2017
Manompo ny hafa amim-pinoana
April 2017


Zatovo

Manompo ny hafa amim-pinoana

Sary
boys with shovels

Niteny tamintsika ny Filoha Uchtdorf fa ny finoantsika an’Andriamanitra dia tsy maintsy “arahina asa.” Rehefa “arahina asa tsy tapaka” ny finoantsika araka ny fanazavany, dia “mameno … fiadanana sy fitiavana ny fanahy.” Araka io fitahiana nampanantenaina io dia afaka mitondra fiovana isika, ary afaka mahita izany eo amin’ny fiainantsika rehefa manokana fotoana hanaovana asa fanompoana feno finoana. Afaka mivavaka isa-maraina ianao mba hangataka ny fanampian’ny Tompo eo amin’ny fanompoana ny hafa. Ohatra angataho Izy mba hampiseho anao ny fotoana ilan’ny iray tampo anankiray fanampiana na ny fotoana ilan’ny namana iray fandokafana. Rehefa mandray bitsika ianao avy eo dia raiso ny andraikitra! Raha ataonao fahazarana ny manao ireo vavaka ireo sy io asa fanompoana io dia hitahy ny fiainanao sy ny fiainan’ny hafa ny asa feno fahatokiana sy tsy tapaka ataonao. Mampanantena ny Filoha Uchtdorf fa “afaka manova ny olona tsirairay, ny fianakaviana sy ny firenena ary izao tontolo izao” ianao.