Antso ao amin’ny misiôna
Toko 3: Lesona 2— Ny drafitry ny famonjena an’ny Ray any An-danitra


“Toko 3: Lesona 2— Ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 3: Lesona 2,” Torio ny filazantsarako

Toko 3: Lesona 2

Ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra

Sary
Ilay sarivongana Christus

Mety hanontany tena ny olona

  • Inona no tanjon’ny fiainana?

  • Avy aiza aho?

  • Misy Andriamanitra miahy ny momba ahy ve? Ahoana no ahatsapako fa miahy Izy?

  • Ahoana no ahafahako mino an’ Andriamanitra rehefa misy zava-dratsy maro mitranga?

  • Nahoana ny fiainana no tena sarotra indraindray? Ahoana no ahitako hery mandritra ireo fotoana ireo?

  • Ahoana no ahafahako ho lasa olona tsara kokoa?

  • Inona no mitranga aorian’ny fahafatesako?

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manampy antsika hamaly ireo fanontaniana manan-danja momba ny fanahy. Mianatra momba ny maha-andriamanitra antsika sy ny hery anaty ananantsika maharitra mandrakizay amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika isika amin’ny alalan’ny filazantsara. Manome fanantenana antsika ny filazantsara ary manampy antsika hahita fiadanana sy fahasambarana ary ny dikan’ny fiainana. Ny fiainana ny filazantsara dia manampy antsika hitombo sy hahita hery rehefa miatrika ireo olan’ny fiainana isika.

Maniry ny tsara indrindra ho an’ireo zanany Andriamanitra ary maniry ny hanome antsika ireo fitahiana lehibe indrindra avy Aminy, dia ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay (jereo ny Mosesy 1:39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). Noho ny fitiavany antsika dia nanome drafitra ho antsika Izy mba handraisana ireo fitahiana ireo. Ao amin’ny soratra masina, io drafitra io dia antsoina hoe drafitry ny famonjena, ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ary ny drafitry ny fanavotana (jereo ny Almà 42:5, 8, 11, 13, 15, 16, 31).

Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, isika tsirairay dia manao dia mamakivaky ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny fahaterahana, ny fiainana an-tany, ny fahafatesana ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Nanome izay ilaintsika nandritra ity dia ity Andriamanitra mba hahafahantsika miverina eo anatrehany amin’ny farany ary mahazo ny fahafenoan’ny fifaliana rehefa maty isika.

I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nataon’i Jesoa izay ahafahantsika tsirairay mandray ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Tsy mahatsiaro ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana isika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Tsy azontsika tanteraka koa ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Na izany aza dia nanambara fahamarinana maro momba ireo ampahan’ny diantsika mandrakizay ireo Andriamanitra. Ireo fahamarinana ireo dia manome fahalalana ampy ho antsika mba hahatakarantsika ny tanjon’ny fiainana, sy hiainana fifaliana, ary hananantsika fanantenana ny amin’ny zavatra tsara ho avy. Izany fahalalana izany dia zava-tsarobidy masina hitarihana antsika raha mbola eto an-tany isika.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ity fizarana ity dia manome santionana rindran-damina mba hanampiana anao hiomana hampianatra. Ahitana ohatra amin’ireo fanontaniana sy fanasana azonao ampiasaina koa izany.

Rehefa miomana hampianatra ianao dia diniho ombam-bavaka ny toe-javatra iainan’ny olona tsirairay sy ny zavatra ilainy ara-panahy. Manapaha hevitra hoe inona no zavatra tena hanampy ka tokony hampianarina. Miomàna hamaritra teny mety tsy azon’ny olona. Manaova drafitra mifanaraka amin’ny habetsaky ny fotoana hanananao, ary tadidio ny hihazona ny lesona ho fohy.

Misafidiana soratra masina hampiasaina rehefa mampianatra ianao. Ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona dia ahitana soratra masina mahasoa maro.

Eritrereto izay fanontaniana hapetraka rehefa mampianatra ianao. Manomàna fanasana hatolotra izay hamporisika ny olona tsirairay handray andraikitra.

Antitrantero ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny zavatra ampianarinao.

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana

Inona no azonao ampianarina ny olona ao anatin’ny 15–25 minitra

Misafidiana iray na maromaro amin’ireto fitsipika manaraka momba ny drafitry ny famonjena ireto mba hampianarina. Ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fitsipika tsirairay dia omena aorian’ity rindran-damina ity.

Fiainana talohan’ny nahaterahana: Ny Tanjon’ Andriamanitra sy ny Drafiny ho antsika

  • Fanahy zanak’ Andriamanitra daholo isika. Nahary antsika tahaka ny endriny Izy.

  • Niara-niaina tamin’ Andriamanitra isika talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany. Isan’ny fianakaviany isika. Mahafantatra sy tia ny tsirairay amintsika Izy.

  • Nanome drafitra ho an’ny fahasambarantsika sy ny fivoarantsika eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay Andriamanitra.

