2021
Lesona (sy sakafo) avy amin’ny zaridaina Shamba
Martsa 2021


FEON’NY MPIKAMBANA

Lesona (sy sakafo) avy amin’ny zaridaina Shamba

Rehefa mahomby ny olona dia milaza fotsiny hoe “Niainga tamin’ny tsy misy aho” saingy raha ny momba ilay zaridaina shamba kosa no resahina dia mahalaza azy kokoa raha hoe “Tsy misy no niaingana, fa be no nojinjaina.”

Nanoro hevitra antsika mpikambana ireo mpitarika ny Fiangonana fa tokony hikarakara zaridaina isika ao an-tokantranontsika. Vao tsy ela no nanaraka izany torohevitra izany ireo mpikambana ao amin’ny Paroasy Moutain View ao Nairobi any Kenya, ary rehefa nanatanteraka ny iraka nomen’ny evekany izy ireo dia niasa mafy mba hanorina zaridaina shamba (ny teny hoe -shamba- dia midika hoe -zaridaina- amin’ny teny Swahili). Nifanome tanana ireo mpikambana ao amin’ilay paroasy ary nampiasa ny fahaizan’izy ireo raha nanova ireo kirihitrala sy ireo hazo madinika ho lasa vokatra nahafa-po.

Nilaza ny rahalahy Michael Bahati fa naniry ny ampihatra ny fahaiza-manaony momba ny fambolena amin’ilay shamba foana izy, ary niteny izy fa tsy dia niraharahiana firy izany raha ny fitadidiany hatrizay. Nalain-drahalahy Bahati antoka fa nanokana fotoana ampy amin’ny fandavahana, ny fampiasana zezika, ny fanaovana grefy ary ny fandrantsanana izy. Nalahelo izy raha toa ka very ilay fijinjana izay tsy natao ho azy fotsiny ihany fa nangonina ho an’ny tombotsoan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ihany koa.

Namariparitra ireo ezaka nataon’ny Eveka Musaka ihany koa ireo teny ao amin’ny Jakôba 5:62, “Koa aoka isika handeha sy hiasa amin’ny herintsika. . . .” Nankany amin’ny Fiangonana izy nandritra ny faran’ny herinandro, namoritra ny tanan’akanjony ary niasa tamin’ny zotom-po tokoa. Fantany ireo mpikambany ary takany ny zavatra nilain’izy ireo, ka dia niara-niasa tamin’izy ireo izy. Satria ny eveka ihany no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona dia naka antoka izy mba tsy ho tavela any aoriana ireo mpisorona, ary nanasa azy ireo hiasa izy.

Anisan’ireo namaly ilay antso nataon’ny eveka ny Rahalahy Bonabol. Noraisiny ny andraikitra amin’ny fakana antoka fa ampy ny sakafo nomena ireo mpikambana. Noraisiny ho toy ny andraikiny ao amin’ny fisoronana ary notanterahiny tamim-boninahitra izany.

Nanao fanatanjahan-tena isa-maraina ny rahavavy Omondi amin’ny fihazakazana avy any an-tranony mankany Uthiru. Avy eo dia nieritreritra izy fa afaka ny hanao misimisy kokoa. Nifandray tamin’ny rahalahy Vidonyi izay nampahafantatra azy ny fisian’ny asa mila natao tao amin’ilay shamba izy. Izany no nampiova ny hazakazaka fanaony isa-maraina ho lasa avy any am-piasana mankany amin’ilay shamba.

Ho an’ireo mpikambana izay kely traikefa momba ny fambolena dia nampianatra azy ireo ny fomba fandavahana sy ny fiasana tany ny rahavavy Omondi. Nohazavainy toy izao ny traikefa nananany: “Tsy ninoako ny hanirian’ilay voanjo kanefa dia naniry izy ireo ary na dia tsy nivoaka araka ny tokony ho izy aza ireo voatabia dia naniry ihany izany.” Ny rahavavy Omondi no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fanondrahana ireo zavamaniry ka nianarany izany andraikitra izany ary nanao ny asany izy tao amin’ny anjara fanompoana nametrahana azy tamin’ny fankatoavana tanteraka.

Satria fahafahana nianatra koa izany ho an’ny rahalahy Omondi dia noraisiny izany fahafahana izany mba hampianarana ny hafa. Tsy vaovao taminy ilay tany tao amin’ny fiangonana ary fantany ireo zavamaniry afaka naniry tsara tao amin’ilay shamba.

Sahiran-tsaina tamin’ny aretina nahazo ny zanany vavy ny rahavavy Mahindi, saingy natoky tena izy fa afaka hanary dia azy ny shamba. Nahatsapa izy fa raha nifototra mafy amin’ny fiasana ao amin’ilay shamba izy dia hihatsara ny toe-javatra, ary dia tena nihatsara tokoa izany. Nandray fampiononana sy fiadanana izy rehefa sitrana ilay zanany vavy.

Nanome fahafahana ireo mpikambana mba hanondraka ireo zavamaniry ny evaka Mukasa. Naka antoka izy fa ampy ireo fantson-drano azo nampiasaina raha mbola niandry ny fahatongavan’ny famahazana rano izy ireo. Nofariparitany fa, “Raha mila rano ireo zavamaniry mba ho velona dia mila ny famahanana avy amin’ny soratra masina ihany koa ireo mpikambana.” Tsy afaka ny ho velona ireo zavamaniry raha tsy notondrahana mandritra ny iray andro ary dia toy izany ihany koa ireo mpikambana izay tsy tokony hamakivavaky ny tontolonandrony raha tsy efa nandalina ny soratra masina.

Nitondra naman’ny Fiangonana mba hiasa ao amin’ilay shamba ihany koa ireo misiônera. Tombontsoa ho an’ireo naman’ny fiangonana ny mandray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny no sady mandray sakafo avy amin’ilay zaridaina izay niasan’izy ireo.

Noho ny farany dia tonga ilay andro izay nampiharihary sy nampitondraka ireo valisoa. Nitondra vokany ny asa mafy nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Paroasy Mountain View. Tondraka ny sakafo, nanomboka amin’ireo akondro sy mobga ka hatrany amin’ny tsaramaso, ary hijinja katsaka izy ireo izao. Tena nazava fa tsy ny fandraisana valisoa teo no ho eo no tanjon’ireo mpikambana. Takatr’izy ireo fa tahaka ny fijinjana rehetra dia misy fitahiana sasantsany izay tsy tonga raha tsy efa aty aoriana, noho izany dia misafidy ny hanam-paharetana izy ireo eo am-piandrasana ireo voamanga sy ireo mangahazo.

Raha niasa tao amin’ilay shamba aho ary nahita ny fivoaran’izany dia nahatsikaritra fiovana tato anatiko. Raha tonga araka ny nirian’ilay Mpampianatra ilay hazo nofolahiny dia moa ve aho afaka hampandray anjara ny Tompo ary hamela Azy hitarika ahy hahatratra ny hery anatiko ary hiaina araka ireo tombontsoa raisiko? My Ny lesona noraisiko avy amin’ilay shamba dia hoe “Eny!” tsy am-pisalasalana.

Mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny Paroasy Mountain View ao amin’ny Tsatòkan’i Nairobi andrefana i Marc Otieno.