2017
Ahoana no ahafahako mahafantatra fa mihaino ny vavaka ataoko Andriamanitra?
April 2017


Fanontaniana & Valiny

“Ahoana no ahafahako mahafantatra fa mihaino ny vavaka ataoko Andriamanitra?”

Ny vavaka dia fitahiana lehibe, ary isika dia nampanantenaina fa mihaino mandrakariva Andriamanitra Ray, kanefa matetika dia mitaky asa vitsivitsy ny hamantarana ny valinteny avy Aminy.1

Eritrereto ity: Na Andriamanitra mahare anao na tsia. Raha tsy mahare Izy dia mazava ho azy fa tsy misy antony tokony hivavahana. Fa raha mahare Izy (ary tena mahare Izy!), dia mila mamantatra ny fomba ahafahana mifandray marina Aminy amin’ny vavaka sy mamantatra ireo valiny ary mandroso amim-pahatokiana isika.

Rehefa mahatsapa isika fa tsy mihaino Izy dia mety mila fivoaran’ny tena manokana isika. Mety mametraka fanontaniana vitsy amin’ny tenanao ianao hoe: Madio ve aho? Mendrika ve ireo zavatra mandrisika ahy? Vonona ny hanao izay angatahiny ve aho?2 Raha eny ny valin’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo dia afaka matoky ianao fa “ny Tompo Andriamanitra dia … hanome anao ny valin’ny fivavakao” (F&F 112:10). Tadidio fa indraindray ny valim-bavaka dia misoko mangina sy tonga amin’ny fomba tsy ampoizina.

Raha tsia no namalianao ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo dia tsy misy hoe tara izany mihitsy! Ento izay fiovana ilaina eo amin’ny fiainanao mba hahafahanao manana ny Fanahy. Manàna fahavononana ny hanaraka ny bitsika voarainao.

Ary aza hadino fa ny olona rehetra dia mahazo valim-bavaka amin’ny fomba samihafa. Mivavaha mba hampianatra anao ny fomba ahafahanao mamantatra ireo valim-bavaka ny Fanahy Masina. Mety tsy ho mora ny hamantatra azy ireo amin’ny voalohany, kanefa mitovy amin’izay mety ho fahaiza-manao hafa izany: mandavorary ny fampiharana. Manàna finoana ary matokia fa mihaino mandrakariva ny Ray any An-danitra.

Henoy ny Fanahy

Miezaha mihaino ny Fanahy Masina. Mahare ny Fanahy Masina amin’ny fomba samihafa ny olona, ka noho izany dia mety mahare feo tony sy malefaka ianao rehefa tonga amin’ny alalan’ny fahatsapana ilay fitaomana. Fantatro fa ny Fanahy Masina dia hiteny aminao ny zavatra rehetra tokony ho fantatrao, mila mihaino fotsiny ianao.

Elise G., 13 taona, Alberta, Canada

Valinteny azo ao am-piangonana

Indray mandeha aho dia nanana ahiahy goavana mikasika ny hoe hampiaraka amin’ny tsy mpikambana sa tsia. Indray alahady tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nisy rahavavy iray nanao lahateny izay toy ny hoe natao ho ahy manokana. Tamin’izay fotoana izay dia nahazo toky aho fa namaly ny vavaka nataoko ny Tompo. Teo aloha dia sahiran-tsaina tamin’izay hatao aho, fa tamin’izay aho dia nampiononin’ny Fanahy Masina, izay nameno fifaliana sy herim-po tao am-poko. Mamaly antsika amin’ny alalan’ny fahatsapana, ny eritreritra, ny soratra masina, eny fa na amin’ny alalan’ireo mpanao lahateny ao am-piangonana aza Andriamanitra.

Karen V., 19 taona, Minas Gerais, Brésil

Tadidio hoe iza ianao

Fantatro fa mandre antsika Andriamanitra satria miteraka fahatsapana fiadanana sy fahatsapana ho maivamaivana ary fitiavana ao am-poko ny vavaka. Hitako fa miaro ahy amin’ny loza maro isan’andro Izy ary miaro ny fianakaviako, ary mahatsapa ho tiany aho. Alohan’ny handehanako mianatra dia mitanisa mandrakariva ny teny filamatry ny Zatovovavy aho. Manampy ahy izany mba hahatsiaro fa zanakavavin’ny Ray any An-danitra izay tia ahy aho.

