Boky torolalana ho an’ny Kilonga sy Fotoana Ifanakalozana
Janoary: Zanak’ Andriamanitra Aho ary Manana Drafitra ho Ahy Izy


Janoary

Zanak’ Andriamanitra Aho ary Manana Drafitra ho Ahy Izy

“Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Adriamanitra isika” (Romana 8:16).

Ampio an’ ireo hevitrao manokana sasantsasany ireo hevitra omena eto. Isan-kerinandro dia mandrafeta fomba ahafahana (1) mampahafantatra ny fotopampianarana, (2) manampy ny ankizy hahatakatra izany, ary (3) manampy azy ireo hampihatra izany eo amin’ ny fiainany. Manontania tena hoe: “Inona no hataon’ ny ankizy mba hianarany zavatra ary ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa ny Fanahy?”

Sary
ankizy maneho asa atao iray mandritra ny taona

Asa Atao Mandritra ny Taona: Zarao fohifohy ny fomba iray nahafantaranao fa tia anao Andriamanitra. Asio zavatra kely iray (toy ny vohavohan-dandihazo, na tsaramaso, vatokely) ao anatin’ ny tavoara madio iray. Mandritra ny taona dia avelao ny ankizy hizara ireo fomba nahafantarany fa fantatr’ Andriamanitra sy tiany izy ireo. Isaky ny mizara zavatra ny ankizy iray dia avelao izy hanampy zavatra iray ao anatin’ ilay tavoara. Resaho matetika ny momba ilay tavoara ka hamafiso fa tena maro ireo fomba hanehoan’ ny Ray any an-danitra fitiavana antsika.

Herinandro 1: Raiko any an-danitra Andriamanitra. Fantany sy tiany aho.

Ampahafantaro ny fotopampianarana (manao ankamantatra): Lazao ny ankizy fa mieritreritra olona iray izay tia antsika ianao, ary mahafantatra antsika tsirairay sy manampy antsika ary mipetraka lavitra be. Angataho izy ireo mba hamantatra hoe iza ilay olona eritreretinao (Ray any an-danitra). Ifanakalozy hevitra ny mikasika ny fifandraisantsika amin’ ny Ray any an-danitra. Asao ny ankizy mba hiaraka hamerina ny hoe: “ Andriamanitra no Raiko any an-danitra. Fantany sy tiany aho.”

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamaky soratra masina): Zarao ho vondrona vitsivitsy ny ankizy. Asaivo mamaky ny Enôsa 1:5, Mosesy 1:6, ary Joseph Smith—Tantara 1:17 ny vondrona tsirairay ary mifanakalo hevitra momba ny fomba hiresahan’ ny Tompo amin’ ny mpaminany tsirairay. Anontanio ny ankizy hoe: “Raha toa ka mamangy anao ny Ray any an-danitra dia ahoana no hiantsoany anao?” Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra antsika tsirairay amin’ ny anarana Andriamanitra.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (mihira hira): Asaivo mitsangana manao endrika faribolana ny ankizy ary mampiampitapita zavatra maro izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany ao anatin’ ny fihiran’ izy ireo ny “Zanaky ny Ray Aho” (Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, 113) na “Velona ny Raiko” (Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, 115). Ireo zavatra ireo dia ahitana soratra masina, sarin’ ny fanasan’ ny Tompo, voankazo iray na sarin’ ny fianakaviana iray. Ajanony tampotampoka ny hira ary asaivo mizara fomba iray ahafantarany ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo ankizy izay mihazona zavatra iray. Averimbereno izany araka ny fisian’ ny fotoana.

Herinandro 2 sy 3: Drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Ray any an-danitra.

