Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Jolay: Tafiditra ao anatin’ ny Drafitry ny Ray any an-danitra ny Fianakaviana


Jolay

Tafiditra ao anatin’ ny Drafitry ny Ray any an-danitra ny Fianakaviana

“Ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra” (Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao tontolo izao,” andinin-tsoratra faha-7).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nandrindra ny hahatongavako ao anatin’ ny fianakaviana iray ny Ray any an-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asehoy ny ankizy ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao tontolo izao,” ary hazavao fa izany dia mampianatra fa ny drafitry ny Ray any an-danitra dia ny hahatongavan’ ny zanany eto an-tany ao anatin’ ny fianakaviana.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mijery sary): Zarao ho vondrona vitsivitsy ny ankizy ary omeo sarin’ ny fianakaviana iray ny vondrona tsirairay (ohatra, i Adama sy i Eva mampianatra ny zanany [BMSMF, lah. 5], I Kristy mamelona ny zanakavavin’ i Jaïro [BMSMF, lah. 41], Ny fianakavian’ i Lehia tonga tany amin’ ny tany nampanantenaina [BMSMF, lah. 71], ary Fianakaviana iray mivavaka [BMSMF, lah. 112]). Asao ny vondrona tsirairay mba hitady ireo olona ao amin’ ny fianakaviana ao anatin’ ny sariny. Asaivo mampiseho amin’ ny ankizy ambiny ny sariny ny vondrona tsirairay ary manondro ny ray sy ny reny ary ny zanaka. Angataho ny ankizy mba hampiseho amin’ ny alalan’ ny rantsantanany hoe firy ny isan’ ny olona ao amin’ ny fianakaviany manokana. Lazao izy ireo fa tafiditra ao anatin’ ny drafitry ny Ray any an-danitra ny fianakaviany.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Angataho ny ankizilahy mba hitsangana. Hazavao fa afaka ny ho tonga rain’ ny fianakaviana marina iray izy ireo indray andro any. Manasa ankizilahy vitsivitsy mba hilaza zavatra mety ho ataony mba hahatonga azy ireo ho ray tsara. Angataho ny ankizivavy hitsangana ary hazavao fa afaka ny ho renin’ ny fianakaviana marina iray izy ireo. Angataho ny vitsivitsy amin’ izy ireo mba hilaza zavatra mety ho ataony mba hahatonga azy ireo ho reny tsara. Asao ny ankizy hizara zavatra izay azon’ izy ireo atao mba hitondrana fifaliana eo amin’ ilay fianakaviana izay ananan’ izy ireo izao.

Sary
ankizy mihazona sary

Hianatra zavatra tsara kokoa ny ankizy ary hahatadidy zavatra ela kokoa rehefa maneho hevitra amin’ ny alalan’ ny fampiasana sary sy fitaovana hafa jeren’ ny maso ianao.

Herinandro 2: Afaka manamafy orina ny fianakaviana ny vavaky ny mpianakavy, sy ny fandalinan’ ny fianakaviana ny soratra masina, ary ny takarivan’ ny mpianakavy.

Sary
ankizy mihazona fehezan-kazo kely iray

Azo atao ny mampiasa lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana mba hahaliana na hampifantoka ireo ankizy na hampahafantarana fitsipika iray ao amin’ ny filazantsara.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra (mijery lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana): Asaivo mihazona fehezan-kazo kely iray ny ankizy iray. Hazavao fa ireo hazo kely ireo dia maneho an’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviana. Soraty eo amin’ ny taratasy lavalava anankitelo ny teny hoe “fiaraha-mivavaky ny mpianakavy,” “fandalinan’ ny fianakaviana ny soratra masina,” ary ny “takarivan’ ny mpianakavy.” Anontanio ny ankizy hoe amin’ ny fomba ahoana no hanamafisan’ ireo zavatra ireo orina ny fianakaviana na hihazonan’ izany azy ireo mba hiaraka. Asao ny ankizy mba hamono an’ ireo hazo kely amin’ ny alalan’ ireo taratasy ireo. Hazavao fa ireo zavatra atao ireo dia manasa ny Fanahy ao an-tokantranontsika sy eo amin’ ny fiainantsika ary mampanakaiky antsika kokoa amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy izay mahatonga ny fianakaviantsika hatanjaka kokoa.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao sary): Omeo tapa-taratasy ny ankizy ary asao izy ireo mba hanao sary ny zavatra nataon’ izy ireo niaraka tamin’ ny fianakaviany ka nanamafy orina azy ireo. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ ireo fianakaviany any an-trano izay zavatra nataony sary.