Nicol M., 19 taona, Lima, Pérou

Vavaka ataon’ny ankizy iray

Fantatro fa mandre ny vavako ny Ray any An-danitra noho ireto tononkira ao amin’ny hiran’ny Kilonga hoe “La prière d’un enfant” (Chants pour les enfants, 6) ireto: “Ray any An-danitra ô, tena misy ve Ianao? Ary henonao sy valianao ve ny vavaky ny ankizy rehetra? Milaza ny olona sasany fa lavitra be ny lanitra, saingy tsapako ho akaiky ahy izany rehefa mivavaka aho.” Rehefa mahatsiaro io hira io aho dia fantatro fa mihaino Izy satria tsapako ny Fanahy sy ny fitiavany ahy tsy manam-petra. Rehefa mahatsiaro aho fa tia ahy Izy dia mahatsapa ho tony aho ary fantatro fa mandre ny vavako Izy.

Elaine B., 16 taona, Caroline Avaratra, Etazonia

Matokia Azy

Mihaino lalandava ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra, saingy indraindray dia toy ny hoe tsy mamaly ny vavaka ataontsika Izy satria mety tsy hamaly antsika amin’ny fomba sy ny fotoana tiantsika hamaliany izany Izy. Mila manana fahavononana ny hanaiky ny sitrapony isika sy hino fa mahafantatra izay tsara indrindra ho antsika Izy. Tia antsika ny Ray any An-danitra ary hiezaka ny hanampy antsika foana Izy mba hianatra sy hivoatra rehefa mamaly ny vavaka ataontsika.

Mosiah M., 17 taona, Utah, Etazonia

Mangataha dia hahazo ianareo

Ao anatin’ny soratra masina dia ampianarina isika fa handre mandrakariva ny vavaka ataontsika Andriamanitra ary hamaly izany raha miresaka Aminy amim-pinoana sy amin’ny tena finiavana isika. Ho tsapantsika ao am-pontsika ilay fanamafisana fa mandre antsika Izy, izay fahatsapana fiadanana sy fahatoniana. Afaka mahatsapa ihany koa isika fa tsy hisy olana ny zavatra rehetra rehefa manaraka ny sitrapon’ny Ray isika. Raha miahiahy isika hoe mahare antsika Izy sa tsia dia tokony hikatsaka fitarihana ao amin’ny soratra masina isika ary avy eo dia hanontany raha marina ireo zavatra novakintsika ireo.

Constanza L., 20 taona, Bío Bío, Chili

Fantaro izany

Indray mandeha aho dia nanontany tena raha toa ka afaka mandre ny vavaka ataoko Andriamanitra, ary tamin’izay aho dia nahatsapa ny valin’izany tao am-poko. Nahare olona iray nijoro ho vavolombelona momba ny vavaka aho dia afaka nahatsapa ny Fanahy Masina. Ny torohevitra hafa omeko dia ny hanontany ny ray aman-dreninao, na ny evekanao, na ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy misy anao. Afaka mivavaka mba hahazo fanampiana mikasika ity lohahevitra ity mihitsy aza ianao!

Joshua S., 13 taona, Oregon, Etazonia

Mivavaha amin-kitsimpo

Aorian’ny vavaka ataonao dia afaka mihaino ny fahatsapana sy ny fikasana tonga ao am-ponao ianao. Mety ho valin’ny vavaka nataonao ny iray amin’izy ireny. Rehefa mivavaka amin’ny tena finiavana sy amin-kitsimpo isika dia mamaly antsika araka ny finoantsika Azy Izy. Tsy mamaly mba hampahafantatra izay mahaliana antsika fotsiny Izy.

Jean-Claude N., 16 taona, Kasaï-Central, République Démocratique du Congo