2017
Aza alefa izany hira izany azafady
April 2017


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Aza alefa izany hira izany azafady

Sary
children listening to sterio

Sary nataon’i Bradley H. Clark

Fotoana maromaro lasa izay dia nipetraka tany Veracruz, Mexique izaho sy ny fianakaviako, toerana izay nianaran’ny zanako tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Isaky ny maraina rehefa manampy ny zanako telo hiomana handeha hianatra aho dia mihaino radiô izahay, ny onjampeo malaza indrindra tao amin’ilay tanàna, izay nisy fandaharana tena nahafinaritra notarihin’ny lehilahy tanora iray mpanolotra fandaharana amin’ny onjampeo.

Nanomboka nandre hira iray tena mora tadidina izahay. Rehefa nanomboka nihaino tsara ny tonony aho dia hitako fa tsy mendrika sy maloto ny zavatra nambaran’ilay izy, na dia tsy mamoa fady aza.

Nilaza tamin’ny zanako tamim-pahavononana handray andraikitra aho hoe: “Tsy afaka mihaino izany karazana fomba fiteny izany isika.” Angamba tsy nihaino ny tonon’ilay hira akory izy ireo, saingy ampy ka nahafahan’izy ireo nihirahira ny feony ny fihainoan’izy ireo izany.

Hitan’izy ireo aho namono ny feo tamin’ilay radiô ka nanontany izy ireo hoe fa inona ity nataoko. “Hoteneniko ilay mpanolotra fandaharana ao amin’ny onjampeo mba hanaisotra izany hira izany ao amin’ilay fandaharana.” Namporisika ahy hanao zavatra bebe kokoa ny fahagagan’izy ireo.

Tsy nino izy ireo ary tsy nino izany koa aho, kanefa noraisiko ny telefaonina dia nantsoiko ilay onjampeo. Tsy nanantena ny hahazo valiny aho, saingy tsy nampoiziko, fa io mpanolotra fandaharana tamin’ny onjampeo vao avy norenesinay tao amin’ilay fandaharana io no namaly ny antsoko saika ho teo no ho eo.

Nolazaiko azy fa tsy manaiky ny hihaino izany hira izany aho, satria fianakaviana maro no miditra ao amin’ilay onjampeo amin’izany ora izany amin’ny maraina. Nanontany ahy izy hoe inona no harosoko mba hanoloana izany, kanefa tena feno fahalalam-pomba tokoa ny fihetsiny ka dia nangataka azy tsy handefa izany hira izany fotsiny aho mandritra ny fotoana maha-ao an-trano ny ankizy.

Tsy fantatro mihitsy raha toa ka nalefa mivantana tao amin’ny onjampeo ilay antsoko, fa feno fankasitrahana fotsiny aho fa nihaino ilay mpanolotra fandaharana tao amin’ny onjampeo. Ary tao anatin’ireo andro vitsivitsy taorian’izay dia afaka milaza aho fa nekena ny fangatahana nataoko.

Izany traikefa izany dia nanambara tamiko fa tokony hanana risipo isika rehefa afaka mandray fanapahan-kevitra sy manao izay ilaina mba hiarovana ny zanatsika amin’ny fitaoman-dratsy. Rehefa manao izany isika dia afaka mijanona ho namantsika mandrakariva ny Fanahy Masina.