Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Jiona: Hanaraka ny Drafitry ny Ray any an-danitra aho amin’ ny alalan’ ny Fanaovana Batisa sy Fandraisana ho Mpikambana


Jiona

Hanaraka ny Drafitry ny Ray any an-danitra aho amin’ ny alalan’ ny Fanaovana Batisa sy Fandraisana ho Mpikambana

“Mankanesa atỳ Amiko, ka aoka atao batisa amin’ ny anarako mba hahazoanareo mandray ny famelana ny fahotanareo, ary hofenoina amin’ ny Fanahy Masina ianareo” (3 Nefia 30:2).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Hanaraka an’ i Jesoa Kristy aho amin’ ny alalan’ ny fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana ary amin’ ny alalan’ ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ ny batisa.

Alohan’ ny fotoan’ ny Kilonga dia maneteza dian-tongotra roa lehibe eo amin’ ny taratasy miloko samy hafa. Soraty eo amin’ ny anankiray ny hoe: “atao batisa sy raisina ho mpikambana” ary eo amin’ ilay iray hafa “ary mitandrina ny fanekempihavanan’ ny batisa.” Manomàna dian-tongotra kely maro amin’ ireo loko roa ireo. Soraty eo amin’ ny dian-tongotra tsirairain’ ilay loko voalohany ny iray amin’ ireto manaraka ireto: 8 taona, mibebaka, dinidinika miaraka amin’ ny eveka, batisa asitrika, fahefan’ ny fisoronana, fanekempihavanana, akanjo fotsy, Fanahy Masina. Manorata iray amin’ ireo fitsipika avy ao amin’ ny “Mes Principes de l’ Évangile” eo amin’ ny dian-tongotra kely tsirairain’ ny loko faharoa. Apetrapetraho manerana ny efitrano eny fotsiny ireo dian-tongotra kely ireo.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe “Hanaraka an’ i Jesoa Kristy aho amin’ ny alalan’ ny …” Apetraho iray isaky ny mandeha eo amin’ ny solaitrabe ireo dian-tongotra lehibe ary vakio miaraka izy ireo. Hazavao fa dingana ilaina ireo zavatra ireo ao anatin’ ny drafitry ny Ray any an-danitra. Raha ilaina dia ampio ny ankizy hahatakatra ny dikan’ ny hoe fanekempihavanan’ ny batisa.

Sary
solaitrabe

Misy dian-tongotra ao amin’ ny sharingtime.lds.org

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao fampifandraisana sary): Mangataha ankizy iray mba hitady ny iray amin’ ireo dian-tongotry ny loko voalohany. Angataho izy mba hamaky ilay teny na fehezanteny eo amin’ ilay dian-tongotra ary hametraka izany eo amin’ ny solaitrabe eo ambanin’ ilay dian-tongotra lehibe efa mifandray. Anontanio ny ankizy hoe inona no ifandraisan’ izany amin’ ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Avereno izany miaraka amin’ ireo dian-tongotry ny loko voalohany rehetra.

Mangataha ankizy iray mba hitady dian-tongotra irain’ ny loko faharoa. Angataho izy mba hamaky ilay teny na fehezanteny eo amin’ ilay dian-tongotra ary hametraka izany eo amin’ ny solaitrabe eo ambanin’ ilay dian-tongotra lehibe efa mifandray. Resaho ny fomba hanampian’ ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara voatanisa eo amin’ ilay dian-tongotra an’ ireo ankizy mba hitandrina ny fanekempihavanany tamin’ ny batisa. Avereno atao izany miaraka amin’ ireo dian-tongotra hafa.

Herinandro 2: Raha miaina amim-pahamendrehana aho dia hanampy ahy hisafidy ny tsara ny Fanahy Masina.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira iray): Anontanio an’ ireo ankizy ilay fanomezana omena antsika rehefa vita batisa isika. Hirao ny andininy faharoan’ ny “Le Saint-Esprit” (CPE, 56). Alohan’ ny hihiranareo dia angataho ny ankizy mba hihaino ny valin’ ity fanontaniana manaraka ity: Ampian’ ny Fanahy Masina manao inona isika? Ampio ny ankizy hahatakatra fa ilay feo tony sy malefaka dia ny Fanahy Masina ary manampy antsika hisafidy ny tsara Izy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mijery lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana: Hazavao fa isika dia mila mianatra mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny fandinihina tsara ny eritreritra ao an-tsaintsika sy ny zavatra tsapantsika ao am-pontsika (jereo ny F&F 8:2). Asaivo ataon’ ny ankizy iray ao anatin’ ny vera iray ny vola madinika iray ary asaivo ahontsankontsany. Avelao ny ankizy hahita tsara fa afaka maheno mazava tsara ilay feo izy ireo. Asaivo asian’ ny ankizy imbetsaka vovoka na vary na fasika eran’ ny sotro lehibe na vohavohan-dandihazo ao anatin’ ilay tavoara. Isaky ny mandefa iray sotro dia asaivo ahontsankotsan’ ilay ankizy indray izany ary avelao ny ankizy hilaza ny fiantraikan’ izany eo amin’ ilay feo. Tohizo ny fanampiana izany amin’ ilay zavatra atao mameno ny sotro lehibe mandrapahatonga ny ankizy tsy haheno ilay vola madinika intsony. Ampitahao amin’ ny fahasahiranana eo amin’ ny fihainoana ny Fanahy masina izany rehefa feno zavatra mahavariana na fahotana ny fiainantsika. Esory ny ao anatin’ ilay tavoara ary asehoy fa azo henoina mazava tsara indray ilay vola madinika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fitandremana ny didy sy ny fibebahana amin’ ny fahotantsika dia manampy antsika haheno ny Fanahy Masina.

