Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Aogôsitra: Maheno sy Mamaly ny Vavaka ataontsika ny Ray any an-danitra


Aogôsitra

Maheno sy Mamaly ny Vavaka ataontsika ny Ray any an-danitra

“Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ ny tanana sy hanome anao ny valin’ ny fivavakao” (F&F 112:10).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Mampianatra ny fomba fivavaka ny soratra masina.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Hazony ambony ny soratra masina ary angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny sasany amin’ ireo zavatra ianarantsika ao amin’ ny soratra masina. Lazao ny ankizy fa ny iray amin’ ireo zavatra izay azontsika ianarana ao amin’ ny soratra masina dia ny fomba fivavaka.

Sary
ankizy mivavaka

Ny ankizy tenany ihany dia efa afaka ny ho mahomby ary azo atao zavatra manaitra jeren’ ny maso. Ao amin’ ity asa atao ity dia manana fahafahana hampiseho ny fomba fivavaka marina ny ankizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara iray ao amin’ ny soratra masina): Tantarao ny tantaran’ i Almà sy Amioleka mampianatra ny Zôramita (jereo ny Almà 31; 33–34). Asao ny ankizy hampiseho amin’ ny alalan’ ny fihetsika ny fomba fivavaka marina. Anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ ilay tantara mikasika ny vavaka. Tanisao eo amin’ ny solaitrabe ny valinteny omen’ ny ankizy. Asao ny ankizy hiresaka momba ny fomba iantefan’ ilay tantara amin’ izy ireo.

Herinandro 2: Tian’ ny Ray any an-danitra aho hivavaka Aminy matetika—na amin’ ny fotoana inona, na aiza na aiza.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Lazao ny ankizy fa afaka mivavaka amin’ ny Ray any an-danitra izy ireo na amin’ ny fotoana inona ary na aiza na aiza. Asaivo jeren’ izy ireo ny Almà 33:3–9. Iaraho mamaky ny soratra masina ary asaivo manangana ny tanany ny ankizy isaky ny maheno toerana iray nivavahan’ i Zenôsa izy ireo. Soraty eo amin’ ny solaitrabe ireo toerana ireo. Ampio ny ankizy hahatakatra hoe inona no ho dikan’ ireo toerana ireo ho azy ireo ankehitriny amin’ ny alalan’ ny fanaovana taratasy lavalava ahitana ny zavatra mitovy amin’ izy ireo amin’ izao fotoana izao (ohatra, toerana iray izay nahatsapanao ho very sy irery ho an’ ny “tany foana”; tokontany na toeram-pilalaovana na toerana malalaka ao afovoan-tanàna ilalaovana sy handehandehanana ho an’ ny “saha”; ary ny toeram-pianarantsika sy toeram-pivoriantsika any am-piangonana ho an’ ny “fiangonana”). Angataho ny ankizy mba hampifandray ireo taratasy lavalava misy teny amin’ ireo teny mifanaraka amin’ izany eny amin’ ny solaitrabe.

Sary
ankizy mamaly fanontaniana

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mifanakalo hevitra momba ny vavaka): Zarao ho vondrona ny ankizy ary angataho izy ireo mba hizara ny zavatra niainany rehefa nivavaka tany amin’ ireo toerana nolazain’ i Zenôsa izy ireo.

Sary
ankizy mijery ny solaitrabe

Ampahafantaro mazava tsara ny fotopampianarana izay hianaran’ ny ankizy isan-kerinandro. Asao izy ireo mba hilaza izany miaraka aminao any am-piantombohan’ ny fotoana ifanakalozana.

