2017
Aoka ianao ho fahazavana
April 2017


Aoka ianao ho fahazavana!

“Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony” (3 Nefia 18:24).

Sary
Be a light

Afaka ny ho fahazavana ho an’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fijanonantsika ho namana tsara. Vakio ireto hevitra eto ambany ireto dia ampio ny sasany amin’ireo hevitrao. Isaky ny manoratra anaran’olona iray tianao hanehoana fitiavana ianao dia lokoy tsikelikely ny ao anatin’ilay masoandro.

  1. Tiavo ny hafa: Afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo ianao! Tia azy ireo i Kristy ka noho izany dia miezaha maneho izany fitiavana izany amin’izy ireo.

    Iza: __________________________

  2. Mamelà heloka: Raha misy olona manao ratsy anao dia ezaho jerena amin’ny fomba fijerin’izy ireo ny zavatra rehetra. Afaka mampalefaka ny fon’izy ireo ianao raha mamela heloka

    Iza: __________________________

  3. Mampahereza: Dokafy amin’ny zavatra mampatanjaka azy ny namanao. Jereo ny zavatra tsara indrindra ao amin’izy ireo na dia mila mihatsara aza izy ireo. Ny fanomezanao ny tsara indrindra avy aminao dia manampy azy ireo ihany koa!

    Iza: __________________________

  4. Henoy ny Fanahy Masina: Afaka manova toe-javatra ratsy iray ho tsara ny teninao. Afaka manampy anao hahafantatra izay tokony holazainao sy ny fomba hanehoana hatsaram-panahy ny Fanahy Masina.

    Iza: __________________________

  5. Aza mifosafosa mihitsy: Afaka mandratra ny teny feno haratsiam-panahy. Mahatokia ny hafa ary aza raharahiana ireo eritreritra ratsy.

    Iza: __________________________

  6. Tohano ny namanao: Ny fahatongavana manatrika ny hetsika ara-panatanjahan-tena na ny tantara an-tsehatra any an-tsekoly ataon’ny namanao dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavanao azy.

    Iza: __________________________

  7. Asao ny hafa hianatra momba ny filazantsara: Na dia tsy manaiky izay lazainao aza izy ireo dia efa naneho ianao fa tena manan-danja aminao ny mizara izany.

    Iza: __________________________

  8. Minamàna amin’ny olona isan-karazany: Manana hatsarana be dia be hozaraina ny hafa. Nanampy sy nitia ny olona rehetra i Kristy na inona na inona nitranga.

    Iza: __________________________