Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fampisehoana ataon’ ny Ankizy mandritra ny Fivoriana Fanasan’ ny Tompo


Torolalana mikasika ny Fotoana Ifanakalozana sy ny Fampisehoana ataon’ ny Ankizy mandritra ny Fivoriana Fanasan’ ny Tompo

Ry Fiadidian’ ny Kilonga sy Mpampianatra Hira ao amin’ ny Kilonga,

Amin’ ity taona ity isika dia hanana fitahiana sy fahafahana masina hanampy ny ankizy tsirairay ao amin’ ny Kilonga mba hahafantatra fa zanak’ Andriamanitra izy. Manantena isika fa hianatra izany fahamarinana manan-danja izany ny ankizy rehefa mahatsapa ny fitiavan’ ny Ray any an-danitra azy ireo. Rehefa mampianatra ombam-bavaka ireo fotopampianarana ao anatin’ ireo leson’ ny fotoana ifanakalozana ireo ianareo dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny toetra araka an’ Andriamanitra mampiavaka azy sy ny tanjony ary ny hery anaty ananany ahatongavany ho tahaka an’ Andriamanitra. Afaka manampy azy ireo hampitombo ny finoany an’ i Jesoa Kristy ianareo ary ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny drafitry ny Ray any an-danitra ho azy ireo. Ary afaka manome fanantenana azy ireo mikasika ny hoaviny ianareo sy manamafy orina ny faniriany hijanona eo amin’ ilay lalana izay mitondra any amin’ ny Raintsika any an-danitra.

Katsaho ny fanampian’ ny Fanahy rehefa miomana sy mampianatra ianareo ary mijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ireo. Ho voatahy amin’ ny alalan’ ireo ezaka ataonareo ny fianakaviana. Tianay ianareo ary maneho fankasitrahana anareo izahay noho ny asa fanompoana feno fanoloran-tena ataonareo mba hampahatanjahana sy hiarovana ireo ankizintsika izay sarobidy.

Ny Fiadidian’ ny Kilonga Maneran-tany

Torolalana ho an’ ny Fotoana Ifanakalozana

Fampianarana Filazantsara

Ampiasao ity boky kely ity eo am-panomananao hampianatra lesona 15 minitra isan-kerinandro mandritra ny fotoana ifanakalozana. Afaka manampy ny lesona isan-kerinandro avy amin’ ny fampiasana ireo fitaovana ankatoavin’ ny Fiangonana ianao, toy ny L’ Ami na ny Liahona. Ireto torolalana manaraka ireto dia hanampy anao amin’ ny fandrafetana sy fizarana ny lesona.

Tiavo Ireo izay Ampianarinao. Asehoy ny fitiavanao ireo ankizy amin’ ny alalan’ ny fahafantarana ny anarany sy ny fahatakarana izay zavatra mahaliana azy sy ny talentany ary ny zavatra ilainy.

Ampianaro amin’ ny alalan’ ny Fanahy ny Fotopampianarana. Rehefa manomana lesona ianao dia mivavaha mba hahazoana fitarihana ary miezaha hanamafy orina ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay ampianarinao. Izany dia hanampy anao hampianatra amin’ ny alalan’ ny Fanahy.

Ataovy izay ahafahana mianatra. Ity boky kely ity dia tsy natao mba hahafantaranao fotsiny hoe inona no ampianarina fa koa hoe ahoana no fomba ampianarana sy ahafahana mianatra. Afaka hampianatra ny fotopampianarana amin’ ny fomba mahomby kokoa ianao raha manao ireto zavatra telo manaraka ireto isaky ny lesona:

  1. Ampahafantaro ny fotopampianarana. Ampahafantaro mazava tsara ilay fotopampianarana izay ho ianaran’ ireo ankizy. Eritrereto ny fomba hanaovana izany na amin’ ny alalan’ ny teny na amin’ ny alalan’ ny maso. (Mba hahitana ohatra vitsivitsy dia jereo ireo lesona ho an’ ny herinandro fahaefatry ny volana Febroary sy ny herinandro fahatelon’ ny volana Jolay.)

  2. Hamorao ny fahatakaran-javatra. Ataovy izay hahazoan’ ny ankizy fahatakarana lalindalina kokoa ny fotopampianarana amin’ ny alalan’ ny fomba samihafa enti-mampianatra izay mampanolo-tena azy hianatra, toy ny fihirana hira sy filalaovana tantara ary ny famakiana soratra masina.

  3. Amporisiho ny fanaovana fampiharana. Omeo fahafahana ireo ankizy hampihatra ny fotopampianarana eo amin’ ny fiainan’ izy ireo. Diniho ny fomba ahafahan’ izy ireo maneho ny zavatra tsapany mikasika ilay fotopampianarana na ahafahany mametraka tanjona mifanaraka amin’ izany.

Ity boky kely ity dia manome lesona feno ho an’ ireo herinandro sasantsasany ao anatin’ ny taona. Ho an’ ireo herinandro hafa dia hevitra vitsivitsy no hita ao fa tsy lesona feno. Ampio hevitra sasantsasany avy aminao manokana ireo hevitra ireo. Afaka mahazo hevitra hafa ianao amin’ ny alalan’ ny famakiana ireo lesona hafa ao anatin’ ity boky kely ity. Rehefa misy Alahady fahadimy, dia ampiasao izany fotoana izany hamerenana lesona efa natao teo aloha. Afaka mitarika anao ny Fanahy rehefa mamolavola sy manomana asa atao ho an’ ireo lesona ianao.

