Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Desambra: Fantatro fa Mbola Ho Avy Indray i Jesoa Kristy


Desambra

Fantatro fa Mbola Ho Avy Indray i Jesoa Kristy

“Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy: (Joba 19:25).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nilaza mialoha ireo mpaminany fa ho tonga eto an-tany i Jesoa Kristy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Mampisehoa sarin’ i Isaia, Nefia, Benjamina Mpanjaka, Abinadia, Almà, ary i Samoela Lamanita avy amin’ ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara sy ny antontan-tsary ao amin’ ny Kilonga 4. Zarao ho vondrona vitsivitsy ny ankizy ary omeo ny iray amin’ ireto soratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay mba ho vakiany: (1) Isaia 7:14; 9:6; (2) 1 Nefia 11:14–15, 20–21; (3) Môsià 3:5–8; (4) Môsià 15:1; (5) Almà 7:10–12; sy (6) Helamàna 14:1–3. Anontanio ny ankizy mba hitady hoe iza ilay mpaminany miteny ary iza ilay olona lazainy ao anatin’ ny faminaniana. Angataho ny vondrona tsirairay mba hampiseho ilay sarin’ ny mpaminany ary hilaza amin’ ireo ankizy hafa hoe iza izy ary inona no nolazainy. (Ho an’ ny ankizy kely kokoa dia ampio ny ankizy enina hanao akanjo lava tsotra hilalaovana an-tsehatra mba hanehoana ireo mpaminany enina. Lazao fohifohy ny momba ny mpaminany tsirairay ary ny zavatra nolazain’ izy tsirairay ireo mikasika ny fahaterahan’ i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy.) Hazavao fa ireo mpaminany tsirairay ireo dia nanambara mialoha fa ho avy eto an-tany i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia tonga teto an-tany araka ny nambaran’ ireo mpaminany mialoha azy.

Herinandro 2: Ho avy eto an-tany indray i Jesoa Kristy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Asehoy ny sarin’ ny Fiaviana Fanindroany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 66). Ampahatsiahivo ny ankizy fa zazakely i Jesoa Kristy tamin’ ny fahatongavany voalohany teto an-tany tao Betlehema. Hazavao fa fantatsika ao amin’ ny soratra masina fa mbola ho avy eto an-tany indray Izy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao kilalao fampifandraisana sary): Manomàna amboaran-taratasy misy an’ ireto soratra masina mifandray manaraka ireto ka soratana amin’ ny taratasy misaratsaraka ny soratra masina tsirairay: Matio 16:27; Matio 24:30, 36, 42; Asan’ ny Apôstôly 1:9–11; F&F 36:8; F&F 45:57–59; F&F 88:95–98. Apetraho mivadika eo amin’ ny solaitrabe ireo taratasy. Asaivo mifandimby misafidy tapa-taratasy roa ny ankizy. Asaivo avadiny ilay taratasy mba hahitana raha mifandray izy ireo. Raha toa ka tsy mifandray izany dia avereno avadika. Raha mifandray izy ireo dia avelao hiseho eo ilay soratra masina ary angataho ny ankizy mba hamaky ilay soratra masina hahitana ny zavatra ampianarin’ izany momba ny fiavian’ i Kristy indray. Avereno izany mandrapahavitan’ ny fampifandraisana rehetra.

Herinandro 3: Hiomana aho mba hiaraka hiaina amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy indray.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao ankamantatra): Manasa ankizy roa na telo mba haneho amin’ ny alalan’ ny fihetsika ny fiomanana handeha hitory na hiangona na hanao dia lavitra. Angataho ireo ankizy hafa mba hamantatra ny zavatra ataon’ izy ireo. Ifanakalozy hevitra amin’ ny ankizy ny zavatra hitranga raha toa ka tsy niomana ny hanao ireo zavatra ireo isika. Hazavao fa ny zavatra manan-danja iray tokony hiomanantsika dia ny hiarahana miaina indray amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
ankizy maneho amin’ ny alalan’ ny fihetsika ny fandehanana matory

