2021
Tsaramaso masaka sy boaty: Ny lesona azoko momba ny finoana tamin’ny 2020
Martsa 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Tsaramaso masaka sy boaty: Ny lesona azoko momba ny finoana tamin’ny 2020

“Ny fanaovana ilay dingan’ny finoana voalohany iny dia tena sarotra ary nampatahotra ahy tokoa. Inona anefa no vokany?”

Mbola tsaroako foana ny fotoana nifaliako noho ny fifanalavirana ara-tsôsialy tamin’ny hafa.

Nahazo ny vaovao aho fa, rehefa niroso tamin’ny fihibohana noho ny ezaka hampihenana ny fiparitahan’ny tsimokaretina COVID-19 i Afrika Atsimo, dia ankizy mpianatra an-tsekoly miisa 9,6 tapitrisa ao Afrika Atsimo no tsy hanana sakafo hohanina.

Ny rafitra mipetraka hanampiana ara-tsakafo ireo sekoly ao Afrika Atsimo dia fanohanana ara-tsôsialy tena manan-danja. Ho an’ny ankizy maro ao amin’io firenena io dia izany no hany sakafo azon’izy ireo hianteherana tsara isan’andro.

Amin’ny maha-mpanao gazety ahy dia vao nahavita tafa sy dinika in-dimy misesy tamina mpitarika samihafa tao amin’ny fiarahamonim-pirenena aho. Tena niahiahy mafy ny amin’ny fomba hiveloman’ireo ankizy mandritra ireo volana vitsivitsy ho avy izy ireo.

“Tena sahiran-tsaina mafy ny amin’izay ho sakafo hohanin’ireo ankizy aho,” hoy ny ramatoa iray izay efa zatra mitantana ny rafitra hahazoana sakafo ho an’ireo ankizy 150 ao amin’ny iray amin’ireo faritra ivelan’ny tanan-dehibe ao Johannesbourg tamiko. “Ary tsy misy na inona na inona, tena tsisy, azoko atao momba izany.”

Rehefa nanao resadresaka tahaka izany nandritra ny ora maro aho dia tsapako tao amin’ny feoko fa nanomboka nihetsim-po aho. Rehefa nifarana ny tafa sy dinika farany dia navelako ny telefaonina, napetrako tao amin’ny lohako ny tanako, ary dia nanomboka nitomany aho.

Faly aho tamin’izay fa nisy ny fifanalavirana ara-tsôsialy tamin’ny hafa. Raha amin’ny andavananandro mantsy dia ho mivantana no ifampiresahana amin’olona. Mety ho hafahafa ihany ny fitomaniana raha ny marina.

Mba tsy ho nisy nahita ny nitomaniako tamin’izay.

Nahatsapa ny fitomboan’ny fahavesarana sy ny fahakiviana aho. Amin’ny fomba ahoana no hahafahako mipetraka ao an-trano fotsiny nefa ankizy an-tapitrisany manodidina ahy no handeha hatory nefa tsy nihinan-kanina? Nahatsiaro aho fa nila nanao zavatra, saingy tao anatin’izany toe-javatra izany dia tsy nahalala aho hoe inona no atao.

Dia tamin’izay no tonga ilay hafatra tamin’ny SMS.

Rahavavy iray tao amin’ny paroasiko izany, olona fanta-daza amin’ny fanaovan-tsoa. Nolazainy tamiko ny momba ny trano fitaizana be antitra iray izay nitondrany fanampiana. Io toerana io dia nahazo lalana hisokatra nandritra ny fihibohana, ary tamin’izay dia nanampy tamin’ny fanomezana sakafo an’ireo olona fanampiny izay niantehitra raha ny mahazatra tamin’ny rafitra fanomezan-tsakafo izay voatery nakatona. Nila sakafo izy ireo, sakafo betsaka.

Tamin’ny voalohany dia nikasa hankany amin’ny tranon’ilay namako fotsiny aho ary hamela sakafo vitsivitsy fotsiny. Rehefa nandeha ny fotoana anefa dia nisy eritreritra tonga tao amiko. Ary maninona moa raha ataoko toerana fakana sakafo ny tranoko? Maninona raha hoe tsy mandray anjara amin’ilay hetsika fotsiny aho fa manangana ny “toerana hamatsiana azo antoka” avy amiko manokana ihany koa?

