Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ ny Kilonga


Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ ny Kilonga

Ny tanjon’ ny hira ao amin’ ny Kilonga dia ny mba hampianarana ireo ankizy ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Ireo hira ao amin’ ny Kilonga dia mahatonga ny fianarana ho mahafinaritra kokoa sy manasa ny Fanahy Masina ary mamorona tontolo iray feno fanajana izay tena tsara ho an’ ny fianarana (jereo ny Manuel 2: Administration de l’ Église [2010], 11.2.4).

Rehefa miomana ny hampianatra hira iray ianao dia mametraha amin’ ny tenanao hoe: Ahoana no ahafahako misarika ny ankizy mba hifantoka ary mihazona izany? Inona avy ireo fanontaniana azoko apetraka mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ilay hafatry ny filanzantsara ao amin’ ilay hira? Inona avy ireo fomba azoko ampiasaina mba hampianarana ilay hira? Ireto manaraka ireto dia fomba vitsivitsy azonao andramana. Ireo ohatra dia hanampy anao amin’ ireo hira atolotra ao amin’ ity boky ity. Mba hahazoana hevitra fanampiny dia jereo ny fizarana hoe Serving in the Church (Manompo ao amin’ ny Fiangonana) ao amin’ ny LDS.org ary ny fizarana “Ahoana no fomba ampiasana ny hira ao amin’ ny Kilonga” ao amin’ ny boky rindran-damina tamin’ ny taona 2015 sy 2016 sy 2017.

Tsindrio ireo fitsipiky ny filazantsara ao amin’ ilay hira.

Diniho ireto hevitra manaraka ireto rehefa mampianatra ny “Ensemble à tout jamais” (CPE, 98). Angataho ny ankizy mba hihaino ilay zavatra tafiditra ao anatin’ ny drafitry ny Ray any an-danitra rehefa mihira ny andalana voalohan’ ilay hira ianao ary asaivo mitsangana izy ireo rehefa fantany ilay izy (fianakaviana). Asao ny ankizy hihira izany andalana izany miaraka aminao. Hamafiso fa mitovy ny firafitry ny lanton-kiran’ ny “chaque jour” sy ny “tant de bonté” ary angataho ny ankizy mba hihira ireo teny ireo. Angataho izy ireo mba hihaino ny ampahany manaraka ao amin’ ilay hira mba hahitana hoe hafiriana no ahafahan’ izy ireo miaraka miaina amin’ ny fianakaviany. Hirao ny andalana faharoa ka hamafiso ny teny hoe: “à toute éternité.” Asao ny ankizy hihira io andalana io miaraka aminao dia iaraho mihira ireo andalana roa ireo. Angataho ny ankizy mba hihaino teny iray hafa izay midika hoe “à toute éternité” ao amin’ ny fiverenan-kira. Hirao ny “Ensemble à tout jamais,” ary asaivo averin’ izy ireo aminao izany. Hirao ny “grâce au plan de Dieu” dia asaivo averin’ izy ireo. Anontanio hoe inona ilay drafitry ny Ray any an-danitra ka ampahatsiahivo ny ankizy fa tiany ny hanambadian’ izy ireo any amin’ ny tempoly ary hananan’ izy ireo fianakaviana mandrakizay izay azy ireo manokana. Farano ny fampianarana ny fiverenan-kira amin’ ny alalan’ ny fihirana andian-teny sy fanasana ny ankizy hamerina azy ireo.

Sary
tompon’ andraikitry ny hira mihira

Mba hanampiana ny ankizy hahay ny feon’ ilay hira dia “Ataovy mitsotra marindrano ny tananao ary rehefa mihira ireo teny ianao dia atsangano ny tananao mba hanehoana ny feo avo ary ampidino izany mba hanehoana ny feo ambany”.

Mampiasa fitaovana jeren’ ny maso mba hanampiana ny ankizy hahay sy hahatadidy ireo tonony.

Sary
mozika

Misy fitaovana jeren’ ny maso ao amin’ ny sharingtime.lds.org

Diniho ireto hevitra manaraka ireto rehefa mampiatra ny “If the Savior Stood Beside Me” ianao (pejy 28) ao amin’ ity rindran-damina):

  • Manamboara taratasy lavalava ahitana ny andian-teny tsirairay ao amin’ ilay hira ary mitadiava sary izay maneho ny taratasy lavalava misy teny tsirairay. Apetraho eny amin’ ny faritra irain’ ny efitrano ireo sary ary apetraho eny amin’ ny faritra iray hafan’ ny efitrano ireo taratasy lavalava misy teny. Ifanakalozy hevitra amin’ ny ankizy ny mety ho fihetsika hafa ho asehon’ izy ireo raha toa ka afaka nahita ny Mpamonjy nijoro teo akaikiny izy ireo. Hirao ilay hira ary angataho ny ankizy mba hampifandray ny sary amin’ ny teny.

  • Asaivo miara-mihira ilay hira aminao ny ankizy rehefa manondro ireo sary ianao.

  • Omeo fehezanteny iray mba ho hiraina ny ankizy ao amin’ ny kilasy tsirairay rehefa mitsangana ary ovay avy eo ireo fehezanteny rehefa samy nifandimby nihira ny fehezanteny tsirairay ny ankizy ao amin’ ny kilasy tsirairay.

Mampiasà fihetsika mifanaraka amin’ ny tokony ho izy mba hampandraisana anjara ny ankizy sy hanampiana azy ireo hahatadidy ilay hira.

Diniho ireto hevitra manaraka ireto rehefa mampianatra ny “Mon Père céleste m’ aime” ianao (CPE, 16–17). Anontanio ny ankizy ny fomba nanehoan’ izy ireo fitiavana an’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviany. Anontanio hoe ahoana no fomba nanehoan’ ny Ray any an-danitra ny fitiavany azy ireo. Hazavao fa nohariany ho azy ireo ity tany mahafinaritra ity satria tiany izy ireo. Mihira fehezanteny iray isaky ny mandeha amin’ ny ankizy ary asao izy ireo mba hihira izany miaraka aminao rehefa maneho ny fizarana tsirairay amin’ ny alalan’ ny fihetsika ianao: l’ oiseau chanter, quand je vois le ciel bleu, la pluie tomber sur mes bras sy ny sisa. Ho an’ ny andininy faharoa dia asao izy ireo hanao fihetsika toy ny manondro ny masony, manao toy ny lolo, ary mamoritra ny tanany hiendrika kaopy ao ambadiky ny tanany. Asao izy ireo mba hamihina ny tenany rehefa mihira ny hoe, “Il m’ offre la vie,” dia mikapoka kely ny lohany (“la raison”), ary mampiondrika ny lohany sy mampifanindry ny sandriny (“Et moi, je lui dis merci”). Angataho izy ireo mba hametraka indray ny tanany eo amin’ ny fony rehefa mihira ny hoe: “Je sais qu’ il m’ aime et me bénit.”

Sary
ankizy mihira