Miaraha miasa amin’ ny mpampianatra hira rehefa manomana lesona ianao. Ny fihirana ireo hira dia hanampy amin’ ny fanamafisana ireo fotopampianarana izay ampianarinao. Indraindray dia afaka manasa mpampianatra ianao miaraka amin’ ny olona ao amin’ ny kilasiny mba hanampy anao mikasika ny ampahany sasany ao amin’ ny fampianarana filazantsara.

Misy lesona sasany izay manoro hevitra ny mba hanasana vahiny handray fitenenana ao amin’ ny Kilonga. Tokony hahazo fankatoavana avy amin’ ny eveka na ny filohan’ ny sampana ianao alohan’ ny hanasana ireo vahiny ireo handray anjara.

Misy fomba enti-mampianatra maro izay hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mampianatra miaraka amin’ ireo lesona ireo. Ireo lesona ireo koa dia ahitana sary izay hanampy anao hahita hoe tahaka ny ahoana ilay asa atao. Na dia zava-dehibe aza ny fampitomboana ny fahaizana mampianatra dia ny fiomananao ara-panahy sy ny fijoroanao ho vavolombelona manokana no hanasa ny Fanahy hanamafy ireo fotopampianarana ao am-pon’ ireo ankizy.

Fotoam-pihirana

Ny hira ao amin’ ny Kilonga dia tokony hanorina tontolo feno fanajana, sy tokony hampianatra ny filazantsara ary hanampy ireo ankizy hahatsapa ny fitaoman’ ny Fanahy Masina sy ny fifaliana izay tonga amin’ ny alalan’ ny fihirana. Tokony hisy 20 minitra atokana ho amin’ ny fihirana sy fampianarana hira. Izany dia ahafahana mahazo antoka fa hisy fotoana ampianarana hira vaovao sy hanampiana ny ankizy hifaly amin’ ny fihirana.

Ity boky kely ity dia ahitana hira iray hianaran’ ireo ankizy amin’ ity taona ity (jereo ny pejy 28). Hita ao ihany koa ny fizarana iray izay mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no Fomba Hampiasana ny Hira ao amin’ ny Kilonga” (jereo ny pejy 26–27) sy ireo hevitra fanampiny hampianarana hira an’ ireo ankizy (jereo ny pejy 9, 17).

Torolalana ho an’ ny Fampisehoana Mandritra ny Fivoriana Fanasan’ ny Tompo

Ny fampisehoana mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo izay eo ambany fitarihan’ ny eveka na ny filohan’ ny sampana dia tanterahana mandritra ny telo volana farany amin’ ny taona raha ny mahazatra. Raha vao manomboka kely ny taona dia mifampiresaha amin’ ilay mpanolotsaina ao amin’ ny episkôpà na ny fiadidian’ ny sampana izay misahana ny Kilonga mba handinihana ireo drafitra mialoha. Rehefa vita ireo drafitra dia mangataha fankatoavana avy aminy.

Kendreo ny hampisehoan’ ireo ankizy ny fandaharam-potoana mifototra amin’ ireo lohahevitra isam-bolana amin’ ny fotoana ifanakalozana. Mandritra ny taona dia raiso an-tsoratra ireo lahateny izay nataon’ ny ankizy sy ireo zavatra niainan’ izy ireo manokana izay mety ho azo ampiasaina mandritra ilay fampisehoana. Rehefa miomana ianao ny hizaran’ ireo ankizy izay zavatra nianarany mikasika ny lohahevitra amin’ ity taona ity, dia eritrereto ireo fomba izay afaka manampy ny mpiangona hifantoka amin’ ny fotopampianaran’ ny filazantsara izay ampianarin’ izy ireo. Afaka mamarana ny fotoana amin’ ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ ny episkôpà.

Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:

  • Ny famerenana dia tsy tokony handanindany foana ny fotoana natokana ho an’ ny fotoam-pianarana na ho an’ ny fotoana natokana ho an’ ny fianakaviana.

  • Ny fampiasana ireo fitaovana misarika ny maso enti-mampianatra, ireo fanamiana, ireo horonam-peo na horonan-tsary dia tsy mety amin’ ny fivorian’ ny fanasan’ ny Tompo.

Sary
fampisehoana mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo

Ireo loharanon-kevitra ampiasaina ao amin’ ity boky kely ity

Ireto fanafohezan-teny ireto dia ampiasaina matetika ao amin’ ity boky kely ity:

CPE Chants pour les Enfants

BMSMF Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara

Maro ireo lesona izay manoro hevitra ny mba hampiasana sary. Afaka mahita sary ianao ao amin’ ny Boky Mirakitra Sary momba ny Filazantsara, ny amboaran-tsary manaraka ny boky fampianarana ao amin’ ny Kilonga, sy ireo gazetibokin’ ny Fiangonana ary ao amin’ ny internet ao amin’ ny images.lds.org.

Fandaharam-pampianarana ho an’ ny taona 2018

Fandaharam-pampianarana Ankapobeny

Kilasy Zaza madinika: Voyez vos petits enfants; Tanamasoandro: Kilonga 1; FNT 4–7: Kilonga 2; Mahery Fo 8–11: Kilonga 6

Fandaharam-pampianarana Fototra

Tanamasoandro: Kilonga 1; FNT 4–7: Kilonga 2; Mahery Fo 8–11: Kilonga 5