Sary
fanomezana

Drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Ray any an-danitra.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Soraty eo amin’ ny taratasy iray ny hoe “Drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Ray any an-danitra.” Apetraho ao anatin’ ny fitoeran-javatra iray ilay taratasy ary fonosy hiendrika fanomezana izany. Atsangano ilay fanomezana ary lazao ny ankizy fa ao anatin’ izany dia misy zavatra izay hitondra fifaliana ho azy ireo. Asaivo fantarin’ izy ireo hoe mety ho inona izany. Dia sokafy ilay fanomezana ary asaivo misy ankizy mamaky ilay fehezanteny ho an’ ny mpianatra. Hazavao fa manana drafitra iray ny Ray any an-danitra mba hahafahantsika ho faly sy hiaraka hiaina Aminy indray.

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mihira hira iray ary mamaly fanontaniana): Omeo taratasy lavalava ny ankizy ao amin’ ny kilasy tsirairay izay ahitana ny iray amin’ ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ananan’ ny fiainako ary taiza no niantombohany?

  • Inona no safidiko ary inona no tokony ho katsahako?

  • Inona no tokony harahiko ary amin’ inona aho no afaka mifikitra mafy?

  • Inona no ho tsapako rehefa manaraka ny drafitr’ Andriamanitra aho?

Hirao ny andalana roa voalohan’ ny “Je veux suivre le plan de Dieu” (Chants pour les enfants, 86–87), ary ifanakalozy hevitra ny valin’ ny fanontaniana voalohany. Avereno izany miaraka amin’ ny ambiny sisan’ ilay hira sy ireo fanontaniana hafa.

Sary
planeta
Sary
Jesoa Kristy

Fiainana talohan’ ny nahaterahana

Sary
batisa
Sary
fianakaviana

Fiainana eto an-tany

Sary
Fiaviana Fanindroany

Fiainana aorian’ ny fahafatesana

Hamorao ny fahatakaran-javatra (mamarana fehezanteny iray): Mametraha sary izay mampiseho ny fiainana talohan’ ny nahaterahana sy ny fiainana an-tany ary ny fiainana aorian’ ny fahafatesana eny amin’ ny toerana telo misaraka tsara ao amin’ ilay efitrano. Manaova sarin’ endrika faly eo amin’ ny taratasy iray. Lazao ny ankizy fa isaky manangana ilay endrika faly ianao dia tokony hiteny izy ireo hoe: “Faly.” Mijoroa eo amin’ ny sarin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana ary fariparito ny Filankevitra tany an-danitra. Raha mety dia avelao ny ankizy hamarana ny fehezanteny lazainao amin’ ny hoe “faly” rehefa manangana ilay endrika faly ianao. Ohatra: “Tian’ ny Raintsika any an-danitra isika mba ho faly. Nolazainy tamintsika ny momba ilay drafiny handefa antsika ety an-tany ary hahazo vatana. Nilaza Izy fa afaka ny ho faly isika raha toa ka mankato ny didiny. Fantany fa hila Mpamonjy iray isika mba hanampiana antsika ho faly, satria tsy misy lavorary amintsika. Rehefa henontsika ny mikasika ny drafitry ny Ray any an-danitra dia tena faly isika ka nihobim-pifaliana!” Tohizo ity asa ity rehefa mifindra eny amin’ ireo toerana hafa ianao ary farito ny drafitry ny fahasambarana: “Tonga teo anivon’ ny fianakavianao ianao ary tena faly izy ireo tamin’ ny ianao teraka.” “Faly isika rehefa manao safidy tsara.” “Ho faly isika rehefa tafaraka amin’ ny fianakaviantsika sy ny Ray any an-danitra ary i Jesoa Kristy mandrakizay any amin’ ny fanjakana selestialy.” Manampia antsipiriany mikasika ilay drafitra izay mifanentana amin’ ny taona sy ny fahatakaran’ ny ankizy.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao sary): Omeo taratasy iray ny ankizy tsirairay ka ahitana sarin’ endrika faly izany sy ny teny hoe: “Drafitry ny fahasambarana ny drafitry ny Ray any an-danitra.” Asao izy ireo mba hanao ny sarin-javatra iray ao anatin’ ilay drafitry ny Raintsika any an-danitra izay mitondra hafaliana ho azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa ny drafitry ny Ray dia ny hahazoantsika fifaliana mandrakizay.