  • Tao anatin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia nisafidy ny hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra isika. Izany dia nidika hoe tonga ety an-tany mba hahafahantsika manao ny dingana manaraka ao amin’ny fivoarantsika mandrakizay.

  • I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. Ataony izay ahafahantsika mahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Ny Fahariana

  • Nahary ny tany teo ambany fitarihan’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva

  • I Adama sy i Eva no fanahy voalohany zanaky ny Ray any An-danitra tonga tety an-tany. Nahary ny vatan’izy ireo Andriamanitra ary nametraka azy ireo tao amin’ny saha Edena.

  • Nandika lalàna i Adama sy i Eva, noroahina hiala ny saha ary nesorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Antsoina hoe Fahalavoana io tranga io.

  • Taorian’ny Fahalavoana dia lasa mety maty i Adama sy i Eva. Afaka nianatra sy nivoatra ary nanan-janaka izy ireo tamin’ny naha-olombelona mety maty azy. Niaina alahelo sy fahotana ary fahafatesana koa izy ireo.

  • Ny Fahalavoana dia dingana hirosoana ho an’ny olombelona. Ny Fahalavoana dia nahatonga antsika ho teraka teto an-tany sy hivoatra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ny Fiainantsika eto an-tany

  • Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia nilaintsika ny hahatongavana teto an-tany mba handraisana vatana sy hianarana ary hitomboana.

  • Eto an-tany dia mianatra mandeha amin’ny finoana isika. Tsy namela antsika ho irery anefa ny Ray any An-danitra. Nanome fanomezam-pahasoavana maro sy fitarihana maro Izy mba hanampiana antsika hiverina eo anatrehany.

Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy

  • Samy manota isika, ary samy ho faty. Satria tia antsika Andriamanitra dia naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany tety an-tany Izy mba hanavotra antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana.

  • Noho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia afaka ny ho voavela sy ho voadio amin’ny fahotantsika isika. Afaka miova ho tsara kokoa ny fontsika rehefa mibebaka isika. Izany dia ahafahantsika miverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy mandray ny fahafenoan’ny fifaliana.

  • Noho ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Midika izany fa hitambatra indray ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany, ary ny tsirairay amintsika dia hiaina mandrakizay ao anatin’ny vatana tonga lafatra sy vatana nitsangana tamin’ny maty.

  • Manolotra fampiononana sy fanantenana ary fanasitranana i Jesoa Kristy. Ny sorona fanavotana nataony dia fanehoana faratampony ny fitiavany. Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.

Ny Tontolon’ny fanahy

  • Rehefa maty ny vatantsika dia manohy miaina ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika. Izany dia toetry ny fianarana sy fiomanana izay tsy maharitra ela alohan’ny Fitsanganana amin’ny maty.

  • Ampianarina any amin’ny tontolon’ny fanahy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary afaka manohy mitombo sy mivoatra isika.

Fitsanganana amin’ny maty, famonjena, ary fisandratana

  • Aorian’ny fotoanantsika niainana tao amin’ny tontolon’ny fanahy dia ny Fitsanganana amin’ny maty no dingana manaraka ao amin’ny diantsika mandrakizay.

  • Ny Fitsanganana amin’ny maty dia ny fitambaran’ny fanahintsika sy ny vatantsika. Hitsangana amin’ny maty isika tsirairay ary hanana vatana tonga lafatra. Hiaina mandrakizay isika. Izany dia tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Ny Fitsarana sy ireo Fanjakam-boninahitra

  • Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia i Jesoa Kristy no ho mpitsara antsika. Ankoatra ny toe-javatra maningana vitsivitsy dia hahazo toerana ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

  • Na dia hitsangana amin’ny maty aza isika rehetra, dia tsy hahazo io voninahitra mandrakizay io isika rehetra. Hitsara antsika araka ny finoantsika sy ny asantsika ary ny fibebahantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy any amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa. Afaka miverina miaina eo anatrehan’ Andriamanitra isika raha mahatoky.

Fanontaniana azonao apetraka amin’ny olona

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra amin’ny zavatra azonao apetraka amin’ny olona. Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hanana resadresaka manan-danja sy hahatakatra zavatra ilain’ny olona iray sy ny fomba fijeriny.

  • Inona no tsapanao fa tanjon’ny fiainana?

  • Inona no mitondra fahasambarana ho anao?

  • Inona avy ireo fanamby ilanao ny fanampian’ Andriamanitra?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ireo olana natrehanao?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’ny fiainany sy ny asa nanirahana Azy teo amin’ny amin’ny fiainanao?

Ireo fanasana azonao atolotra

  • Moa ve ianao hangataka an’ Andriamanitra ao anatin’ny vavaka mba hanampy anao hahafantatra raha toa ka marina ny zavatra ampianarinay? (Jereo ny “Tari-dalana enti-mampianatra: Vavaka” ao amin’ny fizarana farany ao amin’ny lesona 1.)

