2017
Nisy namonjy tao amin’ny lalantsara
April 2017


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nisy namonjy tao amin’ny lalantsara

Sary
mother with children in the foyer

Sary nataon’i AllenGarns

Matetika ny vadiko no tsy maintsy miasa alahady ka mamela ahy hiandraikitra samirery ny fitondrana ireo zanakay lahy efatra any am-piangonana. Indray alahady nandritra ny fanasan’ny Tompo dia niady ireo zanako kely indrindra anankiroa. Raha nahavita nanao izay hahaliana ny iray tamin’ireo zazalahy kely tamin’ny boky iray aho dia te hahazo izany ny rahalahiny. Nandramako ny fanomezana ody ambavafo, kilalao, ary sary holokoina, saingy tsy nisy nahomby izany. Tena sempotra tamin’ireo zanako lahy aho, izay toa tsy afaka nipetraka tamim-pahanginana nandritra ny adiny iray.

Nisintona kilalao kely avy tao amin’ny poketrako aho dia nanolotra izany an’ilay zanako herintaona. Nikiakiaka avy hatrany i Tyson, ilay zanako telo taona sady nanosika ny zandriny lahy mba hiezaka haka ilay kilalao. Afa-baraka aho teo am-pitondrako zazalahy kely roa nikiakiaka sy niady nandeha nivoaka ho any amin’ny lalantsara.

Kotsan’ny ranomaso vao mafana avy hatrany ny tavako. Fa nahoana izao zavatra izao no tsy maintsy sarotra be toy izao? Nanao izay tian’ny Ray any An-danitra hataoko aho tamin’ny fitondrako ny fianakaviako nivavaka, sa tsy izany? Saingy tsy vitako intsony izany. Nandreraka sy nahamenatra ny nitolona samirery ireo zanako lahy nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Tsy te hiverina tao intsony mihitsy aza aho.

Nipetraka aho ary nieritreritra izany nandritra ny 15 segaondra monja, ary taorian’izay dia nisy rahavavy iray izay zara raha fantatro nivoaka nanaraka ahy nankany amin’ny lalantsara. Rahavavy Beus no anarany. Mazàna izy no mipetraka irery satria manompo ao amin’ny episkôpà ny vadiny ary efa lehibe ireo zanany. Hoy izy hoe: “Tonga irery eto foana ianao! Hitako fa miezaka mafy tokoa ianao. Afaka miara-mipetraka amiko ve i Tyson?” Tsy nisy valinteny azoko an-tsaina mihitsy! Nanetsiketsika ny lohako nanaiky fotsiny aho rehefa noraisiny tamin’ny tanany sy notarihiny izy. Efa tony sy faly izy tamin’izay dia niverina tao amin’ny efitra fivavahana.

Nofafako ny ranomasoko, noraisiko ilay zanako kely, dia nandeha niverina tamim-panetrentena tao amin’ny efitra fivavahana aho mba hankafy tamim-piadanana ny sisa tamin’ilay fivoriana.

Ny alahady manaraka izay, rehefa nandeha tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo izahay dia nitady an’ilay namany vaovao i Tyson. Ny alina izy dia nivavaka hoe: “Misaotra anao Ray any An-danitra noho ny nanomezanao an-drahavavy Beus. Tena tiako be izy!”

Efa telo taona mahery izay no lasa, fa i Tyson dia mbola mitady matetika an-drahavavy Beus ao amin’ny efitrano fivavahana. Tamin’ny herintaona izy dia nantsoina ho mpampianatra an’i Tyson ao amin’ny Kilonga. Izy no zazalahy kely faly indrindra teto an-tany tamin’izay.

Feno fankasitrahana aho noho Rahavavy Beus sy ny fahavononany hitia sy hanompo ny hafa. Fantatro fa afaka mitahy ny fiainan’ny hafa isika rehefa manompo tahaka izay nataon’ny Mpamonjy.