Herinandro 4: Manana ny fahafahana misafidy aho ary tompon’ andraikitra amin’ ny safidiko.

Ampahafantaro ny fotopampianarana: Manomana taratasy lavalava roa izay ahitana hoe “Manana fahafahana misafidy aho” ny iray ary ilay iray hafa dia ahitana hoe: “Tompon’ andraikitra amin’ ny safidiko aho.” Zarao vondrona roa ny ankizy. Mangataha ankizy roa handeha eny aloha. Angataho ny iray amin’ izy ireo mba hanangana ilay taratasy lavalava voalohany ary asaivo mitsangana ny iray amin’ ireo vondrona milaza ny hoe: “Manana fahafahana misafidy aho.” Angataho ilay ankizy iray hafa mba hanangana ilay taratasy lavalava faharoa ary asaivo mitsangana ilay vondrona iray hafa ary milaza hoe: “Tompon’ andraikitra amin’ ny safidiko aho.” Avereno imbetsaka izany ka avelao ny vondrona tsirairay hilaza ilay andian-teny tsirairay.

Hamorao ny fahatankaran-javatra (miresaka mikasika ny vokany): Anontanio ny ankizy ny ho vokany raha toa izy ireo ka nisafidy tsy hihinan-kanina, na nisafidy ny hikasika fatana mahamay, na handeha hiangona na ho tsara fanahy amin’ ny hafa. Hazavao fa tia antsika ny Ray any an-danitra ary tiany isika hanao safidy tsara sy hahazo ireo fitahiana avy amin’ ireo safidy ireo.

Sary
ankizy mijery sary iray

Ny fampandraisana anjara mavitrika ny ankizy rehetra ao anatin’ ny asa atao iray dia mampifantoka azy ireo ary manome azy ireo fahafahana handray anjara ao anatin’ ilay fotoam-pianarana.

Amporisiho ny fanaovana fampiharana (manao kilalao): Soraty eo amin’ ny taratasy lavalava vitsivitsy ny sasany amin’ ireo safidy tsara ary ny sasany amin’ ireo safidy ratsy izay mety ho ataon’ ny ankizy iray. Ataovy ao anatin’ ny fitoeran-javatra iray ireo taratasy lavalava ireo. Asaivo manao filaharana roa ny ankizy, filaharana iray ho an’ ny “safidy” ary filaharana iray ho an’ ny “vokany.” Asaivo mandeha eny aloha ny ankizy voalohany eo amin’ ny filaharana tsirairay ka mihira ny andininy voalohan’ ny “Bien Choisir” (Cantiques, no. 154). Asaivo misintona taratasy iray ary mamaky safidy iray ilay ankizy eo amin’ ny filaharan’ ny “safidy.” Asaivo manome izay mety ho vokatr’ izany safidy izany ilay ankizy iray hafa. Asaivo mampitsangana ny ankihibeny ny ankizy ambiny rehefa safidy tsara ilay izy ary mampanondro ambany ny ankihibeny rehefa safidy ratsy izany. Tohizo araka ny habetsaky ny fotoana izany.

Fanampiana ho an’ ireo mpampianatra hira

Angataho ny ankizy mba hihira miaraka aminao ny fiverenan-kiran’ ny “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy Hiran’ ny Ankizy, 113) ary mihaino ireo teny izay mamaritra ireo zavatra tian’ izy ireo mba hataon’ ny olona aminy. Tanisao eo amin’ ny solaitrabe ny valintenin’ izy ireo (tariho, miaraha, ampio, ampianaro). Mametraha fanontaniana mikasika ny teny tsirairay. Ohatra, “Iza no mitarika antsika?” na “Nahoana no tianao hiaraka aminao ny olona iray?” Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana noho ny fananana ray aman-dreny, mpampianatra, mpitarika, mpaminany, soratra masina, ary Fanahy Masina mba hanampy antsika hahita ny lalana miverina any amin’ ny Ray any an-danitra.