Ny asa atao isarihana ny saina toy ny maneho zava-miseho iray amin’ ny alalan’ ny fihetsika dia azo ampiasaina mba hisian’ ny fahalianana ary mba hanampiana ny ankizy hampifantoka ny sainy amin’ ny lohahevitry ny lesona. Ireo izay tsy mandray anjara dia lasa hirotsaka hanao izany rehefa mahita ireo ankizy hafa.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira): Hirao ny andininy fahatelon’ ny “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy Hiran’ ny ankizy, 113), ary asao ny ankizy hihaino ny fomba ahafahantsika miomana hiaraka hiaina amin’ ny Ray any an-danitra indray. Asao ny ankizy mba hitsangana ary hihira indray ilay fehezanteny hoe: “Atao ny didiny.” Hazavao fa ny sasany amin’ ireo hiran’ ny Kilonga dia mampahatsiahy antsika zavatra izay azontsika atao mba hiarahana miaina indray amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy (ohatra, “Je veux suivre le plan de Dieu” [CPE, 86–87], “Pour trouver la paix” [CPE, 68–69], “Soyons gentils” [CPE, 83], ary “Le jour de mon baptême” [CPE, 53]). Asaivo mitendry feo kelin’ ny iray amin’ ireo hira ireo ny mpitendry pianô ary angataho ny ankizy mba hamantatra hoe inona ilay hira. Asao ny ankizy hihira ilay hira ary hitsangana rehefa mihira mikasika ny fomba iray ahafahany miomana ny hiaraka hiaina amin’ ny Ray any an-danitra izy ireo. Avereno atao izany miaraka amin’ ireo hira hafa.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao sary): Asaivo mieritreritra fomba izay ahafahany miomana ny hiaraka hiaina amin’ ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny ankizy. Omeo taratasy ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo mba hanoritra ny sisin’ ny tanany. Dia angataho izy ireo hanoratra na hanao sary zavatra iray azon’ izy ireo atao mba hiomanana eo amin’ ny rantsantanana tsirairay izay nosoritana. Angataho ny ankizy mba hisafidy iray amin’ ireo zavatra ireo mba ho ezahina hatao mandritra ny herinandro. Lazao izy ireo fa hangataka azy ireo ianao mba hizara ny zavatra nataony amin’ ny Alahady manaraka.

Sary
ankizy mitangorona mihira manodidina an’ ilay pianô

Herinandro 4: Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa zanak’ Adriamanitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao ankamantatra): Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Izaho dia manana ____________________.” Lazao ny ankizy mba hihaino ireto fanazavan-dalana manaraka ireto ary hampifanindry ny tanany sy hitsangana rehefa mihevitra izy ireo fa afaka mameno ny banga:

  • Mahatonga antsika hahatsapa zavatra tsara na fifaliana na hafanana ao anaty izany.

  • Manome antsika izany ny Fanahy Masina.

  • Manampy antsika hanao safidy tsara izany.

  • Azontsika zaraina amin’ ny hafa izany rehefa manao lahateny ao amin’ ny Kilonga isika sy mandritra ny takarivan’ ny mpianakavy ary mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona.

Anontanio hoe: “Inona izany zavatra mahafinaritra izany?” Fenoy amin’ ilay teny hoe: fijoroana ho vavolombelona, ny banga ary lazao ny ankizy fa afaka manana fijoroana ho vavolombelona izy ireo hoe zanak’ Andriamanitra.

Ny fanoratana fitsipiky ny filazantsara iray dia hanampy ny ankizy hahatsiaro izany.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira iray): Asao ny ankizy hihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, 113), ary angataho izy ireo mba hieritreritra ny zavatra tsapany ao anatiny rehefa mihira. Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra tsapany. Hazavao fa ny zavatra tsara tsapany dia avy amin’ ny Fanahy Masina izay milaza amin’ izy ireo fa tena zanak’ Andriamanitra tokoa izy ireo. Hazavao fa ny fahafantarana hoe marina izany no antsoina hoe manana fijoroana ho vavolombelona. Hazavao fa maro ireo fomba ahafantarana fa zanak’ Andriamanitra isika. Anontanio hoe: “Ahoana no ahafantaranao fa zanak’ Andriamanitra ianao?”

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihaino fijoroana ho vavolombelona): Anontanio ny ankizy hoe: “Nahoana no zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona fa zanak’ Andriamanitra isika? Ahoana no fomba hanampian’ ny fananana fijoroana ho vavolombelona antsika mba hanao safidy tsara?” Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ary manasa ankizy sy olon-dehibe vitsivitsy mba hizara ny fijoroany ho vavolombelona fa zanak’ Andriamanitra daholo isika rehetra.