Herinandro 3: Afaka mitahy sy manamafy orina ny fianakaviako ny fisoronana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao ankamantatra): Lazao ny ankizy fa hanome fanazavan-dalana azy ireo ianao mikasika ireo zavatra izay mitahy sy manamafy orina ny fianakaviana. Asaivo manangana ny tanany izy ireo rehefa mahafantatra ilay valiny. Manomeza fanazavan-dalana momba ny fisoronana toy ny hoe: “Ny ray izay manana izany dia afaka mitsodrano ny fianakaviany” ary ny “Ankizilahy izay 12 taona no afaka mandray azy.” Rehefa avy nahita ny valiny marina ny ankizy dia asaivo miara-miteny hoe: “Afaka mitahy sy manamafy orina ny fianakaviako ny fisoronana.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ny fisoronana): Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra vitsivitsy izay azon’ ny mpihazona fisoronana atao (ohatra, manao batisa, manome fanomezana ny Fanahy masina, mitsodrano ny marary ary mizara ny fanasan’ ny Tompo). Asehoy ny sarin’ ireo ôrdônansy sy tsodrano ireo rehefa miresaka momba azy ireo ianao, ary ampio ny ankizy hahatakatra ny fitahian’ izany ny fianakaviana ary ny fanamafisan’ izany orina azy. Asehoy ny sarin’ ny tempoly iray. Hazavao fa ny iray amin’ ireo fitahiana lehibe indrindran’ ny fisoronana dia ny fanomezan’ izany fahafahana handeha ho any amin’ ny tempoly ary hofehezina miaraka mandrakizay amin’ ny fianakaviana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara hevitra): Manasa ankizy maro mba hitsangana sy hizara fomba iray na roa izay nitahian’ ny fisoronana ny fianakaviany ary nanamafisany orina azy. Amporisiho izy ireo hizara ny hevitr’ izy ireo amin’ ny fianakaviany any an-trano.

Herinandro 4: Tian’ ny Ray any an-danitra aho mba hanambady any amin’ ny tempoly ary hanana fianakaviana mandrakizay.

Ampahafantaro ny fotopampiarana (mijery sary iray): Mampisehoa sarin’ ny mpivady iray mijoro eo anoloan’ ny tempoly miaraka amin’ ny akanjo mariaziny. Anontanio an’ ireo ankizy hoe nahoana no tian’ ny Ray any an-danitra hanambady any amin’ ny tempoly isika. Hazavao fa rehefa manambady any amin’ ny tempoly isika dia afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviantsika.

Sary
mpivady mihazona sary irain’ ny fanambadiany

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihaino fijoroana ho vavolombelona): Manasa mpampianatra vitsivitsy ka ahitana mpivady koa izany mba hizara ireo fitahiana voarain’ izy ireo noho ny tempoly sy ny fanambadiana tany amin’ ny tempoly. Angataho ireo ankizy mba hihaino ireo fitahiana manokana rehefa mizara ny heviny ireo mpampianatra. Tanisao eo amin’ ny solaitrabe ireo fitahiana ireo.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana: Mangataha ankizy vitsivitsy mba hitsangana sy hizara ny antony hitiavan’ izy ireo hanambady any amin’ ny tempoly ary hizara ny zavatra azon’ izy ireo atao mba hiomanana amin’ izany fitahiana izany.