2017
Fahatokiana
April 2017


Ho an’ny ankizy

Fahatokiana

Sary
Trust

Andramo miaraka amin’ny namana iray ity asa atao ity. Mila matoky sy manaraka tsara ny fitarihany ianao.

Mihazòna penina na pensilihazo eny an-tananao ary akipio ny masonao. Avelao ilay namanao hilaza aminao hoe aiza no tokony hanaovana ny sarin’ny maso, ny orona, ny vava ary ny volo eo amin’ilay tarehy. Dia jereo avy eo. Manao ahoana ilay izy? Azonao lokoina ilay tarehy ary afaka manao sarina tarehy iray hafa ianao mba hilalaovana indray!

Sarotra indraindray ny manaraka torolalana. Saingy rehefa miezaka manaraka ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fihainoana ny Fanahy Masina dia hanampy antsika Izy. Afaka matoky Azy foana isika.