  • Afaka ny hiaraka handeha hiangona any aminay ve ianao amin’ity alahady ity mba hhianarana bebe kokoa momba ny zavatra nampianarinay?

  • Moa ve ianao hamaky ny Bokin’i Môrmôna ary hivavaka mba hahafantaranao fa tenin’ Andriamanitra izany? (Azonao atao ny manolotra toko na andininy manokana.)

  • Moa ve ianao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa ka hatao batisa? (Jereo ny “Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana,” izay mialoha avy hatrany ny lesona 1.)

  • Afaka mametraka fotoana hanaovana ny fitsidihanay manaraka ve isika?

Sary
kisarin’ny drafitry ny famonjena

Fototra ara-potopampianarana

Ity fizarana ity dia manome fotopampianarana sy soratra masina hohalalininao mba hanamafisana ny fahalalanao ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara ary hanampiana anao hampianatra.

Sary
vahindanitra

Fiainana talohan’ny nahaterahana: Ny tanjon’ Andriamanitra sy ny drafiny ho antsika

Zanak’ Andriamanitra isika, ary niaina niaraka Taminy talohan’ny nahaterahantsika

Andriamanitra no rain’ny fanahintsika. Zanany ara-bakiteny isika, nohariana araka ny endriny. Manana toetra maha-andriamanitra isika tsirairay avy amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika. Io fahalalana io dia afaka manampy antsika amin’ny fotoan-tsarotra ary afaka manentana antsika ho tonga amin’ilay tsara indrindra tokony hahatongavantsika.

Niara-niaina tamin’ Andriamanitra tamin’ny naha-fanahy zanany antsika isika talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany. Isan’ny fianakaviany isika.

Sary
Filoha M. Russell Ballard

“Misyzavatra iray manan-danja momba ny maha-izy ny tena izay iraisantsika rehetra ankehitriny sy mandrakizay, zavatra iray izay tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana, ary tokony hankasitrahantsika. Dia ny hoe ianao dia zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra sy efa zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra foana miaraka amin’ny fototra ara-panahy ao amin’ny mandrakizay.

“… Ny fahatakarana io fahamarinana io—ny fahatakarana marina izany sy ny fanekena izany—no manova ny fiainana. Izany dia manome anao fananana ny maha-izy tena miavaka izay tsy azon’iza na iza esorina aminao. Fa mihoatra noho izany dia omeny anao ny fahatsapana goavana momba ny fananana lanja sy ny fahatsapana ilay hasarobidinao tsy manam-petra. Farany, manome anao tanjona masina sy mendri-kaja ary mendrika eo amin’ny fiainana izany” (M. Russell Ballard, “Children of Heavenly Father” [Brigham Young University devotional, Mar. 3, 2020], 2, speeches.byu.edu).

Nisafidy ny ho ety an-tany isika.

Tia antsika ny Raintsika any An-danitra ary iriny ho tonga tahaka Azy isika. Izy dia olona nasandratra manana vatana be voninahitra.

Tao anatin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia nianatra isika fa manana drafitra ho antsika Andriamanitra mba hahatongavana tahaka Azy. Ampahany iray ao amin’ny drafiny ny handaozantsika ny fonenantsika any an-danitra ka ho tonga eto an-tany mba handray vatana. Nila nahazo traikefa sy nampitombo finoana koa isika nandritra ilay fotoana lavitry ny fanatrehan’ Andriamanitra. Tsy hotsaroantsika ny niara-niaina tamin’ Andriamanitra. Nanome izay nilaintsika anefa Izy mba hahafahantsika miverina miaina miaraka Aminy.

Ny fahafahana misafidy, na ny fahalalahana manao isafidy, dia ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika. Tao amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia nisafidy ny hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra sy ho tonga eto an-tany isika tsirairay mba hahafahantsika manao ny dingana manaraka amin’ny fivoarantsika mandrakizay. Takatsika fa mandritra ny fotoana maha-eto antsika dia hanana fahafahana vaovao maro azo araraotina mba hivoarana sy hiainana fifaliana isika. Takatsika koa fa hiatrika fanoherana isika. Hiaina fakam-panahy, fitsapana, alahelo ary fahafatesana isika.

Rehefa nisafidy ny ho tonga teto an-tany isika dia natoky ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fanampiany. Natoky ny drafiny ho an’ny famonjena antsika isika.

Nifidy an’i Jesoa Kristy ny Ray Any an-danitra mba hanavotra antsika

I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. Talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany dia fantatsika fa tsy afaka miverina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny tenantsika manokana isika. Nifidy an’i Jesoa Kristy Zanany lahimatoa ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika miverina any Aminy sy hanana ny fiainana mandrakizay.

Nanaiky an-tsitrapo i Jesoa. Nanaiky ho tonga eto an-tany Izy ary hanavotra antsika amin’ny alalan’ny sorompanavotany. Ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hahatonga ny fikasan’ Andriamanitra ho antsika ho tanteraka.

