Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Fampianarana ireo ankizy manana fahasembanana


Fampianarana ireo ankizy manana fahasembanana

Nampianatra ny Mpamonjy hoe “Ary hampianarin’ ny Tompo avokoa ny zanakao; ary ho lehibe ny fiadanan’ ny zanakao” (3 Nefia 22:13).

Ireo mpitondra ao amin’ ny Kilonga dia manana andraikitra manan-danja hampianatra ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy amin’ ny ankizy rehetra, tafiditra amin’ izany ireo manana fahasembanana. Ny Kilonga dia toerana iray izay tokony handraisana tsara ny ankizy sy hitiavana ary hikolokoloana azy ireo ary hanaovana izay hahatamana azy. Ao amin’ izany tontolo izany dia ho mora kokoa ho an’ ny ankizy rehetra ny mahatakatra ny fitiavan’ ny Raintsika any An-danitra sy ny an’ i Jesoa Kristy sy ny mamantatra ny fitarihan’ ny Fanahy Masina.

Sarobidy amin’ Andriamanitra ny ankizy tsirairay. Samy mila fitiavana sy fanajana ary fanohanana izy tsirairay.

Mifandiniha amin’ ny hafa rehefa miezaka ianao ny hanome izay ilain’ ny ankizy manana fahasembanana ao amin’ ny Kilonganao.

  1. Miaraha midinika amin’ ireo ray aman-drenin’ ilay ankizy. Ireo ray aman-dreny mazàna no mahafantatra indrindra ny zanany mihoatra noho ny olon-kafa. Izy ireo dia afaka mampianatra anao ny fomba hanomezana izay ilainy sy hanajana ny faharetan’ ny fotoana ifantohany sy ny fomba fianarany izay tiany indrindra. Ohatra, ny ankizy sasany dia mandray tsara kokoa ny hira, ny an’ ny hafa kosa dia ny tantara, ny sary, ny soratra masina, na ny fihetsika. Mampiasà karazana fomba fampianarana maro, ary ataovy izay ampidirana amin’ izany ireo fomba mety indrindra amin’ ny ankizy tsirairay.

    Sary
    fitaovana misarika ny maso

    Ny ankizy manana fahasembanana sasany dia mandray tsara raha misy fitaovana misarika ny maso. Mampiasà ireo fitaovana toy ireo izay aseho etoana mba hampahafantarana hoe fotoana ho an’ ny vavaka izao, na fotoana hanginana, na fotoana hihirana.

    Sarin’ olona azo alaina ao amin’ ny sharingtime.lds.org

    Tsindrio eto ho an’ ny sarin’olona.

  2. Miaraha midinika amin’ ireo mpitondra hafa sy mpampianatra ao amin’ ny Kilonga. Miaraha mivavaka sy miasa mba hahitana fomba hanampiana ny ankizy rehetra hianatra ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy sy hahatsapa hoe tiana.

  3. Mifandiniha miaraka amin’ ny filankevitry ny paroasy. Ireo mpitarika ao amin’ ny fisoronana sy ao amin’ ny vondrona fanampiny hafa dia mety manana hevitra mikasika ny fomba fanampiana ankizy izay manana filana manokana. Tao amin’ ny paroasy iray dia ny vondron’ ny mpisorona avo no nanolotra “dadabe ho an’ ny Kilonga” isan-kerinandro mba hiara-hipetraka amin’ ny zazalahy iray izay voan’ ny autisme. (Ny tsara indrindra dia iny olona iray iny ihany no manao izany isan-kerinandro.) Izany no nanampy ilay ankizy lahy hifantoka amin’ ny lesona sy hahatsapa hoe tiana.

Ny Loholona M. Russell Ballard dia nampianatra hoe “Mazava tsara fa ireo ao amintsika izay nampiandraiketina ankizy sarobidy dia nomena adidy masina sy manan-kaja, satria isika no notendren’ Andriamanitra mba hikarakara ireo ankizy ankehitriny amin’ ny fitiavana sy ny afon’ ny finoana ary ny fahatakarana hoe iza moa izy ireo” (“Great Shall Be the Peace of Thy Children,” Ensign, Apr. 1994, 60).

Sary
ankizy