Sary
ankizy manontsankontsana an’ ilay tavoara misy vovoka

Ny fampifandraisana ny fotopampianarana iray amin’ ny fitaovana jeren’ ny maso dia hanampy ny ankizy hahatsiaro ilay lesona nampianarina.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara hevitra): Zarao ho vondrona vitsivitsy ny ankizy ary asaivo mampiampitapita zavatra kely iray ny vondrona tsirairay rehefa mihira na milaza ny tonon’ ny “Le Saint-Esprit” ianao. Mijanonà tampoka ary asaivo miteny zavatra iray azon’ izy ireo atao mba handrenesana mazava kokoa ny Fanahy Masina ny ankizy tsirairay izay mihazona zavatra iray. Farano amin’ ny alalan’ ny fihirana miaraka ny “Le Saint-Esprit” izany.

Herinandro 3: Rehefa mandray ny Fanasan’ ny Tompo aho dia manavao ny fanekempihavanana nataoko tamin’ ny batisako.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary): Mampisehoa sarin’ ny batisa iray ary sarin’ ny fanasan’ ny Tompo iray, dia anontanio hoe inona no ifandraisan’ ireo sary roa ireo. Ampahatsiahivo ny ankizy fa manao fanekempihavanana amin’ ny Ray any an-danitra isika rehefa atao batisa ary hazavao fa rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo isika dia manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ ny batisa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino sy mifanakalo hevitra): Asao ny ankizy mba hanondro ny tenany na ny lanitra mba hamantarana hoe iza no manao fampanantenana rehefa mamaky ireto teny manaraka avy ao amin’ ny vavaky ny fanasan’ ny Tompo ireto ianao (jereo ny F&F 20:77): “ny hitondra ny anaran’ ny Zanakao”; “ny hahatsiaro Azy mandrakariva”; “ny hitandrina ny didiny”; “mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy.” Ifanakalozy hevitra ny dikan’ ny fehezanteny tsirairay.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao fihetsika): Angataho ny ankizy mba hieritreritra fihetsika iray azo atao mba hampahatsiahy azy ireo ny lafiny tsirairay ao amin’ ilay fanekempihavanana izay henontsika ao anatin’ ny vavaky ny fanasan’ ny Tompo, toy ny mametraka ny tanan’ izy ireo eo amin’ ny fony (ny hitondra ny anaran’ ny Zanakao); manondro ny handriny (ny hahatsiaro Azy mandrakariva); manokatra ny tanany toy ny boky (ny hitandrina ny didiny); mamihina ny tenany amin’ ny sandriny ihany (mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy). Avereno imbetsaka miaraka amin’ ireo fihetsika ireo fampanantenana efatra ireo. Amporisiho ny ankizy mba hamerina ireo fihetsika ireo ao an-tsainy rehefa maheno ny vavaky ny fanasan’ ny Tompo izy ireo.

Sary
manao fihetsika ny ankizy

Herinandro 4: Rehefa mibebaka aho dia afaka ny ho voavela.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mandahatra teny): Angataho ny ankizy hanazava ny dikan’ ny teny hoe mibebaka sy mamela heloka. Omeo valopy iray ny ankizy ao amin’ ny kilasy tsirairay ka ahitana ireto teny manaraka ireto ao anatin’ izany izay misoratra amin’ ny tapa-taratasy misaratsaraka: Rehefa, mibebaka, aho, dia, afaka, ny, ho, voavela. Asao ny kilasy tsirairay mba handamina ny teny tsirairay araky ny filaharany marina. Rehefa nahavita izany izy ireo dia asaivo miaraka mamerina ilay fehezanteny ny ankizy rehetra.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (milalao an-tsehatra ny tantara iray ao amin’ ny soratra masina): Tantarao amin’ ny alalan’ ny fampiasanao ny teninao manokana ny tantaran’ ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15:11–24) ka mampiasà fihetsika maro arak’ izay vita (ohatra, atsangano ny rantsantanana roa mba hanehoana ireo zanakalahy roa ary safosafoy ny ambavafonao mba hanehoana ny hanoanana). Asao ny ankizy mba hihaino ilay tantara ary haka tahaka amim-pahanginana ny fihetsika ataonao. Mampisehoa sary iray maneho an’ ilay zanaka adala ary anontanio hoe inona no mampitovy an’ ilay ray ao anatin’ ny tantara amin’ ny Raintsika any an-danitra. Hazavao fa toy ilay ray dia tia antsika koa ny Raintsika any an-danitra ary tiany hiverina any Aminy isika. Hamela ny zavatra tsy mety rehetra ataontsika Izy raha toa ka mibebaka isika.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mamaky soratra masina): Manasa ankizy iray hamaky ny Môsià 26:30. Angataho ny ankizy mba hihaino hoe impiry no azo avela heloka ny olona iray. Asao izy ireo mba hieritreritra amim-pahanginana momba ny zavatra ho ataony rehefa manao zavatra tsy mety izy amin’ ny manaraka.