Fandalinana ny soratra masina

Zanak’ Andriamanitra avokoa ny olona rehetra

Ny tanjon’ Andriamanitra

Fiainana talohan’ny nahaterahana

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Sary
masoandro mody eo amin’ny ranomasina

Ny Fahariana

Ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ahitana ny fahariana ny tany, izay handraisan’ireo fanahy izay zanany vatana sy hahazoany traikefa. Ilaina ny fiainantsika eto an-tany mba hivoarantsika sy hahatongavantsika tahaka an’ Andriamanitra.

Teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra dia nahary ny tany sy ny zava-mananaina rehetra i Jesoa Kristy. Nahary ny lehilahy sy ny vehivavy araka ny endriny manokana ny Ray any An-danitra avy eo. Ny fahariana dia fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny faniriany hananantsika fahafahana hivoatra.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mahary, fahariana

  • Sujets de l’Évangile, “Création

Sary
Leaving the Garden of Eden (Mandao ny Saha Edena), nataon’i Joseph Brickey

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva

Talohan’ny Fahalavoana

I Adama sy i Eva no voalohany tamin’ireo fanahy zanaky ny Ray any An-danitra tonga teto an-tany. Nahary ny vatan’izy ireo araka ny endriny Andriamanitra ary nametraka azy ireo tao amin’ny saha Edena. Tsy nanan-tsiny izy ireo tao amin’ny saha, ary Andriamanitra no nanome izay nilainy.

Raha mbola tao amin’ilay saha i Adama sy i Eva, dia nandidy azy ireo Andriamanitra mba tsy hihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Raha mankatò io didy io izy ireo dia ho afaka ny hijanona ao amin’ilay saha. Na izany aza, dia tsy ho afaka ny hivoatra izy ireo amin’ny alalan’ny fianarana avy amin’ny fanoherana sy ny fanambin’ny fiainana an-tany. Tsy ho afaka ny hahafantatra fifaliana izy ireo satria tsy ho afaka ny hiaina alahelo sy fanaintainana.

Nalain’i Satana fanahy i Adama sy i Eva hihinana amin’ilay voankazo voarara, ka dia nisafidy ny hanao izany izy ireo. Noho io safidy io dia noroahina hiala ny saha izy ireo ary nesorina tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra. Antsoina hoe Fahalavoana io tranga io.

Taorian’ny Fahalavoana

Taorian’ny Fahalavoana dia lasa mety maty i Adama sy i Eva. Tsy tao anatin’ny tsy fananan-tsiny intsony izy ireo fa nahatakatra sy niaina ny tsara sy ny ratsy. Afaka nampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo mba hisafidianana amin’ireo. Afaka nianatra sy nivoatra i Adama sy Eva, satria niatrika fanoherana sy zava-tsarotra. Satria niaina alahelo izy ireo dia afaka niaina fifaliana koa. (Jereo ny 3 Nefia 2:22–25.)

Na dia teo aza ny zava-tsarotra niainan’izy ireo, dia nahatsapa i Adama sy i Eva fa fitahiana lehibe ny hoe mety maty. Ny fitahiana iray dia ny nahazoan’izy ireo zanaka. Izany dia nanome fahafahana an’ireo fanahy hafa zanak’ Andriamanitra ho tonga eto an-tany sy hahazo vatana.

Raha ny mahakasika ireo fitahian’ny Fahalavoana, dia samy nifaly i Adama sy i Eva. Hoy i Eva hoe: “Raha tsy nandika lalàna isika dia tsy ho nanana [zanaka] na oviana na oviana, ary tsy ho nahafantatra ny tsara na ny ratsy na oviana na oviana, sy ny fifaliana noho ny fanavotana antsika ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ny mpankatò” (Mosesy 5:11; jereo koa ny andininy 10).

Fandalinana ny soratra masina

Tao amin’ny saha

Ny Fahalavoana

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Ny Fiainantsika eto an-tany

Maro ny olona manontany tena hoe: “Nahoana aho no eto an-tany?” Ny fiainantsika eto an-tany dia ampahany manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fivoarantsika mandrakizay. Ny tanjontsika faratampony dia ny hiomana hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy handray ny fahafenoan’ny fifaliana. Voasoritra eto ambany ny sasany amin’ireo fomba hanomanan’ny fiainana an-tany antsika ho amin’izany.

Sary
zazalahy mitsiky

Mandray vatana

Ny tanjona iray amin’ny fahatongavana eto an-tany dia ny hahazo vatana izay ahafahan’ny fanahintsika mitoetra. Ny vatantsika dia zavaboary masina sy mahagaga avy amin’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny vatana dia afaka manao sy mianatra ary miaina zavatra maro izay tsy vitan’ny fanahintsika isika. Afaka mivoatra amin’ny fomba izay tsy ho vitantsika amin’ny maha-fanahy antsika isika.

