2017
Mahatakatra ny tsodranon’ny Patriarika nomena anao
April 2017


Mahatakatra ny tsodranon’ny Patriarika nomena anao

Mipetraka any Illinois, Etazonia ilay mpanoratra voalohany ary any New York, Etazonia ilay mpanoratra faharoa.

Ny famantarana ny ampahany amin’ny fitahiana ho anao dia afaka manampy anao hahazo fitarihana eo amin’ny fiainanao.

Sary
man with a map in a maze

Man in maze © Digital Vision Vections/Getty Images

Feno fanapahan-kevitra momba ny lalana hizorana ny fiainana: Aiza aho no tokony handeha hianatra? Inona no tokony hianarako? Tokony handeha hanao asa fitoriana ve aho? Iza no tokony hovadiako? Raha omena sarintany an’ny tena manokana ianao mba hitarika anao amin’ireo fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainana, moa ve ianao hanaraka izany?

Nanome antsika sarintany toy izany, dia ny tsodranon’ny patriarika, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanome antsika fitarihana eo amin’ny fiainantsika. Na dia nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy aza isika mba handraisana fanapahan-kevitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny sitrapontsika manokana dia afaka manome fahalalana mikasika ny lalana izay hitondra fahasambarana lehibe ny tsodranon’ny patriarika.

Saingy tsy ampy ny fananana sarintany fotsiny ihany. Tsy maintsy mandalina, mahatakatra, ary mampihatra izay hevitra fonosin’ilay sarintany isika. Tahaka izany koa, rehefa lasa mahatakatra ireo teny nampiasaina ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ianao, izay fitarihana anao manokana eo amin’ny fiainana, dia ho afaka ny hamantatra ianao hoe iza ianao eo imason’Andriamanitra ary afaka ny ho tonga inona ianao.

Fantaro ny firazananao

Voalohany sady manan-danja indrindra, ny tsodranon’ny patriarika nomena anao dia manambara ny firazananao, na ny foko voafaritra manokana ao amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Jakoba (izay nantsoina hoe Isiraely taty aoriana) izay misy anao. Na dia tsy taranak’i Jakoba ara-bakiteny avokoa aza isika rehetra dia mampianatra antsika ny soratra masina fa atsangana ho ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ny mpikamban’ny Fiangonana: “Fa izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia hantsoina araka ny anaranao ary hisaina ho isan’ny taranakao, ka hitsangana sy hitso-drano anao ho toy ny rainy” (Abrahama 2:10).

Hoy i Shelisa Schroeppel ao Utah Etazonia hoe: “Ny fahafantarako fa isan’ny terak’i Jakoba aho dia manampy ahy hahatakatra ny tanjoko eto amin’ity fiainana ity sy ny antony hiantsoana ahy amin’ireo antso sasantsasany ao amin’ny Fiangonana.”

Ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ihany koa dia mety manoritsoritra izay mety ho fitahiana mifandray amin’izany izay an’ny foko manokana misy anao. Ohatra, maro ireo mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’ny fokon’i Efraima, izay foko manana ny andraikitra miavaka mba hanaparitaka ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny amin’izao tontolo izao (jereo ny Deoteronomia 33:13–17; F&F 133:26–34).

Mitadiava torohevitra ho an’ny tena manokana

Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny sarintany iray dia manampy ny mpandeha iray mba tsy ho very. Tahaka izany ihany, mandritra izao fiainana an-tany izao, ny tsodranon’ny patriarika nomena anao dia mety hanome torohevitra sy fitarihana ho an’ny fiainanao. Ny tsodranon’ny patriarika nomena anao dia tsy milaza aminao fotsiny izay tokony hatao, fa afaka manome fahatakarana natao manokana ho anao izany mikasika ny hoe inona no lalana, raha arahinao amim-pinoana, afaka manampy anao hahafantatra raha toa ka mampifanaraka ny fiainanao amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ianao. Rehefa mandalina ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ianao ary mikatsaka ny hiaina araka ny fomba izay manasa ny Fanahin’ny Tompo, dia afaka hahazo fiarovana, fifaliana ary fitarihana ianao.