Namorona sary fampahafantarana nomerika ho an’ny fanapariahana aho. Nohamariniko tsara raha toa ka ara-dalàna ilay zavatra nataoko. Nanangona fitoeran-javatra vita amin’ny plastika aho ary nalahatro tao ivelan’ny vavahadiko izany. Dia tonga amin’izay ilay zavatra sarotra indrindra: ny fandefasana ilay sary fampahafantarana, miaraka amin’ny fangatahana fanampiana amin’ny alalan’ny WhatsApp (tambajotran-tserasera) amin’ireo mpifanolobodirindrina amiko.

Teo amin’ny 250 teo ny mpandray anjara ao amin’ilay vondrona ary fantatro fa ny sasany amin’izy ireo dia mety ho mpitsikera masiaka. Dia ahoana raha miady amiko izy ireo noho ny fandrosoako ny hialan’ny olona amin’ny tranony mba hametraka sakafo? Dia ahoana raha miampanga ahy izy ireo amin’ny fanaparitahana tsy nahy ilay tsimokaretina? Dia ahoana raha voan’ny Covid-19 noho izany ny iray amin’ireo zanako telo mbola kely? Raha ny marina dia tena raiki-tahotra tanteraka aho.

Rehefa avy namerina nanoratra ilay hafatra in-20 aho, tao anatin’ny fitaintainana, dia notsindriako ihany ny bokotra halefa ny farany. Minitra vitsy taorian’izay dia nandray hafatra avy tamin’olona tsy fantatra aho.

“Hahafaly anay ny hanomana boaty feno sakafo ho anao,” hoy izy. “Misaotra anao amin’ny fanaovana izao zavatra izao.”

Tsapako nanganohano indray ny masoko, efa indroa izay tao anatin’ireo andro vitsivitsy lasa.

Dia nanomboka fotoana fohy taorian’izay ny antso tamin’ny telefaonina. Misy ireo olona izay mbola tsy nihaona tamiko mihitsy fa naheno momba ilay tetikasa avy amina namana ka naniry ny hanampy. Ireo namana—teo an-toerana sy avy any ivelany—dia naniry ny handefa vola. Ny rahavavy iray tao amin’ny paroasiko dia nandefa kamiô iray avy amin’ny mpivarotra mpamongady akaiky azy. Ary toa tsy nety nifarana avy eo ny fandefasan’ireo olona tsy fantatra maro tamim-pahanginana ny varimbazaha, vary, ary sakafo amin’ny boaty teo ivelan’ny vavahadiko.

Tamin’ny farany dia nahavita nanangona vola sy fanomezana ara-tsakafo mitetina 100 000 Rand izahay. Ny rahavavy sasany tao amin’ny paroasiko dia nanjaitra arotava 150 vita amin’ny lamba. Tsy tokantrano iray no afaka nampianay fa telo. Fianakaviana an-jatony no nampiana tao anatin’ny fotoana tena mafy avy amin’ny fitambaran’ny ezaka kely be dia be. Noho ny fitaomana mafonja naterak’izany dia lasa nanangana fikambanana tsy miankina antsoina hoe Bubele (izay midika hoe hatsaram-panahay sy fahalalan-tanana amin’ny fiteny isiXhosa), manampy olona tsy an’asa amin’ny fanadiovana ny tanàna ary handray sakafo ho valin-kasasarana ny namako iray.

Inona no nampianarin’izany zavatra niainana izany tamiko? Nampianatra ahy ny fifandraisana masina eo amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana izany.

Ny fanaovana ilay dingan’ny finoana voalohany iny dia tena sarotra ary nampatahotra ahy tokoa. Inona anefa no vokany?

Fahatsapana fa ny Raintsika any An-danitra dia mahafantatra sy miraharaha ny zanany tsirairay avy. Fahatsapana fitiavana lehibe kokoa ho an’ireo olona tahaka ahy. Fahafahana nahita tsaratsara kokoa ny maha-izy azy ny olona nanodidina ahy. Fiantrana vao nitsiry, araka ny tena hevitr’ilay teny.

Ny tena mamy tao anatin’izany anefa dia ny fanantenana. Tsapako nanomboka nisinda ilay fahatsapana fahakiviana. Tsapako araka ny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland azy fa rehefa mampihatra finoana sy fahavononana aho dia afaka “manohy mandroso, manohy miaina,” ary indrindra indrindra, afaka “manohy mifaly”.1

Naoty

  1. Jereo Jeffrey R. Holland, “This, the Greatest of All Dispensations”, Liahona, Jolay 2007, 20.