Satria mety maty ny vatantsika dia miaina fanaintainana sy aretina ary fitsapana hafa isika. Ireo zavatra iainana ireo dia afaka manampy antsika hianatra faharetana sy fangorahana ary ireo toetra masina hafa. Afaka mandrafitra ny lalantsika mitondra mankany amin’ny fifaliana izany. Ny fisafidianana ny tsara rehefa sarotra ny manao izany matetika dia mahatonga ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana ho lasa mandrafitra ny toetrantsika.

Mianatra mampiasa amim-pahendrena ny fahafahana misafidy

Ny tanjona iray hafa amin’ny fiainana an-tany dia ny hianatra hampiasa amim-pahendrena ny fahafahantsika misafidy—hifidy izay tsara. Ny fianarana mampiasa amim-pahendrena ny fahafahantsika misafidy dia tena ilaina mba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mampianatra antsika ny tsara ary manome didy mba hitarihana antsika mankany amin’ny fahasambarana. Maka fanahy antsika hanao ratsy i Satana, satria tiany ho ory toa azy isika. Miatrika fifanoherana eo amin’ny tsara sy ny ratsy isika, izay ilaina amin’ny fianarana mampiasa ny fahafahantsika misafidy (jereo ny 2 Nefia 2:11).

Rehefa mankatò an’ Andriamanitra isika dia mitombo sy mandray ireo fitahiana nampanantenainy. Rehefa tsy mankatò isika dia manalavitra Azy ary mijinja ny vokatry ny fahotana. Na dia miseho amin’ny endrika hafa aza izany indraindray, dia mitarika ho amin’ny tsy fahasambarana ny fahotana amin’ny farany. Matetika ireo fitahian’ny fankatoavana, sy ny vokatry ny fahotana, dia tsy miharihary avy hatrany na tsy hita ety ivelany. Tena misy anefa izy ireo, satria marina Andriamanitra.

Na dia manao izay tsara indrindra vitantsika aza isika dia samy manota avokoa ary “tsy mahatratra ny voninahitr’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Noho ny fahafantarana izany dia nanome fomba iray ahafahantsika mibebaka ny Ray any An-danitra mba hahafahantsika miverina Aminy.

Ny fibebahana dia mitondra ny herin’i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika eo amin’ny fiainantsika (jereo ny Helamàna 5:11). Rehefa mibebaka isika dia ho voadio amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny 3 Nefia 27:16–20). Amin’ny alalan’ny fibebahana dia mahatsapa fifaliana isika. Misokatra ho antsika ny lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra, satria be famindram-po Izy. (Jereo ny “Fibebahana” ao amin’ny lesona 3.)

Mianatra mandeha amin’ny finoana

Ny tanjona iray hafa amin’ity fiainana ity dia ny hahazo traikefa izay tsy ho tonga raha tsy amin’ny alalan’ny fisarahana amin’ny Ray any An-danitra. Satria tsy mahita Azy isika dia mila mianatra mandeha amin’ny finoana (jereo ny 2 Korintiana 5:6–7).

Tsy navelan’ Andriamanitra ho irery isika eto amin’ity dia ity. Nanome ny Fanahy Masina Izy mba hitarika sy hampatanjaka ary hanamasina antsika. Nanome soratra masina, mpaminany, vavaka, ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy koa izy.

Ny toe-javatra rehetra iainantsika eto an-tany—ny fifaliana sy ny alahelo, ny fahombiazana ary ny tsy fahombiazana—dia afaka manampy antsika hivoatra rehefa miomana ny hiverina any amin’ Andriamanitra isika.

Fandalinana ny soratra masina

Fotoana hitomboana sy hivoarana

Safidy

Tsara sy ratsy

Fahotana

Tsy mantsy madio isika mba hiarahana amin’ Andriamanitra

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy

Noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia iharan’ny fahotana sy ny fahafatesana avokoa isika rehetra. Tsy afaka mandresy ny vokatry ny ota sy ny fahafatesana irery isika. Ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra dia nanome fomba iray handresena ny vokatry ny Fahalavoana Izy mba hahafahantsika miverina any Aminy. Talohan’ny nahariana izao tontolo izao dia nifidy an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy.

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka manavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Izy no Zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny. Niaina fiainana tsy nisy fahotana Izy, nankatò tanteraka ny Rainy. Niomana sy vonona ny hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra Izy.

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia nahitana ny fijaliany tao Getsemane, ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nijaly tamin’ny fomba tsy takatry ny saina Izy, hany ka nivoa-dra ny mason-kodiny rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18).

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no zava-nitranga lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra. Tamin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony no nentin’i Jesoa nampandeha ny drafitry ny Ray. Tsy ho afa-nanoatra isika raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy satria tsy afaka mamonjy ny tenantsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana isika (jereo ny Almà 22:12–15).

