2017
Nanome antsika ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa
April 2017


Tantaran’i Jesoa

Nanome antsika ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa

Sary
Jesus Gave Us the Sacrament 1
Sary
Jesus Gave Us the Sacrament 2
Sary
Jesus Gave Us the Sacrament 3

Fantatr’i Jesoa fa efa akaiky ho tapitra ny fotoana hiainany teto an-tany. Novoriny tamin’ny Fisakafoana Hariva Farany ireo Apôstôliny. Nomeny ny fanasan’ny Tompo izy ireo dia nasainy mba hahatsiaro Azy mandrakariva.

Nandeha tany amin’ny saha iray i Jesoa mba hivavaka. Narary noho ny fahotana sy ny zavatra mampalahelo rehetra teo amin’ny fiainan’ny olona rehetra Izy. Dia maty teo amin’ny hazo fijaliana iray Izy ary nalevina tao amin’ny fasana iray.

Ny alahady maraina taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia nandeha tany amin’ilay fasana ny vehivavy vitsivitsy. Nikodia niala teo ilay vato teo amin’ny varavarana, ary tsy nisy na inona na inona tao amin’ilay fasana! Taiza i Jesoa?

Velona indray Izy! Nahita an’i Jesoa i Maria Magdalena. Namangy ireo Apôstôliny Izy mba ho vonona ny hampianatra ny filazantsarany izy ireo aorian’ny hiverenany any an-danitra.

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho dia mahatsiaro an’i Jesoa. Tsaroako fa velona Izy dia maty ary nitsangana tamin’ny maty ho ahy mba hahafahako ho velona indray!