2017
Ilay Alibaoma tranainin’ny fianakaviana: Ny herin’ny tantaran’ny fianakaviana
April 2017


Ilay Alibaoma tranainin’ny fianakaviana: Ny herin’ny tantaran’ny fianakaviana

Mipetraka any New York, Etazonia ny mpanoratra.

Miaina amin’ny alalako ny lova napetrak’ireo razambeko ary manohy mitarika ny fiainako mba ho tsara kokoa.

Sary
funeral parade

Indray maraim-pahavaratra talohan’ny Ady Lehibe Faharoa dia nifoha, nialoha ny fiposahan’ny masoandro, toy ny fanaony foana ny rain’ny dadabeko. Nivoaka tany ivelan’ny tranony izy izay teo amin’ny havoana iray mahatazana lohasaha maitso sy ny tanànany any Roumanie ary nipetraka teo amin’ny bozaka rakotry ny andon’ny maraina. Lasa eritreritra lalina izy, eritreritra izay efa tao an-tsainy nandritra ny fotoana ela. Tian’ny olona rehetra tao amin’ilay tanàna sy najain’izy ireo izy noho izy olona manam-pahalalana izay be fangorahana ary manana saina tia karokaroka.

Ny tanànany, izay teo amin’ny tanin’ny renirano Olt fahiny, dia endrikendrika mandrakizain’ny tanàna romaniana, ka ao ny endrika fahinin’ny tanàna miaraka amin’ny zavatra tazana toy ny avy ao anaty angano, ny harenan’ny fomba aman-panao mambabo ny fijery, ary ny andraikitra voajanahary mba hitandrina ireo zavatra sy fombafomba nolovain’ny olona iray tamin’ireo razambeny ka hampita izany amin’ny taranaka manaraka. Rehefa avy niposaka ny masoandro dia niditra tao an-tranony izy ary namboraka tamin’ny vadiny fa liana ny hahita ny mety ho endriky ny fandevenana azy izy ary te hanao famerenana ny zavatra hitranga amin’ny fandevenana azy. Nametraka daty izy dia nividy vatapaty sy nanakarama mpitondra fivavahana sy mpitomany matihanina ary nanangona ireo zavatra hafa izay takin’ny finoana Ôrtôdôkisa Grika. Tonga ny andro hanaovana ilay famerenana ny zavatra hitranga amin’ny fandevenana. Napetraka teo afovoan’ny tanàna ireo latabatra mba hanaovana ny fiaraha-misakafo ho fahatsiarovana, nanao fitafiana mainty daholo ny fianakaviana, tonga ilay mpitondra fivavahana, nandry tao anatin’ilay vatapaty ny rain’ny dadabeko, ary nanamboatra ilay ondana mba hahafahany mahita tsara, dia nanomboka nizotra ny fandevenana. Rehefa tapitra ny fotoam-pandevenana dia nasaina ny olona tao amin’ilay tanàna iray manontolo mba hisakafo izay nanatanterahan’ny rain’ny dadabeko ilay nofiny mba handihy mandritra ny fandevenana azy. Niaina nandritra ny 20 taona izy taorian’izany ary nijery matetika ilay vatapaty mba hahitana raha toa ka mbola omby azy izany.

Tsy anarana sy daty fotsiny

Tsy nahita velively ny rain’ny dadabeko aho saingy tena tiako foana ny tantarany. Notantarain’ny raibeko sy ny renibeko tamiko izany. Nitantara tantara mikasika ireo razambenay tamiko sy tamin’ireo iray tampo amiko izy ireo isan’andro: avy aiza izy ireo, nanao ahoana izy ireo, inona avy ireo soatoaviny sy nofinofiny ary fanantenany. Rehefa vita ny fotoam-pisakafoanana alahady dia avoakan’ny raibeko sy ny renibeko ny alibaoman’ny fianakaviana izay efa tranainy tokoa. Isaky ny mamadika pejy iray dia lasa miaina ireo tantara, taloha sy ankehitriny, ary ny fonay dia ampiraisin’ny fitiavana izay miampita amin’ny fotoana rehetra. Tsy hoe sary fahiny fotsiny izay ahitana anarana sy daty misoratra amin’ny endriny ratsiratsy ao ambadika akory izy ireo. Ho anay dia olona tena nisy izay nanana fanantenana sy nofinofy, olana sy fahadisoam-panantenana, fahombiazana sy tsy fahombiazana izy ireo. Na dia tsy eo ara-batana intsony aza izy ireo, dia mbola miaina foana ny tantaran’izy ireo, mbola mamiratra foana ny lova napetrak’izy ireo, ary ny endrik’izy ireo dia mbola mitsiky foana ao amin’ny alibaoma tranainin’ny fianakaviana izay mampiray am-pitiavana ny fon’ny taranaka enina ankehitriny. Ny ao ambadiky ny endrika tsirairay dia ray na reny, zanakalahy na zanakavavy, anadahy na rahalahy, rahavavy na anabavy, ary tamin’izany fomba izany no nampitana tamiko ny lova napetrak’izy ireo miaraka amin’ireo fomba fanao hafa an’ny fianakaviana.

Hery ao anatin’ny fotoam-pitsapana

Teo amin’ny faha-19 taonako dia maty ny ray aman-dreniko sy ny ankamaroan’ny fianakaviako akaiky, ary very na nisy nangalatra ny ankamaroan’ireo zavatra nolovaiko. Kanefa nisy zavatra iray izay tsy voaravan’ny fotoana na ny loza ara-boajanahary na ny fahafatesana aza: ilay fifandraisana mampitohy ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy izay naorin’ny olona tsirairay tao amin’ny fianakaviako. Noho ny fahazotoan’izy ireo, ilay tady izay mamatotra miaraka ny fonay dia hita fa matanjaka kokoa noho ny fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany ary nanome ahy ny hery mba handresena ireo toe-javatra sarotra.

Rehefa maty ny ray aman-dreniko ary ny raibeko sy ny renibeko dia nahatsapa alahelo mafy aho ka nanontany tena raha toa hanana hery hanohizako ny fiainana. Tsapako anefa ny fitarihan’izy ireo any ankoatra ny voaly, ary izany dia nanampy ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana ary taty aoriana mikasika ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tsy tsaroako izany endriky ny reniko izany, ary tsy nihaona velively tamin’ireo ray aman-drenin’ny raibeko sy ny renibeko aho, saingy isaky ny mandray ilay alibaoma tranainin’ny fianakaviana aho dia mahita ny tenako eo amin’ny mason’izy ireo. Noho ireo rehetra izay tonga talohako no naha-toy izao ahy, ary nanampy ahy tamin’ny famolavolana ny toetrako sy nitarika ahy teo amin’ny diako ireo zavatra niainan’izy ireo sy ny fahendren’izy ireo.

Mieritreritra matetika ny fianakaviako any amin’ny faritra ilan’ny voaly aho sy ireo zavatra nafoiny ho ahy mba hananako fiainana tsara kokoa. Mieritreritra an’ireo ôrdônansin’ny tempoly aho izay manome fahafahana antsika hiaraka indray amin’ny fianakaviana indray andro any. Ary mieritreritra ny Sorompanavotan’i Kristy aho izay nahatonga izany rehetra izany ho tanteraka. Nanefa ny sarany Izy mba hahavelona antsika. Noho izany dia tiavintsika sy itsaohantsika amim-pankasitrahana Izy amin’izao fotoana izao ary mandrakizay.