2017
Ny fomba ahitana fiadanana marina
April 2017


Valinteny avy amin’ireo mpitarika AO AMIN’NY fiangonana

Ny fomba ahitana fiadanana marina

Avy amin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2013.

Sary
Jesus Christ in a crowd

Ny faniriana marina nananan’ny olona tsara maneran-tany sy ananany foana dia ny mba hisian’ny fiadanana eto an-tany. Tsy tokony hilavo lefona isika amin’ny fanatratrarana izany tanjona izany. Kanefa nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) fa “Tsy afaka ny ho tonga eto amin’izao tontolo izao mihitsy izany fanahin’ny fiadanana sy fitiavana izany … mandra-pandrain’ny olona ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny hafatr’Andriamanitra … , ary mandra-panekeny ny heriny sy ny fahefany izay masina.”

Manantena sy mivavaka mafy ho an’ny fiadanana maneran-tany isika kanefa amin’ny alalan’ny tsirairay sy ny fianakaviana no ahazoantsika ilay karazam-piadanana izay valisoa nampanantenaina noho ny fahamarinana. Fanomezana nampanantenaina avy amin’ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany io fiadanana io.

Ny fiadanana dia tsy hoe hieren-doza na tsy fisian’ny ady na herisetra na fifanoherana na fifandirana fotsiny ihany. Ny fiadanana dia azo avy amin’ny fahafantarana fa mahafantatra ny Mpamonjy hoe iza isika sy mahafantatra fa mino Azy isika, tia Azy, ary mitandrina ny didiny, indrindra moa na dia miaina ao anatin’ny fitsapana sy ny loza mandrotika aza (jereo ny F&F 121:7–8).

“Aiza no ahitako fiadanana? Aiza ny fampiononana ahy rehefa mitsahatra amin’ny fanasitranana ahy ireo loharano hafa?” (“Où pourrais-je chercher?” Cantiques, no. 68). Ny valiny dia ny Mpamonjy, izay loharano ipoiran’ny fiadanana sy mpahary izany. Izy no “Andrian’ny Fiadanana (Isaia 9:6).

Ny fanetrentsika tena eo anatrehan’Andriamanitra, ny fivavahana mandrakariva, ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ny firobohana ao amin’ny ranon’ny batisa amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina ary ny fahatongavana ho mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ohatra tena tsara amin’ny fahamarinana izay valiana soa amin’ny fiadanana maharitra.

Fialofana izay ahitan’ny mpanara-dia an’i Kristy fiadanana ny Fiangonana. Milaza ny tanora sasany eto amin’izao tontolo izao fa olona manana toetra ara-panahy izy ireo fa tsy mpivavaka be. Dingana tsara voalohany ny fahatsapana ho olona manana toetra ara-panahy. Kanefa ao amin’ny Fiangonana no ahazoantsika namana manohana, sy ampianarana antsika ary amahanana antsika amin’ny teny soa n’Andriamanitra. Fa misy zavatra manan-danja kokoa noho izay, dia ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana izay hanatanterahana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina izay mamehy ny fianakaviana sy mahatonga antsika tsirairay avy ho mendrika ny hiverina any amin’Andriamanitra, ilay rain’i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy. Mitondra fiadanana ireo ôrdônansy ireo satria fanekempihavanana miaraka amin’ny Tompo izy ireo.

Ny tempoly no toerana hanaovana ny maro amin’ireo ôrdônansy ireo ary loharano ahitana toeram-pialofana feno fiadanana ihany koa hanalavirana an’izao tontolo izao. Ireo izay mitsidika ny tempoly na mijery ireo varavarana misokatra ao amin’ny tempoly dia mahatsapa fiadanana.

Ny Mpamonjy no loharanon’ny fiadanana marina. Na dia eo aza ny fitsapana eo amin’ny fiainana, dia hovaliana soa amin’ny fiadanan’ny tena manokana ny fiainana amim-pahamarinana noho ny Sorompanavotana sy ny fahasoavan’ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 14:26–27; 16:33).