2010–2019
Mivoky amin’ny tenin’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


Mivoky amin’ny tenin’i Kristy

Ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy dia afaka mitranga amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny tranga rehetra, raha toa isika ka manomana ny fontsika.

Tia antsika ny Raintsika any An-danitra. Nanome drafitra tonga lafatra ho antsika Izy mba hahafahantsika mandray ireo fitahiany. Eto amin’ity fiainana ity isika rehetra dia voasa hanatona an’i Kristy ka handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny amin’ny alalan’ny batisa, sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny fiainana ny filazantsara amim-pahatokiana. Nofariparitan’i Nefia ny fanolorantenantsika hatao batisa ho toy ny miditra amin’ny “lalana ety sy tery” isika ary nampahatsiahy antsika izy ny hanohy “[h]ibosesika handroso, … mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany,” mba hahazoana ireo fitahiana rehetra notehirizin’ny Ray any An-danitra ho antsika (2 Nefia 31:19–20).

Nampahatsiahivin’i Nefia koa isika fa raha toa isika ka “mivoky amin’ny tenin’i Kristy,” dia ireny no “hilaza amin[tsika] ny zava-drehetra tokony hataon[tsika]” (2 Nefia 32:3) ary dia hahazo hery isika handresena ireo “zana-tsipika mirehitry ny fahavalo” (1 Nefia 15:24).

Inona no atao hoe mivoky?

Fony aho mbola tanora, dia nihevitra aho fa ny dikan’ny hoe mivoky dia tsy inona fa mihinana sakafo be ahitana vary, sy sushi, ary saosy soja. Fantatro ankehitriny fa ny tena hoe mivoky dia mihoatra noho ny fankafizana sakafo matsiro. Izany dia zavatra iainana feno fifaliana, famelomana, fankalazana, fizarana, fanehoam-pitiavana amin’ny fianakaviana sy ny olon-tiana, fanambarana ny fankasitrahantsika an’ Andriamanitra, ary fanorenana fifandraisana eo am-pankafizana sakafo betsaka sy tena matsiro. Mino aho fa rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia tokony hieritreritra zavatra iainana mitovy karazana amin’izany. Ny fivokisana amin’ny soratra masina dia tsy famakiana izany fotsiny. Tokony hitondra fifaliana marina ho antsika izany ary hanorina ny fifandraisantsika amin’ny Mpamonjy.

Ampianarina mazava tsara izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsarovy ny nofin’i Lehia izay nahitany hazo iray “izay mampilendalenda ny voany ka mahasambatra ny olona.” Izany voa izany dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra, ary rehefa nanandrana ilay voa i Lehia dia “tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra efa nandrama[ny] hatramin’izay.” Izany dia “[nameno] fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahi[ny]” ary niriany hozaraina tamin’ny fianakaviany (1 Nefia 8:10–12).

Rehefa mivoky isika dia mety hahita ihany koa fa mety tsy manan-danja ny fatran’ ilay sakafo na ny karazany raha toa ka feno fankasitrahana ny fontsika. Nivelona tamin’ny hena manta ny fianakavian’i Lehia tany an-tany foana, kanefa nofariparitan’i Nefia izany fisedrana mafy izany tamin’ny filazana hoe: “Ary lehibe tokoa ny fitahian’ny Tompo” ka “ny vadinay dia … natanjaka” ary izahay dia “nahatantany ny dia, tsy nimonomonona” (1 Nefia 17:1–2).

Ny fivokisana dia ahitana fanandramana indraindray. Niresaka momba ny voa tsara novolena tao am-pontsika i Almà. Rehefa manao fanandramana amin’izany isika, dia ho hitantsika ilay voa fa hanomboka ho “tsara” (Almà 32:28–33).

Mivoky amin’ny tenin’i Kristy

Ireo fitahiana avy amin’ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy dia mahery vaika sy manova fiainana. Misy zavatra telo manokana tiako hanasana anareo mba hampiarinareo eo amin’ny fiainanareo.

