2017
Ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny Fisoronana
April 2017


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano

Ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny Fisoronana

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay?

Sary
Kansas City Missouri Temple

Rehefa mahatakatra bebe kokoa isika amin’ny maha-rahavavy antsika fa miantefa amintsika manokana ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny Fisoronana, dia hanaiky bebe kokoa ireo fitahiana sy fampanantenan’ny fisoronana isika.

Hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana masina tamin’ny Tompo ary manaja ireo fanekempihavanana ireo dia mendrika ny hahazo fanambarana manokana sy hahazo ny fampianaran’ny anjely ary mendrika ny hiray fo aman-tsaina amin’ Andriamanitra, sy handray ny fahafenoan’ny filazantsara ary ho lasa mpandova miaraka amin’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra ananan’ny Ray.”1

Ny fitahiana sy ny fampanantenana avy amin’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana dia sady natao ho an’ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy. Hoy ny Rahavavy Sheri L. Dew, mpanolotsaina taloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Ny fahafenoan’ny fisoronana hita ao anatin’ireo ôrdônansy ambony indrindra ao amin’ny tranon’ny Tompo dia tsy azo raha tsy amin’ny alalan’ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka ihany.”2

Nanao ity fanamby ity ny Rahavavy Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany: “Manasa anareo aho mba hanao tsianjery ny fianianana sy ny fanekempihavanana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44. Mampanantena aho fa rehefa manao izany ianareo dia hampitombo ny fahatakaranareo ny fisoronana ary hanentana ny fanahinareo sy hanondrotra anareo amin’ny fomba mahagaga ny Fanahy Masina.”3

Ireo torolalana nomen’i Joseph Smith ny Fikambanana Ifanampiana dia natao mba hanomanana ny vehivavy ho “tonga miaraka amin’ny fananana ireo tombontsoa sy fitahiana ary fanomezana avy amin’ny fisoronana.” Ho tanteraka izany amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

“Ôrdônansin’ny fisoronana ireo ôrdônansin’ny tempoly, saingy tsy manome anjara fanompoana ara-pivavahana ho an’ny lehilahy na ny vehivavy izany. [Ireo ôrdônansy ireo dia manatanteraka] ilay fampanantenan’ny Tompo fa ny olony, lehilahy sy vehivavy, dia hotafiana amin-kery avy any ambony [F&F 38:32].”4

Soratra masina sy fampahalalana fanampiny

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–40; 121:45–46; reliefsociety.lds.org

Sary
Relief Society seal

Finoana Fianakaviana Fanampiana

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Men and Women and Priesthood Power,” Liahona, sept. 2014, 36.

  2. Elizabeth Ann Whitney, ao amin’ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 128.

  3. Linda K. Burton, “Priesthood Power—Available to All,” Ensign, jona 2014, 39–40.

  4. Gospel Topics, “Joseph Smith’s Teachings about Priesthood, Temple, and Women,” topics.lds.org.