Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Ôktôbra: Hizara ny Filazantsara amin’ ny Zanak’ Andriamanitra Rehetra Aho


Ôktôbra

Hizara ny Filazantsara amin’ ny Zanak’ Andriamanitra Rehetra Aho

“Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra” (Matio 5:16).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Manampy ahy ho misiônera amin’ izao fotoana izao ny fiainana ny filazantsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino tantara iray): Mampisehoa sary iray ahitana misiônera. Anontanio ny ankizy ny zavatra ataon’ ny misiônera. Zarao ity tantara manaraka ity na tantara iray avy ao amin’ ny L’ Ami na ny Liahona: “Indray andro ny misiônera nandondona teo amin’ ny varavaran’ ny trano iray. Vehivavy iray nantsoina hoe Ramatoa Voahangy no nanokatra ny varavarana. Nilaza taminy ireo misiônera fa avy amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Nasain-dramatoa Voahangy niditra ny misiônera ary nilaza tamin’ izy ireo izy fa te-hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana. … Nolazain-dramatoa Voahangy ireo misiônera fa efa nipetraka teo akaikin’ ny fianakaviana iray izay mpikamban’ ny Fiangonana izy. Nilaza izy fa nahalala fomba sy tsara fanahy foana ireo ankizy tao amin’ izany fianakaviana izany. Nilalao tsara tamin’ ny olona rehetra izy ireo ary nanaja ny fananan’ ny hafa. Nilaza Ramatoa Voahangy fa izy dia te hahalala bebe kokoa momba ilay fiangonana izay nampianatra ireo ankizy ireo ho mpifanolobodirindrina nahafinaritra” (Kilonga 2, 52). Anontanio hoe: “Ahoana no nahatonga ireo ankizy nifanolobodirindrina tamin-dramatoa Voahangy ho misiônera?” Hazavao fa isaky ny miaina ny filazantsara isika dia misiônera. Asao ny ankizy hiaraka hiteny aminao hoe: “Manampy ahy ho misiônera amin’ izao fotoana izao ny fiainana ny filazantsara” ka hamafiso ny teny hoe: amin’ izao fotoana izao.

Herinandro 2: Manampy ahy ho misiônera amin’ izao fotoana izao ny fiainana ny filazantsara.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira iray ary mifanakalo hevitra mikasika ireo fitsipiky ny filazantsara): Manaova karatra 13 ka soraty eo amin’ ny tsirairay amin’ izany ny iray amin’ ireo “Mes Principes de l’ Évangile” (jereo ny “Sharing Time: Keep the Commandments,” Friend, Jiona 2006, 36). Zarao amin’ ireo ankizy ny sasany amin’ ireo karatra ary asaivo ampitampitain’ izy ireo eo amin’ ny izy samy izy ireo karatra rehefa mihira ny “Je voudrais déja partir en mission” (CPE, 90) ny rehetra. Rehefa tapitra ilay hira dia asaivo mamaky mafy an’ ilay fitsipika ny ankizy tsirairay izay manana karatra, dia asaivo mizara ny fomba hanampian’ ny fiainana ny fitsipika azy ho misiônera amin’ izao fotoana izao. Avereno izany amin’ ny alalan’ ny fampiasana karatra samihafa isaky ny mandeha.

Sary
ankizy mihira

Ny fihirana mikasika ny fotopampianarana iray dia manampy ireo ankizy hianatra sy hahatadidy izany. Ny ankizy koa dia mora mahay kokoa rehefa mahita fitaovana misarika ny maso na manao asa izay mifandray amin’ ilay hira.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mametraka tanjona): Angataho ny ankizy tsirairay mba hisafidy fitsipiky ny filazantsara iray izay ho ezahin’ izy ireo hiainana tsara kokoa amin’ ny herinandro manaraka. Asaivo soratany na ataony sary eo amin’ ny taratasy iray ilay fitsipika ary asaivo mijery izany isan’ andro izy ireo ho toy ny mpampahatsiahy. Asao izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra niainany amin’ ny herinandro ambony ao amin’ ny Kilonga.