Voalohany, ny tenin’i Kristy dia afaka manampy antsika “hampitombo ny fahafahana ara-panahin[tsika] mba handray fanambarana” (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96) ary hitarika antsika am-piarovana mandritra ny androm-piainantsika. Nampianatra i Almà fa ny tenin’i Kristy dia manana “fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina” ary mahery vaika kokoa noho izay vitan’ “ny sabatra” (Almà 31:5). Rehefa nikatsaka ny fahendren’ Andriamanitra teo amin’ny fiatrehana ireo olako manokana, isaky ny nanandrana ny “hasin’ny tenin’ Andriamanitra” aho (Alma 31:5) dia nahatsapa ho notaomim-panahy sy lasa afaka nandray fanapahan-kevitra hendry, sy nandresy fakam-panahy, ary nitahy ny fiainako tamin’ny finoana an’i Kristy lehibe kokoa ary fitiavana ho an’ireo manodidina ahy. Nampianatra antsika ny mpaminanintsika, Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” 96). Ho tonga ny fanambarana ilaina rehefa manandrana ny “hasin’ny teny” isika ary izany teny izany dia ho mahery vaika noho ny zavatra hafa rehetra azontsika andramana na alaina sary an-tsaina.

Faharoa, rehefa manana olana isika mahakasika ny famantarana hoe iza marina moa isika sy tsy manana fahatokian-tena isika, ny “teny mahafinaritra izay an’ Andriamanitra” (Jakoba 2:8) ao amin’ny soratra masina dia hanampy antsika hahafantatra hoe iza marina moa isika ary hanome tanjaka antsika mihoatra noho izay vitantsika. Ny nahafantarako ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy no anisan’ireo fotoana mamy indrindra niainako. Tamin’ireo taona voalohany naha-zatovo ahy dia tsy nahalala na inona na inona momba ireo fampianaran’ny Mpamonjy aho. Tamin’ny fotoana voalohany namakiako ny Testamenta Vaovao, dia tena nanasitrana ny fanahiko naratra ireo tenin’i Kristy. Fantatro fa tsy irery aho ary izaho dia zanak’ Andriamanitra. Rehefa fantatro hoe iza marina aho teo anoloan’ Andriamanitra, dia fantatro ny mety hahatongavako mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy.

I Enôsa koa dia nizara ny zavatra niainany manokana momba ilay fahazavana izay tonga avy amin’ny fandinihana ny tenin’i Kristy. Rehefa navelan’i Enôsa ireo teny nampianarin’ny rainy mikasika ny “fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina [ho] tafalatsaka lalina tao am-po[ny],” dia “mosarena [ny fanihiny] ; ary nandohalika eo anoloan’ny Mpanao [azy] izy … sady nahery nivavaka” (Enôsa 1:3–4). Nanjary nahafantatra ny Mpamonjy izy tao anatin’izany vavaka izany ary nianatra fa manana lanja lehibe isika, tiana, ary afaka ny ho voavela amin’ireo fahadisoantsika, ary koa tena zanak’ Andriamanitra.

Fahatelo, afaka mankahery ny fiainan’ny hafa isika amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy. Tsy misy hafa amin’i Enôsa izay nanana ny fotoana sy toerana nikasihan’ny tenin’i Kristy ny fony, ny Tompo dia hanao ny anjarany mba hikasika ny fon’ireo izay iriantsika hizarana ny filazantsara. Maro amintsika no mety efa nahatsapa ho kivy rehefa niezaka nanasa olona iray handre ny filazantsara satria tsy tanteraka ny vokatra niriantsika. Na inona na inona vokatra, ny Tompo dia manasa antsika hanokatra ny vavantsika ary hizara ny hafatry ny filazantsara amin’ny hafa.