Ny sorona nataon’ny Mpamonjy antsika dia fanehoana faratampony ny fitiavany ny Rainy sy ny fitiavany antsika. “Ny sakany sy ny lavany sy ny halaliny ary ny [haavony]” amin’ny fitiavan’i Kristy dia mihoatra noho ny fahatakarantsika (Efesiana 3:18; jereo koa ny andininy 19).

Sary
Ny Fanomboana, nataon’i Harry Anderson

Nandresy ny fahafatesana ho an’ny rehetra i Jesoa Kristy

Rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy dia nisaraka tamin’ny vatany ny fanahiny. Tamin’ny andro fahatelo dia nitambatra indray ny fanahiny sy ny vatany, ka tsy hisaraka intsony. Niseho tamin’ny olona maro Izy, nampiseho tamin’izy ireo fa nanana vatana nofo sy taolana tsy mety maty Izy. Antsoina hoe Fitsanganana amin’ny maty izany fampiraisana ny fanahy sy ny vatana izany.

Amin’ny maha-olombelona antsika dia ho faty isika tsirairay avy. Saingy, noho i Jesoa nandresy ny fahafatesana i, dia hatsangana amin’ny maty ny olona rehetra teraka eto an-tany. Fanomezana masina ho an’ny rehetra ny Fitsanganana amin’ny maty, nomena tamin’ny alalan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy ny fahasoavany manavotra. Hitambatra indray ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany, ary ny tsirairay amintsika dia hiaina mandrakizay ao anatin’ny vatana tonga lafatra sy nitsangana tamin’ny maty. Raha tsy noho i Jesoa Kristy dia ho nampitsahatra ny fanantenana rehetra momba ny fiainana ho avy miaraka amin’ny Ray any An-danitra ny fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 9:8-12).

Nataon’i Jesoa ho afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika isika

Mba hahatakarana ny fanantenana afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’i Kristy dia mila mahatakatra ny lalàn’ny fahamarinana isika. Izany no lalàna tsy miova izay mitondra ireo vokatry ny asa nataontsika. Mitondra vokatra tsara ny fankatoavana an’ Andriamanitra, ary mitondra vokatra ratsy ny tsy fankatoavana. (Jereo ny Almà 42:14–18.) Rehefa manota isika dia lasa maloto ara-panahy, ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miaina eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia 27:19).

Sary
Jesus Praying in Gethsemane (I Kristy nivavaka tao Getsemane), nataon’i Harry Anderson

Nandritra ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy dia nijoro teo amin’ny toerantsika Izy, nijaly ary nanefa ny sazin’ny otantsika (jereo ny 3 Nefia 27:16–20). Ny drafitr’ Andriamanitra dia manome an’i Jesoa Kristy hery hanao fanelanelanana ho antsika, hijoro eo anelanelantsika sy ny fahamarinana (jereo ny Môsià 15:9). Noho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia afaka mitaky ny zo hamindra fo ho antsika Izy rehefa mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana isika (jereo ny Môrônia 7:27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5). “Ary araka izany, ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakian’ny fahamarinana sy mamihina azy ireo amin’ny sandrin’ny fiantohana” (Almà 34:16).

Amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny fibebahantsika ihany no ahafahantsika miverina miaina miaraka amin’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia voavela heloka sy voadio ara-panahy. Afaka amin’ny vesatry ny fahamelohana noho ny fahotantsika isika. Sitrana ny fanahintsika maratra. Feno fifaliana isika (jereo ny Almà 36:24).

Na dia tsy lavorary aza isika ary mety ho lavo indray dia misy fahasoavana sy fitiavana ary famindram-po bebe kokoa ao amin’i Jesoa Kristy noho ny tsy fahombiazana, na kilema na fahotana ao anatintsika. Vonona sy mazoto mandrakariva ny hamihina antsika Andriamanitra rehefa mitodika any Aminy sy mibebaka isika (jereo ny Lioka 15:11–32). Tsy misy na iza na iza “mahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.” (Romana 8:39).

Nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny fahoriantsika ary ny rofintsika i Jesoa

Tao anatin’ny sorona fanavotana nataony no nitondran’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny fahoriantsika ary ny rofintsika. Noho izany dia fantany “araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12; jereo koa ny andininy 11). Manasa Izy hoe: “Mankanesa atỳ amiko,” ary rehefa manao izany isika dia manome antsika fitsaharana, fanantenana, hery, fomba fijery ary fanasitranana Izy (Matio 11:28; jereo koa ny andininy 29–30).

Rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia afaka manampy antsika hizaka ny fitsapana sy ny aretintsika ary ny fanaintainantsika Izy. Afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ary fiononana isika. Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.

Fandalinana ny soratra masina

Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Fitsanganana amin’ny maty

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Sary
fianakaviana mitsidika fasana

Ny Tontolon’ny fanahy

Olona maro no manontany tena hoe: “Inona no mitranga rehefa maty aho?” Ny drafitry ny famonjena dia manome valiny manan-danja vitsivitsy amin’io fanontaniana io.

