2017
Amboary mba ho mety tsara aminao ny fandalinanao ny filazantsara
April 2017


Amboary mba ho mety tsara aminao ny fandalinanao ny filazantsara

Jereo ireto sosokevitra ireto mba handalinana ny filazantsara sy hitadiavana valinteny ho an’ireo fanontaniana ara-panahy anananao.

Sary
young woman studying

Mandalina amin’ny fomba ahoana ianao rehefa mitady ny valin’ny fanontaniana ara-panahy iray na rehefa miezaka fotsiny aza ny hahatakatra tsaratsara kokoa ny soratra masina? Ianao io no tiako holazaina amin’izany. Samy manana ny fahazarany mandalina any am-pianarana avy ny rehetra, saingy indraindray dia hadinontsika fa afaka manamboatra ihany koa ny fandalinantsika ny filazantsara isika mba ho mety tsara amintsika izany. Rehefa manana fanontaniana ara-panahy na ara-potopampianarana ianao amin’ny manaraka dia andramo ny sasany amin’ireto sosokevitra ireto mba hamantarana izay mety indrindra aminao.

1. Mamoròna

Sary
young man using tablet

Manaova lisitra, na tabilao, na sarintany. (Jereo etsy ambany mba hahitana ohatra iray.)

Manaova tranonkala fandalinana. Manorata teny sy hevitra dia ampifandraiso amin’ny tsipika sy faribolana izy ireo avy eo mba hanehoana ny fomba ifandraisan’izy ireo.

2. Manorata

Raiso an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinana iray ny hevitra sy ny fahatsapana voarainao mandritra ny fandalinanao soratra masina ary avereno jerena matetika ireo hevitra ireo.

Soraty aorian’ny vavaka ataonao ireo hevitra sy fahatsapana azonao, na dia tsy mifandray mivantana amin’ny lohahevitra halalininao aza ireo fahatsapana ireo. Jereo izay ampianarin’ny Fanahy anao rehefa mandeha ny fotoana.

Soraty ao anatin’ny kahie fandraisana an-tsoratra, na ao amin’ny findainao, na amin’ny bloc-notes eo akaikin’ny fandrianao ireo fanontanianao mba ho fampahatsiahivana ho anao sy hanampy anao hieritreritra mandrakariva izay ianaranao isan’andro.

3. Mihainoa dia mifanakaloza hevitra

Sary
mother and daughter studying scriptures

Miresaha amin’ny ray aman-dreny na mpitarika iray azo itokisana. Miaraha miezaka mahatakatra izany. Mety ho elaela izany vao ho vita kanefa samy hivoatra ianareo ao anatin’ilay dingana.

Mampianara olona hafa. Mifandimbiasa mizara ny zavatra tena fantatrareo. Ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaranareo avy amin’ny tsirairay avy.

Henoy amin’ny feo avo ny soratra masina na ireo tantara hafa an’ny OAF ary ireo loharanom-pitaovana hafa.

4. Manaova fikarohana

Mikaroha fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ny internet (jereo etsy ambany raha hijery ny lisitr’ireo loharanom-pitaovana an’ny OAF).

Mikaroha ao amin’ny LDS.org raha hijery ireo horonan-tsary sy hira mikasika ny zavatra ianaranao.

Halalino ny sahan-kevitra. Karohy ny tantara na ireo toko miresaka momba ilay lohahevitra na ilay soratra masina halalininao.

5. Ataovy

Sary
young man studying scriptures

Lalaovy an-tsehatra ireo tantara avy ao amin’ny soratra masina na ny loharanom-pitaovana hafa. Manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ny zavatra halalininao amin’ny fomba ahoana ny fakanao sary an-tsaina fa miaina ny toe-javatra iainan’izany olona izany ianao? Toe-javatra manao ahoana no mitovy amin’izany eo amin’ny fiainanao?

Manaova rojon-tsoratra masina izay mampifandray ireo valinteny hitanao ao amin’ny soratra masina. (Jereo etsy ambany mba hahitana ohatra iray.)