2017
I Andrei sy ny teny ratsy
April 2017


I Andrei sy ny teny ratsy

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Hiezaka ny hibebaka, ny hanao izay tsara kokoa, ary ny hivavaka aho” (Children’s Songbook, 98).

Sary
Andrei and the Bad Word

“Mihevitra ianao fa tsara noho ny olona hafa rehetra satria tsy miteny ratsy,” hoy i Nikolai nandritra ny fakan-drivotra.

“Tsy marina izany,” hoy i Andrei.

“Koa maninona ary ianao no tsy miteny ratsy mihitsy na dia iray aza? Iray fotsiny anie e! Tsy hahafaty anao izany. Miteny ratsy daholo ny olona hafa rehetra.”

Nanetsiketsika ny sorony naneho ny fandavany i Andrei. “Tsy te hanao izany fotsiny aho.”

Fantatr’i Andrei fa ratsy ny miteny ratsy ary mahatonga ny Fanahy Masina hiala. Tian’i Andrei hiaraka aminy ny Fanahy Masina. Noho izany dia tsy niteny ratsy izy.

Mpianatra vaovao i Andrei, ary hatreto dia i Nikolai no hany naniry ny ho namany tao amin’ny kilasy fahaenina nisy azy. Saingy nangataka azy lava mba hiteny ratsy i Nikolai isan’andro isan’andro. Ary isan’andro i Andrei dia nihareraka tsikelikely niteny hoe tsia. Ankoatra izay dia natahotra i Andrei sao dia tsy hanaiky ho namany intsony i Nikolai, ka dia ho irery tokoa izy avy eo.

“Mba mitenena teny ratsy iray fotsiny,” hoy i Nikolai rehefa nirava. “Dia tsy hanadala anao intsony aho.”

Nony farany dia reraka noho ny fandrebirebena azy lava i Andrei ka dia nilaza teny ratsy iray, teny ratsy izay tsy dia ratsy loatra.

Nanetsika ny lohany ho fanekeny izany i Nikolai. “Tsara! namanay amin’izay ianao izao.”

Taorian’izay dia niresaka tamin’i Andrei koa ireo naman’i Nikolai hafa. Niara-nisakafo antoandro taminy izy ireo ary niara-nilalao baolina taminy nandritra ny fakan-drivotra. Saingy ny niaraka tamin’ireo vondron’ankizy naman’i Nikolai dia toy ny nampidi-doza. Arakaraka ny niarahan’i Andrei tamin’izy ireo no niresahany sy nanaovany zavatra tahaka izay nataon’izy ireo. Ary dia niteny ratsy avokoa izy rehetra. Be dia be. Nifampihomehy sy nifaniratsira izy ireo. Niteny zavatra ratsy be momba ny mpampianany izy ireo. Nanao hadalana be izy ireo ary naneho haratsian-toetra be dia be. Nanomboka nahatsapa tsikelikely hatezerana matetitetika i Andrei ary nahita antony bebe kokoa hitenenan-dratsy.

Indray hariva rehefa lasa i Dada sy i Neny dia nifanditra momba izay fandaharana hojerena i Andrei sy i Katya zokiny vavy. Tsy nahavita nieritreritra akory i Andrei dia nahateny ratsy.

Nijery azy i Katya sady tohina. “Halazako amin’i Neny ianao.”

Nihazakazaka nankany amin’ny efitra fatoriany i Andrei dia nanakatona mafy ny varavarana. Fa inona no mahazo ny olona rehetra e? Fa nahoana izy ireo no nanao izay nahatezitra azy foana? Rehefa nody tao an-trano ny ray aman-dreniny dia nanokatra kely ny varavarany i Andrei ka naheno an’i Katya niteny hoe: “Neny a! Niteny ratsy tamiko i Andrei.”

“Inona a?” Gaga be i Neny. “Tsy hiteny ratsy izany mihitsy i Andrei.”

Nohidin’i Andrei ny varavarana dia nidaboka teo am-pandriany izy. Nieritreritra mikasika ny fiovana nisy teo aminy hatramin’ny nanombohany niteny ratsy izy. Efa ela be no nahatsapany farany ny Fanahy Masina.

Nandohalika teo akaikin’ny fandriany i Andrei dia nivavaka. “Ray any An-danitra malala ô, mifona aho fa ratsy fanahy sady tezitra. Mifona aho fa nanomboka niteny ratsy. Hanatsara ny zavatra ataoko aho.”

Raha mbola nivavaka i Andrei dia nisy hafanana nameno ny fony. Izay no fotoana voalohany nahatsapany ho tena faly hatramin’ny nanombohany niteny ratsy. Fantany fa tia azy Andriamanitra, ary afaka nahatsapa ny Fanahy Masina izy. Tsapany fa voavela heloka izy ary fantany fa afaka ny hiova sy ho lasa tsaratsara kokoa izy.

Taorian’ny vavaka nataony dia nilaza ny marina tamin’ny reniny izy ary niala tsiny tamin’i Katya. Nahatsapa ho maivamaivana i Andrei taorian’izay. Nahafinaritra ny nibebaka.

Ny ampitson’izay tany am-pianarana dia tsy niara-nisakafo antoandro tamin’i Nikolai sy ny tariny i Andrei. Naleony nipetraka teo akaikin’ny ankizy sasany izay tsy fantany akory. Tsy maintsy ho elaela izany, kanefa fantatr’i Andrei fa hahita namana tsara sy faly ary tsy miteny ratsy izy. Mitovy aminy mihitsy.