Herinandro 3: Afaka mizara ny filazantsara amin’ ny fianakaviako sy ny namako aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihaino tantara): Alohan’ ny fotoan’ ny Kilonga dia vakio ny lahateny nataon’ ny Loholona Robert C. Oaks tamin’ ny volana Ôktôbra 2000, “Sharing the Gospel” (jereo ny Ensign, Nôv. 2000, 81–82). Tantarao ny tantaran’ ilay ranom-boasary. Hazavao fa ny filazantsara dia mamy lavitra noho ny ranom-boasary ary tokony hozaraintsika amin’ ny hafa izany. Asaivo miteny ny ankizy hoe: “Afaka mizara ny filazantsara amin’ ny namako sy ny fianakaviako aho.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino vahiny iray nasaina hiresaka): Manasà misiônera iray na misiônera vao nahavita ny asa fitoriany mba hiresaka momba ireo fomba ahafahan’ ny ankizy mizara amin’ ny hafa ny filazantsara (toy ny hoe maneho ohatra tsara, manasa namana ho ao amin’ ny Kilonga, ary mizara ny fijoroany ho vavolombelona) ary ny fanampiana azon’ ny Ray any an-danitra sy ny misiônera noho ny ezaka atao eo amin’ ny fizarana ny filazantsara.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino tantara iray ary mizara hevitra): Ampahatsiahivo ny ankizy fa afaka ny ho misiônera izy ireo amin’ izao fotoana izao. Zarao ny mikasika ny fotoana iray izay nizaranao na nizaran’ ny olona iray fantatrao ny filazantsara. Asaivo mitsangana tsirairay ny ankizy ary milaza teny iray avy ao amin’ ilay fehezanteny hoe: “afaka mizara ny filazantsara aho” ny tsirairay. Asao ilay ankizy miteny hoe: “filazantsara” mba hieritreritra fomba iray ahafahany mizara ny filazantsara amin’ ny fianakaviana na namana. Averimbereno izany araka ny fisian’ ny fotoana.

Herinandro 4: Matanjaka ny fijoroako ho vavolombelona rehefa mizara ny filazantsara aho.

Sary
tavoara misy rano ary fandokoana sakafo

Ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana dia miteraka fahalianana ary mampifantoka ny sain’ ny ankizy amin’ ny fitsipiky ny filazantsara iray.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana): Fenoy rano ny tavoara mangarahara iray. Hazavao fa isaky ny mizara ny filazantsara isika dia mihamatanjaka ny fijoroantsika ho vavolombelona. Asio fandokoana sakafo indray mitete ilay tavoara. Manomeza ohatra vitsivitsy mikasika ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara, ka asio an’ ilay fandokoana sakafo indray mitete iny ihany isaky ohatra tsirairay. Hamafiso fa toy ny mampisongadina tsara hatrany ny lokon’ ilay fandokoana sakafo isaky ny asiana indray mitete no mampatanjaka hatrany ny fijoroantsika ho vavolombelona isaky ny mizara ny filazantsara isika.

Sary
solaitrabe

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ireo fijoroana ho vavolombelona): Asio an’ ireto zavatra manaraka ireto ao anatin’ ny harona iray: sarin’ i Jesoa Kristy, sarin’ i Joseph Smith, sarin’ ny mpaminany amin’ izao fotoana izao, Bokin’ i Môrmôna ary ireo teny hoe “Fiangonana marina.” Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny teny hoe fijoroana ho vavolombelona ary anontanio ny ankizy ny dikan’ ny hoe fijoroana ho vavolombelona. Ifanakalozy hevitra ny valintenin’ izy ireo. Tantarao ity tantara manaraka ity: “Nisy ankizivavy iray natahotra hizara ny fijoroany ho vavolombelona satria tsy dia natoky loatra ny zavatra tsapany izy. Saingy fantany fa zava-dehibe izany, ka indray andro dia nitsangana tamin-kerimpo izy ary nizara ny fijoroany ho vavolombelona ka nitanisa zavatra dimy izay ninoany. Rehefa nahavita izany izy dia nahatsapa zavatra tsara ary nahafantatra fa lasa nihamatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona.” Asaivo tadiavin’ ny ankizy ireo zavatra dimy izay nananany fijoroany ho vavolombelona amin’ ny alalan’ ny fisintonana ireo zavatra avy ao amin’ ilay harona nomaninao. Ifanakalozy hevitra ny mikasika ny zavatra tsirairay ary asehoy eny aloha izy ireo.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara ohatra): Avelao ny ankizy tsirairay mba hizara ohatra iray mikasika ny fomba ahafahany mizara ny filazantsara. Isaky ny milaza zavatra ny ankizy iray dia ampio fandokoana sakafo indray mitete ao anatin’ ilay tavoara misy rano mba hampisehoana fa afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ny filazantsara. (Raha toa ka maro ny ankizy ao amin’ ny Kilonganao dia azonao atao ny manao izany ao anatin’ ny vondrona mba hananan’ ny ankizy tsirairay fahafahana mizara ny heviny.)