Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Nôvambra: Mila Misaotra an’ Andriamanitra amin’ ny Zavatra Rehetra Isika


Nôvambra

Mila Misaotra an’ Andriamanitra amin’ ny Zavatra Rehetra Isika

“Nandidy azy izy… ny hanaterany fisaorana isan’ andro ho an’ ny Tompo Andriamaniny” (Môsià 18:23).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Feno fankasitrahana aho noho ny vatako ary fantatro fa tempoly izany.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary sy mamaky soratra masina iray): Mampisehoa sarin’ ny ankizy iray ary sarin’ ny tempoly iray. Vakio mafy miaraka ny 1 Korintiana 3:16. Anontanio hoe: “Inona no ianarantsika mikasika ny vatantsika avy amin’ io soratra masina io?” Soraty eo amin’ ny solaitrabe hoe “tempoly ny vatako.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Ifanakalozy hevitra ireo fomba izay anehoantsika amin’ ny Raintsika any an-danitra fa feno fankasitrahana ny vatantsika isika. Ohatra mikarakara azy ireo isika ary manao izay hampadio azy. Hazavao fa ireo mpaminany dia nanoro hevitra antsika mba hikarakara ny vatantsika amin’ ny alalan’ ny tsy fifohana sigara na amin’ ny alalan’ ny tsy fandraisana toaka na fanafody tsy ara-dalàna na amin’ ny alalan’ ny tsy fanasiana tombokavatsa. Zarao ho vondrona vitsivitsy ny ankizy ary angataho ny vondrona tsirairay mba hamaky ny iray amin’ ireto soratra masina manaraka ireto na mihoatra an’ izany ary hifanakalo hevitra momba izany: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124; 89:7, 8, 9, 10–11, 12, 16–17. Asao ny vondrona tsirairay mba hizara ny zavatra nianarany avy tao amin’ ny soratra masina mikasika ny fomba ahafahany mikarakara ny vatany.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mametraka tanjona): Asaivo soratan’ ny ankizy na ataony sary ny zavatra hataony mandritra ny herinandro mba hikarakarana ny vatany.

Herinandro 2: Feno fankasitrahana an’ ireo fitahiana ara-nofo aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe, “Feno fankasitrahana an’ ireo fitahiana ara-nofo aho.” Angataho ny ankizy hamerina ilay fehezanteny. Hazavao fa ny fitahiana ara-nofo dia ireo fitahiana izay hitan’ ny maso, na azo kasihana, na heno, na azo andramana, na azo fofonina.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao ankamantatra): Mampisehoa zavatra na sary izay maneho ny sasany amin’ ireo fitahiana ara-nofo azontsika (ohatra, vatana, trano, sakafo, rano, akanjo, fahasalamana, masoandro, volana, kintana, ny tany, biby, zavamaniry, fianakaviana, namana, kilalao, boky ary sekoly). Manomeza fanazavan-dalana izay mamaritra ny iray amin’ ireo fitahiana ireo ary angataho ny ankizy mba hamantatra hoe inona ilay fitahiana faritanao. Ho an’ ny ankizy efa lehibebe dia soraty eo amin’ ny taratasy misaratsaraka ny fitahiana tsirairay ary ataovy ao anatin’ ny fitoeran-javatra iray ireo taratasy ireo. Manasa ankizy iray hisafidy iray ary hanome fanazavan-dalana ho an’ ny ankizy hafa momba izany. Rehefa fantatry ny ankizy ilay fitahiana dia soraty eo amin’ ny solaitrabe izany ary angataho ny ankizy iray hizara ny antony mahatonga azy ho feno fankasitrahana noho izany.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara hevitra): Angataho ny ankizy mba hieritreritra mikasika ny zavatra azon’ izy ireo atao mba hanehoana fankasitrahana noho ny iray amin’ ireo fitahiana izay nifanakalozanareo hevitra. Mangataha ankizy vitsivitsy mba hizara ny heviny.

Sary
ankizy manao kilalao

Hahomby kokoa ny fianaran’ ireo ankizy raha mampiasa karazana fomba fampianarana maro ianao. Mifidiana zavatra atao sy fomba fampianarana izay ahafahana mampandray anjara ny ankizy rehetra.

Herinandro 3: Feno fankasitrahana aho noho ireo fitahiana ara-panahy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana ary hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Manomàna fanomezana iray ahitana ny sarin’ ny Mpamonjy ary miaraka amin’ ity soratra masina manaraka ity ao anatiny: Môrônia 10:8–17. Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Feno fankasitrahana aho noho ireo fitahiana ara-panahy.” Hazavao fa maro ireo fitahiana ara-panahy izay azon’ ny Tompo omena antsika. Omeny antsika amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina ireo fitahiana ireo. Asaivo sokafan’ ny ankizy iray ilay fanomezana ary asaivo asehony ny ao anatiny. Angataho ny ankizy mba hamaky ilay soratra masina ary hitady ireo fitahiana ara-panahy azon’ ny Tompo omena antsika dia asaivo soratany eny amin’ ny solaitrabe izy ireo. Ifanakalozy hevitra ny sasany amin’ ireo fitahiana ireo ary hazavao fa tokony hampiasa azy ireo isika mba hanampiana ny hafa.

Sary
ankizy manokatra fanomezana iray

Herinandro 4: Tokony hisaotra ny Ray any an-danitra isika noho ireo fitahiana rehetra azontsika.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Ampisehoy zavatra iray na roa izay nomen’ olona anao ny ankizy. Hazavao fa ireo fanomezana ireo dia manan-danja aminao ary niteny ianao hoe: “Misaotra” noho ireo zavatra ireo. Angataho ny ankizy mba hizara fomba hafa ahafahantsika maneho fankasitrahana noho ireo fanomezana azontsika. Anontanio ny ankizy hoe iza no tokony hisaorantsika noho ireo fitahiana rehetra azontsika. Ifanakalozy hevitra ireo antony tokony hisaorantsika ny Ray any an-danitra noho ireo fitahiana rehetra azontsika.

Sary
vondrona kely

Ny fanasana ny ankizy mba hizara zavatra ao anatin’ ny vondrona kely dia manome fahafahana ho an’ ny ankizy maro kokoa handray anjara. Ireo mpampianatra dia afaka manampy mba hisian’ ny fandraisan’ anjara sy hihazonana ny fanajana.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao fitanisana): Ataovy ao anatin’ ny harona dimy misaratsaraka ny taratasy iray, penina iray ary iray amin’ ireto zavatra manaraka ireto: sarin’ ny trano Fiangonana iray, karazan’ akanjo iray, soratra masina, sarin’ ny fianakaviana iray ary sarin’ ny Mpamonjy. Zarao ho vondrona ny ankizy ary omeo iray amin’ ireo harona ny vondrona tsirairay. Asaivo jeren’ ny vondrona tsirairay ny zavatra ao anatin’ ny harony ary asaivo soratany eo amin’ ilay taratasy ny fomba iray ahafahan’ izy ireo maneho fankasitrahana noho izany. Dia angataho izy ireo mba hamerina ilay zavatra sy taratasy ary penina ao anaty harona ary handefa izany any amin’ ny vondrona iray hafa. Avelao ny vondrona tsirairay mba hifandimby hahita ny harony tsirairay, dia asao ny vondrona tsirairay mba hizara ny zavatra voatanisa eo amin’ ny taratasy ao amin’ ny harony.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mizara hevitra): Mangataha ankizy vitsivitsy mba hizara ny zavatra nianarana avy tamin’ ity asa natao ity ary ny zavatra hataony mba hampiharana izany eo amin’ ny fiainany.