2017
Nahita Azy izy ireo
April 2017


Nahita Azy izy ireo

Tena nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty ireo olona ireo, fa ianao ihany koa dia afaka ny ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fombanao manokana.

Sary
Jesus and Mary in front of the tomb

Efa nitsangana Izy, nataon’i Greg K. Olsen, tsy azo adika

Ho toy ny ahoana araka ny hevitrao izany hoe mahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty izany? Ho an’ny olona an-jatony tamin’ny andron’i Jesoa dia tsy nila naka sary an-tsaina izany izy ireo, tena nahita izany izy ireo. Ny soratra masina dia mitantara ohatra roa ambin’ny folo voarakitra an-tsoratra farafahakeliny ao amin’ny Testamenta Vaovao ary maro hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fotoana nisehoan’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’ny olona. Ireo olona ireo dia nahita ny iray amin’ireo fahagagana lehibe indrindra teo amin’ny tantara: i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana ka mahatonga antsika tsirairay avy ho afaka ny ho velona indray. Tena mahatalanjona izany, sa tsy izany?

Koa inona ary no tena hevitry ny hoe vavolombelon’i Jesoa Kristy? Andeha isika hijery vitsivitsy amin’ireo fotoana ireo ao amin’ny soratra masina dia hieritreritra ny fomba ahafahantsika ho tonga vavolombelon’i Kristy ihany koa na dia tsy nahita Azy mivantana aza.

Maria Magdalena

I Maria Magdalena no vavolombelona voalohany. Ny alahady maraina taorian’ny Fanomboana dia nandeha tany amin’ilay fasana niaraka tamin’ny vehivavy hafa vitsivitsy izy mba hanosotra diloilo ny vatan’ny Tompo. Rehefa nahita fasana foana i Maria dia nitomany. Nisy olona nanatona azy avy tao aoriana dia nanontany hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany?” Alaivo sary an-tsaina ny fahatairany rehefa hitany fa i Jesoa izay nitsangana avy any amin’ny maty izany. (Jereo ny Jaona 20:1–18.)

Mpianatra roa nandeha teo amin’ny lalana mankany Emaosy

Sary
Christ on the road to Emmaus

Lalana mankany Emaosy, nataon’i Jon McNaughton

Nandeha tamin’ny lalana nankany Emaosy i Kleopasy sy ny mpianatra iray hafa tamin’ny fotoana nanatonan’ny olona iray tsy fantatra azy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ilay namany vaovao, saingy nandritra ny fiarahan’izy ireo nisakafo hariva dia namaky mofo ilay olon-tsy fantatra. Dia nahiratra ny mason’izy ireo avy eo ka nahalala fa nandeha niaraka tamin’ny Mpamonjy foana izy nandritra izay fotoana rehetra izay. “Tsy nangorakoraka va ny fontsika … ?” hoy izy ireo nifanontany sady nisaintsaina ilay fanamafisana fa izy ireo dia nahatsapa fa tena niaraka tamin’izy ireo Izy. (Jereo ny Lioka 24:13–34.)

Ireo Apôstôly folo

Sary
Resurrected Christ with Apostles

Jereo ny tanako sy ny tongotro, nataon’i Harry Anderson

Niverina tany Jerosalema ireo mpianatra roa izay nandeha tany Emaosy niaraka tamin’i Kristy ka nitantara tamin’ny folo tamin’ireo Apôstôly ny zavatra niainan’izy ireo. Raha mbola niteny izy ireo dia niseho tamin’izy ireo ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy, ka niteny hoe: “Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.” (Jereo ny Lioka 24:36–41, 44–49.)

Ny Apôstôly Tomasy

Sary
Christ with Thomas

sary hosodoko maneho an’i Tomasy nataon’i Brian Call

Tsy teo ny Apôstôly Tomasy tamin’ny fotoana nisehoan’ny Mpamonjy voalohany tamin’ireo Apôstôly hafa, ka noho izany dia tsy nino izy fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy. Herinandro taty aoriana dia niseho tamin’ny Apôstôly indray i Kristy. Tamin’io fotoana io dia teo i Tomasy, ary satria nahita an’i Kristy izy dia nino fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy. Nampitandrina an’i Tomasy tamin’ny tsy finoana raha tsy efa mahita ny Mpamonjy nanao hoe: “Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” (Jereo ny Jaona 20:24–29.)

