2017
Ilay poketra very
April 2017


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ilay poketra very

Sary
lost wallet

Sary nataon’i Wilson J. Ong

Vao haingana aho no nifindra tany amin’ny trano fonenana iray vaovao ka nangataka mpikamban’ny Fiangonana vitsivitsy hanampy ahy tamin’ny tetikasa iray tao an-tranoko. Rehefa nisasaka ilay tetikasa dia nandeha nividy zavatra vitsivitsy izay nilainay novitaina aho. Rehefa vitanay ilay tetikasa dia tsikaritro fa tsy taty amiko ny poketrako. Nikoropaka aho satria tao anatin’ny poketrako avokoa ny taratasy mombamomba ahy rehetra niaraka tamin’ny vola izay vao azoko avy any amin’ny mpividy iray tamin’io maraina io. Niverenako ny lalana nalehako izay nividianako zavatra, saingy tsy hitako ny poketrako. Nandeha nody aho dia nikaroka mba hahita raha toa ka nalatsako teny ho eny ilay izy, saingy tsy mbola hitako ilay izy. Nanomboka nieritreritra aho fa mety tsy maintsy haka tahadika vaovao an’ireo taratasy rehetra. Avy eo, nialoha ny nialako tao an-tranoko dia nanontany ny namana iray hoe: “Efa nivavaka ve ianao?”

Nieritreritra avy hatrany aho hoe: “Efa nivavaka aho ka!”

Kanefa raha ny marina dia tsy nivavaka omban’ny tena finiavana aho. Ho solon’izay dia naniry ny hanery an’Andriamanitra hanaraka ny sitrapoko aho ary nataoko ho adidiny ny hanampy ahy hitady ny poketrako tamin’ny fomba rehetra. Saingy tadidiko tamin’izay ilay soratra masina ao amin’ny Isaia 55:8 manao hoe: “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.”

Ny alahady dia nandeha niangona aho, ary ny mpikambana iray niaraka tamiko ny omalin’io dia nilaza tamiko fa nivavaka mafy tamin’ny Ray any An-danitra izy mba hahitako ilay poketra. Nilaza izy fa tsapany fa ho hitako ilay izy. Taoriana kelin’izay, rehefa nipetraka hanao ny fandalinako manokana aho dia nanomboka namaky ny Receiving Answers to Our Prayers izay nataon’ny Loholona Gene R. Cook, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy nahavita ny asany tamim-boninahitra. Ny pejy voalohany dia mitantara tantara ahitana olana mitovy amin’ny ahy: very ny poketran’ny zanakalahin’ny Loholona Cook, ka noho izany dia nivory ny fianakaviana dia nivavaka tamin’ny Tompo mba hahitan’izy ireo izany.

Rehefa avy namaky mikasika izany zavatra niainana izany aho dia nampihariko ny zavatra nianarako ka namory ny vady aman-janako aho. Nanao faribolana izahay, ary nanolotra vavaka ny olona tsirairay, nitalaho tamin’ny Tompo mba hanampy anay hahita ilay poketra raha sitrany izany.

Efa nahita ny herin’ny vavaka aho teo aloha, fa avy eo, rehefa nivavaka manokana aho dia nangataka ny Ray any An-danitra hamaly ny vavakay mba hampatanjaka ny finoan’ny vady aman-janako.

Ny ampitson’io dia niantso ahy ny lehilahy iray. Nilaza izy fa nahita ny poketrako, ary ireo vola tao anatin’izany. Nitomany toy ny zaza aho satria voavaly ny vavaka izay nataoko ary nampatanjahana ny finoan’ny fianakaviako.

Fantatro fa ny Ray any An-danitra, na dia manana zanaka maro be hokarakaraina aza, dia mamaly antsika tsirairay avy araka ny fotoany sy amin’ny fombany.