Herinandro 3 sy 4: Tonga amin’ ny fomba maro avy any amin’ ny Ray any an-danitra ny valim-bavaka.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (milalao kilalao): Alohan’ ny fiantombohan’ ny fotoan’ ny Kilonga dia soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Tonga amin’ ny fomba maro avy any amin’ ny Ray any an-danitra ny valim-bavaka,” ary sarony amin’ ny tapa-taratasy misaraka tsara ny teny tsirairay. Asaivo manala tapa-taratasy iray ny ankizy iray ary angataho ny ankizy mba hamantatra hoe inona ilay fehezanteny. Avereno izany mandrapahafantatry ny ankizy an’ ilay fehezanteny ary angataho izy ireo mba hiaraka hamaky izany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Lazao ny ankizy fa nivavaka i Joseph Smith mba hahalala hoe iza no fiangonana tokony hidirana. Iaraho mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:17 mba hahitana ny fomba namaliana ny vavaka nataony (tamin’ ny alalan’ ny fitsidihana nataon’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy). Lazao ny ankizy fa nivavaka i Almà mba hahafantaran’ i Almà Zandriny zanany lahy ny fahamarinana. Iaraho mamaky ny Môsià 27:11 mba hahitana ny fomba namaliana ny vavaka nataon’ i Almà (nisy anjely iray niseho tamin’ i Almà Zandriny). Hazavao fa tonga amin’ ny fomba hafa ny ankamaroan’ ny valim-bavaka. Soraty amin’ ny taratasy misaratsaraka ireto soratra masina manaraka ireto izay mamaritra fomba mety hamaliana ny vavaka: F&F 6:22–23 (amin’ ny alalan’ ny fahatsapana fiadanana); F&F 8:2 (amin’ ny alalan’ ny eritreritra ao an-tsainao sy amin’ ny alalan’ ny fahatsapana ao am-ponao); Môsià 27:36 (amin’ ny alalan’ ny zavatra ataon’ ny olona hafa); ary ny 2 Nefia 32:3 (amin’ ny alalan’ ny soratra masina). Ataovy anaty fitoeran-javatra ireo taratasy kely ireo. Asaivo misintona iray ny ankizy anankiray ary mamaky izany. Jereo ilay andinin-tsoratra masina ary vakio miaraka izany dia anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ ny soratra masina tsirairay mikasika ny famalian’ ny Ray any an-danitra ny vavaka.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara): Manasà vahiny efatra mba hizara tantara izay maneho ny iray amin’ ireo fomba hamaliana ny vavaka. Azo sintonina avy amin’ ny zavatra niainan’ ny tena manokana na avy ao amin’ ny Gazetibokin’ ny Fiangonana na soratra masina ireo ohatra. Asao ny ankizy hanontany ny fianakaviany any an-trano mikasika ireo fotoana izay namaliana ny vavaka nataon’ izy ireo.

Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira

Mba hanampiana ny ankizy hianatra ny “La prière d’ un enfant” (CPE, 6) dia diniho ity manaraka ity:

  • Angataho ny ankizy mba haka sary an-tsaina hoe lavitra ny fianakaviany izy ireo nandritra ny fotoana ela ary farany tafody amin’ izay. Nanokatra ny varavarana izy ireo ary voahodidin’ ny fankaherezana sy fitiavana. Hazavao fa ny vavaka dia toy ny manokatra ny varavarana amin’ ny Ray any an-danitra. Tena eo Izy hankahery sy hitia antsika ary te-hihaino sy hamaly ny vavaky ny ankizy rehetra izy.

  • Angataho ny ankizy hihaino ny teny hoe: “là” sy “prier” rehefa mihira ny andalana roa voalohan’ ny “la prière d’ un enfant” ianao. Asaivo kasihan’ ny ankizy ny sofiny rehefa maheno ireo teny ireo izy ireo. Asao izy ireo mba hihira ireo andalana ireo miaraka aminao. Tohizo ny ambin’ ny hira ary asaivo henoin’ ny ankizy ireo teny miady rima isaky ny andalana.

  • Hirao ny andininy faharoa ka andian-teny iray isaky ny mandeha no hirao dia angataho ny ankizy hamerina andian-teny tsirairay rehefa manondro azy ireo ianao. Dia zarao ho vondrona roa ny ankizy ary angataho ny vondrona tsirairay mba hihira ny ampahany voalohan’ ny fehezanteny (ohatra, “Prie”) ary ilay vondrona iray hafa mamarana ilay fehezanteny (“il est là”). Asao ny ankizy rehetra mba hitsangana hihira ny hoe : “Il dit que les enfants sont les plus grands au Royaume des Cieux.”

Sary
ankizy mihira