Roa taona lasa izay dia nokasihan’ny Tompo ny fon’ny reny malalako, izay nanampy azy hanapa-kevitra ny handray ny ôrdônansin’ny batisa. Efa saika ho 35 taona no niandrasako ny ahatongavan’izany andro izany. Mba handraisany izany fanapahan-kevitra izany dia mpikambana maro tato amin’ny Fiangonana no tena nanompo azy araka izay ho nataon’i Kristy. Indray alahady dia nahatsapa izy fa tokony handeha any am-piangonana. Nanaraka ilay bitsika izy. Raha nipetraka teny aloha indrindra izy ka niandry ny fanombohan’ny fanasan’ny Tompo, dia nisy zazalahy efa-taona nijoro teo anoloany ka nijery azy. Niarahaba azy tamin’ny tsiky izy. Niala teo anoloany tampoka ilay zazalahy ka niverina teny amin’ny sezany, izay teny amin’ny lafiny ilan’ny toerana nipetrahan’ny reniko. Naka zavatra avy teo amin’ny sezany ilay zazalahy dia niverina ka nanolotra boky fihirana tamin’ny reniko dia niverina teny amin’ny sezany. Tsikaritry ny reniko fa nisy boky fihirana isaky ny seza roa nifanelanelana tao amin’ny trano fiangonana. Afaka naka mora foana anankiray avy teo amin’ny seza teo akaikiny izy. Kanefa nahatalanjona azy ny fihetsika tsy manan-tsiny feno hatsaram-panahin’ilay zaza, izay nianarany tany an-tokantrano sy tany am-piangonana. Fotoana mamy ho azy izany. Nanana fahatsapana mahery vaika izy fa nanasa azy hanatona sy hanaraka ny Mpamonjy Andriamanitra. Nahatsapa izy fa tokony hatao batisa. Tsy nikatsaka fankasitrahana tamin’ny zavatra nataony io zazalahy io, saingy nanao ny tsara indrindra vitany izy mba hiainana ny tenin’ Andriamanitra sy hitiavana ny namany. Namorona fiovam-po manan-danja teo amin’ny reniko ny hatsaram-panahiny.

Ny tenin’i Kristy dia hikasika lalina fo maro sy hanokatra ny mason’ireo izay tsy mbola mahita Azy. Teny amin’ny lalana nankany Emaosy, dia nisy mpianatra roa niara-dia tamin’i Jesoa. Nalahelo izy ireo ary tsy nahatakatra fa nandresy ny fahafatesana ny Mpamonjy. Tao anatin’ny fisaonan’izy ireo dia tsy hainy fa niara-dia tamin’izy ireo ilay Kristy velona. Na dia “nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina” aza i Jesoa dia tsy mbola nahalala Azy ihany izy ireo fa Izy no ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty raha tsy efa niara-nipetraka sy namaky ny mofo niaraka Taminy izy ireo. Dia nosokafana amin’izay ny “mason’”izy ireo. Rehefa mivoky sy mamaky ny mofo miaraka Aminy isika, na ireo namantsika, mpiara-miasa amintsika, ary mpifanolo-bodirindrina amintsika, dia hisokatra ny mason’ny fahatakarantsika. Rehefa nisaintsaina ny fotoana niarahany tamin’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ireo mpianatra tany Emaosy dia nilaza izy ireo fa nangorakoraka ny fony raha namoaka ny hevitry ny soratra masina tamin’izy ireo Izy (jereo ny Lioka 24:27–32). Ho marina izany ho antsika rehetra.

Famaranana

Ho famaranana dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy dia afaka mitranga amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny tranga rehetra raha toa isika ka manomana ny fontsika handray azy ireny. Ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy dia hitondra fanambarana manohana ny fiainana, hamerina hanamafy ny maha-iza antsika sy ny lanjantsika eo anoloan’ Andriamanitra amin’ny maha-zanany antsika, ary hitarika ireo namantsika ho any amin’i Kristy sy ny fiainana maharitra mandrakizay. Aoka hofaranako amin’ny fanambarana indray ilay fanasan’i Nefia raha nilaza izy hoe: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20). Amin’ ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.