Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Febroary: Nohariana ho an’ ny Zanaky ny Ray any An-danitra ny Tany


Febroary

Nohariana ho an’ ny Zanaky ny Ray any An-danitra ny Tany

“Isika dia hanao tany iray izay hahazoan’ ireto mitoetra. Dia hosedraintsika amin’ izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:24–25).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Herinandro 1: Nahary ny tany teo ambanin’ ny fitarihan’ ny Ray any an-danitra i Jesoa Kristy.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary): Mampisehoa sary irain’ ny tany ary anontanio ny ankizy hoe iza no nahary ny tany? Hazavao fa noharian’ i Jesoa Kristy ny tany teo ambany fitarihan’ ny Ray any an-danitra. Dia asehoy ny sarin’ i Jesoa Kristy ary asao ny ankizy hilaza hoe: “Nahary ny tany i Jesoa Kristy.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (manao sary): Lazao ny ankizy fa tao anatin’ ny drafitry ny fahasambaran’ ny Ray any an-danitra ny hahariana tany iray izay toerana hahazoantsika vatana mba hahafahantsika mivoatra sy mianatra. Manaova faribolana enina misy tarehimarika eo amin’ ny solaitrabe. Zarao ho vondrona enina ny ankizy ary angataho ny vondrona tsirairay mba hamaky ny iray amin’ ireto andinin-tsoratra masina ireto izay mikasika ireo andro enin’ ny Fahariana: Genesisy 1:1–5 (andro 1); Genesisy 1:6–8 (andro 2); Genesisy 1:9–13 (andro 3); Genesisy 1:14–19 (andro 4); Genesisy 1:20–23 (andro 5); Genesisy 1:24–31 (andro 6). Asaivo mandroso eny aloha ny vondrona tsirairay ka iray isaky ny mandeha, dia asaivo lazainy amin’ ireo ankizy hafa ny zavatra nitranga tamin’ ilay andro novakian’ izy ireo ary asaivo manao sary izay maneho izany andro izany eo amin’ ilay faribolana mifanaraka amin’ izany izy ireo. Iaraho mamaky ny Genesisy 2:1–3. Ivereno jerena miaraka amin’ ny ankizy ny zavatra nitranga tamin’ ireo andro tsirairain’ ny Fahariana.

Sary
ireo andron’ ny Fahariana

Herinandro 2: Tafiditra tao anatin’ ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery sary): Asehoy ny sarin’ i Adama sy i Eva. Lazao ny ankizy fa i Adama sy i Eva no olona voalohany tonga teto an-tany ary nahazo vatana. Napetraka tao amin’ ny saha iray nantsoina hoe Edena izy ireo. Hazavao fa rehefa nandao ilay saha izy ireo dia lasa nanana fahafahana ny ho tonga ety an-tany isika. Antsoina hoe ny Fahalavoana ny fandaozan’ izy ireo ilay saha. Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Tafiditra tao anatin’ ny drafitr’ Andriamanitra ny Fahalavoana” ary asaivo miaraka milaza izany aminao ny ankizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ilay fotopampianarana): Manaova faribolana roa eo amin’ ny solaitrabe, ka asio soratra hoe: tontolon’ ny fanahy ny iray, ary ilay iray hafa hoe: tany. Hazavao fa tamin’ i Adama sy i Eva tao amin’ ny Sahan’ i Edena dia tany amin’ ny tontolon’ ny fanahy isika. Mampisehoa sary irain’ ny ankizy sasantsasany ary apetaho eo amin’ ny solaitrabe ao anatin’ ilay faribolan’ ny “tontolon’ ny fanahy” izany. Hazavao fa taorian’ ny nandaozan’ i Adama sy i Eva ny saha dia nanana fahafahana ny ho tonga ety an-tany isika. Manasa ankizy iray mba hamindra ilay sarin’ ny ankizy ao amin’ ilay faribolana hoe: “tany.” Angataho ny ankizy mba hampitsangana ny ankihibeny raha mihevitra izy ireo fa tsara ny Fahalavoana ary manasa ankizy iray hanazava ny antony.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao fampifandraisana sary): Manomana andian-teny tsiroaroa maro izay maneho ireo fitahiana azontsika eto an-tany (ohatra, ny vatana, ny fianakaviana, safidy eo amin’ ny tsara sy ny ratsy, fahafahana mianatra, fahasalamana sy aretina, fifaliana sy alahelo, haravoana sy fanaintainana). Ataovy mihohoka eo amin’ ny solaitrabe ireo taratasy. Asao ireo ankizy mba hifandimby haka taratasy roa mba hahitana raha mifandray ireo andian-teny. Rehefa mifandray ireo andian-teny dia ifanakalozy hevitra ny antony maha-fitahiana izany.

Herinandro 3: Nalefa tety an-tany aho mba hahazo vatana sy hosedraina.

Sary
mpampianatra iray manoritra ny bikabikan’ ny ankizy iray eo amin’ ny solaitrabe

Ireo ankizy dia mety ho fitaovana tsara indrindra azonao ampiasaina ho jeren’ ny maso.

