2017
Mieritreritra an’i Jesoa
April 2017


Mieritreritra an’i Jesoa

Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.

Sary
Thinking of Jesus

Nientanentana ery i Mía. Andro voalohany nandehanany nivavaka izany! Niresaka mikasika io fiangonana io tamin’ny fianakaviany ny misiônera. Nanapa-kevitra ny ho avy izy ireo.

Nijery manodidina i Mía. Nahita lamba fotsy teo ambony latabatra iray izy. Nisy zavatra tao ambanin’izany.

“Inona ny ao ambanin’io lamba io?” Hoy i Mía nanontany ny iray tamin’ireo misiônera.

Nitsiky rahavavy Hanson. “Fanasan’ny Tompo no ao.”

Fanasan’ny Tompo. Lehibe izany teny izany. Henon’i Mía ireo misiônera niresaka mikasika izany tamin’i Dada sy i Neny. Saingy tsy fantany tsara hoe inona ilay izy.

Nihira hira iray ny olona rehetra. Nanainga ilay lamba fotsy ny lehilahy roa. Nisy lovia fisaka nisy mofo tao ambanin’izany. Nijery azy ireo namakivaky ny mofo ho lasa sombi-mofo kely i Mía.

Rehefa vita ny hira dia nanonona vavaka ny lehilahy iray. Nisy lehilahy maromaro hafa nizara ny mofo tamin’ny rehetra.

“Ny mofo dia manampy antsika hahatsiaro ny vatan’i Jesoa,” hoy Rahavavy García nibitsibitsika.

Naka sombi-mofo i Mía. Naka sary an-tsaina an’i Jesoa nijoro teo anoloany izy.

Dia nisy vavaka iray hafa indray avy eo. Nanolotra lovia fisaka nisy kaopy kely dia kely nisy rano ireo lehilahy.

“Ny rano dia manampy antsika hahatsiaro ny ran’i Jesoa,” hoy Rahavavy García nibitsibitsika. “Maty ho antsika Izy satria tiany isika.”

Naka kaopy nisy rano i Mía. Nieritreritra ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa azy izy. Tsapany ho toy ny hoe namihina mafy azy Izy.

Taoriana kelin’izay dia nomen-dRahavavy Hanson sary kelin’i Jesoa i Mía. “Nihinana ny mofo sy nisotro ny rano izahay mba hahatsiarovana an’i Jesoa ary nampanantena ny hanaraka Azy.” Nitsiky izy. “Toy ny ahoana ny fahitanao ny fanasan’ny Tompo?”

Nijery ilay sarin’i Jesoa i Mía. Tadidiny ilay hafanana tsapany. Nitsiky izy. “Tsara be ilay izy! Tiako i Jesoa.”