2017
Avia, manatòna Azy
April 2017


Avia, manatòna Azy

Amin-kafanam-po

Sary
come come unto Him

1. Satria tiany isika ka tonga Izy tety.

Ny olon-drehetra no homeny fitia.

Ny haizina koa dia hohazavainy,

Tsy misy alahelo ka tsy mba hovainy.

Ka manatòna Azy.

2. Nankety an-tany Izy niaina ny marina

Tsy misy ahiahy ka tsy hainy hotakarina.

Ny mafy rehetra, niainany ihany koa

Ny ratram-po rehetra sitrany avokoa.

Ka manatòna Azy.

3. Ny fiainany koa dia tra-pahoriana

’reo ’zay mino Azy omeny fanampiana.

’ireo manetry tena, vonon-kanao

’zay lazainy dia omeny fiainam-baovao.

Ka manatòna Azy.

Ô Avia mba hihaino Azy.

Malemy fanahy Izy sy mietry am-po.

Ka manatòna Azy.

O, avia, manatòna Azy.

© 2016 by Steven K. Jones sy Michael F. Moody. All rights reserved.

Ity hira ity dia azo adika raha ilaina any am-piangonana na any an-tokantrano, tsy azo itadiavam-bola.