2017
Ny herin’ Andriamanitra
April 2017


Mandra-pihaonantsika indray

Ny herin’ Andriamanitra

Nalaina avy amin’ny lahateny tamin’ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany izay mitondra ny lohateny hoe “Ny fotopampianaran’ny fisoronana,” Ensign, mey 1982, 32–34; natao manara-penitra ny fampiasana sora-baventy.

Ny finoana dia hery ary ny hery dia fisoronana.

Sary
Enoch and the city of Zion

Tanànan’i Ziona novàna, nataon’i Del Parson

Andriamanitra dia Andriamanitra satria Izy no maneho ny finoana rehetra sy ny hery rehetra ary ny fisoronana rehetra. Ny fiainana iainany dia antsoina hoe fiainana mandrakizay.

Ary ny halehiben’ny fahatongavantsika tahaka azy no halehiben’ny fahazoantsika ny finoany, hahazoantsika ny heriny, ary hampiasantsika ny fisoronany. Ary rehefa lasa toa Azy amin’ny heviny feno sy marina isika dia hanana ny fiainana mandrakizay ihany koa.

Miara-miasa ny finoana sy ny fisoronana. Ny finoana dia hery ary ny hery dia fisoronana. Rehefa avy mahazo ny finoana isika dia mandray ny fisoronana. Ary aorian’izay dia mitombo amin’ny alalan’ny fisoronana ny finoantsika mandra-pahatonga antsika tahaka ny Tompontsika izay manana ny hery rehetra.

Ny fotoana iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany dia atokana mba ho fotoana fizahan-toetra sy fitsapana. Tombontsoa ho antsika raha mbola eto an-tany ny mandavorary ny finoantsika sy mampitombo ny herin’ny fisoronana ao amintsika. …

Ny fisoronana masina dia niasa be tokoa mba handavorariana ny olona tamin’ny andron’i Enoka raha ampitahaina amin’izay mety ho fotoana hafa rehetra. Tamin’izany fotoana izany izy io dia fantatra tamin’ny hoe lamin’i Enoka (jereo ny F&F 76:57), ary izy io no hery nanovana an’i Enoka sy ny vahoakany. Ary izy ireo dia novàna satria nanana finoana sy nampihatra ny herin’ny fisoronana.

Tamin’i Enoka no nanaovan’ny Tompo fanekempihavanana mandrakizay mba hananan’ireo rehetra izay mandray ny fisoronana hery, amin’ny alalan’ny finoana, mba hanjaka amin’ny zavatra rehetra eto an-tany sy hifehy izany, mba hanatrehana ireo tafiky ny firenena maro, ary mba hijoroana amim-boninahitra sy amim-pisandratana eo anatrehan’ny Tompo.

Ary i Melkizedeka dia lehilahy nanana finoana tahaka izany, “ary niasa fahamarinana ny vahoakany ka nahazo ny lanitra ary nikatsaka ny tanànan’i Enoka” (Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:34). …

Inona ary izany ny fotopampianaran’ny fisoronana? Ary ahoana no tokony hiainantsika amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo antsika?

Izany fotopampianarana izany dia hoe olona be voninahitra sy tanteraka ary nasandratra Andriamanitra Raintsika, izay manana ny hery rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanapahana rehetra, izay mahafantatra ny zavatra rehetra sy tsy manam-petra amin’ny toetrany rehetra, ary izay miaina ao anatin’ny vondron’ny fianakaviana.

Izany fotopampianarana izany dia hoe manana izany sata ambonin’ny voninahitra sy ny fahatanterahana ary ny hery izany ny Raintsika any An-danitra satria tonga lafatra ny finoany ary tsy misy fetra ny fisoronany.

Izany fotopampianarana izany dia hoe ny fisoronana dia ilay tena anarana fiantsoana ny herin’Andriamanitra, ary raha te ho tonga tahaka Azy isika dia tsy maintsy mandray sy mampiasa ny fisoronany ny heriny tahaka ny ampiasany izany. …

Izany fotopampianarana izany dia hoe isika dia manana hery amin’ny alalan’ny finoana mba hanjaka amin’ny zavatra rehetra sy hifehy izany, na ara-nofo na ara-panahy. Mba hanatanteraka fahagagana sy handavorary ny fiainana. Mba hijoro eo anatrehan’Andriamanitra sy ho tonga tahaka Azy satria nahazo ny finoany sy ny fahatanterahany ary ny heriny isika, na raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny fahafenoan’ny fisoronany.

Izay, noho izany, no fotopampianaran’ny fisoronana, ary tsy mbola nisy na inona na inona lehibe noho izany ary tsy hisy na inona na inona ho lehibe noho izany. Io ilay hery afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny finoana sy ny fahamarinana …

Tena misy hery tokoa ao amin’ny fisoronana, hery izay katsahantsika mba ho azo mba ho ampiasaina, hery izay irintsika amim-panolorantena mba hitoetra eo amintsika sy eo amin’ny taranatsika mandrakizay.