2021
Rehefa mieritreritra momba ny fitiavana aho
Martsa 2021


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Rehefa mieritreritra momba ny fitiavana aho

“Rehefa manompo bebe kokoa isika dia hanam-pitiavana bebe kokoa. Ary rehefa manam-pitiavana bebe kokoa isika dia haniry ny hanompo bebe kokoa.”

Rehefa mieritreritra momba ny fitiavana aho dia ny soratra masina no ao an-tsaiko.

Mamaky isika ao amin’ny Matio 22:35–39 hoe: “Ary ny anankiray tamin’ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:

“Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?

“Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Avy amin’ireo andininy ireo isika dia mianatra momba ny fifandraisana matanjaka eo amin’ny fitiavana sy ny didy, ka fanontaniana anankiroa no mipetraka: ahoana no anehoantsika fitiavana amin’ Andriamanitra? Ahoana no anehoantsika fitiavana amin’ny namantsika?

Mba hamaliana ilay fanontaniana voalohany hoe “Ahoana no anehoantsika fitiavana amin’ Andriamanitra?” dia ny Jaona 14:15 no soratra masina tonga ato an-tsaiko: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.”

Raha handrefy ny fitiavantsika ny Mpamonjy isika dia afaka handrefy izany arakaraka ny hoe hatraiza no fankatoavantsika ireo didy. Rehefa mitombo ny fitiavantsika Azy dia lasa mpankatò kokoa isika. Ary rehefa lasa mpankatò kokoa isika dia hitia Azy bebe kokoa.

Mba hamaliana ilay fanontaniana faharoa hoe “Ahoana no anehoantsika fitiavana amin’ny namantsika?” dia ny Jaona 13:13–17 no soratra masina mitondra fampianarana: “Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo. Ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.

“Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.

“En vérité, en vérité, je vous le dis, le serviteur n’est pas plus grand que son seigneur, ni l’apôtre plus grand que celui qui l’a envoyé.

“Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.”

Mampiseho fitiavana amin’ny namantsika isika amin’ny fanompoana azy ireo. Rehefa manompo bebe kokoa isika dia hanam-pitiavana bebe kokoa. Ary rehefa manam-pitiavana bebe kokoa isika dia haniry ny hanompo bebe kokoa.

Rehefa mieritreritra momba ny fitiavana aho dia ny asa fanompoana no ao an-tsaiko.

Hahita fahasambarana isika rehefa mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny namantsika amin’ny alalan’ireo zavatra ataontsika. Tao anatin’izay enin-taona lasa izay dia nonina tao amina firenena telo ary tanàna dimy samy hafa izahay, ka na dia azo heverina aza fa mampientanentana izany dia tena mafy ny mizatra amin’ireo kolontsaina vaovao sy ny mahazo namana vaovao. Nahatsiaro ho irery im-betsaka izahay, saingy vetivety izahay dia nianatra ny fomba tsara indrindra ifandraisana aman’olona ary ahitana fahasambarana amin’ny alalan’ny asa fanompoana. Nandritra ny fotoana nipetrahanay tany Floride (Etazonia) dia mifoha vao maraina amin’ny andro sabotsy ny zanakay ary manampy ao amin’ny famatsian-tsakafo ho an’ny fiarahamonina ao an-toerana mandritra ny ora vitsivitsy. Izany fizarana fitiavana amin’ny alalan’ny asa fanompoana izany dia nanampy azy ireo hahatsapa fahasambarana na dia teo aza ny zavatra sarotra izay natrehan’izy ireo tamin’izany fotoana izany. Ny vadiko ihany koa, rehefa misy andro tsy fiasana, dia manamboatra mofomamy, ary izahay fianakaviana avy eo dia mandeha eo amin’ny manodidina mizara izany amin’ireo mpiray monina. Tamin’ny alalan’ireo asa tena bitika ireo izahay dia afaka nahazo namana vaovao, nizara ny filazantsara ary nahita fahasambarana.

Rehefa mieritreritra momba ny fitiavana aho dia ny lalàn’ny fifadian-kanina no ao an-tsaiko.

Fony aho tanora no nianatra momba ny maha-manan-danja ny fifadian-kanina avy amin’ny ohatra nasehon’ny ray aman-dreniko. Izahay ankizy dia nasaina hifady hanina niaraka tamin’izy ireo indray mandeha isam-bolana, fa izy ireo kosa mazàna dia mifady hanina mihoatra ny indray mandeha isam-bolana. Nianarako avy tamin’ny ray aman-dreniko fa afaka manampy ny fitsinjovana ny mahantra sy ny sahirana isika amin’ny alalan’ny fifadian-kanina. Noho izany, amin’ny alalan’izany zavatra tsotra izany dia sady manompo an’ Andriamanitra isika no manompo ny namantsika. Ary Andriamanitra kosa etsy an-kilany dia mitsodrano ny fifadiantsika hanina amin’ny fanomezana fanambarana manokana sy fampiononana ary fitarihana.

Rehefa mieritreritra momba ny fitiavana aho dia i Jesoa Kristy Mpamonjy no ao an-tsaiko.

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fanatanterahana ireo didy lehibe indrindra. Noho ny fitiavany an’ Andriamanitra Rainy dia nankatò Azy Izy. Ary noho ny fitiavany ny namany dia nanompo azy ireo nandritra ny fiainany manontolo izy. Nasehony antsika fa ny fitiavana dia tsy fahatsapana fotsiny fa zavatra atao. Ny fitiavana amin’ny alalan’ny asa fanompoana dia manampy antsika hahatratra ny fivoarantsika feno indrindra ary ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika bebe kokoa.

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2020 ny Loholona Ciro Schmeil. Manambady an’i Alessandra Machado Louza izy; manan-janaka roa izy ireo.