ka manatona ny haizina, dia manàna herim-po. Tandrovy ireo fampanantenana nataonareo tamin’ Andriamanitra. Apetraho ireo fanontanianareo. Atsoniho amim-paharetana ny vato ho lasa fitaratra. Mitodia amin’i Jesoa Kristy, izay mbola tia anareo.

Nilaza i Jesoa hoe: “Izaho no fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ ny haizina, ary ny haizina tsy mahazo izany.”26 Midika izany fa na hiezaka toy ny ahoana aza izany dia tsy afaka ny hamono izany fahazavana izany ny haizina. Na oviana na oviana. Afaka mahatoky ianareo fa ho eo hanampy anareo io fahazavana io.

Sary
Ny Tempolin’i Salt Lake nohazavaina indray

Isika, na ireo olona tiantsika, dia mety hiha-maizina tsy maharitra. Ho an’ny Tempolin’i Salt Lake, dia nahazo antso saika ho teo no ho eo ny Rahalahy Val White, ny mpiandraikitra ny trano. Nisy olona nahatsikaritra izany. Inona no olana tamin’ireo jiron’ny tempoly? Voalohany, nandeha tany amin’ny fampandehanana herinaratra tsirairay mihitsy ny mpiandraikitra ka namerina nandrehitra ireo jiro. Avy eo dia nosoloin’izy ireo ireo vatoaratra tao amin’ny tahirina herinaratra mandeha ho azy ka nandraman’izy ireo izany mba hahitana izay tsy nety.

Tena sarotra ny mamerina ireo hazavana amin’ny tenanareo irery ihany. Mila namana isika. Mila mifanampy isika. Tahaka ireo mpiandraikitra ny tranon’ny tempoly, dia afaka mifanampy isika amin’ny alalan’ny fahatongavana, famahanana ny vatoaratsika ara-panahy, fanamboarana izay tsy nety.

Sary
Ny Tempolin’i Salt Lake mandritra ny vanim-potoan’ny Noely

Mety ho tahaka ny takamoa iray monja eo amin’ny hazo iray ny hazavantsika manokana. Kanefa mbola mandrehitra ny hazavana kelintsika isika, ary isika rehetra miaraka, dia nitaona olona an-tapitrisany maro ho ao amin’ny tranon’ny Tompo, tahaka ny Temple Square mandritra ny vanim-potoan’ny Noely. Fa ny tsara indrindra, araka ny nankaherezan’ny Filoha Nelson, dia afaka mitondra ny fahazavan’ny Mpamonjy eo amin’ny tenantsika sy ireo olona manan-danja amintsika isika amin’ny alalan’ny fihetsika tsotran’ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika. Valian’ny Tompo amin’ny fomba maro samihafa izany asa am-pahatokiana izany amin’ny hery sy fifaliana.27

Mijoro ho vavolombelona aho fa tiana ianareo. Fantatry ny Tompo hoe tena miezaka mafy ianareo. Mandroso ianareo. Mandrosoa hatrany. Hitany ireo fanoloran-tena miafina rehetra ataonareo ary manisy izany mba ho soa ho anareo sy ho an’ireo olon-tianareo Izy. Tsy very maina ny asanareo. Tsy irery ianareo. Ny anarany mihitsy, Imanoela, dia midika hoe” “Amintsika Andriamanitra.”28 Azo antoka fa miaraka aminareo Izy.

Manaova dingana vitsivitsy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, na dia maizina loatra izany ka tsy hahitan-davitra. Hiverina ireo hazavana. Mijoro ho vavolombelona aho mikasika ireo tenin’i Jesoa, ary feno fahazavana izy ireny: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.”29 Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.