Ny Apôstôly iraika ambin’ny folo teo amin’ny ranomasin’i Tiberiasy

Sary
Apostles on the Sea of Tiberias

Ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiasy, nataon’i David Lindsley

Indray andro, taoriana kelin’ny Fitsanganana tamin’ny maty, dia nandeha nanjono tao amin’ny ranomasin’i Tiberiasy ny apôstôly maro saingy tsy nahomby firy. Ny ampitso marainan’io dia nanatona azy ireo ny Mpamonjy ka nanoro hevitra azy ireo hanipy ny harato teo amin’ny sisiny ankavanan’ilay sambo kely. Rehefa nanao izany izy ireo dia nahazo trondro maro be ilay harato ka zara raha afaka nisintona izany izy ireo! Rehefa avy niara-nisakafo izy ireo dia nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanompoana ny hafa ny Mpamonjy ka nilaza hoe: “Fahano ary ny ondriko.” Nandany ny androm-piainany sisa tamin’ny fanaovana izany fotsiny ny Apôstôly, nampianatra ny olona momba an’i Kristy, ary tamin’ny fotoana sasany dia namoy ny ainy mihitsy noho ny fanatontosana izany aza izy ireo. (Jereo ny Jaona 21:1–22.)

Ireo Nefita tao Amerika fahiny

Sary
Christ among the Nephites

Iray ihany ny Mpiandry ondry, nataon’i Howard Lyon

Nandritra ny Fanomboana dia noravaravan’ny horohoron-tany, ny afo, ny loza voajanahary hafa, ary telo andro tao anatin’ny haizina ny tany tao Amerika fahiny mba hanamarihana ny fahafatesan’ny Mpamonjy. Taoriana kelin’izay dia nidina avy any an-danitra i Kristy ka namangy vahoaka miisa 2500 izay nivory teo akaikin’ny tempoly tao Soafeno. Nanasa ny olona izy hitsapa ny holatry ny feriny teo amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivoany, nitondra toriteny izy, ary nitsodrano tsirairay ny zanaky ny Nefita. Nihabetsaka mihitsy aza ny olona nivory ny ampitson’io, ary ny Mpamonjy dia namangy sy nampianatra azy ireo. Taty aoriana dia nanorina ny Fiangonan’i Kristy ireo mpianatra, ary ny Nefita dia nahazo fijoroana ho vavolombelona tena mahery vaika fa lasa niova fo ho an’ny Tompo izy ireo ary ny Lamanita ihany koa. (Jereo ny 3 Nefia 11–18; jereo koa ny 3 Nefia 8–10; 4 Nefia 1.)

Ireo vavolombelona taloha sy ankehitriny

Niseho tamin’ny olona maro hafa koa i Kristy, anisan’izany ireo vehivavy maro izay tonga tany amin’ny fasana mba hanampy an’i Maria Magdalena hanosotra diloilo ny vatan’i Kristy, ireo vondron-dehilahy 500 mahery, i Jakoba ary i Paoly. (Jereo ny Matio 28:9; Asan’ny Apostoly 9:4–19; 1 Korintiana 15:6–7; jereo koa ny 3 Nefia 19; 26:13.)

Mety tsy hanana fahafahana hahita ny Mpamonjy tahaka ireo vavolombelona ireo isika, kanefa mbola afaka ny ho vavolombelon’i Kristy ihany ianao. Afaka mikatsaka manokana ny Mpamonjy ianao, tahaka izay nataon’i Maria rehefa nandeha tany amin’ilay fasana izy, amin’ny alalan’ny fianarana zavatra bebe kokoa momba Azy. Na mety hampihatra ny finoanao Azy ianao amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy sy ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany. Na mety ho afaka ny hamantatra ny fitahian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao ianao, tahaka ireo mpianatra roa nandeha tany Emaosy. Amin’ity vaninandron’ny Paska ity dia eritrereto ny dikan’ny hoe vavolombelon’i Kristy. Ireo olona ireo dia vavolombelona ara-bakiteny izay tena nahita an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty, fa tsy izay no hany fomba ahafahanao ho lasa vavolombelony eo amin’ny fiainanao.