2017
Ahoana no ahafahako manampy ny fianakaviako hatanjaka?
April 2017


Valinteny avy amin’ny Apôstôly iray

Ahoana no ahafahako manampy ny fianakaviako hatanjaka?

Nalaina avy ao amin’ny “Hazoto sy Hikarakara Bebe Kokoa ao An-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009, 17–20.

Sary
How can I help my family be strong

Lazao amin’ny fianakavianao fa tianao izy ireo ary asehoy amin’ny alalan’ny fihetsikao izany.

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny zavatra fantatrao hoe marina amin’ny alalan’ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona. Zarao amin’ny olona tena tianao ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Miaraha amim-pahavononana amin’ny fianakavianao mba hanao ny vavaky ny mpianakavy sy ny fandalinana soratra masina. Mandraisa anjara mavitrika ao anatin’ny takarivan’ny mpianakavy ary ataovy mahafinaritra izany.

Aoka ianao ho mahatoky eo amin’ny fianarana sy ny fiainana ary ny fitiavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.