2017
Miomana isan’andro ny hiditra ny tempoly
April 2017


Miomana isan’andro ny hiditra ny tempoly

Sary
Prepare for the Temple Every Day

Fony aho sivy taona dia nanana mpampianatra mahafinaritra tao amin’ny Kilonga izay nantsoina hoe Rahavavy Kohler. Saro-kenatra be aho, fa izy dia tena tsara fanahy tokoa ka tiako ny niaraka taminy. Indray andro dia nomeny taratasy iray avy ny tsirairay taminay. Samy nanoratra ny zavatra tianay hatao rehefa lehibe daholo izahay. Izao no nosoratako hoe: “Handeha hianatra any amin’ny oniversite dia hanambady any amin’ny tempoly.” Napetako teo ambonin’ny varavaran’ny fitoeran’akanjoko ny taratasiko. Tamin’ny alina dia namiratra nitaratra avy teo amin’ny varavarankeliko ny hazavana avy amin’ilay jiro teo amin’ny arabe. Nijery ilay taratasiko aho. Nampahatsiahy ahy izany fa te ho any amin’ny tempoly aho.

Tamin’izany fotoana izany dia 12 fotsiny ihany ny tempoly teto amin’izao tontolo izao. Te handeha tany amin’ny tempoly rehetra aho.

Rehefa nanao drafitra ny handeha hanao fialan-tsasatra ny reniko sy ny raiko dia nitondra ny fianakavianay tany amin’ny tempoly foana izy ireo. Nipetraka tany Oregon, Etazonia izahay. Ny tempoly akaiky indrindra dia tany amin’ny 965 km niala an’i Cardston, Alberta, Canada. Tsy nisy climatiseur (fitaovana fanatsarana rivotra) ny fiaranay. Izaho sy ny anadahiko ary ny rahavaviko dia nipetraka tao amin’ny seza aoriana. Nanantona lamba mando tao ivelan’ny varavarankelin’ny fiara izahay. Dia napetakay teo amin’ny tendanay izany mba hangatsiatsiaka.

Nientanentana tokoa izahay rehefa nahita ny tempoly nony farany. Tsy nahafantatra zavatra betsaka mikasika izay nitranga tao aho, fa ireo ray aman-dreniko dia faly lalandava rehefa nivoaka avy tao. Fantatro fa tena nanan-danja ny tempoly. Fantatro fa tranon’ny Tompo izany. (Izaho ilay manao ambonin’akanjo fotsy eo amin’io sary io.)

Taorian’ny nahafeno 12 taona ahy dia nanao batisa fanao ao amin’ny tempoly tany amin’ny tempoly maro aho. Ary rehefa nihaona tamin’ilay ho vadiko aho dia fantatro fa tia ny tempoly ihany koa izy! Natao mariazy tao amin’ny Tempolin’i Manti Utah izahay.

Afaka miomana isan’andro ny hiditra ny tempoly ianao. Mandehana any amin’ny tempoly rehefa afaka ianao. Kasiho ny rindriny. I Jarret zafikeliko lahy tamin’izy 11 taona dia nanao tantaram-pianakaviana niaraka tamin’ny dadany isaky ny Alahady. Nahita anarana razambe maro izy. Amin’izao izy 12 taona izao dia manao batisa any amin’ny tempoly ho an’ireo razambe ireo!

Rehefa ao amin’ny tempoly ianao dia afaka mandeha amin’izay toerana nalehan’i Jesoa. Tranony izany. Manantena aho fa hivavaka isan’andro amin’ny Ray any An-danitra ianao mba hanampy anao hiomana hiditra ny tempoly sy hahatsapa ny fitiavany.