2017
Namiratra i Star
April 2017


Namiratra i Star

Mipetraka any Colorado, Etazonia ny mpanoratra.

“Mahafinaritra ny miaraka aminao ato amin’ny Kilonga” (Children’s Songbook, 254).

Sary
Star Shines

Nanamboatra tsara ny akanjony i Star. Mbola hafahafa ihany ny manao akanjo lava mankany am-piangonana. Tany amin’ny fiangonany taloha dia nanao pataloha na kilaoty fohy ny ankizivavy rehefa alahady. Fa tsy izany ny ao amin’ny fiangonany vaovao. Vao vita batisa ka lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy sy ny reniny.

Nisento i Star rehefa nijery fitaratra. Nientanentana izy ny handeha voalohany tany am-piangonana amin’ny maha-mpikambana azy amin’ny fomba ôfisialy, kanefa natahotra ihany koa izy. Teo aloha dia niaraka tamin’i Neny izy nandritra ny fotoana rehetra tao am-piangonana. Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia handeha ho any amin’ny Kilonga izy.

Nipi-maso ny sariny i Star. Dia ahoana raha tsy hahay hiaraka amin’ny ankizy ao izy? Dia ahoana raha tsy tia azy ireo ankizy hafa?

“Star a! Vonona ve ianao? Hoy i Neny niantso.

Nidina ny tohatra i Star. “Tsara ve aho amin’izao?”, hoy izy nanontany.

Nitsiky i Neny. “Tsara tarehy ianao.”

Nanao ratsy tarehy i Star. “Tsy maintsy hoe izay no holazainao. Reniko ianao.”

“Marina ny anao. Izay mihitsy no tsy maintsy holazaiko. Satria marina izany.”

Nitsiky kely i Star. Mahita fomba hahatonga azy hahatsapa ho maivamaivana foana i Neny. Saingy mbola nararin’ny tahotra ny kibony. Dia ahoana raha tsy misy te hiresaka aminy mihitsy ireo ankizy hafa? Nanana namana izy tany an-tsekoly, saingy tsy mpikambana ao amin’ny fiangonany vaovao izy ireo. Niriny ny mba hanana namana na dia iray aza hiaraka aminy any am-piangonana.

“Nahatadidy zavatra tokony hataoko tampoka aho,” hoy izy tamin’i Neny.

Nihazakazaka niverina niakatra ny tohatra izy dia nandohalika teo akaikin’ny fandriany. “Ray any An-danitra malala ô, ampio aho hahazo namana. Mino aho fa marina ny zavatra nampianarin’ny misiônera, saingy matahotra aho.”

Nijanona nandohalika i Star dia nihaino. Nony afaka fotoana fohy dia nanana fahatsapana mamy sy feno fiadanana izy, ary tsy natahotra be intsony.

Tany am-piangonana dia niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana nanan-janaka vavikely telo i Star sy ny reniny. Nampahafantatra ny tenany ireo ray aman-dreny ary nanomboka niresaka tamin’i Neny mialoha ny niantombohan’ny fivoriana. Nanampy ireo ankizivavy kely handoko ny sarin’i Jesoa i Star.

Nandeha teny amin’izy ireo ny Eveka Andrews. “Ranabavy Cunningham! Star! Faly aho mahita anareo androany.” Nitsiky tamim-pitiavana sy nandray ny tanan’izy ireo izy. Hadinon’i Star fa mahafinaritra be daholo ny olona ao am-piangonana. Mety hahazo namana ihany angamba izy raha izao.

Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nandeha tany amin’ny Kilonga i Star. Nijery kely ny ankizy hafa tamin-tahotra izy rehefa nipetraka. Nifampiresaka izy ireo ary toa tsy nahatsikaritra azy. Kivy i Star. Dia ho irery izy izany.

Tamin’izay indrindra no niditra ny efitrano ny ankizivavy iray mitovy taona amin’i Star. “Toa matahotra ihany koa izy izany,” hoy i Star tany an-tsainy tany. “Afaka mandeha miresaka aminy aho.”

Nifoka rivotra mafy i Star dia nandeha nankeny amin’ilay ankizivavy. “Manao ahoana ianao, Star no anarako. Vaovao aho. Afaka mipetraka eo akaikiko ve ianao?” Nanantena mafy i Star. Mba te ho namany ve ilay ankizivavy?

Nitsiky kely ilay ankizivavy. Sarah no anarako. Vaovao koa aho. Vao nifindra aty avy any Ontario ny fianakaviako.”

“Natao batisa roa herinandro lasa izay izaho sy ny reniko,” hoy i Star. “Tsy fantatro tsara hoe inona no tokony hataoko.”

Nihanitsiky be i Sarah. “Hofantarintsika miaraka izany.”

Niara-nipetraka tamin’ireo ankizy tao an-dakilasy i Star sy i Sarah. Indraindray i Star dia nijery ny mason’i Sarah dia nitsiky. Namaly azy tamin’ny tsiky ihany koa i Sarah. Nahatsapa ho tony sy faly i Star. Fantany fa namaly ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra ary nanampy azy hahita namana.

Nanasa an’i Star sy i Sarah hampahafantatra ny tenany ilay mpampianatra tao an-dakilasy.

Nitsangana i Star. “Star Cunningham no anarako. “Natao batisa roa herinandro lasa izay izaho sy ny reniko.” Niato kely izy dia nihanitsiky rehefa nijery an’ilay namany vaovao. “Ary izy no Sarah namako.”