Nalefa tety an-tany aho mba hahazo ________ sy ho sedraina.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mijery zavatra jeren’ ny maso): Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Nalefa tety an-tany aho mba hahazo ______________ sy ho sedraina.” Manasa ankizy iray handroso eny aloha ary hanao ny sarin’ ny vatany eo amin’ ny solaitrabe na eo amin’ ny taratasy lehibe iray. Angataho ny ankizy mba hiteny aminao hoe inona ilay sary (vatana). Fenoy ny banga ary asaivo miaraka miteny an’ ilay fehezanteny ny ankizy.

Hamorao ny fahatakaran-javatra ary amporisiho ny fanaovana fampiharana (mandray anjara ao anatin’ ny asa atao iray ampiasana vatana): Manaova zavatra iray mihodinkodina izay mampiseho ireo sarin’ ny faritra maro eo amin’ ny vatana (jereo ny ohatra etsy ambany). Resaho ireo zavatra maro izay azon’ ny vatantsika atao ary asao ny ankizy mba hanao azy ireo miaraka aminao (ohatra, manetsiketsika ny rantsantananao, manatsatotsatoka ny tongotrao ary mihodinkodina). Hazavao fa ny antony iray nahatongavantsika eto an-tany dia ny ho sedraina mba hahitana raha toa isika ka hampiasa ny vatantsika mba hankatoavana ireo fampianaran’ ny Ray any an-danitra. Asao ny ankizy mba hifandimby hanodinkodina ilay mpanondro zavatra ary hilaza ny fomba ahafahan’ izy ireo mampiasa ilay faritry ny vatana voatondro mba hankatoavana ny Ray any an-danitra. (Raha tsy afaka manamboatra zavatra mihodinkodina ianao dia tondroy ireo faritra samihafa eo amin’ ny vatanao ary angataho ny ankizy hilaza aminao ny fomba ahafahany mampiasa izany faritra amin’ ny vatany izany mba hankatoavana ny Ray any an-danitra.) Asao ny ankizy hihira ny “La tête, les épaules, les genoux, les pieds” (Chants pour les enfants, 129).

Sary
zavatra mihodinkodina

misy zavatra mihodinkodina ao amin’ ny sharingtime.lds.org

Herinandro 4: Raha mitandrina ny didy aho dia afaka ny hiaraka hiaina amin’ ny Ray any an-danitra indray.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (mihira hira): Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny hoe: “Raha mitandrina ny ______________ aho dia afaka ny hiaraka hiaina amin’ ny Ray any an-danitra indray.” Hirao ny feon’ ny “Pour trouver la paix” (Chants pour les enfants, 68). Asao ny ankizy mba hitsangana rehefa mahafantatra ilay hira izy ireo ary hiaraka hihira ny feony. Anontanio hoe: “Inona no tokony hataontsika mba hiarahana miaina indray amin’ ny Ray any an-danitra?” Soraty eo amin’ ilay faritra banga eo amin’ ny solaitrabe ny hoe “didy.” Asao ny ankizy hiaraka hihira aminao.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mifanakalo hevitra momba ny didy): Manasa ankizy vitsivitsy mba hizara fitsipika vitsivitsy napetraky ny ray aman-dreniny izay miaro ny olona ao amin’ ny fianakaviany. Anontanio hoe: “Inona no mitranga rehefa mitandrina ny didy ianao?” Soraty eny amin’ ny solaitrabe ny heviny. Hazavao fa mampiseho fitiavana ny ray aman-dreny rehefa mametraka fitsipika izy ireo. Anontanio hoe: “Inona no mitranga rehefa mankato ny didin’ ny Ray any an-danitra isika?” Soraty eo amin’ ny solaitrabe ny sasany amin’ ireo fanehoan-kevitry ny ankizy. Hazavao fa raha hiaro azy ireo ny fanajana ny fitsipika napetraky ny ray aman-dreniny dia hiaro azy ireo koa ny fankatoavana ny didin’ ny Ray any an-danitra. Mijoroa ho vavolombelona fa raha mankato ny didy isika dia ho afaka ny hiaraka hiaina Aminy indray.

Sary
chart

Misy ao amin’ ny sharingtime.lds.org

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mamaky soratra masina): Omeo pensilihazo ny ankizy tsirairay ary taratasy izay mizara efatra ka ahitana ny iray amin’ ireto soratra masina manaraka ireto ny fizarana tsirairay: F&F 1:37, F&F 10:5, F&F 59:9–10, ary F&F 119:4. Angataho ny ankizy ao amin’ ny kilasy mba hiaraka hamaky ny soratra masina tsirairay ary hifanakalo hevitra momba ilay didy izay faritan’ izany sy hanao ny sarin’ izany didy izany eo amin’ ny taratasiny. Rehefa vitan’ izy ireo izany dia asao ny ankizy hizara ny fomba hanampian’ ny fitandremana ny didy azy ireo eo amin’ ny fiomanana hiaina miaraka amin’ ny Ray any an-danitra indray.