2017
Ahoana no handinihako ao an-tsaiko sy amin’ny foko?
April 2017


Ahoana no handinihako ao an-tsaiko sy amin’ny foko?

Fantaro ny zavatra azonao atao rehefa manana fanontaniana ianao.

Sary
girl with heart

Inona no tokony hataonao rehefa manana fanontaniana mikasika ny zavatra momba ny fotopampianarana na momba ny tantara, na mahakasika ny tena manokana ianao? Amin’ny fomba ahoana no ahitanao valinteny? Mampanantena ny Tompo hoe: “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina” (F&F 8:2). Ahoana no fomba hampiasanao ny sainao sy ny fonao mba hahafantarana ny fitaomam-panahy? Ireto misy hevitra vitsy.

Saina

Mandalìna, mivavaha, mihainoa

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa rehefa mandray “fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana [isika] … , dia manantena antsika mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy sy handinika izany ao an-tsaintsika araka ny fitsipiky ny filazantsara ary hanolotra ny fanapahan-kevitra eo Aminy ao anatin’ny vavaka ny Ray any An-danitra” (“Ny Fanahy Masina,” Liahona, mey 2016, 105).

Tokony hanaraka io dingana io isika amin’ny fanontaniana rehetra. Rehefa mandalina ianao dia mivavaha amin-kitsimpo momba ireo valinteny hitanao eny an-dalana eny. Ny Fanahy Masina dia hanome bitsika anao, na amin’ny alalan’ny hevitra, na teny ao an-tsainao, na fampahatsiahivana hafa ho an’ny tena manokana, mba hitarika anao hahazo ny valinteny misimisy kokoa ilainao.

Mampiasà loharanom-pitaovana

Hadihadio ny soratra masina, anisan’izany ny Torolalana ho an’ny Soratra masina sy ireo fitaovana hafa hoenti-mandalina. Azonao atao koa ny mandalina ireo loharanom-pitaovana hafa an’ny OAF toy ny lahateny tamin’ny fihaonambe maneran-tany, ny Sujets de l’Evangile ao amin’ny LDS.org, ireo gazetibokin’ny Fiangonana, ny Joseph Smith Papers Project (Tetikasa hanangonana ireo asasoratr’i Joseph Smith) ary ireo maro hafa. (Jereo ny pejy 54 raha hijery ireo loharanom-pitaovana tena manampy.)

Resaho izany

Aza matahotra ny hangataka fanampiana. Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika hoe: “Ampanaoviko fanamby ianareo. … Mila mieritreritra olona iray [afaka manampy anareo hitady valinteny] ianareo, namana iray azo itokisana, mpiahy na ray aman-dreny, ray aman-drenibe, mpampianatra, episkôpà, [na] mpanoro hevitra … , ary tokony hahazoanareo valiny avokoa ireo fanontaniana ireo” (Face to Face broadcast, 20 Jan. 2016). Andramo ilay izy! Resaho amin’ny olona iray itokisanao ny fanontaniana anananao dia miaraha mitady ny valiny.

Fo

Mandalìna, mivavaha, mihainoa

Dingana manan-danja amin’ny fisaintsainana amin’ny sainao sy ny fonao ireo. Hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Raha tianao ny hamantatra fahamarinana ara-panahy, dia mila mampiasa ny fitaovana mety amin’izany ianao. Tsy afaka mahatakatra ny fahamarinana ara-panahy ianao raha mampiasa fitaovana izay tsy afaka mahita izany” (“Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,” Liahona, nôv. 2014, 22). Ny Fanahy Masina no fitaovana izay ianarantsika ireo zavatra ara-panahy. Ka rehefa mivavaka sy mihaino ny Fanahy ianao dia ho afaka ny hahazo valiny any aoriana any.

Mahareta

Nanazava ny Filoha Uchtdorf hoe: “Arakaraka ny hampanatonantsika ny fontsika sy ny saintsika an’ Andriamanitra, no hirotsahan’ny fahazavana avy any an-danitra ho amintsika. … Ny zavatra izay toa nanjavozavo sy maizina ary saro-takarina taloha dia miova tsikelikely ho lasa mazava sy mamiratra ary fantatsika tsara” (“Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,” 22). Mety ho dingana lava ny fitadiavana valinteny. Kanefa raha vonona ny hihaino ireo valinteny ianao, na dia ela aza izany vao tonga, dia ho azonao izany.

Manaova fanazaran-tena hamantarana ireo bitsika

Arakaraka ny hahafantaranao ireo bitsika sy ny fahavononanao hanao asa rehefa mitarika mangina ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ny Fanahy no mahamora kokoa ny famantarana ireo bitsika fanampiny amin’ny ho avy. Mety “ho tsapanao fa marina izany” na hahatsapa “fahadontoan’ny saina” ianao raha diso izany (jereo ny F&F 9:8–9). Mety hahatsapa fampahatsiahivana mamy ihany koa ianao, na fahatsapana fiadanana, na fahatsapana hafa izay natao ho anao manokana. Mahafantatra anao ny Tompo ary fantany ny fomba hahatakaranao ny Fanahy. Hanome anao fitarihana amim-pitiavana izay natao ho anao manokana Izy. Koa mihainoa hatrany ary tohizo ny fizàrana mihaino.