Tafiditra ao anatin’ny “drafitra feno famindram-pon”’ Andriamanitra ho antsika ny fahafatesana (2 Nefia 9:6). Raha tokony ho ny fiafaran’ny fiainantsika ny fahafatesana dia dingana manaraka amin’ny fivoarantsika mandrakizay izany. Mba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra dia tsy maintsy miaina ny fahafatesana isika ary avy eo dia mahazo vatana tonga lafatra sy nitsangana tamin’ny maty.

Rehefa maty ny vatantsika dia manohy miaina ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika. Izany dia toetry ny fianarana sy fiomanana tsy maharitra mialoha ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany. Mitoetra amintsika ny fahalalana azontsika teto amin’ny fiainana an-tany.

Any amin’ny tontolon’ny fanahy, ireo olona izay nanaiky sy niaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia “raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana, izay antsoina hoe paradisa” (Almà 40:12). Raisina any amin’ny paradisa koa ny ankizy madinika rehefa maty.

Ireo fanahy ao amin’ny paradisa dia hahatsapa fiadanana taorian’ ireo fahasahiranany sy ny alahelony. Hanohy ny fivoarany ara-panahy izy ireo, hanao ny asan’ Andriamanitra sy hanompo ny hafa. Hampianatra ny filazantsara amin’ireo izay tsy nandray izany nandritra ny fiainany teto an-tany izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:32–37, 57–59).

Ao amin’ny tontolon’ny fanahy, ny olona izay tsy afaka nandray ny filazantsara teto an-tany, na izay nisafidy ny tsy hanaraka ny didy, dia hiaina fetra vitsivitsy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6–37; Almà 40:6–14 ). Saingy noho Andriamanitra marin-toetra sy be famindram-po, dia hanana fahafahana mba hampianarina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo. Raha manaiky izany sy mibebaka izy ireo dia havotana amin’ny fahotany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58; jereo koa ny 138:31–35; 128:22). Horaisina ao amin’ny fiadanan’ny paradisa izy ireo. Hahazo toerana ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray izy ireo amin’ny farany, mifototra amin’ireo safidy izay nataony teto amin’ny fiainana an-tany sy tany amin’ny tontolon’ny fanahy.

Mijanona ao amin’ny tontolon’ny fanahy isika mandra-pitsanganantsika amin’ny maty.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Paradisa

Fitsanganana amin’ny maty, famonjena, ary fisandratana

Fitsanganana amin’ny maty

Ny drafitr’ Andriamanitra dia mahatonga antsika ho afaka hivoatra sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Aorian’ny fotoana nolalovantsika tao amin’ny tontolon’ny fanahy dia ny Fitsanganana amin’ny maty no dingana manaraka ho antsika ao amin’izany fivoarana izany.

Ny Fitsanganana amin’ny maty dia ny fitambaran’ny vatantsika sy ny fanahintsika. Hitsangana amin’ny maty isika tsirairay avy. Izany dia tanteraka tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. (Jereo ny Almà 11:42–44.)

Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia samy hanana vatana tonga lafatra, tsy misy fanaintainana sy aretina. Ho tsy mety maty isika, ary hiaina mandrakizay.

Famonjena

Satria hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra dia ho voavonjy,na hahazo famonjena, amin’ny fahafatesan’ny vatana. Izany fanomezana izany dia omena antsika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Afaka ny ho voavonjy ihany koa isika, na hahazo famonjena, avy amin’ireo vokatra izay takin’ny lalàn’ny fahamarinana noho ny fahotantsika. Izany fanomezana izany koa dia tanteraka amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy rehefa mibebaka isika. (Jereo ny Almà 42:13–15, 21–25.)

Fisandratana

Ny fisandratana, na ny fiainana mandrakizay, no toetry ny fahasambarana sy voninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Fanomezana misy fepetra ny fisandratana. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ireo fepetra maha-mendrika ireo dia ahitana ny finoana ny Tompo, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny Fanahy Masina, ary ny fijanonana ho mahatoky amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly” (“Salvation and Exaltation,” Liahona, May 2008, 9).

Ny fisandratana dia midika hoe miaina mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay. Izany dia ny mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, ny ho tonga tahaka Azy Ireo, ary ny miaina ny fiainana ankafizin’Izy ireo.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Sary
masoandro mitaratra avy eny amin’ny rahona

Ny Fitsarana sy ireo Fanjakam-boninahitra

Fanamarihana: Rehefa mampianatra momba ny fanjakam-boninahitra voalohany ianao dia mampianara amin’ny fomba tsotra mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny olona iray sy ny fahatakarany.

Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia ho mpitsara marina sy feno famindram-po ho antsika i Jesoa Kristy. Ankoatra ny tranga maningana tena vitsy dia hahazo toerana ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray ny tsirairay avy amintsika. Na dia hitsangana amin’ny maty aza isika rehetra dia tsy hahazo voninahitra mandrakizay mitovy isika rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:22–24, 29–34; 130:20–21; 132:5).

Ireo olona izay tsy nanana fahafahana hahatakatra sy hankatò tanteraka ny lalàn’ Andriamanitra nandritra ny fiainany teto an-tany dia homena izany fahafahana izany any amin’ny tontolon’ny fanahy. Hitsara ny olona tsirairay araka ny finoany, ny asany, ny faniriany, ary ny fibebahany teto amin’ny fiainana an-tany sy tany amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:32–34, 57–59).

Ny soratra masina dia mampianatra momba ireo fanjakam-boninahitra selestialy sy terestrialy ary telestialy. Ny tsirairay amin’izy ireo dia fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahitsiany ary ny famindram-pony.

Ireo izay mampihatra finoana an’i Kristy, mibebaka amin’ny fahotany, mandray ny ôrdônansin’ny filazantsara, mitandrina ny fanekempihavanany, mandray ny Fanahy Masina ary maharitra hatramin’ny farany dia hovonjena ao amin’ny fanjakana selestialy. Ity fanjakana ity koa dia ahitana olona izay tsy nanana fahafahana nandray ny filazantsara nandritra ny fiainany teto an-tany kanefa “ ho nandray izany tamin’ny fony manontolo” ary nanao izany tany amin’ny tontolon’ny fanahy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:8; jereo koa ny andininy 7). Ireo ankizy izay maty talohan’ny taona maha-tompon’andraikitra (valo taona) dia hovonjena ihany koa ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10).

Ao amin’ny soratra masina, ny fanjakana selestialy dia ampitahaina amin’ny voninahitry ny masoandro na ny famirapiratan’ny masoandro. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70.)

Ireo olona nanana fiainana mendrika “izay tsy nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa tao amin’ny nofo, saingy nandray izany taty aoriana” dia hahazo toerana ao amin’ny fanjakana terestrialy (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:74). Toy izany koa ho an’ireo izay tsy nahery fo tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa. Oharina amin’ny voninahitry ny volana io fanjakana io. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–80.)

Ireo izay nanohy tao amin’ny fahotany sy tsy nibebaka teto amin’ity fiainana ity na tsy nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia handray ny valisoany any amin’ny fanjakana telestialy. Oharina amin’ny voninahitry ny kintana io fanjakana io. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–86.)

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Drafi-pampianarana fohy mankany amin’ny drafi-pampianarana antonontonony

Ity rindran-damina manaraka ity dia santionany amin’ny zavatra azonao ampianarina olona iray raha toa ka tsy manana afa-tsy fotoana fohy ianao. Rehefa mampiasa ity rindran-damina ity dia mifidiana fitsipika iray na maromaro hampianarina. Ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fitsipika tsirairay dia omena mialoha ao amin’ny lesona.

Rehefa mampianatra ianao dia mametraha fanontaniana ary mihainoa. Manolora fanasana izay hanampy ny olona hianatra ny fomba hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra. Ny fanasana manan-danja iray atao dia ny mba hihaonan’ilay olona aminao indray. Ny halavan’ny lesona dia hiankina amin’ny fanontaniana apetrakao sy ny fihainoana ataonao.

Inona no azonao ampianarina ny olona ao anatin’ny 3–10 minitra

  • Fanahy zanak’ Andriamanitra daholo isika. Isan’ny fianakaviany isika. Mahafantatra sy tia ny tsirairay amintsika Izy.

  • Nanome drafitra ho an’ny fahasambarantsika sy ny fivoarantsika eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay Andriamanitra.

  • Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia nilaintsika ny hahatongavana teto an-tany mba handraisana vatana sy hianarana ary hitomboana.

  • I Jesoa Kristy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra. Ataony izay hahazoantsika ny fiainana mandrakizay.

  • Nahary ny tany teo ambany fitarihan’ Andriamanitra i Jesoa.

  • Ny zavatra iainantsika teto an-tany dia natao hanampiana antsika hiomana hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.

  • Samy manota isika, ary samy ho faty. Satria tia antsika Andriamanitra dia naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany tety an-tany Izy mba hanavotra antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana.

  • Azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana.

  • Rehefa maty ny vatantsika dia mitohy miaina ny fanahy. Hitsangana amin’ ny maty avokoa isika rehetra amin’ny farany. Midika izany fa hitambatra indray ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany, ary ny tsirairay amintsika dia hiaina mandrakizay ao anatin’ny vatana tonga lafatra sy vatana nitsangana tamin’ny maty.

  • Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia i Jesoa Kristy no ho mpitsara antsika. Ankoatra ny toe-javatra maningana vitsivitsy dia hahazo toerana ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Afaka miverina miaina eo anatrehan’ Andriamanitra isika raha mahatoky.