2017
Manaparitaka ny filazantsara
April 2017


Olo-malaza ao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana

Manaparitaka ny filazantsara

Ampiasao ireto hizarana ny tantaran’ny Fiangonana!

Sary
First Missionaries

Taorian’ny nanorenana ny Fiangonana dia tian’ny Ray any An-danitra handre ny filazantsara daholo ny rehetra. I Samuel rahalahin’i Joseph Smith no misiônera voalohany. I Hyrum zokilahin’i Joseph ihany koa dia nampianatra ny hafa momba ny filazantsara. Indray andro dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Parley P. Pratt nilaza tamin’i Hyrum fa nandany ny tontolo androny namakiana ny Bokin’i Môrmôna izy. Nampianatra azy bebe kokoa momba ny Fiangonana i Hyrum ka dia natao batisa izy. Dia nanao asa fitoriana i Parley avy eo! Lasa mpitarika tato amin’ny Fiangonana izy.