Hoy i Gabriel Paredes avy ao Lima, Pérou hoe: “Ny sasany tamin’ireo torohevitra nomena ahy ao amin’ny tsodranoko dia tsy azoko nampiharina feno tamin’ny fianakaviako raha tsy taorian’ny namehezana ahy tamin’ny vadiko.

“Vao haingana izahay no nanontany tena mikasika izay azonay atao mba hanamafisana orina sy hanorenana ny fianakavianay vaovao. Novaliana tamin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy ny fanontanianay. Ao anatin’izany aho dia notoroana hevitra ny hanao ho laharam-pahamehana ny fanajana, ny fandeferana ary ny fitiavana ao amin’ny fianakaviako satria ireo dia anisan’ireo fototra manan-danja iorenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa nifantoka tamin’ireo izahay dia afaka nandresy ireo olana izaho sy ny vadiko. Mbola manana zava-tsarotra lalovana izahay indraindray ao amin’ny fianakaviany, kanefa faly izahay. Tsapako fa toa mampahatsiahy ahy ny fomba hahafahako manana ilay fianakaviana nampanantenainy ahy ny Tompo. Fantatro fa miteny amin’ny alalan’ny tsodranon’ny Patriarika ny Tompo ary ny torohevitra ao amin’izy ireny dia tokony ho ampiasaina eo amin’ny fiainantsika.”

Henoy ireo fampitandremana

Tsy voatery ho voamarika eo amin’ny sarintany iray avokoa ny loza rehetra eny an-dalana eny, kanefa soa ihany fa ny tsodranon’ny patriarika dia manome antsika matetika ireo fampitandremana mba hiarovana antsika eo amin’ny fiainana. Ny sasany amin’ireo fampitandremana ireo dia miaro antsika amin’ny fitaoman’i Satana. Ny sasany dia mety hanampy antsika hahafantatra ny fomba ahafahantsika mandresy ny olona araka ny nofo ao anatintsika.

Ho an’i Caitlin Carr avy ao Utah dia tsy nazava avy hatrany ny sasany tamin’ireo fampitandremana tao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena azy, kanefa nanome azy fahatakarana vaovao ny fandalinany ny tsodranony taty aoriana.

“Rehefa nahazo ny tsodranon’ny patriarika aho dia nampitandremana tamin’ny olona izay hiezaka sy handresy lahatra ahy tsy hanaraka izay marina amin’ny alalan’ny hevitra izay toy ny hoe tsara. Tsy noraharahiako firy izy ireny. Nanana finoana mafy orina ny amin’ireo fotopampianarana nampianarina ahy aho.

“Kanefa, ny taona nanaraka izany dia nifanehitra tamin’ny hevitra sy filôzôfia izay toa mifototra amin’ny hatsarana sy ny fitiavana amin’ny voalohany aho, kanefa tsy izay. Ireo hafatra ireo dia toy ny hoe avy eny rehetra eny: ny haino aman-jery, any an-tsekoly, eny fa hatramin’ny namana akaiky aza. Na dia fantatro aza fa nifanohitra tamin’ny drafitr’Andriamanitra ireo filôzôfia ireo dia hitako fa naniry ny hanohana miaraka ireo hevitra vaovao an’izao tontolo izao ireo sy ny Fiangonana aho. Vetivety aho dia tonga saina fa ‘tsy misy olona mahay manompo tompo roa’ (Matio 6:24) ary tsy tokony hiantehitra amin’ny fahendren’olombelona aho. Nanaisotra ny ahiahiko tamin’ny alalan’ny soratra masina ny Ray any An-danitra ary nilaza fiadanana tamin’ny saiko sy ny foko. Vokatr’izany dia nampatanjahina ny fijoroana ho vavolombelona nananako ary lasa sahy nijoro kokoa aho tamin’ny fiarovana ny zavatra izay fantatro fa marina.”

Ampitomboy ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta

Ny tsodranon’ny patriarika nomena anao dia mety milaza ihany koa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy ireo talenta izay nomen’ny Tompo anao mba hanorenana ny fanjakany. Raha milaza talenta iray tsy mahazatra anao ny tsodranonao dia mety hoe noho ianao tsy mbola nanana fahafahana hahafantatra na hampitombo izany talenta izany angamba no antony. Afaka ny ho havanana amin’ny fampiasana io talenta io miaraka amin’ny talenta maro hafa ianao amin’ny alalan’ny fikatsahana amim-pahazotoana sy ny fanampian’ny Tompo.

Ny fampitomboana ny talentanao dia hanampy anao hahafantatra ireo fomba miavaka azonao hitondrana anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo. I Johanna Blackwell avy ao Californie Etazonia dia misaintsaina ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ao amin’ny tsodranony rehefa mahatsapa ho alaim-panahy hampitaha ny tenany amin’ny hafa: “Rehefa mamaky ireo teny ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy aho dia tsaroako fa nomena fanomezam-pahasoavana izay nilaiko manokana aho mba handresena ireo fitsapana ka handray anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.

“Ny tsodranoko dia milaza amiko mikasika ny fahafahako mitia, mamela heloka, ary ny fananako herim-po hifanerasera amin’ny olona manodidina ahy. Rehefa nampihatra ireo fanomezam-pahasoavana ireo aho dia nanome ahy faniriana lehibe ny Tompo mba hihaona sy hanorina fifandraisana amin’ny olona sy amin’ny kolontsaina vaovao. Vokatr’izany dia nitombo ny fijoroako ho vavolombelona fa zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana avokoa isika rehetra ary afaka nanompo ny hafa aho rehefa mikatsaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka an’i Kristy isika tsirairay.”

Sary
points on the map

Katsaho ireo fitahiana nampanantenaina

Farany, ny tsodranon’ny patriarika nomena antsika dia mampahafantatra ireo fitahiana nampanantenain’ny Ray any An-danitra antsika raha mijanona ho mahatoky Aminy isika. Tsy misy antoka mahakasika ny fotoana hahatanterahan’ireo fampanantenana ireo, kanefa isika dia afaka mahafantatra raha miaina amim-pankatoavana ny filazantsara fa ho tanteraka izy ireo, na mandritra izao fiainana an-tany izao na aorian’izany.

I Sergio Gutierrez avy ao Nevada, Etazonia dia miantehitra amin’ny fampanantenana iray ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena azy rehefa mahatsapa ho feno ahiahy ny amin’ny drafitra momba ny asany amin’ny ho avy izy: “Misy fotoana aho matahotra mikasika ny tsy fahafantarako izay hoaviko, kanefa misy fampanantenana ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy izay manamaivana mandrakariva ny tahotro momba ny hoaviko. Io fampanantenana io dia manampy ahy hahalala fa raha miasa mafy sy mijanona ho mahatoky aho dia hanana ireo loharano ilaina mba hahafahana mikarakara ny fianakaviako sy hanorenana ny Fiangonana. Tsy fantatro mazava tsara hatreto izay lalana arak’asa tiako harahina, kanefa ny fananana izany fampanantenana izany dia manome finoana sy fahatokiantena ahy.”

Raha toa ianao ka efa nanontany tena hoe inona ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ho anao dia tsy irery ianao. Takatry ny Tompo fa hiatrika lalana maro samihafa izay mety halehanao eo amin’ny fiainanao ianao, ka noho izany dia nanome anao sarintany an’ny tena manokana Izy mba hampifanarahana hatrany ny fiainanao amin’ny filazantsarany. Ny tsodranon’ny patriarika dia tsy afaka mandray fanapahan-kevitra ho antsika, kanefa afaka mitarika antsika hahazo ny fanambarana ho an’ny tenantsika manokana izy ireny. Aseho antsika amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika omena antsika ny maha-isan’ny ao amin’ny drafitry ny Tompo antsika mba hanangona an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fahafantarantsika ny foko misy antsika. Omena torolalana, fampitandremana ary fampanantenana ho an’ny tena manokana isika. Ary ampianarina mikasika ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta miavaka nomen’ny Ray any An-danitra mba hanompoana Azy isika. Raha miezaka miaina araka ireo singa rehetra ao amin’ny tsodranon’ny patriarika nomena anao ireo ianao dia afaka ny hahalala fa ny fanapahan-kevitra noraisinao dia mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny fiainanao.